-
Tanteraka Foana Izay Lazainy MialohaNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Jona
-
-
Tanteraka Foana Izay Lazainy Mialoha
“Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.”—JOSOA 23:14.
INONA NO MAMPIAVAKA NY BAIBOLY? Malaza ho tsy mazava sy tsy azo itokisana izay nolazain’ny mpisikidy fahiny momba ny hoavy. Toy izany koa ny tononandro ankehitriny. Misy indray maminavina ny hoavy arakarak’izay zava-misy ankehitriny. Tsy vitan’izy ireo anefa ny milaza amin’ny an-tsipiriany izay hitranga afaka taonjato maro. Ny Baiboly kosa “manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.” (Isaia 46:10) Lazainy mihitsy aza ny tsipiriany ary tanteraka foana izany avy eo.
OHATRA: Nahazo fahitana i Daniela mpaminany, tamin’ny taonjato fahenina Talohan’i Kristy (T.K.), hoe ho resin’i Gresy i Media sy Persa. Hitany koa fa raha vao avy mandresy ny mpanjakan’i Gresy ka lasa ‘matanjaka’, dia ho rava ny fanjakany. “Hisy fanjakana efatra” avy eo hisolo azy, ary avy amin’ny fireneny ihany izy ireo “saingy tsy hitovy hery aminy.”—Daniela 8:5-8, 20-22.
INONA NO LAZAIN’NY MPAHAY TANTARA? Lasa mpanjakan’i Gresy i Aleksandra Lehibe, 200 taona mahery taorian’ny andron’i Daniela. Resiny ny Fanjakana Medianina sy Persianina, ka nitariny hatrany amin’ny Reniranon’i Indus (any Pakistan ankehitriny) ny fanjakany. Maty tampoka anefa i Aleksandra tamin’izy 32 taona. Nisy ady avy eo teo akaikin’i Ipsos, any Azia Minora, ka ny jeneraliny efatra no nandresy. Nifampizaran’izy ireo ilay fanjakany tatỳ aoriana, saingy tsy nitovy tamin’ny fahefan’i Aleksandra ny fahefan’izy ireo.
AHOANA NY HEVITRAO? Misy boky mahavita milaza mialoha izay hitranga ve, ka tanteraka daholo avy eo izay lazainy? Sa hafa mihitsy ny Baiboly?
‘Be dia be ny zavatra lazain’ny Baiboly efa tanteraka ka tsy mitombina mihitsy ny hoe kisendrasendra fotsiny no nahatonga izany.’—MANDINIKA NY BAIBOLY NY MPAHAY LALÀNA IRAY (ANGLISY), NOSORATAN’I IRWIN LINTON
-
-
Tantara Marina fa Tsy AnganoNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Jona
-
-
Tantara Marina fa Tsy Angano
“Efa nofotorako tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra sady efa nohamariniko.”—LIOKA 1:3.
INONA NO MAMPIAVAKA NY BAIBOLY? Tsy tena misy matetika ny toerana sy olona resahin’ny angano, ary tsy voafaritra ny daty lazainy. Hafa mihitsy anefa ny Baiboly satria feno tsipiriany ny tantara ao, anisan’izany ny daty sy toerana nitrangan’ilay izy. Lasa miaiky àry ny olona fa tena ‘marina’ izy io.—Salamo 119:160.
OHATRA: Milaza ny Baiboly fa ‘nataon’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona sesitany tany Babylona i Joiakina mpanjakan’ny Joda.’ Rehefa i Evila-merodaka anefa no lasa mpanjakan’i Babylona, dia ‘nahazo sitraka taminy i Joiakina, ka navoakany avy tao am-ponja. Nomena anjara sakafo tsy tapaka avy tamin’ny mpanjaka koa izy, araka izay tokony ho azy isan’andro, nandritra ny androm-piainany.’—2 Mpanjaka 24:11, 15; 25:27-30.
INONA NO HITAN’NY MPIKAROKA? Nahita takelaka tanimanga maromaro tany Babylona fahiny izy ireo. Tamin’ny fotoana nanjakan’i Nebokadnezara II no nisian’ireo takelaka ireo. Voalaza tao fa nomena sakafo ny voafonja sy ny mpiasa tao amin’ny lapan’ny mpanjaka. Hita tao, ohatra, ny anaran’i “Yaukin [Joiakina] mpanjakan’ny Yahud (Joda)” sy ny fianakaviany. Ary tena nisy tokoa ve i Evila-merodaka, ilay nandimby an’i Nebokadnezara? Izao no soratra teo amin’ny vazy iray hita tany akaikin’i Sosa: “Lapan’i Amila-Mardoka [Evila-merodaka], mpanjakan’i Babylona, izay zanakalahin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona.”
AHOANA NY HEVITRAO? Misy boky masina mitantara zavatra marina sy voafaritra tsara hoatr’izany ve? Sa hafa mihitsy ny Baiboly?
[Teny notsongaina, pejy 5]
‘Marina sy azo itokisana kokoa noho ny an’ny boky fahiny ny fotoana sy toerana resahin’ny Baiboly.’—FANDINIHANA NY TESTAMENTA TALOHA (ANGLISY), NOSORATAN’I ROBERT WILSON
[Sary, pejy 5]
Takelaka tanimanga misy ny anaran’i Joiakina Mpanjakan’ny Joda
[Sary nahazoan-dalana]
© bpk, Berlin/Vorderasiatisches Museum, SMB/Olaf M. Tessmer/Art Resource, NY
-
-
Mifanaraka Amin’ny SiansaNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Jona
-
-
Mifanaraka Amin’ny Siansa
“Tsy efa nanoratra taminao ve aho, ka nanome anao torohevitra sy fahalalana, mba hampahafantarana anao fa azo antoka ireo teny marina? Amin’izay ianao dia hiverina hitondra teny fahamarinana.”—OHABOLANA 22:20, 21.
INONA NO MAMPIAVAKA NY BAIBOLY? Matetika no tsy azo antoka ny zavatra resahin’ny boky fahiny sady mampidi-doza. Tena diso izy ireny raha ny siansa no jerena. Na ny boky amin’izao aza mbola misy mila ahitsy mba hifanaraka amin’ny zava-baovao hitan’ny mpahay siansa. Avy amin’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao kosa ny Baiboly, ka tsy mila ovana mihitsy fa “maharitra mandrakizay.”—1 Petera 1:25.
OHATRA: Milaza ny Lalàn’i Mosesy fa tsy maintsy nanao lavaka tany “ivelan’ny toby” ny Israelita rehefa hanao maloto, ary nototofany ilay izy avy eo. (Deoteronomia 23:12, 13) Tsy maintsy nisasa koa izy ireo rehefa avy nikasika fatim-biby na fatin’olona. (Levitikosy 11:27, 28; Nomery 19:14-16) Natokan-toerana ny boka ka tsy nahazo niaraka tamin’ny olona raha tsy efa avy nozahana sy tsy natahorana hamindra.—Levitikosy 13:1-8.
INONA NO LAZAIN’NY MPITSABO? Mbola tena mandaitra hitandroana fahasalamana ilay hoe manana kabine sy misasa tanana ary manokan-toerana olona misy areti-mifindra. Izao no torohevitry ny Foibe Miady Amin’ny Aretina, any Etazonia, raha tsy manana kabine isika: “Mialà 30 metatra, fara fahakeliny, avy eo amin’ny toerana misy rano be rehefa hanao maloto, ary totofy ilay izy avy eo.” Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa hihena 36 isan-jato ny ho voan’ny aretim-pivalanana raha manana kabine ara-dalàna daholo ny mponina. Tsy ampy 200 taona akory izay, dia hitan’ny dokotera fa namindra aretina hafa tamin’ny marary izy ireo satria tsy nanasa tanana rehefa avy nikasika faty. Milaza ilay foibe any Etazonia fa “ny fanasana tanana ihany no fomba mahomby indrindra tsy hampiparitaka aretina.” Hoy koa ny Gazety Saodianina Momba ny Fitsaboana (anglisy): “Vao voan’ny areti-mifindra ny olona iray dia tokony hatokan-toerana. Izay ihany no fomba mandaitra tsy hifindran’ilay izy.”
AHOANA NY HEVITRAO? Misy boky masina tranainy tena mifanaraka amin’ny siansa ve? Sa hafa mihitsy ny Baiboly?
‘Miaiky daholo ny olona hoe tena tsara ny fomba fitandroana fahasalamana tamin’ny andron’i Mosesy.’—BOKY MOMBA NY FITSABOANA NY ARETINA ANY AMIN’NY TANY MAFANA (ANGLISY), NOSORATAN’I ALDO CASTELLANI SY ALBERT CHALMERS, DOKOTERA
-
-
Boky Mirindra TsaraNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Jona
-
-
Boky Mirindra Tsara
“Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”—2 PETERA 1:21.
INONA NO MAMPIAVAKA NY BAIBOLY? Matetika no mifanipaka ny zavatra lazain’ny boky fahiny, na dia tamin’ny fotoana mitovy ihany aza no nanoratana azy. Mifanohitra foana koa ny zavatra lazain’ny boky nosoratan’olona samihafa, tany amin’ny toerana samihafa, ary tamin’ny fotoana samy hafa. Avy amin’Andriamanitra kosa ny boky 66 ao amin’ny Baiboly, ary mifandray sy tsy mifanipaka ny zavatra rehetra voalaza ao.—2 Timoty 3:16.
OHATRA: Mpiandry ondry tamin’ny taonjato faha-16 T.K. i Mosesy, ary izy no nanoratra ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly. Lazainy ao fa hisy ‘taranaka’ iray hamonjy ny olombelona, ary ho taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba izy io. (Genesisy 3:15; 22:17, 18; 26:24; 28:14) Nilaza i Natana mpaminany, 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana, hoe ho taranak’i Davida Mpanjaka ilay taranaka. (2 Samoela 7:12) Nohazavain’ny apostoly Paoly, 1 000 taona taorian’izay, fa i Jesosy sy ny mpianany nofidiny ilay taranaka. (Romanina 1:1-4; Galatianina 3:16, 29) Resahin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, fa hitory momba an’i Jesosy ireo mpianany anisan’io taranaka io. Hatsangana ho any an-danitra izy ireo avy eo, ary hiara-manjaka amin’i Jesosy 1 000 taona. Handringana ny Devoly ilay taranaka ary hamonjy ny olombelona.—Apokalypsy 12:17; 20:6-10.
INONA NO LAZAIN’NY MANAM-PAHAIZANA MOMBA NY BAIBOLY? Gaga i Louis Gaussen rehefa nandinika an’ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly. Izao no nosoratany: “Mirindra tsara izy rehetra, na dia nosoratan’olona maro samihafa nandritra ny 1 500 taona aza. ... Tsy azon’izy ireo tsara ny zavatra noresahiny, nefa mifampitohy ary miafara amin’ilay nanavotan’ny Zanak’Andriamanitra an’izao tontolo izao.”
AHOANA NY HEVITRAO? Mety hisy ve ny hoe boky nosoratan’olona 40 teo ho eo nandritra ny 1 500 taona mahery, nefa mifanaraka tsara daholo izay lazainy? Sa hafa mihitsy ny Baiboly?
“Tsy misy mifanipaka ny zavatra lazain’ny Baiboly manomboka any amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy ... Tsy misy boky tena mitovy na mitovitovy amin’io mihitsy eran’izao tontolo izao.”—ZAVATRA NODINIHINA MOMBA NY TESTAMENTA TALOHA (ANGLISY), NOSORATAN’I JAMES ORR
-
-
Tsy Lany Andro ny TorohevinyNy Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Jona
-
-
Tsy Lany Andro ny Toroheviny
“Jiro ho an’ny tongotro ny teninao, sady fahazavana ho an’ny lalako.”—SALAMO 119:105.
INONA NO MAMPIAVAKA NY BAIBOLY? Mety hoe tena kanto ny asa soratra sasany, nefa tsy natao hanome tari-dalana eo amin’ny fiainana. Ny boky misy torohevitra indray mila havaozina foana. “Nosoratana ho fianarantsika” kosa anefa “izay rehetra voasoratra” ao amin’ny Baiboly.—Romanina 15:4.
OHATRA: Tsy boky momba ny fitsaboana ny Baiboly, nefa ahitana torohevitra mahasoa momba ny fahasalamana. Lazainy ao, ohatra, fa “mamelombelona ny vatana ny fo tony.” (Ohabolana 14:30) Mampitandrina koa izy hoe: “Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany, ka toheriny daholo rehefa mety ho hevitra feno fahendrena.” (Ohabolana 18:1) Milaza koa anefa izy fa ‘sambatra kokoa ny manome noho ny mandray.’—Asan’ny Apostoly 20:35.
INONA NO LAZAIN’NY MPIKAROKA? Salama kokoa ianao raha tony foana, tia manome, ary mana-namana akaiky. Hoy ny Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana (anglisy): “Atahorana ho tapaka lalan-dra kokoa ny olona mora misafoaka noho ny olona mifehy hatezerana.” Nisy fanadihadiana natao nandritra ny folo taona koa tany Aostralia. Hita fa ela velona kokoa ny zokiolona “be namana sy nana-namana azony namborahana ny tao am-pony.” Nilaza koa ny mpikaroka avy any Kanada sy Etazonia, tamin’ny 2008, fa “mahafaly kokoa ny mividy zavatra ho an’ny hafa noho ny mandany vola ho an’ny tena fotsiny.”
AHOANA NY HEVITRAO? Atokisanao ve ny torohevitra momba ny fahasalamana lazain’ny boky iray, raha efa ho 2 000 taona lasa ilay izy no nosoratana? Sa hafa mihitsy ny Baiboly?
[Teny notsongaina, pejy 8]
“Manintona ahy ny Baiboly ... satria misy torohevitra mahasoa momba ny fahasalamana.”—HOWARD KELLY, ANISAN’NY NANORINA NY FIANARANA FITSABOANA AO AMIN’NY ONIVERSITE JOHNS HOPKINS
-