FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Aza Avela Hisy na Inona na Inona Hampanalavitra Anao Amin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Janoary
    • Aza Avela Hisy na Inona na Inona Hampanalavitra Anao Amin’i Jehovah

      “Fidio anio izay hotompoinareo.”—JOS. 24:15.

      ANDRAMO VALIANA IRETO:

      • Inona no azonao atao mba tsy hahatonga ny asa fivelomana hampanalavitra anao amin’i Jehovah?

      • Inona no hanampy anao hanao safidy tsara eo amin’ny resaka fialam-boly?

      • Inona no afaka manampy anao hizaka ny alahelonao, raha misy mpianakavinao niala tamin’i Jehovah?

      1-3. a) Nahoana i Josoa no ohatra tsara ho antsika? b) Inona no tokony hotadidintsika rehefa hanapa-kevitra?

      TENA zava-dehibe ny safidy ataontsika. Maro ny safidy azo atao, kanefa ny safidy ataontsika no hanampy antsika hanatratra ny tanjontsika. Azo ampitahaina amin’ity ohatra ity izany: Aoka hatao hoe misy lehilahy iray mandeha amin’ny lalankely iray. Mizara roa anefa ilay lalana avy eo. Aiza no halehan’ilay lehilahy? Mila misafidy izy eo. Azo inoana fa izay lalana mitondra azy any amin’ny toerana tiany haleha no hofidiny, fa tsy izay lalana hampanalavitra azy an’ilay toerana.

      2 Tsy maintsy nanapa-kevitra toy izany ny olona maro voaresaka ao amin’ny Baiboly. Tsy maintsy nisafidy, ohatra, i Kaina na hifehy ny hatezerany na tsia. (Gen. 4:6, 7) Tsy maintsy nisafidy koa i Josoa na hanompo an’ilay tena Andriamanitra na hanompo sampy. (Jos. 24:15) Ny hifandray akaiky amin’i Jehovah foana no tanjon’i Josoa, ka izay fomba hahafahany manatratra ny tanjony no nofidiny. Tsy izany kosa no tanjon’i Kaina, ka ratsy ny safidy nataony, ary nahatonga azy hanalavitra an’i Jehovah.

      3 Mety ho maromaro koa ny safidy ananantsika indraindray. Ilaintsika amin’izay fotoana izay ny mitadidy ny tanjontsika, dia ny hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-drehetra, ary tsy hanao na inona na inona hampanalavitra antsika aminy. (Vakio ny Hebreo 3:12.) Hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka ireo zavatra fito mila tandremantsika, satria mety hampanalavitra antsika amin’i Jehovah.

      NY ASA FIVELOMANA

      4. Nahoana no tena ilaina ny miasa?

      4 Manana adidy hamelona ny tenany sy ny mpianakaviny ny Kristianina. Asehon’ny Baiboly fa raha misy olona tsy mety manome izay ilain’ny ankohonany, dia ratsy noho ny tsy mino izy. (2 Tes. 3:10; 1 Tim. 5:8) Tena ilaina àry ny miasa. Raha tsy mitandrina anefa isika, dia mety hampanalavitra antsika amin’i Jehovah ny asa fivelomana. Ahoana no mety hitrangan’izany?

      5. Inona ny zava-dehibe mila dinihina rehefa hifidy asa?

      5 Aoka hatao hoe mitady asa ianao. Raha sarotra ny mahita asa, dia mety halaim-panahy ianao hanaiky izay asa hitanao, na inona izany na inona. Diniho anefa izao: Ahoana raha mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny zavatra atao amin’ilay izy? Ahoana raha handeha lavitra foana ianao vokatr’ilay asa, na tsy mety ny fotoana hiasana, ka ho voahelingelina ny fanompoanao an’i Jehovah na ho tafasaraka amin’ny fianakavianao ianao? Hanaiky an’ilay asa ihany ve ianao, ka hieritreritra hoe aleo manao an’io asa io na dia tsy tena mety aza, toy izay tsy manana asa? Tadidio fa raha ratsy ny safidinao, dia mety hanalavitra an’i Jehovah ianao. (Heb. 2:1) Inona àry no hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara, raha mitady asa ianao, na mieritreritra hiova asa?

      6, 7. a) Inona avy no mety ho tanjon’ny olona amin’ny asa ataony? b) Iza amin’ireo tanjona ireo no hahatonga antsika hifandray akaiky amin’i Jehovah? Nahoana no lazaina fa mahatonga antsika ho akaiky an’i Jehovah io tanjona io?

      6 Tadidio foana ny tanjonao. Saintsaino hoe inona no antony iasanao. Inona no tanjonao amin’io asa io? Raha, ohatra, ny tanjonao ka ny hamelomanao ny fianakavianao mba hahafahanareo mianakavy manompo an’i Jehovah, dia hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonao. (Mat. 6:33) Tsy tapi-dalan-kaleha i Jehovah, fa afaka manampy anao foana, na very asa ianao, ary na mitotongana be aza ny toe-karena. (Isaia 59:1) Hain’i Jehovah ‘afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho azy.’—2 Pet. 2:9.

      7 Ahoana anefa raha ny hahazo vola be no tena antony iasanao? Mety ho tanteraka tokoa izany. Na ho lasa mpanankarena aza anefa ianao, dia tadidio fa hovidinao lafo izany. (Vakio ny 1 Timoty 6:9, 10.) Hanjary hanalavitra an’i Jehovah ianao, raha ny asa fivelomana sy ny harena no zava-dehibe indrindra aminao.

      8, 9. Inona no tokony hosaintsainin’ny ray aman-dreny mahakasika ny asa?

      8 Raha manan-janaka ianao, dia eritrereto hoe inona no modely omenao azy ireo. Inona no hitan’izy ireo hoe zava-dehibe indrindra aminao: Ny asanao ve, sa ny fifandraisanao amin’i Jehovah? Ahoana raha hitan’izy ireo hoe ny toerana ambony na ny harena no tena katsahinao? Mety hanaraka anao amin’izany lalana mampidi-doza izany ve izy ireo rehefa lehibe? Mety hahatonga azy ireo tsy hanaja anao koa anefa izany. Hoy ny tanora kristianina iray: “Efa niasa be foana ny dadanay hatramin’izay nahatsiarovako azy. Niasa mafy izy tamin’ny voalohany mba hanomezana anay ny tsara indrindra. Te hikarakara anay tsara izy. Niova anefa izany tatỳ aoriana. Lasa miasa foana izy, ary mividy zavatra tsy ilainay akory fa haitraitra fotsiny. Lasa fianakaviana manan-karena no ahafantaran’ny olona anay, fa tsy mba fianakaviana mampirisika ny hafa hanompo an’i Jehovah. Aleoko izy miasa mafy mikarakara anay ara-panahy, toy izay miasa mafy mba hahazoana vola be.”

      9 Ry ray aman-dreny, aza variana be loatra amin’ny asa fivelomana, fa hampanalavitra anao amin’i Jehovah izany. Aoka ianareo ho modely ho an’ny zanakareo. Asehoy azy ireo fa tena mino ianao hoe ny harena ara-panahy no sarobidy indrindra, fa tsy ny harena ara-nofo.—Mat. 5:3.

      10. Inona no tokony hoeritreretin’ny tanora momba ny asa hataony any aoriana?

      10 Ahoana indray raha tanora ianao, ary mieritreritra momba ny asa tianao hatao any aoriana? Inona no hanampy anao hanao safidy tsara? Efa noresahintsika fa tokony ho fantatrao aloha hoe inona no tanjonao eo amin’ny fiainana. Eritrereto avy eo hoe hanampy anao hanompo bebe kokoa an’i Jehovah ve ny fiofanana na ny asa eritreretinao hatao, sa hahatonga anao hanalavitra azy? (2 Tim. 4:10) Mieritreritra ny olona eto amin’ity tontolo ity hoe raha tsy be vola izy dia tsy ho sambatra. Te hanahaka azy ireny ve ianao? Sa ianao hatoky an’i Jehovah toa an’i Davida? Hoy izy: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka, na nahita ny zanany nangataka hanina.” (Sal. 37:25) Tadidio foana hoe misy safidy hahatonga anao hanalavitra an’i Jehovah, ary misy safidy hanampy anao hanana fiainana faran’izay tsara. (Vakio ny Ohabolana 10:22; Malakia 3:10.) Iza no hofidinao?a

      NY FIALAM-BOLY

      11. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fialam-boly, nefa inona no tokony hotadidintsika?

      11 Tsy mandrara antsika tsy hifalifaly ny Baiboly. Tsy milaza koa izy io hoe fandaniam-potoana fotsiny ny fialana voly. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Mahasoa kely ihany ny fampiasan-tena.” (1 Tim. 4:8) Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe misy “fotoana ihomehezana” ary misy “fotoana itsinjahana.” Mampirisika antsika koa izy io mba hiala sasatra. (Mpito. 3:4; 4:6) Mety hampanalavitra anao amin’i Jehovah anefa ny fialam-boly, raha tsy mitandrina ianao. Ahoana no mety hitrangan’izany? Miankina amin’ny karazana fialam-boly fidinao, na ny fotoana laninao amin’ilay izy, no mety hahatonga an’ilay izy hampidi-doza.

      Mamelombelona ny fialam-boly raha fialam-boly tsara no ataontsika, ary tsy be loatra ny fotoana lanintsika amin’ilay izy

      12. Inona avy no tokony hoeritreretinao momba ny fialam-boly fidinao?

      12 Voalohany, inona ilay karazana fialam-boly tokony hofidina? Matokia fa tena misy ny fialam-boly tsara azo atao. Maro anefa ny fialam-boly ahitana zavatra halan’Andriamanitra, toy ny herisetra, fifandraisana amin’ny fanahy ratsy, ary firaisana tsy ara-dalàna. Mila dinihinao tsara àry hoe manao ahoana ny fialam-boly ataonao. Inona no vokatr’ilay izy eo aminao? Mampirisika anao hahery setra, na ho tia mifaninana, na hanindrahindra firenena ve ilay izy? (Ohab. 3:31) Mandany ny volanao ve ilay izy? Mety hisy olona ho tafintohina ve raha fantany hoe manao an’io fialam-boly io ianao? (Rom. 14:21) Olona manao ahoana no tafaraka aminao rehefa manao an’ilay izy ianao? (Ohab. 13:20) Mahatonga anao hanana fanirian-dratsy ve ilay izy?—Jak. 1:14, 15.

      13, 14. Inona avy no tokony hoeritreretinao momba ny fotoana ialanao voly?

      13 Faharoa, manao ahoana ny fotoana laninao amin’ny fialam-boly? Diniho hoe mandany fotoana be hialana voly ve ianao, ka tsy dia manam-potoana firy hikarakarana ny lafiny ara-panahy. Raha manao izany ianao, dia tsy hahatsiaro ho velombelona. Mahita fifaliana kokoa ny olona tsy mandany fotoana be loatra amin’ny fialam-boly. Nahoana? Satria efa vitany daholo ireo “zava-dehibe kokoa”, vao miala voly izy, ka tsy manenjika azy ny eritreriny.—Vakio ny Filipianina 1:10, 11.

      14 Hoatran’ny mahafinaritra ny hoe mandany fotoana be amin’ny fialam-boly. Mety hampanalavitra antsika amin’i Jehovah anefa izany. Nahatsapa an’izany i Kim, anabavy 20 taona. Hoy izy: “Nandeha foana aho taloha raha vao nisy fiaraha-mikorana, nefa nisy fiaraha-mikorana foana isaky ny faran’ny herinandro, na zoma, na asabotsy, na alahady. Hitako anefa izao hoe misy zava-dehibe kokoa noho izany. Mpisava lalana aho, ary mifoha amin’ny enina maraina isan’andro mba hahafahako manompo. Tsy mety amiko àry ny mamonjy fiaraha-mikorana hatramin’ny iray na amin’ny roa maraina! Fantatro fa tsy ratsy daholo ny fiarahana rehetra, kanefa mety hahatonga ahy ho variana izy ireny. Tena ilaina ny mandanjalanja amin’io resaka io, toy ny amin’ny zava-drehetra ihany.”

      15. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hahafahan’ny zanany hanao fialam-boly mamelombelona?

      15 Mila mikarakara izay ilain’ny tenany sy ny fianakaviany ny ray aman-dreny, na eo amin’ny lafiny ara-batana izany, na ara-panahy, na ara-pihetseham-po. Tafiditra amin’izany ny fikarakarana ny fialam-boly. Raha ray aman-dreny ianao, dia aza mihevitra hoe ratsy daholo rehefa fialam-boly, ka hisakana ny hafa tsy hifalifaly. Mitandrema koa anefa satria misy fialam-boly ratsy. (1 Kor. 5:6) Hahita fialam-boly hamelombelona ny fianakavianao ianao, raha mandinika tsara mialoha.b Hanampy anareo mianakavy hifandray akaiky amin’i Jehovah ianao, raha manao izany.

      NY FIFANDRAISANA AMIN’NY MPIANAKAVY

      16, 17. Inona no zavatra mampalahelo atrehin’ny ray aman-dreny maro, ary ahoana no ahalalantsika fa mahatakatra ny fahorian’izy ireny i Jehovah?

      16 Nampitahain’i Jehovah tamin’ny fitiavan’ny reny ny zanany ny fitiavany ny vahoakany, satria tena mafy be ny fifankatiavan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. (Isaia 49:15) Ara-dalàna àry raha malahelo be isika, rehefa misy mpianakavintsika miala amin’i Jehovah. Hoy ny anabavy iray manan-janakavavy voaroaka: “Tena kivy be aho, ary lasa saina hoe: ‘Fa nahoana re izy no niala tamin’i Jehovah e?’ Nahatsiaro ho tompon’andraikitra tamin’ilay izy aho, ka nanamelo-tena.”

      17 Raha izany no manjo anao, dia tadidio fa mahatakatra ny fahorianao i Jehovah. “Nalahelo ny fony” rehefa nikomy ny zanany voalohany teto an-tany, ary tatỳ aoriana aza, dia mbola nikomy koa ny ankamaroan’ny olona, izay niaina talohan’ny Safodrano. (Gen. 6:5, 6) Mety tsy ho takatry ny olona mbola tsy nanana mpianakavy voaroaka ny alahelo be tsapanao. Tsy mety anefa raha avelanao hampanalavitra anao amin’i Jehovah ny zavatra tsy nety nataon’ilay mpianakavinao. Inona àry no afaka manampy anao hizaka ny alahelonao?

      18. Nahoana ny ray aman-dreny no tsy tokony hanamelo-tena raha niala tamin’i Jehovah ny zanany?

      18 Aza manamelo-tena noho izay nitranga. Nomen’i Jehovah safidy ny olombelona, ka anjaran’ny mpianakavy tsirairay nanokan-tena sy vita batisa ny misafidy na hanompo an’i Jehovah izy na tsia. Milaza ny Baiboly fa “samy hitondra ny entany avy” ny tsirairay. (Gal. 6:5) Ilay olona nanota, fa tsy ianao, no tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah amin’izay safidy nataony. (Ezek. 18:20) Aza manameloka ny hafa ihany koa. Hajao ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hanafaizana ny mpanota. Aoka ianao hanohitra ny Devoly, fa tsy hanohitra an’ireo mpiandry miezaka miaro ny fiangonana.—1 Pet. 5:8, 9.

      19, 20. a) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hizakana ny alahelony noho ny zanany voaroaka? b) Afaka manantena inona ireny ray aman-dreny ireny?

      19 Hanjary hanalavitra an’i Jehovah koa ianao, raha tezitra aminy noho izay nitranga tamin’ny zanakao. Tokony ho hitan’ilay zanakao hoe zava-dehibe aminao kokoa noho ny zavatra hafa rehetra ny fifandraisanao amin’i Jehovah, ary mbola zava-dehibe noho ny fifandraisanao amin’ny mpianakavinao aza. Miezaha àry mba hanatanjaka ny ara-panahinao. Aza mitokantokana fa miaraha amin’ireo rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana. (Ohab. 18:1) Resaho amin’i Jehovah ny fihetseham-ponao. (Sal. 62:7, 8) Aza mitady fialan-tsiny mba hifandraisana amin’ilay voaroaka, ka hanjary hifanoratra aminy, ohatra, na hiantso azy an-telefaonina. (1 Kor. 5:11) Miezaha ho be atao eo amin’ny ara-panahy. (1 Kor. 15:58) Hoy ilay anabavy voaresaka tetsy aloha: “Fantatro hoe tsy maintsy be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah aho sady miezaka hatanjaka ara-panahy foana, mba ho vonona hanampy ny zanako rehefa miverina amin’i Jehovah izy.”

      Tsy diso isika raha manantena fa mbola hiverina amin’i Jehovah ny mpianakavintsika

      20 Milaza ny Baiboly hoe “manantena ny zava-drehetra” ny fitiavana. (1 Kor. 13:4, 7) Tsy diso àry ianao raha manantena fa hiverina ny mpianakavinao. Olona maro no mibebaka isan-taona, ka miverina ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Tsy tezitra amin’izy ireo intsony i Jehovah, fa “vonona hamela heloka.”—Sal. 86:5.

      MANAOVA SAFIDY TSARA

      21, 22. Ahoana no tianao hampiasana ny safidy malalaka nomena anao?

      21 Nomen’i Jehovah safidy malalaka ny olombelona. (Vakio ny Deoteronomia 30:19, 20.) Misy andraikitra lehibe koa anefa miaraka amin’izany. Mila misaintsaina ny Kristianina tsirairay hoe: ‘Manao safidy tsara ve aho eo amin’ny fiainako? Avelako hampanalavitra ahy amin’i Jehovah ve ny asako sy ny fialam-boly ataoko ary ny fifandraisako amin’ny mpianakavy?’

      22 Tsy miova mihitsy ny fitiavan’i Jehovah ny vahoakany. Matoa isika tafasaraka amin’i Jehovah, dia isika mihitsy no misafidy hanao safidy ratsy. (Rom. 8:38, 39) Tsy voatery hitranga anefa izany. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny tsy hamela na inona na inona hampanalavitra anao amin’i Jehovah. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny zavatra efatra hafa ilantsika fitandremana.

      a Raha mila fanazavana bebe kokoa momba ny fifidianana asa ianao, dia jereo ny toko faha-38 amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2.

      b Misy soso-kevitra maromaro ao amin’ny Mifohaza! Novambra 2011, pejy 17-19.

  • Miezaha Hifandray Akaiky Amin’i Jehovah Foana
    Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Janoary
    • Miezaha Hifandray Akaiky Amin’i Jehovah Foana

      “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—JAK. 4:8.

      HAINAO HAZAVAINA VE IRETO?

      • Inona no azontsika atao mba tsy ho tafasaraka amin’i Jehovah isika, noho ny fitaovana maoderina sy ny fikarakarana fahasalamana?

      • Inona no hanampy antsika mba tsy ho tia vola na hirehareha tafahoatra?

      • Ahoana no ahafahantsika mifandray akaiky amin’i Jehovah foana?

      1, 2. a) Inona ny ‘teti-dratsy’ ampiasain’i Satana? b) Inona no hanampy antsika hanatona an’Andriamanitra?

      NATAON’I Jehovah ao anatintsika olombelona ny faniriana hifandray akaiky aminy. Tian’i Satana anefa ny hieritreretantsika hoe tsy mila an’i Jehovah isika. Efa ela izy no nampiely izany lainga izany, efa hatramin’ny namitahany an’i Eva tany Edena. (Gen. 3:4-6) Nanomboka tamin’izay, dia maro ny olona mieritreritra hoe tsy mila an’Andriamanitra.

      2 Soa ihany fa tsy voatery ho voafandrik’i Satana isika. “Fantatsika ny teti-dratsiny.” (2 Kor. 2:11) Mampirisika antsika hanao safidy ratsy izy mba hanalavirantsika an’i Jehovah. Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha anefa, fa afaka manao safidy tsara isika eo amin’ny resaka asa sy fialam-boly ary ny fifandraisana amin’ny mpianakavy. Hodinihintsika ato indray ny hoe ahoana no hahaizana mandanjalanja eo amin’ny fampiasana fitaovana maoderina, fikarakarana fahasalamana, resaka vola, ary ny fireharehana. Hanampy antsika ‘hanatona an’Andriamanitra’ izany.—Jak. 4:8.

      NY FITAOVANA MAODERINA

      3. Ahoana no mety hahatonga ny fitaovana maoderina hahasoa antsika na hanimba antsika?

      3 Mihabetsaka ny olona mampiasa fitaovana elektronika arifomba maneran-tany. Mahasoa ireny fitaovana ireny, raha ampiasaina amin’ny fomba tsara. Mety hahatonga antsika hanalavitra an’i Jehovah kosa anefa izy ireny, raha ampiasaintsika amin’ny fomba ratsy. Eritrereto ny ordinatera. Ny ordinatera no ahafahana manoratra sy manonta an’ity gazety ity. Azo anaovana fikarohana koa ny ordinatera, ahafahana mifandray amin’olona, ary mety hahitana fialam-boly mamelombelona. Raha tsy mitandrina anefa isika, dia ho andevozin’ireny fitaovana maoderina ireny. Hain’ny mpanao dokam-barotra erỳ ny mandresy lahatra hoe tena ilaina ireo fitaovana nivoaka farany. Nisy tovolahy iray nahavita nivarotra an-tsokosoko ny voany iray, mba hividianana ordinatera kely arifomba. Tsy mitsinjo lavitra tokoa ny olona toy izany!

      4. Ahoana no nataon’ny rahalahy iray mba tsy ho variana be loatra intsony amin’ny ordinatera?

      4 Vao mainka ratsy raha manimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fampiasantsika fitaovana maoderina. Hoy i Jaona,a rahalahy 28 taona: “Fantatro ny torohevitry ny Baiboly hoe ‘hararaoty tsara ny fotoana.’ Tena tsy nahafehy tena anefa aho, rehefa nampiasa ordinatera.” Matetika izy no nampiasa Internet hatramin’ny alina be, ka nifandefa hafatra tamin’olona, na nijery filma. Nisy aza filma ratsy! Tsy nanana hery hialana teo amin’ny ordinatera izy rehefa vizana. Ahoana no nataony mba hialana tamin’izany fahazaran-dratsy izany? Nataon’i Jaona izay hampijanona ho azy ny ordinaterany, rehefa tonga ny ora fatoriany.—Vakio ny Efesianina 5:15, 16.

      Ry ray aman-dreny, ampio ny zanakao mba hahay hampiasa amim-pahendrena an’ireo fitaovana maoderina

      5, 6. a) Inona no andraikitry ny ray aman-dreny? b) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hahatonga ny zanany hanana namana tsara?

      5 Ry ray aman-dreny, tsy voatery hifehifehy be ny zanakao ianao, kanefa tena tokony hanara-maso ny fampiasany ordinatera na tele. Aza avela hijery zavatra ratsy ao amin’izy ireny ny zanakao, satria fotsiny hoe tianao ho variana izy ka tsy hanelingelina anao. Anisan’izany ny sary vetaveta, ny asan’ny maizina, ary ny lalao video misy herisetra. Aza avela hifandray amin’ny naman-dratsy ao amin’ny Internet koa izy. Raha tsy miteny azy mantsy ianao, dia mety hieritreritra izy hoe: ‘Tsy ratsy ilay izy, satria i Dada sy Neny aza tsy sarotiny.’ Andraikitrao ray aman-dreny ny miaro ny zanakao, na dia ireo zanakao efa lehibe aza, mba tsy hanao zavatra hahatonga azy hanalavitra an’i Jehovah. Na ny biby aza miaro ny zanany mba tsy ho tratry ny loza. Eritrereto ange ny ataon’ny orsa raha misy mitady hikitikitika ny zanany e!—Ampitahao amin’ny Hosea 13:8.

      6 Ampio ny zanakareo mba hifanerasera amin’ny Kristianina matotra samy hafa taona. Tadidio koa fa mila anareo ny zanakareo mba hiaraka aminy! Manokàna àry fotoana mba hiarahana manao zavatra amin’izy ireo: Mihomehy, milalao, miasa, ary manao zavatra hahafahanareo ‘manatona an’Andriamanitra.’b

      NY FIKARAKARANA FAHASALAMANA

      7. Nahoana isika rehetra no miezaka ny ho salama foana?

      7 Mifanontany foana isika hoe: “Manao ahoana ny fahasalamanao?” Hita avy amin’izany fa tsy voatery ho salama foana isika. Mety harary isika rehetra, noho i Adama sy Eva nanaiky an’i Satana ka nanalavitra an’i Jehovah. Faly i Satana rehefa marary isika, satria lasa sarotra amintsika ny manompo an’i Jehovah. Tsy afaka manompo an’i Jehovah intsony aza isika raha maty. (Sal. 115:17) Tsy diso àry isika raha miezaka mba ho salama foana.c Tokony hihevitra ny fahasalaman’ny rahalahy sy anabavintsika koa isika.

      8, 9. a) Inona no afaka manampy antsika mba tsy hanao zavatra tafahoatra eo amin’ny resaka fahasalamana? b) Nahoana no tsara ny miezaka hanana fo falifaly?

      8 Ilaina anefa ny mitandrina mba tsy hanao zavatra tafahoatra. Marina fa mety hiresaka amin’ny hafa momba ny fanafody na fitsaboana na karazan-tsakafo mahasalama isika. Misy Kristianina sasany anefa mafana fo be rehefa mampirisika ny hafa hanao izany, ary mafana fo kokoa noho ny rehefa mitory ny vaovao tsara. Mety hieritreritra ireny rahalahy sy anabavy ireny hoe manampy ny hafa izy. Na izany aza anefa, dia tsy mety raha any am-pivoriana na any amin’ny fivoriambe isika no mampirisika be ny olona mba hampiasa fanafody na fitsaboana na zavatra fanatsarana bika aman’endrika. Tsy mety izany na alohan’ny fandaharana na aoriana. Nahoana?

      9 Satria mivory isika mba hiara-mandinika hevitra ara-panahy, sy hahita fifaliana bebe kokoa, izay vokatry ny fanahy. (Gal. 5:22) Hivaona amin’izany tanjontsika izany isika, raha mampirisika karazana fitsaboana na fanafody amin’ireny fotoana ireny, eny fa na dia nangataka torohevitra tamintsika aza ilay olona. Mety hahatonga ny hafa tsy hahita fifaliana koa ireny resaka ireny. (Rom. 14:17) Tadidio fa anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra ny amin’izay fitsaboana tiany hatao. Tsy misy koa olona afaka manafoana ny aretina. Na ny dokotera mahay indrindra aza, dia marary sy mihantitra ary maty ihany amin’ny farany. Tsy mahavita manalava ny androm-piainantsika koa isika, na dia manahy be momba ny fahasalamantsika aza. (Lioka 12:25) Milaza kosa ny Baiboly hoe: “Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana.”—Ohab. 17:22.

      10. a) Inona avy ny toetra tena tian’i Jehovah amin’ny olombelona? b) Rahoviana isika vao tena hahazo fahasalamana tonga lafatra?

      10 Toy izany koa ny bika aman’endrika. Marina fa tsy misy maha ratsy ny mikarakara bika aman’endrika. Tsy voatery hoe hanao ezaka be anefa isika mba hanalana ny soritry ny fahanterana rehetra hita eny amintsika. Mariky ny fahamatorana sy ny voninahitra, ary ny toetra tsara anaty ananantsika izy ireny. Hoy ny Baiboly: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, raha ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Ohab. 16:31) Ny toetrantsika no zava-dehibe kokoa amin’i Jehovah fa tsy ny bika aman’endritsika, ka tokony ho toy izany koa ny fomba fihevitsika. (Vakio ny 1 Petera 3:3, 4.) Hendry àry ve isika raha manao fitsaboana na fandidiana mety hampidi-doza, satria fotsiny hoe te ho tsara tarehy sy ho tsara bika kokoa? Tadidio koa fa ny fifaliana azontsika avy amin’i Jehovah no tena mahatonga antsika hanintona, na firy taona isika na firy taona, ary na salama isika na marary. (Neh. 8:10) Any amin’ny tontolo vaovao isika vao ho salama tanteraka sy ho tanora indray ary tena tsara tarehy. (Joba 33:25; Isaia 33:24) Mandra-pahatongan’izany, dia mila manao safidy tsara sy mino ny fampanantenan’i Jehovah isika. Hanampy antsika izany mba hifandray akaiky amin’i Jehovah foana, ary hankafy ny fiainana, fa tsy hanahy be loatra momba ny fahasalamana na ny bika aman’endrika.—1 Tim. 4:8.

      NY VOLA

      11. Nahoana ny vola no mety hahatonga antsika ho tafasaraka amin’i Jehovah?

      11 Tsy ratsy ny vola, ary tsy ratsy koa ny hoe manao raharaham-barotra amim-pahamarinana. (Mpito. 7:12; Lioka 19:12, 13) Azo antoka anefa fa hampanalavitra antsika amin’i Jehovah ny “fitiavam-bola.” (1 Tim. 6:9, 10) Toy izany koa “ny fanahiana eto amin’ity tontolo ity”, izany hoe ny fanahiana tafahoatra momba izay ilaintsika. Hampanalavitra antsika amin’i Jehovah koa “ny famitahan’ny harena”, izany hoe ny fiheverana fa mahasambatra ny harena ary manampy mba hananana hoavy azo antoka. (Mat. 13:22) Nolazain’i Jesosy mazava tsara fa “tsy misy” olona hoe mahavita manompo an’Andriamanitra sady manompo harena.—Mat. 6:24.

      12. Ahoana no ataon’ny olona maro ankehitriny mba hahazoana vola be haingana? Inona no hanampy antsika mba tsy ho voafitak’izy ireo?

      12 Mety hahatonga antsika hanao ratsy ny fitiavam-bola. (Ohab. 28:20) Nisy Kristianina te hahazo vola amin’ny fomba tsotra sy haingana, ka nividy tapakila amin’ny loteria. Ny sasany nanao raharaham-barotra tafahoatra na varotra maizimaizina, ary vitany mihitsy aza ny nitaona olona teo anivon’ny fiangonana mba hiara-miasa aminy, na hividy ny entany. Nisy rahalahy sasany indray voafitaky ny fampanantenana hoe hahazo tombom-barotra be, nefa tsy azo antoka akory ny fahamarinan’izany. Aza avela hamitaka anao àry ny fitiavam-bola, ary mandiniha tsara rehefa hanao zavatra. Rehefa misy olona mampanantena anao hoe hahazo tombony be haingana ianao, dia aza tonga dia mino azy.

      13. Inona no tsy itovizan’ny fiheveran’i Jehovah ny vola sy ny fomba fiheveran’ity tontolo ity azy io?

      13 Hanampy antsika hahazo izay tena ilaintsika i Jehovah, raha ataontsika loha laharana “ny fanjakany sy ny fahamarinany.” (Mat. 6:33; Efes. 4:28) Tsy tian’i Jehovah isika, raha matory fotsiny any am-pivoriana satria vizana avy niasa mafy loatra. Tsy tiany koa raha manahy momba ny vola isika, rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana. Maro anefa ny olona eto amin’ity tontolo ity no mihevitra fa tsy maintsy mifofotra mitady vola izy, vao hanana hoavy azo antoka sy hiadana any aoriana any. Matetika ny zanany no ampirisihiny hanao toy izany koa. Nasehon’i Jesosy anefa fa tsy mety izany toe-tsaina izany. (Vakio ny Lioka 12:15-21.) Mampahatsiahy antsika an’i Gehazy izany. Nieritreritra izy hoe sady afaka ny ho tia vola izy no hifandray tsara amin’i Jehovah.—2 Mpanj. 5:20-27.

      14, 15. Nahoana isika no tsy tokony hitoky amin’ny vola? Hazavao amin’ny ohatra.

      14 Voalaza fa nisy voromahery sasany maty satria rehefa nahazo trondro ngezabe izy, dia tsy namotsotra an’ilay izy, ka nentin’ilay izy nilentika tany anaty rano. Mety hitranga amintsika koa ny zavatra toy izany. Hoy ny anti-panahy iray atao hoe Alex: “Tena mahay mitsitsy vola aho. Raha mandraraka ranon-tsavony fanasana loha aho, ka mihoatra ny tokony hilaiko ilay izy, dia averiko ao anaty fitoerany.” Nanjary nieritreritra anefa i Alex tatỳ aoriana hoe raha mampiasa vola any amin’ny toerana fampindramam-bola izy, dia hahazo vola kokoa, ka ho afaka hiala amin’ny asany, ary hirotsaka ho mpisava lalana. Rehefa miakatra mantsy ny sandam-bola dia hitombo ho azy ny volany. Nianatra momba an’ilay fomba fampiasana vola àry izy. Nisy manam-pahaizana nampanantena azy fa hiakatra be ny sandam-bola. Nampiasainy tany amin’ilay toerana daholo àry ny tahirim-bolany rehetra. Mbola nindrana vola koa aza izy mba hanampiana an’ilay volany. Diso tetika anefa izy satria nidina be ny sandam-bola, ka matiantoka izy. Niandriandry kely anefa izy sao dia mbola hiakatra ny sandam-bola, ka hiverina amin’ny laoniny ny volany.

      15 Tsy nieritreritra afa-tsy ilay vola i Alex nandritra ny volana maromaro. Tsy nahavita nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah mihitsy izy, ary tsy nahita tory firy. Tsy niakatra mihitsy anefa ny sandam-bola. Tsy nisy niverina taminy intsony ny volany, ary tsy maintsy namidiny aza ny tranony. Niteraka alahelo be ho an’ny fianakaviany izany. Nandray lesona tamin’izay nitranga anefa i Alex. Hoy izy: “Tsapako izao hoe ho diso fanantenana foana izay mitoky amin’ny tontolon’i Satana.” (Ohab. 11:28) Toy ny hoe mitoky amin’i Satana, ilay “andriamanitr’ity tontolo ity” isika, raha mitoky amin’ny tahirim-bolantsika, na ny vola ampiasaintsika, na ny fahaizantsika mitady vola. (2 Kor. 4:4; 1 Tim. 6:17) Nanatsotra ny fiainany i Alex tatỳ aoriana, mba hahafahany mitory ny vaovao tsara bebe kokoa. Lasa sambatra kokoa izy sy ny fianakaviany vokatr’izany, ary lasa akaiky kokoa an’i Jehovah.—Vakio ny Marka 10:29, 30.

      NY FIREHAREHANA

      16. Nahoana no tsy voatery ho ratsy foana ny mirehareha? Inona anefa no mety hitranga raha mirehareha loatra momba ny tenantsika isika?

      16 Misy zavatra sasany tena azontsika ireharehana tsara. Tokony ho reharehantsika, ohatra, ny hoe Vavolombelon’i Jehovah isika. (Jer. 9:24) Manampy antsika izany mba handray fanapahan-kevitra tsara foana sy hanaraka ny fitsipik’i Jehovah. Mety hanalavitra an’i Jehovah anefa isika, raha mirehareha loatra noho ny fahaizantsika, na ny toerana tanantsika.—Sal. 138:6; Rom. 12:3.

      Miezaha hankafy ny fanompoana, fa aza mieritreritra be loatra momba ny andraikitra tianao ho azo

      17, 18. a) Milazà olona lazain’ny Baiboly hoe nanetry tena, ary milazà koa olona nirehareha. b) Inona no nataon’ny rahalahy iray mba tsy hahatonga azy hirehareha ka hanalavitra an’i Jehovah?

      17 Miresaka momba ny olona nirehareha sy ny olona nanetry tena ny Baiboly. Nanetry tena, ohatra, i Davida Mpanjaka ka nitady tari-dalana tamin’i Jehovah. Notahin’i Jehovah izy vokatr’izany. (Sal. 131:1-3) Nirehareha kosa ireo mpanjaka atao hoe Nebokadnezara sy Belsazara, ka nosazin’i Jehovah. (Dan. 4:30-37; 5:22-30) Mety ho sarotra amintsika koa indraindray ny hanetry tena. Nifindra fiangonana i Ryan, mpanampy amin’ny fanompoana, izay 32 taona. Hoy izy: “Nanantena aho hoe tsy ho ela dia ho voatendry ho anti-panahy. Mbola tsy voatendry ihany anefa aho herintaona taorian’izay.” Tezitra tamin’izany ve i Ryan, ka nieritreritra hoe nanao tsinontsinona azy ny anti-panahy? Navelany hampanalavitra azy tamin’i Jehovah ve izany, ka tsy nivory intsony izy? Inona no hataonao raha ianao no teo amin’ny toerany?

      18 Hoy i Ryan: “Nanao fikarohana tao amin’ny bokintsika aho, ary novakiko daholo izay fanazavana hitako momba ny fahadisoam-panantenana.” (Ohab. 13:12) Hoy koa izy: “Tsapako hoe nila nanam-paharetana sy nanetry tena aho, ary namela an’i Jehovah hampiofana ahy.” Niezaka ny tsy hieritreritra be loatra momba ny tenany i Ryan, ary nifantoka tamin’ny fanampiana ny olon-kafa teo anivon’ny fiangonana sy teny amin’ny fanompoana. Tsy ela dia nanana fampianarana Baiboly maromaro nandroso izy. Hoy izy: “Voatendry ho anti-panahy aho herintaona sy tapany tatỳ aoriana. Efa tsy nieritreritra be momba izany intsony aho, ka gaga be. Tena nahafinaritra ahy mantsy ny fanompoako.”—Vakio ny Salamo 37:3, 4.

      MIEZAHA HIFANDRAY AKAIKY AMIN’I JEHOVAH FOANA

      19, 20. a) Inona no tokony hataontsika mba tsy hahatonga ny zavatra fanaontsika andavanandro, hampanalavitra antsika amin’i Jehovah? b) Iza no ohatra tsara azontsika tahafina, mba hahafahantsika mifandray akaiky amin’i Jehovah foana?

      19 Tsy misy ratsy ireo zavatra fito noresahintsika tato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay teo aloha. Reharehantsika ny hoe mpanompon’i Jehovah isika. Anisan’ny fanomezana tsara indrindra nomen’i Jehovah antsika ny fianakaviana sambatra sy ny fahasalamana. Fantatsika koa hoe manampy antsika hahazo izay ilaintsika ny asa sy ny vola. Afaka mamelombelona antsika koa ny fialam-boly, ary misy ilana azy ny fitaovana maoderina. Mety hampanalavitra antsika amin’i Jehovah anefa ireo zavatra ireo, raha ataontsika amin’ny fotoana tsy tokony hanaovana azy, na ataontsika tafahoatra, na avelantsika hanelingelina ny fanompoantsika.

      Aza avela hisy na inona na inona hampanalavitra anao amin’i Jehovah!

      20 Izany no tian’i Satana hitranga. Afaka manao zavatra anefa ianao, mba tsy hahatonga anao sy ny fianakavianao ho voan’i Satana. (Ohab. 22:3) Manatòna an’i Jehovah ary miezaha hifandray akaiky aminy foana. Manana ohatra tsara maro momba izany isika ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany i Enoka sy Noa izay “niara-nandeha tamin’Andriamanitra.” (Gen. 5:22; 6:9) Teo koa i Mosesy, izay nanana finoana matanjaka ka ‘toy ny nahita an’Ilay tsy hita.’ (Heb. 11:27) Modely ho antsika koa i Jesosy, satria nanao izay nampifaly ny Rainy foana izy, ka notahin’i Jehovah. (Jaona 8:29) Tahafo izy ireny fa ohatra tsara. Aza hadinoina koa ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Mifalia mandrakariva. Ary aza mitsahatra mivavaka. Misaora amin’ny zava-drehetra.” (1 Tes. 5:16-18) Aza avela hisy na inona na inona hampanalavitra anao amin’i Jehovah!

      a Novana ireo anarana.

      b Jereo ilay hoe “Ahoana no Hitaizanao Tsara ny Zanakao?”, ao amin’ny Mifohaza! Oktobra 2011.

      c Jereo ilay hoe “Fomba Dimy Hanampy Anao ho Salama Kokoa”, ao amin’ny Mifohaza! Martsa 2011.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara