FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/1 p. 21-23
  • Efa Nampahery Olona ve Ianao Tato ho Ato?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Nampahery Olona ve Ianao Tato ho Ato?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no voafaoka amin’ny fampaherezana?
  • Nanome fampaherezana izy ireo
  • Ampiasao ireo fahafahana hanome fampaherezana
  • Iza no mila fampaherezana?
  • Aoka ianao hampahery
  • Mifampahereza Foana “Isan’andro”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Tahafo i Jehovah, Ilay Andriamanitra Mampahery Antsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Amin’izao Indrindra Isika no Tokony Hifampahery
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Fampiononana sy Fampaherezana — Vatosoa Misy Lafiny Maro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/1 p. 21-23

Efa Nampahery Olona ve Ianao Tato ho Ato?

VAO 17 taona i Elena rehefa hitan’ny dokotera fa voan’ny kanseran’ny fihary atodinaina izy. I Mari reniny, dia tsy maintsy niezaka nandresy ny alahelo be nahita an’i Elena nanaintaina izaitsizy.

Tamin’ny farany i Elena dia nafindra tany amin’ny hopitaly iray tany Madrid, any Espaina, 1 900 kilaometatra avy eo aminy, any amin’ireo Nosy Canaries. Tany Madrid, dia nisy ekipana dokotera vonona ny handidy tsy nisy fampiasana ra. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Fotoana fohy taorian’ny nanombohana ilay fandidiana anefa, dia nanjary nazava fa teo amin’ny fetra farany mitarika ho amin’ny fahafatesana ny toe-javatra nisy an’i Elena. Efa nihanaka nanerana ny vatany ilay homamiadana, ary tsy nisy azon’ireo mpandidy natao. Maty i Elena, valo andro taorian’ny nahatongavany tany Madrid.

Tsy voatery niatrika samy irery io fisedrana mafy dia mafy io i Mari. Nisy loholona kristiana roa nianto-tena teo amin’ny saran-dalana, niaraka taminy sy ny zanany lahimatoa nankany Madrid ary nitoetra tany hatramin’ny nahafatesan’i Elena. “Nanampy ahy hameno ilay banga nampamoy fo izay tsapako tato anatiko izy ireo”, hoy ny fanazavan’i Mari. “Tsy hohadinoiko mihitsy ny fampaherezana nomen’izy ireo ahy. Tsy hay tombanana ny fanohanan’izy ireo ara-panahy sy ny fanampiany azo notsapain-tanana, Tena ‘fierena amin’ny rivotra’ marina izy ireo.” — Isaia 32:1, 2.

Faly i Jehovah fa mikarakara ny ondriny amim-pahalemem-panahy aoka izany ny loholona be fitiavana toy ireo. (Ohabolana 19:17; 1 Petera 5:2-4). Tsy tombontsoa ho an’ny loholona ihany anefa ny fanomezana fampaherezana. Ny Kristiana rehetra dia miara-mivory mba hahazoana toromarika ara-panahy sy mba ‘hifampaherezana’. (Hebreo 10:24, 25, NW ). Ny fampaherezana dia tapany tsy misaraka amin’ny fiarahana kristiana.

Inona no voafaoka amin’ny fampaherezana?

Toy ny voninkazo tsara tarehy iray milofika rehefa tsy mahazo rano, dia toy izany koa fa mety halazolazo ny olona — ao amin’ny fianakaviana sy ao amin’ny kongregasiona — noho ny tsy fisian’ny fampaherezana. Etsy an-danin’izany, ny fampaherezana tonga amin’ny fotoana ilana azy dia afaka manatanjaka ireo miatrika fakam-panahy sy mampifalifaly ireo ketraka ary manome hery ireo manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana.

Ilay teny grika nadika hoe “fampaherezana” dia mahafaoka eritreritra fampiononana, fampirisihana, ary fanamaivanana alahelo. Noho izany, ny fampaherezana dia tsy voafetra ho amin’ny filazana amin’ny olona iray hoe tsara ny ataony. Izany dia mety hahafaoka koa fanomezana fanohanana azo tsapain-tanana sy fanampiana ara-panahy.

Raha ny tena izy, ilay teny grika nadika hoe “fampaherezana” dia midika ara-bakiteny hoe “fanasana ho eo anilan’ny tena”. Ny fiaraha-mandeha amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika ara-panahy dia mamela antsika hanome azy ireo fanohanana avy hatrany raha sanatria ka trotraka na tafintohina ny iray amin’izy ireo. (Mpitoriteny 4:9, 10). Mahaliana fa ny vahoakan’i Jehovah dia ‘manompo azy amim-piaraha-miantsoroka’. (Zefania 3:9, NW ). Ary ny apostoly Paoly dia niantso Kristiana iray hoe “tena mpiara-miasa”. (Filipiana 4:3). Ny fiaraha-miasa eo ambany zioga iray ihany amin’ny fanompoana amim-piaraha-miantsoroka dia hahatonga ny entana ho maivana kokoa, indrindra fa ho an’ireo izay tsy matanjaka ara-panahy. — Ampitahao amin’ny Matio 11:29.

Nanome fampaherezana izy ireo

Koa satria zava-dehibe aoka izany ny fampaherezana, dia aoka isika handinika ohatra sasany amin’izany ao amin’ny Soratra Masina. Rehefa nanakaiky ny fifaranan’ny fiainany i Mosesy mpaminanin’Andriamanitra, dia nanendry an’i Josoa ho mpitarika ny Isiraelita i Jehovah. Tsy mora io asa nanendrena io, araka ny nahafantaran’i Mosesy tsara izany. (Nomery 11:14, 15). Noho izany, i Jehovah dia nilaza tamin’i Mosesy mba ‘handidy an’i Josoa, dia hampahery azy sy hampahatanjaka azy’. — Deoteronomia 3:28.

Nandritra ny andron’ireo mpitsara teo amin’ny Isiraely, dia nanatanteraka an-tsitrapo ilay voady nataon-drainy ny zanakavavin’i Jefta, tamin’ny famoizana izay nety ho fahafahana hanana fianakaviana mba hanompoana tany amin’ny toerana masin’i Jehovah. Tsy nisy nahatsikaritra ve ny sorona nataony? Tsia, satria hoy ny Mpitsara 11:40: “Ny fandehanan’ny zazavavin’ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin’i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.” Tsy maintsy ho tena nampahery an’ilay zanakavavin’i Jefta nahafoy tena ny fitsidihana toy izany.

Mitaky herim-po indraindray ny fanomezana fampaherezana. Nandritra ilay dia misionera voalohany nataony, ny apostoly Paoly dia tojo fanoherana feno fahasiahana tany amin’ny tanàna maromaro any Azia Minora. Noroahina avy tao Antiokia izy, zara raha afa-nandositra famonoana ho faty tany Ikonioma, ary notoraham-bato sy navela ho toy ny efa maty tany Lystra. Fotoana fohy taorian’izay anefa, dia niverina tany amin’ireny tanàna ireny i Paoly sy ireo namany, “nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. (Asan’ny Apostoly 14:21, 22). Vonona hanao vivery ny ainy i Paoly mba hampaherezana ireo mpianatra vaovao ireo.

Tsy ireo mpianatra vaovao ihany anefa no Kristiana mila fampaherezana. Taona maro tatỳ aoriana, dia nanao dia lavitra mafy nankany Roma i Paoly mba hiatrika fitsarana. Arakaraka ny nanatonany ilay toerana hitodiany, dia nety ho somary ketraka ihany izy. Rehefa tonga teo amin’ny 74 kilaometatra atsimo-atsinanan’i Roma anefa izy, dia velombelona indray ny fanahiny. Nahoana? Satria nisy rahalahy avy tany Roma tonga mba hitsena azy tany amin’ny Tsenan’Apio sy ny Tranombahiny Telo. “Raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an’Andriamanitra izy ka nahazo toky.” (Asan’ny Apostoly 28:15). Amin’ny toe-javatra toy izany, dia mety ho tena hampahery an’ireo mpiray finoana ny maha-eo antsika fotsiny.

Ampiasao ireo fahafahana hanome fampaherezana

Maro tokoa ireo fahafahana hanome fampaherezana. Nampihetsi-po anao ve ny lahateny tsara iray nataon’ny mpianatra rahalahy na anabavy iray tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika? Faly ve ianao fa misy zatovo matanjaka ara-panahy ao amin’ny kongregasiona? Nanohina ny fonao ve ny fiaretan’ireo zokiolona? Moa ve ianao midera ny fomba nampiasan’ny mpisava lalana iray ny Baiboly teo amin’ny fanompoana isan-trano? Manomeza àry teny fiderana, ary milazà zavatra mampahery.

Manana anjara asa tena lehibe ao amin’ny fianakaviana sy ao amin’ny kongregasiona koa ny fampaherezana. Izy io dia afaka manampy ny ray aman-dreny hitaiza ny zanany “amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo”. (Efesiana 6:4). Ny filazana amin’ny ankizy iray fa tsara ny nataony, sy ny fanazavana aminy hoe nahoana, dia mety hampahery aoka izany! Mandritra ireo taona maha-zatovo, rehefa miatrika fakam-panahy sy fanerena maro ireo tanora, dia tena zava-dehibe ny fampaherezana tsy tapaka.

Mety hanimba tanteraka ny tsy fisian’ny fampaherezana mandritra ny fahazazana. Amin’izao andro izao i Michael dia loholona kristiana sariaka, kanefa dia nilaza toy izao izy: “Mbola tsy nilaza mihitsy ny raiko na dia indray mandeha aza fa nanao zavatra tsara aho. Koa dia nihalehibe tsy nanana fahatsapan-tena ho mendrika aho. (...) Na dia efa 50 taona aza aho izao, dia mbola mankasitraka ihany ny anomezan’ireo namako toky fa manao asa tsara aho amin’ny maha-loholona ahy. (...) Ny fanandraman-javatra hitako dia nampianatra ahy ny maha-zava-dehibe ny fanomezana fampaherezana ny hafa, ary mikely aina mba hanome izany aho.”

Iza no mila fampaherezana?

Mendrika hahazo fampaherezana ireo loholona kristiana miasa mafy. Nanoratra toy izao i Paoly: “Mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo, ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany.” (1 Tesaloniana 5:12, 13). Mora ny mihevitra ny asa mafy ataon’ireo loholona ho zavatra tokony ho azo sy tsy mila fanehoam-pankasitrahana. Kanefa ny teny fankasitrahana sy fampaherezana amim-pahatsorana dia afaka mahatonga ny enta-mavesany ho toa maivana kokoa.

Mila fampaherezana koa ireo izay miaritra toe-javatra sarotra eo anivontsika. “Miresaha amin’ny fomba mampionona amin’ireo fanahy ketraka, tohano ireo malemy”, hoy ny torohevitry ny Baiboly. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany, ireo maty vady, ireo zatovo, ny zokiolona sy ny kilemaina dia anisan’ireo izay mety hahatsiaro tena ho ketraka na malemy ara-panahy indraindray.

I María dia vehivavy kristiana izay nilaozan’ny vadiny tampoka. Hoy izy: “Sahala amin’i Joba, dia naniry ny ho faty aho indraindray. [Joba 14:13]. Kanefa dia tsy nanaiky ho resy aho, noho ny fampaherezana azoko. Nisy loholona roa izay tena fantatro tsara, nandany ora maro nanampiana ahy hahita ny naha-sarobidy ny fanohizana tao amin’ny fanompoana manontolo andro. Ary nisy rahavavy roa nahatakatra ny fihevitry ny hafa koa nampionona ahy, nihaino tamim-paharetana raha namboraka ny tao am-poko aho. Tamin’ny fampiasana ny Baiboly, dia nataon’izy ireo izay hahafahako hahita zavatra araka ny fomba fijerin’i Jehovah. Tsy fantatro hoe impiry izahay no namaky ny Salamo 55:22, kanefa dia fantatro mihitsy fa tamin’ny fampiharana io andinin-teny io no niverenako tsikelikely tamin’ny fahaizako mandanjalanja ara-panahy sy ara-pihetseham-po. Izany rehetra izany dia nitranga efa 12 taona lasa izay, ary faly aho milaza fa manohy ao amin’ny fanompoana manontolo andro aho hatramin’izao. Mahafa-po sy sambatra ny fiainako na dia eo aza ny fanaintainana ara-pihetseham-po indraindray. Miaiky mafy aho fa ny fampaherezana mandritra ny fotoana toy izany dia afaka mampiova zavatra betsaka eo amin’ny fiainan’ny olona iray.”

Misy mila fampaherezana noho izy ireo nanao fahadisoana ka izao izy dia miezaka mafy mba hanitsy izany. Angamba izy ireo nahazo fananarana tamim-pitiavana. (Ohabolana 27:6). Ireo loholona izay avy nanome fananarana dia afaka ny ho mailaka mba hanao teny fiderana rehefa hitan’izy ireo fa ampiharina ireo torohevitra ao amin’ny Soratra Masina. Hitondra soa roa sosona ny teny fampaherezana ataon’izy ireo: Hanamafy ny fitiavan’izy ireo an’ilay nanao fahadisoana ka tsy hahatonga azy ho “resin’ny fitomboan’alahelo”, ary hampahatsiaro azy ny amin’ireo soa entin’ny fampiharana torohevitra. — 2 Korintiana 2:7, 8.

Nisy loholona iray nanao fahadisoana lehibe ary namoy ny tombontsoam-piandraiketany tao amin’ny kongregasiona. “Rehefa natao ilay fampandrenesana momba ny fanesorana ahy tsy ho loholona, dia nieritreritra aho fa tsy ho azoazon’ireo rahalahy ny ainy raha miaraka amiko”, hoy izy. “Na dia izany aza, dia nihazona ho faran’izay tsiambaratelo ilay antony ireo loholona ary nikely aina izy ireo mba hanome ahy fampaherezana. Ny sisa tamin’ny kongregasiona dia nanolotra fitiavana sy fiarahana toy izany koa, ka izany dia nampandroso tanteraka ny fahasitranako ara-panahy.”

Aoka ianao hampahery

Eo amin’ny fiainantsika be zavatra atao, dia mora ny manao tsirambina ny fampaherezana. Kanefa dia soa toy inona moa no azon’izy io atao! Mba hanomezana fampaherezana mandaitra dia tsy maintsy mitadidy ao an-tsaina zavatra roa ianao. Voalohany, dia eritrereto ny amin’izay holazaina, mba hahatonga ny fampaherezanao ho voafaritra tsara. Faharoa, dia mitadiava fahafahana hanombo-dresaka amin’olona mendrika teny fiderana na mila ny hampaherezina.

Arakaraka ny anaovanao izany matetika kokoa, no hahasambatra anao kokoa. Aza hadinoina fa nanome toky antsika toy izao i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35). Amin’ny fampaherezana ny hafa, dia hampahery tena ianao. Nahoana raha manao ho zava-kendrena ny hanome fampaherezana olona iray isan’andro?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara