-
Ahoana no Hijoroanao eo Anoloan’ny Seza Fitsarana?Ny Tilikambo Fiambenana—1995 | 15 Oktobra
-
-
Zanany malalany”, i Jehovah. — Kolosiana 1:13; 3:1.
15, 16. a) Nahoana isika no milaza fa tsy tonga Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy tamin’ny 33 am.f.i.? b) Oviana i Jesosy no nanomboka nanapaka tao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra?
15 Tamin’izay fotoana izay anefa, dia tsy niasa tamin’ny naha-Mpanjaka sy Mpitsara azy teo amin’ireo firenena, i Jesosy. Nipetraka teo anilan’Andriamanitra izy, niandry ilay fotoana hiasany amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanoratra toy izao momba azy, i Paoly: “Anjely iza no mba nilazany hoe: ‘Mipetraha eo an-tànako ankavanana, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao’?” — Hebreo 1:13.
16 Namoaka porofo betsaka ny Vavolombelon’i Jehovah fa ilay fotoam-piandrasan’i Jesosy dia tapitra tamin’ny 1914, rehefa tonga mpanapaka ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra tsy hita maso izy. Hoy ny Apokalypsy 11:15, 18: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” “Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao”. Eny, nifaneho fahatezerana ireo firenena nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. (Lioka 21:24). Ireo ady sy horohoron-tany sy areti-mandringana sy ny tsy fahampian-kanina ary ny toy izany, izay hitantsika hatramin’ny 1914 dia manamafy fa manapaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izao i Jesosy, ary akaiky ny faran’izao tontolo izao. — Matio 24:3-14.
17. Hevitra tena lehibe inona avy no voaorintsika hatreto?
17 Indro misy famerenana fohy: Andriamanitra dia azo lazaina hoe mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana amin’ny maha-Mpanjaka azy, kanefa amin’ny heviny hafa dia afaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy mba hitsara. Tamin’ny 33 am.f.i., i Jesosy dia nipetraka teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra, ary izao izy dia Mpanjaka ao amin’ilay Fanjakana. Kanefa moa ve manompo amin’ny maha-Mpitsara koa i Jesosy amin’izao izy manjaka amin’ny maha-Mpanjaka izao? Ary nahoana izany no tokony hahakasika antsika, indrindra amin’izao fotoana izao?
18. Inona no porofo fa ho Mpitsara koa i Jesosy?
18 I Jehovah izay manana zo hanendry mpitsara, dia nifidy an’i Jesosy ho Mpitsara mahafeno ireo fepetra takin’ny fari-pitsipiny. Nampiseho izany i Jesosy fony izy niresaka ny amin’ny olona izay nanjary velona ara-panahy: “Ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka”. (Jaona 5:22). Na dia izany aza, dia lasa lavitra kokoa noho io karazana fitsarana io ny anjara asan’i Jesosy ara-pitsarana, satria mpitsara ny velona sy ny maty izy. (Asan’ny Apostoly 10:42; 2 Timoty 4:1). Nanambara toy izao i Paoly indray mandeha: “Izy [Andriamanitra] efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray [Jesosy] vo[a]tendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy”. — Asan’ny Apostoly 17:31; Salamo 72:2-7.
19. Nahoana no mety ny ilazana an’i Jesosy ho mipetraka amin’ny maha-Mpitsara?
19 Moa ve isika, araka izany, manana antony ara-dalàna hanatsoahana hevitra fa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana be voninahitra iray i Jesosy, manana ilay anjara asa voafaritra tsara hoe Mpitsara? Eny. Nilaza tamin’ireo apostoly toy izao i Jesosy: “Rehefa mby amin’ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’olona, hianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ka hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.” (Matio 19:28, izahay no manao sora-mandry.) Na dia Mpanjakan’ilay Fanjakana aza i Jesosy ankehitriny, ny asany fanampiny voalaza ao amin’ny Matio 19:28 dia hahafaoka fipetrahana eo amin’ny seza fiandrianana mba hitsara mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Amin’izay fotoana izay no hitsarany ny taranak’olombelona manontolo, dia ny marina sy ny tsy marina. (Asan’ny Apostoly 24:15, NW ). Mahasoa ny mitadidy izany ao an-tsaina rehefa mampitodika ny saintsika any amin’ny iray amin’ireo fanoharana nataon’i Jesosy izay mifandray amin’ny androntsika sy ny fiainantsika isika.
Inona no lazain’ilay fanoharana?
20, 21. Inona no fanontaniana mifandray amin’ny androntsika nataon’ireo apostolin’i Jesosy, ka mitarika ho amin’ny fanontaniana inona izany?
20 Taloha kelin’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanontany azy toy izao ireo apostoliny: “Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” (Matio 24:3, NW ). Nanambara mialoha fisehoan-javatra lehibe eto an-tany alohan’ny ‘hahatongavan’ny farany’, i Jesosy. Aloha kelin’izany farany izany, dia “hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra” ireo firenena. — Matio 24:14, 29, 30.
21 Hanao ahoana anefa ny olona eo amin’ireo firenena ireo rehefa tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’olona? Aoka hojerentsika izany avy amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy, izay miandoha amin’ny teny hoe: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany”. — Matio 25:31, 32.
22, 23. Hevitra inona avy no mampiseho fa tsy nanomboka tamin’ny 1914 ny fahatanterahan’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy?
22 Mihatra ve io fanoharana io fony i Jesosy nipetraka nahazo fahefan’ny mpanjaka tamin’ny 1914, araka ny nahazoantsika ny heviny hatramin’ny ela? Ny Matio 25:34 dia tena miresaka an’i Jesosy ho Mpanjaka, koa araka ny lojika àry, dia nihatra hatramin’ny nahatongavan’i Jesosy ho Mpanjaka tamin’ny 1914, ilay fanoharana. Fitsarana inona anefa no nataony tsy ela taorian’izay? Izany dia tsy ny fitsarana “ny firenena rehetra”. Nampitodika ny sainy kosa izy, ho amin’ireo izay nilaza tena ho nahaforona ny “ankohonan’Andriamanitra”. (1 Petera 4:17, izahay no manao sora-mandry.) Mifanaraka amin’ny Malakia 3:1-3, dia nanao fisafoana ara-pitsarana an’ireo Kristiana voahosotra sisa teto an-tany i Jesosy, tamin’ny naha-irak’i Jehovah azy. Tamin’izay koa no fotoana nanamelohana ara-pitsarana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izay nilaza tena tamin’ny fomba diso ho “ankohonan’Andriamanitra”.c (Apokalypsy 17:1, 2; 18:4-8). Na dia izany aza, dia tsy misy na inona na inona mampiseho fa tamin’izay fotoana izay, na hatramin’io fotoana io, i Jesosy no nipetraka mba hitsara ny olona amin’ny firenena rehetra ho ondry na osy amin’ny farany.
23 Raha fakafakaintsika ny asan’i Jesosy ao amin’ilay fanoharana, dia hahita azy hitsara ny firenena rehetra isika amin’ny farany. Ilay fanoharana dia tsy mampiseho hoe hitohy mandritra ny fe-potoana miitatra an-taonany maro izany fitsarana izany, toy ny hoe ny olona rehetra maty nandritra ireo am-polony taona maro lasa ireo dia efa voatsara ho mendrika fahafatesana mandrakizay na fiainana mandrakizay. Toa hita fa ny ankamaroan’ireo maty tao anatin’ireo am-polony taona farany dia nankany amin’ny fasana iombonan’ny olombelona. (Apokalypsy 6:8; 20:13). Ilay fanoharana anefa dia milazalaza ilay fotoana hitsaran’i Jesosy ny “firenena rehetra” izay velona amin’izay ka hiatrika ny fampiharana ny fanamelohana.
24. Rahoviana no ho tanteraka ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy?
24 Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia manondro ny hoavy ilay fanoharana, rehefa ho tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’olona. Hipetraka izy mba hitsara ireo olona velona amin’izay fotoana izay. Ny fitsarany dia hiorina amin’izay ho efa nahariharin’izy ireo ny amin’ny tenany. Amin’izay fotoana izay, dia ho efa voaorina mazava tsara “ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka”. (Malakia 3:18). Ilay tena fanononana sy ny fampiharana ny didim-pitsarana dia hotontosaina ao anatin’ny fotoana voafetra. Hamoaka fanapahan-kevitra ara-drariny miorina amin’izay ho nanjary niharihary mahakasika ny isam-batan’olona, i Jesosy. — Jereo koa ny 2 Korintiana 5:10.
25. Inona no lazalazain’ny Matio 25:31 rehefa miresaka ny amin’ny Zanak’olona mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny?
25 Izany àry dia midika fa ny ‘fipetrahan’i Jesosy eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny’ ho fitsarana, izay voalaza ao amin’ny Matio 25:31, dia mihatra amin’ny fotoana mbola hoavy, rehefa hipetraka io Mpanjaka mahery io mba hanonona sy hampihatra didim-pitsarana amin’ireo firenena. Eny, ilay fisehoan-javatra ara-pitsarana izay mahatafiditra an’i Jesosy ao amin’ny Matio 25:31-33, 46, dia azo ampitahaina amin’ilay fisehoan-javatra ao amin’ny Daniela toko faha-7 izay nisy an’ilay Mpanjaka am-perinasa, dia ny Fahagola, nipetraka mba hanatontosa ny anjara asany amin’ny maha-Mpitsara.
26. Fanazavana vaovao inona momba ilay fanoharana no manjary miharihary?
26 Ny fahatakarana ny hevitr’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy amin’izany fomba izany dia milaza fa mbola ho avy ny famoahana ny didim-pitsarana ho an’ny ondry sy ny osy. Hitranga izy io aorian’ny fipoahan’ilay “fahoriana” voalaza ao amin’ny Matio 24:29, 30, ka ‘ho tonga amin’ny voninahiny’ ny Zanak’olona. (Ampitahao amin’ny Marka 13:24-26.) Avy eo, miaraka amin’ny faran’ny fandehan-javatra ratsy manontolo, dia hitsara i Jesosy ka hamoaka sy hampihatra didim-pitsarana. — Jaona 5:30; 2 Tesaloniana 1:7-10.
27. Tokony ho liana amin’ny fahafantarana inona momba ilay fanoharana farany nataon’i Jesosy isika?
27 Izany dia manazava ny fahatakarantsika ny fotoana hitrangan’ilay fanoharan’i Jesosy, izay mampiseho ny fotoana hitsarana ny ondry sy ny osy. Amin’ny ahoana anefa izany no misy fiantraikany eo amintsika izay mitory amin-jotom-po ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana? (Matio 24:14, NW ). Moa ve izany mahatonga ny asantsika hihen-danja, sa mitondra andraikitra mavesatra kokoa? Aoka hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fiantraikan’izany eo amintsika.
-
-
Inona ny Hoavy ho An’ny Ondry sy ny Osy?Ny Tilikambo Fiambenana—1995 | 15 Oktobra
-
-
Inona ny Hoavy ho An’ny Ondry sy ny Osy?
“Hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy”. — MATIO 25:32.
1, 2. Nahoana no tokony hahaliana antsika ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy?
AZO antoka fa i Jesosy Kristy no Mpampianatra lehibe indrindra teto an-tany. (Jaona 7:46). Iray amin’ireo fomba fampianarany ny fampiasana fanoharana na sary. (Matio 13:34, 35). Tsotra izy ireny kanefa dia nahery teo amin’ny fampitana fahamarinana ara-panahy sy ara-paminaniana lalina.
2 Ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy, dia nanondro fotoana iray hanaovany asa manokana, i Jesosy: “Raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, (...)”. (Matio 25:31). Tokony hahaliana antsika izy io satria io no fanoharana namaranan’i Jesosy ny valin-teniny tamin’ilay fanontaniana hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” (Matio 24:3, NW ). Midika ho inona ho antsika anefa izany?
3. Teo aloha kokoa tao amin’ilay lahateniny, inona no nolazain’i Jesosy fa hiseho raha vao afaka ny fanombohan’ny fahoriana lehibe?
3 Nambaran’i Jesosy mialoha ny fisehoan-javatra manaitra ho tonga “raha vao afaka” ny fipoahan’ny fahoriana lehibe, dia fisehoan-javatra izay andrasantsika. Nilaza izy fa amin’izay dia hiseho “ny famantarana ny Zanak’olona”. Izany dia hisy fiantraikany lehibe eo amin’ireo “firenena rehetra ambonin’ny tany” izay “hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra”. Ilay Zanak’olona dia harahin’ireo “anjeliny”. (Matio 24:21, 29-31).a Ahoana ny amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy? Ireo Baiboly maoderina dia mametraka azy io ao amin’ny Matio toko faha-25, kanefa dia tapany amin’
-