FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mahatsapa ho Akaiky An’Andriamanitra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Desambra
    • Lehilahy mieritreritra momba an’Andriamanitra

      MATOAN-DAHATSORATRA | AZO ATAO VE NY MINAMANA AMIN’ANDRIAMANITRA?

      Mahatsapa ho Akaiky An’Andriamanitra ve Ianao?

      “Milamin-tsaina ianao rehefa minamana amin’Andriamanitra, sady mahatsapa hoe sambatra. Hitanao hoe mitady an’izay hahasoa anao foana izy.”—CHRISTOPHER, TOVOLAHY ANY GHANA.

      “Mahita ny zava-drehetra mahakivy anao Andriamanitra, dia tsy ampoizinao mihitsy ny zavatra ataony satria asehony hoe tia anao izy sady tena mikarakara anao.”—HANNAH, 13 TAONA, ANY ALASKA, ETAZONIA.

      “Tsy misy zavatra sarobidy sy mampilamin-tsaina kokoa noho ny hoe minamana amin’Andriamanitra.”—GINA, VEHIVAVY JAMAIKANINA, 45 TAONA EO HO EO.

      Olona maro eran-tany no resy lahatra toa an’i Christopher sy Hannah ary Gina fa mandray azy ho namana Andriamanitra. Ary ianao? Mahatsapa ve ianao hoe efa akaiky an’Andriamanitra? Sa ianao te ho akaiky azy na te ho akaiky azy kokoa? Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Olombelona ve dia ho afaka hinamana amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra? Raha azo atao izany, dia amin’ny fomba ahoana?’

      AZO ATAO NY MINAMANA AMIN’ANDRIAMANITRA

      Milaza ny Baiboly fa azo atao ny minamana amin’Andriamanitra. Nantsoin’Andriamanitra hoe “namako”, ohatra, ilay lehilahy hebreo atao hoe Abrahama. (Isaia 41:8) Mampirisika antsika koa ny Jakoba 4:8 hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” Azo atao àry ny manatona an’Andriamanitra, izany hoe minamana aminy. Tsy hita maso anefa izy, ka ahoana no ‘hanatonanao’ azy sy hahatonga anao ho namany?

      Mba hamaliana an’izany, dia andao hojerentsika hoe ahoana no mahatonga ny olona roa ho lasa mpinamana. Mifanontany anarana izy ireo amin’ny voalohany. Mifampiresaka matetika izy ireo avy eo, ary mifamboraka an’izay ao am-po sy ao an-tsainy. Vao mainka izy ireo lasa mpinamana be rehefa miezaka manao zavatra ho an’ny andaniny ny ankilany. Mitovitovy amin’izany koa ny fifandraisan’ny olona iray amin’Andriamanitra. Ahoana izany?

  • Fantaro ny Anaran’Andriamanitra ary Ampiasao
    Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Desambra
    • Lehilahy roa mifanome anarana

      MATOAN-DAHATSORATRA | AZO ATAO VE NY MINAMANA AMIN’ANDRIAMANITRA?

      Fantaro ny Anaran’Andriamanitra ary Ampiasao

      Misy namanao be ve nefa tsy fantatrao ny anarany? Azo antoka fa tsia! Marina àry ny tenin’i Irina, vehivavy any Boligaria, hoe: “Tsy ho lasa naman’Andriamanitra mihitsy ianao raha tsy mahay ny anarany.” Faly isika fa asain’Andriamanitra manatona azy, araka ny hitantsika teo aloha. Nampahafantariny antsika ao amin’ny Baiboly àry ny anarany. Hoy izy: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako.”—Isaia 42:8.

      Nampahafantarin’Andriamanitra antsika ao amin’ny Baiboly ny anarany. Hoy izy: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako.”—Isaia 42:8

      Tena tian’i Jehovah hahalala sy hampiasa ny anarany tokoa ve ianao? Diniho fotsiny izao: Miverimberina efa ho im-7 000 ao amin’ny Soratra Masina amin’ny teny hebreo tany am-boalohany ny anaran’Andriamanitra. Renisoratra efatra izy io amin’ny teny hebreo. Ny anarany irery no miverimberina be hoatr’izany ao amin’ny Baiboly. Tena tian’i Jehovah hahalala sy hampiasa ny anarany àry isika.a

      Tsy ho lasa mpinamana ny olona roa raha tsy mifankahafantatra anarana aloha. Fantatrao ve ny anaran’Andriamanitra?

      Mety hisy hieritreritra anefa hoe tsy manaja an’Andriamanitra izy raha manonona ny anarany, satria masina Andriamanitra sady tsy misy mahery noho izy. Marina fa tsy mety ny manala baraka ny anaran’Andriamanitra. Ianao ve izao dia hanala baraka ny anaran’ny namanao? Tian’i Jehovah hanome voninahitra ny anarany sy hampahafantatra izany amin’ny olona anefa izay tia azy. (Salamo 69:30, 31; 96:2, 8) Tadidio fa nampianatra ny mpianany hivavaka i Jesosy hoe: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” Manamasina ny anaran’Andriamanitra isika raha mampahafantatra azy io amin’ny hafa, ary ho lasa akaiky kokoa azy.—Matio 6:9.

      Resahin’ny Baiboly fa mandinika tsara an’izay “misaintsaina ny anarany” Andriamanitra. (Malakia 3:16) Izao no hataony amin’ny olona toy izany: “Harovako izy, satria nanjary nahalala ny anarako. Hiantso ahy izy, dia hamaly azy aho. Ho eo aminy aho raha ory izy.” (Salamo 91:14, 15) Tena mila mahalala sy mampiasa ny anaran’i Jehovah àry isika raha te ho namany akaiky.

      a Mampalahelo fa tsy hita ao amin’ny Baiboly maro ny anaran’Andriamanitra, nefa dia miverimberina ao amin’ny Soratra Hebreo, izay antsoin’ny olona hoe Testamenta Taloha. Nosoloana anaram-boninahitra toy ny hoe “Tompo” na “Andriamanitra” ilay anarana. Manazava bebe kokoa an’izany ny pejy 195-197 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

  • Miresaha Amin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Desambra
    • Lehilahy miresaka amin’ny namany amin’ny telefaonina

      MATOAN-DAHATSORATRA | AZO ATAO VE NY MINAMANA AMIN’ANDRIAMANITRA?

      Miresaha Amin’Andriamanitra

      Mifampiresaka foana ny mpinamana isaky ny afaka manao izany, na mivantana, na an-telefaonina, na an-taratasy, na amin’ny e-mail, sy ny sisa. Mila mifampiresaka amin’Andriamanitra foana koa isika, raha te ho akaiky azy. Ahoana anefa no hifampiresahantsika aminy?

      Miresaka amin’i Jehovah isika rehefa mivavaka aminy. Tsy hoatran’ny miresaka amin’ny olona anefa ny mivavaka. Mila mitadidy isika fa ilay Mpamorona antsika, izany hoe ilay Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao, no iresahantsika rehefa mivavaka isika. Tokony hanaja lalina sy hanome voninahitra azy isika. Misy fepetra tsy maintsy fenointsika koa raha tiantsika hohenoiny ny vavaka ataontsika. Ireto misy telo:

      Voalohany, i Jehovah Andriamanitra irery no tokony hivavahana, fa tsy i Jesosy, na “olo-masina”, na sary. (Eksodosy 20:4, 5) Milaza mazava tsara ny Baiboly hoe: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.” (Filipianina 4:6) Faharoa, tsy maintsy atao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, ny vavaka. Hoy mihitsy i Jesosy: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Fahatelo, tsy maintsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ilay izy. Hoy ny Baiboly: “Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”a—1 Jaona 5:14.

      Mifampiresaka matetika ny mpinamana

      Tsy ho mpinamana intsony anefa ny olona roa, raha ilay iray foana no miteny. Tokony havelantsika hiresaka amintsika koa àry Andriamanitra ary tokony hohenointsika, tsy misy hafa amin’ny hoe mpinamana samy miteny rehefa mifampiresaka. Fantatrao ve hoe ahoana no ataon’Andriamanitra mba hiresahana amintsika?

      Toy ny hoe miresaka amintsika i Jehovah, amin’ny alalan’ny Teniny, dia ny Baiboly. (2 Timoty 3:16, 17) Intỳ misy ohatra manazava izany: Rehefa mamaky taratasy avy any amin’ny namanao ianao, dia toy ny hoe izy mihitsy no miresaka aminao, na dia tsy eo akaikinao aza. Toy ny hoe avelanao hiresaka aminao koa i Jehovah rehefa mamaky Baiboly ianao. Hoy i Gina, ilay voaresaka tany aloha: “Raha tiako hinamana amiko Andriamanitra, dia mila vakiko ny ‘taratasy’ nalefany ho antsika, izany hoe ny Baiboly.” Hoy koa izy: “Lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra aho rehefa namaky Baiboly isan’andro.” Mamaky Baiboly isan’andro ve ianao, ka mamela an’i Jehovah hiresaka aminao isan’andro? Hahatsapa hoe akaiky kokoa an’Andriamanitra ianao raha manao an’izany.

      a Manazava bebe kokoa momba ny vavaka ny toko 17 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

  • Ataovy Izay Asain’Andriamanitra Ataonao
    Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Desambra
    • Lehilahy manampy ramatoa mitondra entana

      MATOAN-DAHATSORATRA | AZO ATAO VE NY MINAMANA AMIN’ANDRIAMANITRA?

      Ataovy Izay Asain’Andriamanitra Ataonao

      “Raha misy zavatra ilainao, dia ilazao fotsiny aho.” Azo antoka fa tsy hiteny an’izany amin’ny olona tsy fantatrao, na zara raha fantatrao, ianao. Tsy hisalasala kosa ianao raha namanao be ilay olona. Mandeha ho azy amin’ny olona ny hoe manao izay angatahin’ny namany.

      Hita ao amin’ny Baiboly fa ataon’i Jehovah foana izay zavatra fantany hoe hahafinaritra ny mpanompony. Hoy, ohatra, i Davida Mpanjaka, naman’Andriamanitra: “Maro ny zavatra nataonao, Jehovah Andriamanitro ô, eny, maro ny asanao mahatalanjona sy ny fikasanao momba anay. ... Maro loatra ireny ka tsy ho voatanisako.” (Salamo 40:5) Tsy vitan’izay fa mampifaly ny olona mbola tsy mahalala azy koa izy, ka ‘mahavoky ny fon’izy ireo amin’ny hanina sy ny fifaliana.’—Asan’ny Apostoly 14:17.

      Faly isika manao zavatra ho an’ny olona tiantsika sy hajaintsika

      Tia mampifaly olona i Jehovah, ka tokony mba hanao izay ‘hampifaliana ny fony’ koa izay te ho namany. (Ohabolana 27:11) Inona anefa no azonao atao mba hampifaliana azy? Hoy ny Baiboly: “Aza manadino hanao soa sy hizara amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” (Hebreo 13:16) Midika ve izany hoe mila manao soa sy malala-tanana fotsiny isika, dia efa ankasitrahany?

      “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra”, hoy ihany ny Baiboly. (Hebreo 11:6) Tsara homarihina fa rehefa avy “naneho finoana an’i Jehovah” i Abrahama vao “nantsoina hoe ‘naman’i Jehovah.’ ” (Jakoba 2:23) Nasongadin’i Jesosy Kristy koa fa mila ‘mino an’Andriamanitra’ isika raha te hotahiny. (Jaona 14:1) Mila manam-pinoana àry izay taomin’Andriamanitra hanatona azy. Ahoana no hanananao an’izany finoana izany? Ianaro tsy tapaka aloha ny Tenin’Andriamanitra. Hanana “fahalalana marina tsara ny sitrapony” ianao amin’izay, ka hahay an’izay tokony hataonao mba “hankasitrahany tanteraka” anao. Rehefa mahalala tsara an’i Jehovah sy manao izay asainy ataonao ianao, dia vao mainka hino azy, ary izy kosa hanatona anao.—Kolosianina 1:9, 10.

  • Tsy Misy Zavatra Tsara Noho Izany!
    Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Desambra
    • Lehilahy mamaky Baiboly

      MATOAN-DAHATSORATRA | AZO ATAO VE NY MINAMANA AMIN’ANDRIAMANITRA?

      Tsy Misy Zavatra Tsara Noho Izany!

      Efa hitantsika hoe ireto ny zavatra sasany tokony hatao raha te ho naman’Andriamanitra:

      1. Mamantatra ny anarany hoe Jehovah ary mampiasa an’izany

      2. Mifampiresaka aminy tsy tapaka, izany hoe mivavaka aminy sy mianatra Baiboly

      3. Manao an’izay ankasitrahany foana

      Lehilahy mivavaka

      Ho lasa naman’Andriamanitra ianao raha mampiasa ny anarany, mivavaka aminy, mianatra ny Teniny, ary manao izay asainy atao

      Rehefa avy nandinika an’ireo ianao, hitanao ve hoe efa miezaka ny ho akaiky an’Andriamanitra ianao? Sa mbola misy zavatra mila hatsarainao amin’ireo? Marina aloha fa ilaina ny miezaka, nefa misy vokany tsara ilay izy.

      Hoy i Jennifer, any Etazonia: “Tsy hanenina mihitsy ianao raha miezaka ho naman’Andriamanitra. Hahazo fitahiana be dia be ianao, ohatra hoe lasa matoky kokoa azy, lasa mahafantatra kokoa ny toetrany, ary indrindra indrindra lasa tia azy kokoa. Tsy misy zavatra tsara noho izany!”

      Afaka manampy anao ho akaiky an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka mampianatra Baiboly anao maimaim-poana izy ireo. Asaina koa ianao hiara-mivory amin’izy ireo any amin’ny efitrano fivoriany eny akaikinareo.a Ho faly ianao any satria hiaraka amin’ny olona maro mifandray tsara amin’Andriamanitra. Hitovy hevitra amin’ny mpanao salamo ianao amin’izay. Hoy izy: “Izaho kosa, dia ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko.”—Salamo 73:28.

      a Raha te hangataka hianatra Baiboly ianao na te hitady toerana fivoriana eny akaikinareo, dia miresaha amin’izay nanome anao an’ity gazety ity, na midira ao amin’ny www.pr2711.com/mg, ary jereo eo ambanin’ilay hoe HIFANDRAY AMINAY, eny amin’ny farany ambany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara