FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 15/9 p. 22
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • “Izay Mitady An’i Jehovah ... Tsy mba ho Ory Zava-tsoa”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Jehovah, Ilay “Mpanafaka” Tamin’ny Andro Fahiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • “Ampianaro Hanao ny Sitraponao Aho”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Miantehera Amin’ny Fanahin’Andriamanitra Rehefa Miova ny Fiainanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 15/9 p. 22

FANONTANIAN’NY MPAMAKY

Midika ve ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 37:25 sy ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33 hoe tsy havelan’i Jehovah ho tsy ampy sakafo mihitsy ny Kristianina?

Hoy i Davida: ‘Mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka aho, na nahita ny zanany nangataka hanina.’ Te hilaza zavatra ankapobe izy, vokatry ny zavatra niainany. Fantany tsara fa mikarakara ny mpanompony foana i Jehovah. (Sal. 37:25) Tsy midika anefa ireo teniny ireo hoe tsy nisy na tsy hisy mihitsy ny mpanompon’i Jehovah sahirana.

Na i Davida aza efa nandalo fotoan-tsarotra, ohatra hoe tamin’izy nandositra an’i Saoly. Kely sisa ny vatsy nentiny ka nangataka mofo ho azy sy ho an’ireo niaraka taminy izy. (1 Sam. 21:1-6) Azo lazaina hoe “nangataka hanina” àry izy. Natoky anefa izy fa tsy nahafoy azy i Jehovah tamin’izay. Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe lasa mpangataka izy.

Nanome toky i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33 fa homen’i Jehovah an’izay ilainy ny mpanompony tsy mivadika, raha manao loha laharana an’ilay Fanjakana. Hoy izy: ‘Katsaho foana aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany’, anisan’izany izay hohanina sy hosotroina ary hotafiana. Nilaza koa anefa izy fa hisy fanenjehana ka mety ho noana ireo ‘rahalahiny.’ (Mat. 25:35, 37, 40) Izany no nanjo ny apostoly Paoly. Nisy fotoana izy noana sy nangetaheta.—2 Kor. 11:27.

Milaza i Jehovah fa hiaritra fanenjehana isan-karazany isika. Mety havelan’i Jehovah tsy hanana izay ilaina isika, satria tiany hanampy azy hamaly ny fiampangan’ny Devoly. (Joba 2:3-5) Notandindomin-doza, ohatra, ny Kristianina sasany rehefa nenjehina, anisan’izany ireo tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia. Anisan’ny tetika nampiasain’i Satana mba hahatonga ny Vavolombelona hivadika amin’i Jehovah ny tsy fahampian-tsakafo. Tsy nivadika anefa izy ireo fa nankatò an’i Jehovah foana, ka tsy nafoiny. Navelany hiaritra an’izany fitsapana izany izy ireo, toy ny Kristianina rehetra avelany hiatrika fitsapana isan-karazany. Tena ampian’i Jehovah anefa izay rehetra mijaly noho ny anarany. (1 Kor. 10:13) Tadidio foana àry ny Filipianina 1:29 manao hoe: “Ianareo no nomena voninahitra noho ny amin’i Kristy, tsy voninahitra haneho finoana azy ihany, fa hijaly noho ny aminy koa.”

Mampanantena hanampy ny mpanompony i Jehovah. Hoy ny Isaia 54:17: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao.” Manome toky antsika io andininy io sy ny fampanantenana hafa mitovy aminy, fa ho voaro ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fitambarany. Mety hiharam-pitsapana anefa ny Kristianina tsirairay, ary mety hamoizany ny ainy mihitsy izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara