FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Azo Inoana ve ny Fahagagana Resahin’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Aogositra
    • Azo Inoana ve ny Fahagagana Resahin’ny Baiboly?

      AHOANA raha misy olona mitantara zavatra tsy fahita aminao? Azo antoka fa arakaraka ny fomba itantarany an’ilay izy no inoanao azy na tsia. Mety hiankina amin’ilay olona mihitsy koa anefa izany, ohatra hoe malaza ho miteny ny marina foana ve izy. Raha niteny ny marina taminao foana izy hatramin’izay fa tsy mbola nandainga mihitsy, dia tsy hino azy ve ianao?

      Toy izany koa ny fahagagana lazain’ny Baiboly. Samy tsy nisy nahita azy ireny isika. Azo fantarina anefa raha azo inoana izay voalazan’ny Baiboly momba azy ireny na tsia. Amin’ny fomba ahoana? Diniho ireto:

      Matetika no teny imason’olona no nitranga ireny fahagagana ireny. Nisy fotoana aza olona an’arivony na an-tapitrisany mihitsy no nahita azy ireny. (Eksodosy 14:21-31; 19:16-19) Tsy natao tany amin’ny takontakona izy ireny.

      Tsy be filirony ireny fahagagana ireny. Tsy nisy fitaovana na sehatra manokana nampiasaina tamin’izany. Matetika izy ireny no natao tampotampoka na noho ny fangatahan’olona. (Marka 5:25-29; Lioka 7:11-16) Tsy niomana akory aza ilay nanao fahagagana.

      Tsy natao hahazoana laza na voninahitra na harena ireny fahagagana ireny. Natao hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra kosa izy ireny. (Jaona 11:1-4, 15, 40) Voaheloka izay olona nitetika ny hahazo harena tamin’ny fanaovana fahagagana.—2 Mpanjaka 5:15, 16, 20, 25-27; Asan’ny Apostoly 8:18-23.

      Isan-karazany ny fahagagana tantarain’ny Baiboly, ka azo antoka fa tsy avy tamin’ny herin’olombelona izy ireny. Anisan’izany ny hoe lasa tony ny ranomasina sy ny tafio-drivotra, niova ho divay ny rano, natsahatra ny orana ary natao avy indray avy eo, sitrana ny marary, ary nahita ny jamba. Hita avy amin’ireny sy ny fahagagana hafa fa tsy maintsy ho hery mihoatra lavitra noho ny an’ny olombelona no nanao azy ireny. Vitan’io hery io daholo na inona na inona.—1 Mpanjaka 17:1-7; 18:41-45; Matio 8:24-27; Lioka 17:11-19; Jaona 2:1-11; 9:1-7.

      Tsy nolavin’ny mpanohitra hoe nitranga ireny fahagagana ireny. Na ny mpanohitra an’i Jesosy aza tsy nanda hoe maty i Lazarosy tamin’i Jesosy nanangana azy. Efa efatra andro be izao mantsy i Lazarosy no maty. (Jaona 11:45-48; 12:9-11) Niaiky koa ny mpanoratra ny Talmoda, boky masina jiosy, fa nanana hery nanaovana fahagagana i Jesosy. Efa taonjato maro talohan’izy ireo anefa i Jesosy no maty. Tian’izy ireo ho fantatra fotsiny hoe avy taiza no nahazoany izany hery izany. Rehefa nentina teo amin’ny fitsarana jiosy koa ny mpianatr’i Jesosy, dia tsy nisy nanontany hoe: “Nanao fahagagana ve ianareo?”, fa hoe: “Fahefana avy aiza, ary tamin’ny anaran’iza no nanaovanareo izao?”—Asan’ny Apostoly 4:1-13.

      Hitantsika teo àry fa azo itokisana tanteraka ny fahagagana lazain’ny Baiboly. Misy antony hafa koa anefa tokony hatokisana azy ireny. Rehefa mitantara, ohatra, ny Baiboly, dia matetika no lazainy ny anaran’ny olona sy ny toerana ary ny fotoana. Na ny mpitsikera Baiboly aza gaga satria marina daholo ny tsipiriany voalaza ao. An-jatony izay ny zavatra nolazain’ny Baiboly mialoha, efa tanteraka hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra. Ahitana torohevitra hanatsarana ny fifandraisana amin’ny hafa koa ao, ary tsy manan-tsahala izy ireny. Olona isan-tsokajiny no efa nandray soa tamin’izy ireny.

      Nahoana raha manokana fotoana handinihana tsara ny Baiboly raha mbola tsy matoky tanteraka izay lazainy ianao? Arakaraka ny hianaranao azy io mantsy no vao mainka hatokisanao azy. (Jaona 17:17) Ho hitanao amin’izay fa tena marina ny zavatra tantarainy momba ireo fahagagana fahiny. Rehefa mino azy ireny ianao, dia tsy ho sarotra aminao ny hino izay lazain’ny Baiboly fa hitranga tsy ho ela.

      [Sary, pejy 7]

      Na ny mpanohitra an’i Jesosy aza tsy nanda hoe maty i Lazarosy

  • Hisy Fahagagana Tsy ho Ela!
    Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Aogositra
    • Hisy Fahagagana Tsy ho Ela!

      AOKA hatao hoe mila didiana ianao sady fandidiana sarotra ilay izy. Ahoana anefa raha fantatrao hoe sambany ilay dokotera vao hanao fandidiana toy ilay hatao aminao? Azo antoka fa hatahotra be ianao. Ahoana kosa raha fantatrao hoe izy no dokotera mahay indrindra an’ilay karazana fandidiana? Efa nandidy olona an-jatony nitovy aretina taminao koa izy ary vita soa aman-tsara daholo izany. Tsy hatoky kokoa azy ve ianao?

      Toy ny marary mila fandidiana lehibe ity tontolo misy antsika ity. Mampanantena àry i Jehovah Andriamanitra fa hovany ho Paradisa indray ny tany. (2 Petera 3:13) Tsy maintsy hofoanana tanteraka anefa aloha ny faharatsiana. (Salamo 37:9-11; Ohabolana 2:21, 22) Mila hesorina koa ny zavatra mampalahelo rehetra. Tsy maintsy hisy fahagagana àry vao hisy izany rehetra izany!—Apokalypsy 21:4, 5.

      Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa ho tanteraka tsy ho ela ireo. Efa nanao fahagagana mantsy i Jehovah taloha, ka azo antoka fa hahavita hanatanteraka izay nampanantenainy izy. Ireto, ohatra, misy fahagagana enina nitranga tamin’ny lasa sy fampanantenana amin’ny hoavy. Ampitahao ange izy ireo e!

      Enga anie ianao ka hanohy hianatra izay ampanantenain’ny Baiboly amin’ny hoavy. Hitombo ny finoanao amin’izay, ary vao mainka tsy ho andrinao ny fotoana hanaovan’i Jehovah fahagagana, ka ianao mihitsy no handray soa amin’izany.

      [Efajoro/Sary, pejy 9, 10]

      FAHAGAGANA:

      NANOME SAKAFO OLONA AN’ARIVONY TAMIN’NY MOFO SY TRONDRO VITSIVITSY MONJA I JESOSY.—MATIO 14:13-21; MARKA 8:1-9; JAONA 6:1-14.

      FAMPANANTENANA:

      “Hahavokatra tokoa ny tany. Hitahy antsika Andriamanitra, eny, ilay Andriamanitsika.”—SALAMO 67:6.

      NY DIKANY:

      TSY HISY OLONA TSY AMPY SAKAFO INTSONY.

      FAHAGAGANA:

      NAMPAHIRATRA NY JAMBA I JESOSY.—MATIO 9:27-31; MARKA 8:22-26.

      FAMPANANTENANA:

      “Hampahiratina ny mason’ny jamba.”—ISAIA 35:5.

      NY DIKANY:

      HAHITA DAHOLO NY JAMBA.

      FAHAGAGANA:

      NOSITRANIN’I JESOSY NY KILEMAINA.—MATIO 11:5, 6; JAONA 5:3-9.

      FAMPANANTENANA:

      “Hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra.”—ISAIA 35:6.

      NY DIKANY:

      HO SITRANA DAHOLO NY KILEMAINA.

      FAHAGAGANA:

      NANASITRANA KARAZANA ARETINA MARO I JESOSY.—MARKA 1:32-34; LIOKA 4:40.

      FAMPANANTENANA:

      “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—ISAIA 33:24.

      NY DIKANY:

      HOFOANANA DAHOLO NY ARETINA. HO SALAMA TSARA NY OLON-DREHETRA.

      FAHAGAGANA:

      NAHAFEHY NY HERIN’NY NATIORA I JESOSY.—MATIO 8:23-27; LIOKA 8:22-25.

      FAMPANANTENANA:

      “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy ho very maina ny fisasarany.”—ISAIA 65:21, 23.

      “Ho lavitra anao ny zavatra mampihorohoro satria tsy hanatona anao ireny.”—ISAIA 54:14.

      NY DIKANY:

      TSY HISY INTSONY NY LOZA VOAJANAHARY.

      FAHAGAGANA:

      NANANGANA NY MATY I JESOSY.—MATIO 9:18-26; LIOKA 7:11-17.

      FAMPANANTENANA:

      ‘Hivoaka izay rehetra any am-pasana.’—JAONA 5:28, 29.

      “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafatesana sy ny Fasana namoaka ny maty tao aminy.”—APOKALYPSY 20:13.

      NY DIKANY:

      HATSANGANA NY HAVANTSIKA EFA MATY.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara