-
Hafa Mihitsy ny Olana Atrehin’Ilay FianakavianaMifohaza!—2012 | Aprily
-
-
Hafa Mihitsy ny Olana Atrehin’Ilay Fianakaviana
● Milaza i Patricia Papernow, manam-pahaizana momba ny fianakaviana, fa tsy tokony hitovy ny torohevitra homena ny fianakaviana misy raikely na renikely sy ny fianakaviana tsy misy an’izany. Toy ny hoe mankany amin’ny tany iray ianao nefa mampiasa sarintanin’ny tany hafa, raha manao izany.
Hafa mihitsy sady sarotra kokoa ny olana atrehin’ny fianakaviana misy raikely na renikely. Ny fifandraisana eo amin’izy ireo, hoy i William Merkel psikology, no “fifandraisana manahirana indrindra sy tsy ara-dalàna indrindra ary sarotra indrindra.”
Ahoana àry no hahombiazan’ny fianakaviana toy izany? Toy ny zaitra amin’ny bemiray ny fifandraisan’ny mpianakavy misy raikely na renikely. Malemy ilay zaitra amin’ny voalohany. Rehefa vita tanteraka anefa ilay bemiray, dia ho mafy tsara ny zaitra rehetra, raha voazaitra tsara ilay izy.
Hojerentsika izao ny olana vitsivitsy fahita eo amin’ny fianakaviana misy raikely na renikely, sy hoe inona no nanampy ny maro tamin’ireny fianakaviana ireny. Handinika fianakaviana efatra nahomby isika, avy eo.
OLANA VOALOHANY: TSY TANTERAKA IZAY NANTENAINA
“Nihevitra aho hoe ho tian’ny zana-badiko rehefa tia sy mikarakara be azy ireo. Valo taona izay no nanaovako an’izany nefa ny eo ihany no eo.”—Gloria.a
MATETIKA no manantena zavatra be ny olona manambady fanindroany. Manantena izy fa hahay hisoroka na hanarina ny olana tany aloha sady ho tiana sy tsy hanana ahiahy kokoa. Tsy tanteraka mihitsy anefa ny zavatra sasany antenainy ka lasa miady saina izy. Hoy ny Baiboly: “Marary ny fo raha mihemotra foana ny fahatanterahan’ny zavatra antenaina.” (Ohabolana 13:12) Inona no azo atao raha mankarary fo ny faniriana tsy tanteraka?
NY AZONAO ATAO
Aza odian-tsy hita ny zavatra tsapanao. Tsy hisinda ho azy akory izany. Fantaro kosa hoe inona no antenainao nefa tsy tanteraka ka mahakivy anao. Diniho avy eo ny antony anantenanao an’ilay izy mba hahitanao hoe nahoana ilay izy no irinao ho tanteraka. Farany, miezaha hitady zavatra azo tanterahina. Diniho ireto:
1. Tonga dia hifankatia be izahay sy ny zana-badiko.
Nahoana? Efa ela aho no te hanana fianakaviana mifankatia sy mifandray tsara.
Ny azo antenaina kokoa: Mety hifankatia kokoa izahay rehefa mandeha ny fotoana. Ny zava-dehibe aloha izao dia ny hahatonga ny tsirairay ho tsy manana ahiahy sy hohajaina.
2. Vetivety dia ho zatra ny rehetra.
Nahoana? Samy naniry izahay tamin’ny voalohany hoe hahafinaritra ny fiarahana.
Ny azo antenaina kokoa: Efatra ka hatramin’ny fito taona matetika vao milamindamina ny fiainan’ny fianakaviana misy raikely na renikely. Ara-dalàna raha tsy mifanaraka izahay.
3. Tsy hampiady anay ny resa-bola.
Nahoana? Mifankatia izahay ka tsy hifamaly amin-javatra tsy misy dikany.
Ny azo antenaina kokoa: Saro-bahana ny olana ara-bola teo amin’ny tokantranonay teo aloha. Mety mbola tsy ho vonona hifampizara ny volanay rehetra izahay.
OLANA FAHAROA: TSY MIFANKAHAZO HEVITRA
“Vetivety dia zatra izahay. Tonga dia nifankazatra tsara ny rehetra.”—Yoshito.
“Afaka folo taona teo ho eo aho vao tena vonona ny hiezaka hampandeha tsara ny fiainana tao an-trano.”—Tatsuki, zanaky ny vadin’i Yoshito.
TOA an’i Yoshito sy Tatsuki, dia mety tsy hahatakatra an’izay tsapan’ny hafa ny mpianakavy ao amin’ny fianakaviana misy raikely na renikely. Zava-dehibe ny hahalalana an’izany satria mety ho te hanao zavatra haingana ianao rehefa misy olana. Tokony ho azonao anefa aloha ny fihevitry ny fianakavianao raha te hahita vokatra tsara ianao.
Zava-dehibe ny fomba firesaka, satria sady mety hanindrona ny teny no mety hampahery. Hoy ny Baiboly: “Samy vitan’ny lela na ny mahafaty na ny mahavelona.” (Ohabolana 18:21) Ahoana àry no azonao ampiasana tsara ny lelanao?
NY AZONAO ATAO
• Fantaro ny fihetseham-pon’ny hafa. Mahaiza miombom-pihetseham-po aminy fa aza mitsaratsara. Ohatra:
Ekeo fa malahelo tokoa ny zanakao rehefa milaza hoe: “Malahelo an’i Dada aho.” Aza miteny hoe: “Tia anao ange ny raikelinao sady ilainao kokoa noho ny dadanao e!” Mitenena kosa hoe: “Mafy aloha izany e! Fa inona no tena alahelovanao azy?”
Lazao amin’ilay vadinao vaovao izay tsapanao fa aza miteny hoe: “Tsy ho ratsy toetra hoatran’iny ny zanakao raha nahay nitaiza ianao.” Izao kosa, ohatra, lazaina: “Tena tiako raha mba asainao miarahaba ahy i Andry isaky ny miditra ny trano.”
• Hararaoty hifankahalalana ny fotoana iarahanareo misakafo sy miala voly ary manompo an’Andriamanitra.
• Manaova fandaharana mba hihaonan’ny rehetra ao an-trano ary ataovy tsy tapaka izany. Avelao hiteny ny tsirairay fa aza tapahina, ka izay zavatra tsara momba anareo mianakavy aloha resahina, izay vao ny zavatra mampanahy anareo. Mifanajà na dia tsy mitovy hevitra aza ianareo, ary avelao ny rehetra hanome soso-kevitra.
OLANA FAHATELO: MAHATSIARO HO VOAILIKILIKA
“Miara-mikononkonona any ny vadiko sy ny zanany, dia itambaran-dry zareo aho avy eo. Ailikilik’izy ireo aho.”—Walt.
METY hiteraka olana hafa mihitsy ny tahotra ny ho voailikilika. Anisan’izany, ohatra, ireto:
• Mety ho sarotra amin’ny ankizy ny mifandray tsara amin’ny raikeliny na ny renikeliny, na dia nifandray tsara aza izy ireo taloha.
• Ialonan’ny raikeliny na ny renikeliny ny ankizikely enin-taona.
• Zavatra toa tsy misy dikany ao an-trano dia mety ho lasa ady be.
Misy vokany eo amin’ilay ray na reny niteraka koa izany, satria sahiran-tsaina izy rehefa tsy mety mifanaraka ny zanany sy ny vadiny. Hoy i Carmen: “Sahirana be aho satria tsy maintsy manelanelana ny vadiko sy ny zanako mianadahy.”
Manampy hiatrika an’izany olana izany ny toro lalan’ny Baiboly. Hoy i Jesosy: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Inona no hanampy ny fianakaviana misy raikely na renikely tsy hifanilikilika?
NY AZONAO ATAO
• Omeo ny toerana voalohany ao an-tokantrano ny vadinao. (Genesisy 2:24) Manokàna fotoana iarahana aminy ary ataovy mazava amin’ny ankizy ny toerany ao an-trano. Afaka milaza toy izao amin’ny zanany, ohatra, ny lehilahy, na alohan’ny hanambadiany aza: “Tiako i Soa ary ho vadiko izy. Fantatro fa hanaja azy ianareo.”
• Manokàna fotoana iarahana amin’ny zanakao tsirairay, dia ho tsapany fa sarobidy aminao sy tianao izy ireo.
• Manokàna fotoana iarahana amin’ny zana-badinao tsirairay. Ho afaka hifampiresaka tsara ianareo, amin’izay, nefa tsy ho elanelanin’ny rainy na ny reniny.
• Aza misy ailikilika ny ankizy rehetra, ary aza asaina manadino ny fianakaviany teo aloha. Tsara raha tsy terena hampiasa teny toy ny hoe “Neny” na “Dada” ny zana-bady. Mety tsy ho tonga dia hampiasa teny toy ny hoe “izahay mianakavy” ny ankizy efa lehibebe rehefa miresaka momba anareo.
• Ampanaovy raharaha ny ankizy tsirairay, omeo toerana eo amin’ny latabatra fisakafoana, ary omeo toerana ho azy manokana ao an-trano. Tafiditra amin’izany ireo tsy mipetraka ao an-trano, afa-tsy amin’ny fotoana sasany.
• Jereo raha mila mifindra trano ianareo na manamboatra ny efa eo, mba tsy hisy hahatsiaro ho voailikilika.
OLANA FAHEFATRA: FIFEHEZANA NY ANKIZY
“Tambatambazan’i Carmen ny zanany rehefa faiziko. Tsy mba manohana ahy izy.”—Pablo.
“Marary ny foko rehefa masiaka amin’ny zanako i Pablo.”—Carmen.
NAHOANA ny fitaizana no mety hampisy olana eo amin’ny fianakaviana misy raikely na renikely? Mety ho lasa goragora ny fitaizan’ny ray na reny mitaiza irery ny zanany. Mbola tsy mifandray am-po tanteraka amin’ny ankizy koa ilay raikely na renikely vao tonga, ka mety hihevitra hoe milefitra loatra amin’ny zanany ilay vadiny. Ilay ray na reny niteraka kosa mety hihevitra hoe masiaka loatra ilay raikely na renikely.
Mampirisika antsika hahay handanjalanja eo amin’ny resaka fitaizana ny Baiboly. Hoy izy: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah [Andriamanitra] izy.” (Efesianina 6:4) Tsy ny hanova ny fihetsiky ny zanakao àry no tokony hifantohana fa ny hanazatra ny fomba fisainany. Ampirisihina koa ny ray aman-dreny mba ho tsara fanahy sy ho be fitiavana. Tsy hampahatezitra ny zanany ny fifehezany, amin’izay.
NY AZONAO ATAO
• Ampiharo izay fitsipika efa narahinareo teo aloha, ary mametraha fitsipika mifehy ny tokantranonareo vaovao. Mahasoa ny fitsipika toy ireny, araka ny asehon’ity manaraka ity:
Renikely: Hanitra a, tsy mahazo mandefa SMS indrỳ raha tsy vita ny devoara. Efa izay ny fitsipika ato an-trano.
Hanitra: Ianao ange tsy mamanay e!
Renikely: Marina izany. Fa izaho aloha izao no eto, ary ny fitsipika dia hoe tsy mahazo mandefa SMS raha tsy vita ny devoara.
• Aza mamorona fitsipika be dia be na manovaova be an’izay efa eo. Miova be ny fiainan’ilay ankizy ka mety ho sarotra aminy ny manatanteraka ny fangatahana heverin’ny raikely na renikely ho tsotra. Mazava ho azy fa mety hilaina ny fitsipika vaovao sasany, toy ny fitsipika natao hiarovana ny tokantrano sy ny momba ny akanjo, indrindra raha efa misy tanora ao an-trano.
• Aza resahina eny imason’ny ankizy ny zavatra tsy ifanarahanareo momba ny fitaizana. Izay ataon’ilay ankizy no ifantohy rehefa miresaka fa tsy izay heverinao fa tsy nety teo amin’ny fitaizana azy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.
[Sary, pejy 3]
Toa nofinofy ny hoe tafaray ny fianakaviana misy raikely na renikely
[Sary, pejy 4]
Henoy tsara ny hafa mba hahalalana ny fihetseham-pony sy izay mampanahy azy
[Sary, pejy 6]
Tokony halamina mitokana ny tsy fifanarahana
-
-
Nahomby Nefa Misy Raikely na RenikelyMifohaza!—2012 | Aprily
-
-
Nahomby Nefa Misy Raikely na Renikely
TSY HOE MPIRAY TRANO FOTSINY
Zanak’i Philip i Elise, 20 taona izy tamin’izany, ary izy no nisahana ny andraikitra maro tao an-trano. Hifandray tsara ve izy sy Louise rehefa hanambady an’i Louise i Philip?
Louise: Sarotra be ilay izy tamin’ny voalohany. Izaho tsinona tia mikarakara tokantrano izay ihany.
Elise: Namboarin’i Louise ny tao an-trano ka maro ny entanay nariany. Mba nampirin-trano aho indray mandeha nefa tsy nataoko tamin’ny toerany ny entana sasany satria tsy haiko intsony ny toerany. Nahatezitra an’i Louise izany ka nifampivazavaza izahay, ary tsy niresaka taminy herinandro aho.
Louise: Tafateny tamin’i Elise aho hoe: “Tsy haiko izay hiafarantsika fa hoatran’ny tsy zakako intsony izao.” Nanatona ahy izy ny harivan’iny ary niala tsiny. Nofihiniko izy ary niara-nitomany izahay.
Elise: Navelan’i Louise teo amin’ny rindrina ny sariko sasany, ary tsy nesorin’i Dada ny jiro napetrako tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny. Hoatran’ny hoe tsy dia misy dikany izany, nefa tena nanampy ahy hahatsapa hoe mbola tao an-tranoko aho. Tiako koa ny fomba ikarakaran’i Louise ny zandriko lahy rehefa miaraka aminay izy. Efa roa taona izay no lasa ary manomboka mihevitra an’i Louise ho anisan’ny fianakaviana aho.
Louise: Mpinamana be izao izahay sy Elise, fa tsy hoe mpiray trano fotsiny.
‘FIRAISAN-KINA NO ZAVA-DEHIBE’
Enin-taona izay i Anton sy Marelize no nivady, ary samy nanan-janaka telo izy ireo rehefa nivady.
Anton: Miara-manao zavatra izahay, ohatra hoe mandeha milasy, ary manokana fotoana ho an’ny ankizy tsirairay. Afaka taona vitsivitsy izahay vao tena nifankazatra daholo. Efa mba milamina izao ny ankamaroan’ny olana.
Marelize: Hitanay hoe tena ilaina ny mihevitra ny ankizy ho zanakay mivady fa tsy hoe misy zanako sy zanany. Tadidiko aho indray mandeha tezitra be satria hitako hoe tsy rariny ny nibedesan’i Anton ny zanako lahy. Nomeny ny toerana teo aloha koa ny zanany vavy rehefa tao anaty fiara izahay. Hitako anefa hoe ny firaisan-kinanay mianakavy no zava-dehibe fa tsy ny hoe iza no hipetraka eo aloha. Miezaka ny tsy hanavakavaka izahay, na dia tsy hitovy mihitsy aza ny fitondrana ny ankizy tsirairay.
Miezaka koa aho mba tsy hitantara ny fotoana nahafinaritra niarahana tamin’ny fianakavianay teo aloha, satria hampangasihasy ny hafa izany. Asehoko kosa hoe tiako ny fiarahanay mianakavy izao.
TENY FIDERANA ALOHA
Efa-taona izay i Francis sy Cecelia no nivady. Manan-janaka telo efa lehibe i Cecelia ary manan-janaka lahy tanora iray i Francis.
Francis: Miezaka ny ho mora hatonina sy tsy ho mora tezitra aho. Miara-misakafo foana izahay ary hararaotinay izany mba hifampiresahana. Asaiko manao raharaha koa ny rehetra satria hahasoa anay mianakavy izany.
Cecelia: Manokana fotoana ho an’ny zanakay tsirairay aho ary mihaino azy ireo mitantara an’izay mampahatahotra sy mahakivy azy. Teny fiderana no ezahinay anombohana ny fivorianay mianakavy. Avy eo izahay vao miresaka momba an’izay azo hatsaraina. Miaiky ny fahadisoako koa aho, ary miala tsiny avy amin’ny fo.
TEZAIN’NY RAIKELY SY RENIKELY
Roapolo taona i Yuki ary tsy nahita ny rainy izy, nanomboka tamin’izy dimy taona. Nanambady an’i Tomonori ny reniny, tatỳ aoriana, nefa maty, tamin’i Yuki folo taona. Nanambady an’i Mihoko i Tomonori raikeliny, dimy taona taorian’izay. Tezain’ny raikely sy renikely àry i Yuki.
Yuki: Rehefa hanambady indray ny raikeliko, dia nieritreritra aho hoe: “Efa niovaova foana ny fiainako, ka tsy mila renikely aho.” Tsy neken’ny saiko mihitsy ilay izy ka niavonavonako ilay vehivavy.
Mihoko: Tsy noteren’ny vadiko hitia an’i Yuki toy ny itiavany azy aho. Nanapa-kevitra ny hiezaka hifandray tsara amin’i Yuki anefa aho. Niezaka mafy izahay mba tsy hiovan’ny fandaharam-potoanany, anisan’izany ny fotoana fanaovana zavatra ara-pivavahana sy hialana voly ary hisakafoana hariva sy hiresadresahana aorian’izay. Lasa azoko kokoa ny fihetseham-pony rehefa noresahiny tamiko izay tsapany amin’ilay izy maty reny.
Nieritreritra be momba an’i Yuki izahay tamin’izaho bevohoka, ka nataonay izay hahatsapany hoe tianay foana izy. Nasainay namahana sy nampandro ary nanolo an’ilay zaza izy, ary noderainay teny imason’ny olona noho ny fanampiany. Miraiki-po aminy i Itsuki kely. Mbola tsy nahay niteny hoe “dada” sy “mama” akory izy dia efa nahay niteny hoe niinii, izany hoe zokilahy.
Yuki: Mahatsiaro ho irery sy voailikilika foana ny ankizy tezain’ny raikely sy renikely. Tsy takatry ny olona mihitsy izany na hazavaina aza. Faly anefa aho fa tena nanampy ahy ny Kristianina namako. Tsy miahiahy an’ilay renikeliko intsony aho izao. Manoro hevitra ahy izy ary teneniko azy daholo izay tsapako.
[Teny notsongaina, pejy 9]
Mahareta fa afaka ny ho sambatra sy hahomby ny fianakaviana misy raikely na renikely
-