FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb09 p. 66-141
  • Samoa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Samoa
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2009
  • Lohatenikely
  • NIPOSAKA NY FAHAZAVAN’NY FAHAMARINANA
  • IREO FIVORIANA VOALOHANDOHANY
  • FANAMPIANA AVY ANY AN-TANY HAFA
  • NANDROSO NY ASA TETO APIA
  • NANDROSO NY ASA TATSY SAMOA AMERIKANINA
  • TONGA NY MISIONERAN’I GILEADA
  • “HISY FILMA RAHALINA ARY TSY MISY VIDIM-PIDIRANA”
  • NISY VOKANY TSARA NY FIKIRIZAN’IREO MPITORY
  • FOMBA FITORY TAMIN’NY SAMOANINA
  • BOKY SY GAZETY AMIN’NY TENY SAMOANINA
  • FIVORIAMBE NAMPAHERY
  • FIVADIHAM-PINOANA TETO APIA
  • FIARAHANA NAMPAHERY
  • FANDROSOANA TATSY SAMOA AMERIKANINA
  • FIOVANA TETO SAMOA
  • MIZATRA AMIN’NY FIAINAM-BAOVAO
  • TONGA TAO SAVAII NY VAOVAO TSARA
  • MANOMPO AN’I JEHOVAH NA EO AZA NY ARETINA
  • FANOHERANA ANY TOKELAU
  • NOTAHIN’I JEHOVAH NY EZAKY NY MPITORY
  • FANATSARANA NY FANDIKAN-TENY
  • NITARINA NY BETELA
  • NITRANGA NY LOZA
  • “MIHOATRA LAVITRA NOHO IZAY NANTENAINAY”
  • MANOVA OLONA NY FAHAMARINANA
  • TANORA MIDERA NY MPAMORONA
  • NAMPIASAINA NY RADIO
  • NILA EFITRANO FANJAKANA HAFA
  • TOE-JAVATRA VAOVAO
  • MIARA-MANDROSO AMIN’NY FANDAMINAN’I JEHOVAH
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2009
yb09 p. 66-141

Samoa

MAMIRAPIRATRA toy ny vatosoa eo amin’ny Oseana Pasifika ireo nosy Samoa, izay eo anelanelan’i Hawaii sy Nouvelle-Zélande. Volkano nipoaka taloha no nampisy ireo nosy tena kanto ireo. Rakotra rahona ny tampon-tendrombohitra, maitso mavana ny ala, ary misy palmie mitomandavana ny torapasika. Manjelanjelatra erỳ ireo farihy. Ahitana karazana haran-dranomasina 200 sy karazan-trondro efa ho 900 izy ireny, ka toy ny hoe misy paradisa ao anaty rano! Mamerovero koa ny vonin’ny hazo franzipanie. Tsy mahagaga raha nilaza ireo misionera voalohany avy tany Eoropa, fa anisan’ny nosy faran’izay kanto hitany tatỳ amin’ny faritr’i Pasifika Atsimo ireo nosy ireo!

Angamba ny Lapita no nanorim-ponenana voalohany tatỳ amin’ireo nosy Samoa, tamin’ny taona 1000 tany ho any talohan’i Kristy.a Azo inoana fa avy tany Azia atsimoatsinanana izy ireo, ary tia nikaroka tany vaovao sady tena nahay nitondra lakana. Lakana lehibe nakambana tsiroaroa no nanaovan’izy ireo dia lavitra, ary ny rivotra sy ny ranomasina no nanosika an’ireo lakana. Mbola tsy nisy olona nanao dia lavitra toy izany mihitsy talohany. Nahita nosy maromaro izy ireo tatỳ afovoan’i Pasifika Atsimo, ary nomeny anarana hoe Samoa izy ireny.

Niparitaka niantsinanana nankany Tahiti ny taranak’izy ireo tatỳ aoriana, ary avy eo nianavaratra nankany Hawaii, nianatsimoandrefana nankany Nouvelle-Zélande, ary nianatsimoatsinanana nankany amin’ny Nosin’ny Paka. Miendrika telozoro izany faritra midadasika nielezany izany, ary antsoina ankehitriny hoe Polinezia, izay midika hoe “Nosy Maro.” Antsoina hoe Polinezianina ny mponina ao amin’izany faritra izany. Azo lazaina ho toerana nipoiran’ireo mponin’i Polinezia àry i Samoa.

Nitady fiainana tsara kokoa toa an’ireny razambeny ireny ny Samoanina be herim-po sasany ankehitriny. Tsy nanao dia lavitra an-dranomasina anefa izy ireo. Niala tamin’ny haizina ho amin’ny fahazavana ara-panahy kosa izy ireo, satria nikaroka ny fivavahana ankasitrahan’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra.—Jaona 4:23.

Ho hitantsika ato ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Samoab sy Samoa Amerikanina ary Tokelau. Lasa firenena nahaleo tena i Samoa Andrefana tamin’ny 1962, fa i Samoa Amerikanina kosa eo ambany fifehezan’i Etazonia. Mizara roa àry ireo nosy atỳ, dia i Samoa sy Samoa Amerikanina.

NIPOSAKA NY FAHAZAVAN’NY FAHAMARINANA

Tonga teto Samoa ny vaovao tsara tamin’ny 1931. Nisy Vavolombelona be zotom-po iray nitety an’i Samoa, ka nahapetraka boky sy bokikely maherin’ny 470. Angamba i Sydney Shepherd izy io, satria tamin’izany fotoana izany izy no nandeha sambo nitety an’i Polinezia mba hitory ny vaovao tsara.

Nitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana koa i Samoa Amerikanina, fito taona taorian’izay. Nijanona vetivety tao Pago Pago, tao amin’ny nosy Tutuila, mantsy i J. Rutherford, izay niasa tany amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, any New York. Avy tany Aostralia izy sy ireo namany tamin’izay, ary nandeha sambo ho any Etazonia. Nanararaotra nametraka boky nanerana an’i Pago Pago izy ireo.

Tonga tatsy Samoa Amerikanina koa i Harold Gill roa taona taorian’izay, tamin’ny 1940. Mpisava lalana tatỳ amin’ny faritr’i Azia manamorona an’i Pasifika izy, ary nitondra 3 500 tamin’ilay bokikely hoe Aiza moa Ireo Maty? Io no bokikely voalohany nadikan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny teny samoanina.c

Niampita nankatỳ amin’ny nosy Upolu, eto Samoa, i Harold avy eo, ka nandeha sambo adiny valo ka hatramin’ny adiny folo. Hoy izy: “Azo antoka fa efa nisy nampahafantatra hoe ho avy aho, satria vao tonga aho dia nilazan’ny polisy fa tsy mahazo mankeo amin’ilay nosy. Nasehoko azy àry ny pasipaoroko, ary novakiko ny sasin-teny tao. Voalaza tao fa olom-pehezin’ny mpanjaka anglisy ny tompon’ilay pasipaoro, ka tokony havelan’ny manam-pahefana ‘hiditra malalaka tsy misy fanakantsakanana, ary hampiany sy harovany.’ Nampanantsoin’ny Governora àry aho ka nadinadininy, ary navelany hijanona mandra-pandehan’ny sambo manaraka, dimy andro taorian’izay. Nanofa bisikileta aho, ary nizara bokikely nanerana an’ilay nosy.”

Tsy maintsy niverina tany Aostralia i Harold taorian’izay. Tonga teny am-pelatanan’ny mpiasa birao iray atao hoe Pele Fuaiupolud anefa ny bokikely iray napetrany. Voafafy tao am-pon’i Pele ny voan’ny fahamarinana noresahin’ilay bokikely, ka niandry ny fiverenan’ny Vavolombelona mba hanondraka azy.—1 Kor. 3:6.

Tamin’ny 1952, izany hoe 12 taona tatỳ aoriana, dia tonga teto Apia, renivohitr’i Samoa, i John Croxford avy any Angletera. Niasa tao amin’ny birao niasan’i Pele io Vavolombelona io. Lehilahy sariaka i John ary nazoto nitory. Tsikariny fa liana tamin’ny Baiboly i Pele ka notsidihiny tany an-tranony. Hoy i Pele: ‘Niresaka mandra-paharainan’ny andro izahay. Nametraka fanontaniana maro aho, ary novaliany avy tao amin’ny Baiboly foana izany. Niaiky tanteraka aho fa io ilay fahamarinana notadiaviko hatramin’izay.’ Tamin’iny taona iny ihany, dia nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa i Pele sy Ailua vadiny. Izy ireo no Vavolombelona voalohany teto Samoa.

Fantatr’i Pele fa tsy maintsy hasaina hanazava ny antony nialany tamin’ny fivavahan-drazany izy. Nianatra Baiboly mafy àry izy, ary nitalaho tamin’i Jehovah mba hanampy azy. Nampanantsoin’ny lehiben’ny fianakaviana tokoa izy ary nasainy nankany Faleasiu, tanàna niaviany. Tanàna lehibebe amoron-tsiraka izy io, ary 19 kilaometatra andrefan’i Apia. Efa tafavory tao ny loham-pianakaviana enina, mpikabary telo, pasitera folo, mpampianatra teolojia roa, lehilahy sy vehivavy zokiolona tamin’ny fianakaviana, ary ilay lehibe izay nitarika an’ilay fivoriana. Tsy maintsy niatrika azy ireo i Pele sy ny havany iray liana tamin’ny fahamarinana.

Hoy i Pele: “Nanozona anay izy ireo satria nanala baraka ny fianakaviana sy ny fiangonanay, hono, izahay.” Nisy adihevitra taorian’izay, ary naharitra hatramin’ny efatra maraina izany.

Hoy koa izy: “Nivazavaza ny sasany hoe: ‘Esory any iny Baiboly iny! Apetraho iny Baiboly iny!’ Novaliako avy tao amin’ny Baiboly daholo anefa ny fanontanian’izy ireo, ka voaporofo fa tsy marina ny heviny. Nangina izy ireo tamin’ny farany, ka nanondrika ny lohany. Niteny moramora avy eo ilay lehibe hoe: ‘Nandresy ianao, ry Pele.’ ”

‘Nilaza anefa aho hoe: “Azafady, tompoko, fa tsy nandresy aho. Renareo tamin’ity alina ity ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka mba tiako raha hekenareo izany.” ’

Nanetry tena i Pele ka niantehitra tamin’i Jehovah sy ny Teniny. Nanomboka nitsimoka teto Upolu àry ny voan’ny fahamarinana.

IREO FIVORIANA VOALOHANDOHANY

Vetivety dia niely ny resaka momba ilay fivavahana vaovao narahin’i Pele, satria nifankahalala daholo ny olona. Te hahalala misimisy kokoa momba ilay “fampianarana vaovao” ny olona sasany, tahaka an’ireo Atenianina nitorian’i Paoly tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 17:19, 20) Ren’ny tovolahy iray atao hoe Maatusi Leauanae, fa nivory isan-kerinandro tao an-tranon’ny dokotera iray, tao amin’ny hopitaly, ireo liana tamin’ilay fivavahana. Tapa-kevitra ny ho any àry izy mba hamotopototra momba izany. Niahotra tampoka anefa izy rehefa tonga teo am-bavahadin’ny hopitaly ka saika hiverin-dalana. Soa ihany fa tonga i John Croxford, ka nanasa azy hiditra. Tian’i Maatusi ilay fianarana tamin’ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”, ka te hanatrika ilay fivoriana indray izy amin’ny manaraka. Nivory tsindraindray izy tamin’ny voalohany, kanefa latsa-paka tao am-pony ihany ny fahamarinana, ka natao batisa izy tamin’ny 1956.

Tsy ela dia nahatsapa ireo olona vaovao tonga nivory fa tokony hitory izy ireo. Lasa mpitory ny folo tamin’izy ireo, dimy volana monja taorian’ny nahatongavan’ny Rahalahy Croxford teto Apia. Lasa 19 izy ireo, efa-bolana taorian’izay. Nahita vokatra tsara izy ireo rehefa nitory tamin’ny havana aman-tsakaizany.

Nisy iray tamin’izy ireo nitory tamin’ny zanak’olo-mpiray tam-po aminy atao hoe Sauvao Toetu, izay nipetraka tao Faleasiu. Tonga nivory i Sauvao, ary niaraka taminy koa i Finau Feomaia zaodahiny. Nanaiky ny fahamarinana izy roa lahy sy ny vady aman-janany tatỳ aoriana.

Fotoana niavaka ho an’ny fivavahana marina teto Samoa, ny Janoary 1953. Neken’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Aostralia ny hiforonan’ny fiangonana voalohany teto Apia, satria efa nisy 40 teo ho eo ny mpanatrika fivoriana. Nody tany Angletera ny Rahalahy Croxford taorian’izay, ary i Pele no niandraikitra an’ilay fiangonana, na dia vita batisa vao haingana aza. Tsy natahotra olona ireo mpitory sady be zotom-po, saingy mbola vaovao tamin’ny fahamarinana sady tsy ampy traikefa. Nila nianatra ny hahay handanjalanja kokoa àry ny ankamaroany, mba hanintona kokoa ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Kol. 4:6) Ny hafa indray nila nampiana mba hitafy bebe kokoa ny toetra vaovao. (Efes. 4:22-24) Soa ihany fa tsy ela dia nisy mpisava lalana tonga mba hanampy azy ireo.—Efes. 4:8, 11-16.

FANAMPIANA AVY ANY AN-TANY HAFA

Tonga mba hanampy ny Fiangonana Apia i Ronald (Ron) sy Olive (Dolly) Sellars, mpisava lalana avy any Aostralia, tamin’ny Mey 1953. Hoy i Ron: “Tapaka ny fifandraisan’ny sampan’i Aostralia sy ny rahalahy tatsy Samoa, ka nanahy ny tao amin’ny sampana. Koa satria vonona hanompo tatỳ amin’ny faritr’i Pasifika izahay mivady, dia nirahin’ny sampana ho mpisava lalana manokana tatsy Samoa, mba hiara-miasa amin’ilay fiangonana vaovao.”

Nandeha fiaramanidina i Ron sy Dolly, ary efa nanomana ny sainy mba hiatrika ny zava-tsarotra fahitan’ny misionera manompo any an-tany lavitra. Hoy i Ron: “Gaga be anefa izahay fa feno zavamaniry maitso mavana ilay nosy. Olona falifaly sy mitsikitsiky no hitanay hatraiza hatraiza, ary salama sy tomady izy ireo. Nilalao teny an-tokotany ny ankizy, nanodidina an’ireo trano mitafo bozaka. Tsy misy rindrina ny trano, ary potipotika akorandriaka no natao gorodona. Tsy nirotoroto na nihazakazaka namonjy fotoana ny olona. Hoatran’ny tany amin’ny paradisa izahay!”

Nipetraka tao amin-dry Pele izy mivady, ary avy hatrany dia nanampy an’ilay fiangonana. Hoy i Ron: “Saika isak’alina aho no namaly ny fanontanian’ireo rahalahy. Nahafantatra ny fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly izy ireo, saingy nila nanao fiovana maro mba hanarahana ny fitsipik’Andriamanitra. Niezaka hanam-paharetana sy ho be fitiavana kokoa izahay sy Dolly, mba hanampiana azy ireo.” Nampalahelo fa tsy nanaiky an’izany fanitsiana tamim-pitiavana izany ny sasany, ka nisaraka tamin’ny fiangonana. Nanetry tena kosa ny hafa ka nandray tsara an’ilay fampiofanana sy fampirisihana. Nandroso izy ireo, ka nihanadio sy nihanatanjaka ilay fiangonana.

Nitarika ny asa fitoriana isan-trano koa i Ron sy Dolly. Nitory tamin’ny namany sy ny mpiara-monina taminy fotsiny mantsy ny ankamaroan’ireo rahalahy, talohan’izay. Nahita olona liana maro àry izy ireo rehefa nitory isan-trano. Hoy i Ron: “Liana ny filohan’ny tanàna iray, ka nanasa anay ho any an-tranony mba hanazava bebe kokoa momba ilay Fanjakana. Niresaka momba ny Baiboly izahay rehefa avy nisakafo. Nanjary lahateny ho an’ny besinimaro ilay resadresaka rehefa afaka adiny iray, satria lasa 50 teo ho eo no nanatrika, nefa tsy nasainay akory!” Raha olona 2 na 3 no nampianarina Baiboly tao amin’ny trano iray tamin’izany, dia matetika no nisy olona 10 ka hatramin’ny 40 tonga nihaino teo, satria te hahafantatra momba ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tsikaritr’ireo mpitondra fivavahana anefa izany rehetra izany. Tsy nahazo vizà intsony i Ron sy Dolly, ka nankany amin’ny ambasadaoro i Ron mba hanontany ny antony. Hoy i Ron: “Nilaza tamiko izy fa nisy mpitondra fivavahana nitaraina tany amin’ny fanjakana momba ny asa fitorianay. Raha mampanantena àry izahay fa tsy hanampy an’ilay fiangonana amin’ny asa fitoriana intsony, dia homeny vizà. Tsy nanaiky anefa aho. Nilaza taminy aho fa tsy misy olona mahasakana ny asan’Andriamanitra, ary tokony hotadidìny izany. Nihomehy izy sady niteny hoe: ‘Ho hitantsika eo izany rehefa lasa ianareo!’ ”

Tsy navelan’ny manam-pahefana hiditra teto ny Vavolombelona vahiny, taorian’izay. Tamin’ny 1953 anefa, dia tafiditra mangingina teto Samoa i Theodore Jaracz, izay mpiasa tao amin’ny biraon’ny sampan’i Aostralia ary anisan’ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny. Hoy i Ron: “Tena nampahery ny fiangonana ny fitsidihany. Nahazo toky izahay fa miara-mandroso amin’ny fandaminan’i Jehovah ny fiangonanay.”

Lany vizà i Ron sy Dolly taoriana kelin’izay, ka nifindra nankatsy Samoa Amerikanina. Tena nanatanjaka ny finoan’ireo rahalahy teto Samoa anefa izy ireo, nandritra ny valo volana nipetrahany teto. Nisy Vavolombelona hafa koa tonga mba hanohy ny asa fanompoana nataon’izy mivady, saingy tsy fantatry ny manam-pahefana izany.

NANDROSO NY ASA TETO APIA

Tonga teto Apia i Richard Jenkins avy any Aostralia, tamin’ny Mey 1954. Vao 23 taona izy, ary natao batisa vao haingana sady be zotom-po. Hoy izy: “Nilazana aho talohan’ny nialako tany Aostralia mba tsy hifandray amin’ny rahalahy eo an-toerana, raha tsy efa azo antoka tsara ny asako. Tena nahatsiaro ho nanirery anefa aho rehefa afaka volana vitsivitsy, ka nila fampaherezana. Tapa-kevitra hifandray mangingina tamin’i Pele Fuaiupolu àry aho.” Nifanao fotoana izy roa lahy, ary tamin’ny alina be izy ireo no nihaona.

Hoy i Richard: “Nilaza tamiko i Pele fa tsy hampiasa ny tena anarako izy, satria horoahina hiala ao Samoa aho raha fantatry ny manam-pahefana hoe mifandray amin’ny fiangonana. Nantsoiny hoe Uitinese àry aho, mitovy amin’ny anaran’ilay zanany lahy vao teraka. Izany koa no ilazana ny hoe ‘vavolombelona’ amin’ny teny samoanina. Mbola izany ihany no iantsoan’ny rahalahy samoanina ahy hatramin’izao.”

Nifandray tamin’ireo rahalahy foana i Richard, nefa tsy niharihary be izany. Nitory tsy ara-potoana koa izy, ka nanomboka fampianarana Baiboly maromaro. Nampianariny, ohatra, ny tovolahy iray antsoina hoe Mufaulu Galuvao, izay mpiasan’ny fahasalamana. Lasa anisan’ny Komitin’ny Sampana teto Samoa izy io tatỳ aoriana. Nianatra koa i Falema‘a Tuipoloa, ary lasa Vavolombelona izy sy ny mpianakaviny maromaro.

Nampianarin’i Richard koa i Siemu Taase, lehiben’ny jiolahy mpangalatra entana tao amin’ny sampan-draharahan’ny asa vaventy. Vao nianatra Baiboly kelikely anefa izy, dia nigadra noho ny asan-jiolahy nataony. Tsy kivy i Richard fa nangataka alalana mba ho afaka hampianatra Baiboly azy ihany. Navelan’ny mpiambina hianatra àry izy ireo, ka nianatra teo am-bodimanga, tokony ho 100 metatra teo ivelan’ny fonja. Nisy gadra hafa koa niara-nianatra tamin’izy ireo tatỳ aoriana.

Hoy i Richard: “Tsy nisy niambina izahay, nefa tsy nitady handositra ireo gadra ary nisy mihitsy aza nanaiky ny fahamarinana.” Lasa anti-panahy i Siemu tatỳ aoriana, rehefa vita ny saziny.

Nanambady i Richard tamin’ny 1955, ary i Gloria Green, mpisava lalana avy any Aostralia, no vadiny. Nipetraka 15 taona teto Samoa izy mivady, ary nanampy olona 35 hiandany amin’ny fahamarinana, talohan’ny niverenany tany Aostralia. Any Brisbane izy ireo izao, ary anti-panahy ao amin’ny fiangonana iray miteny samoanina i Richard.

Tonga teto Apia koa i William (Bill) sy Marjorie (Girlie) Moss, mpisava lalana avy any Aostralia, tamin’ny 1956. Anti-panahy mahay i Bill, ary i Girlie vadiny kosa efa mpisava lalana nandritra ny 24 taona. Nisy mpitory 28 teto Apia, ary nisy Fianarana Boky teto sy tany Faleasiu. Tsy nitandro hasasarana izy mivady nanampy an’ilay fiangonana nandritra ny sivy taona. Voatery niverina tany Aostralia izy ireo tamin’ny 1965, satria niharatsy ny fahasalaman’i Girlie. Efa lasa fiangonana ilay antoko-mpitory tany Faleasiu tamin’izay.

Tsy namela ny misionera hiditra teto Samoa ny fanjakana tamin’izany. Nanantena izy ireo sy ny mpitondra fivavahana fa ho rava ho azy ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa tsy misy misionera intsony eto. Ny nifanohitra tamin’izany anefa no nitranga. Nihamaro ny Vavolombelona ary tena be zotom-po!

NANDROSO NY ASA TATSY SAMOA AMERIKANINA

Mbola tsy lany vizà i Ron sy Dolly Sellars, dia efa nanapa-kevitra fa tsy hody any Aostralia. Nangataka hipetraka atsy Samoa Amerikanina kosa izy ireo. Hoy i Ron: “Nankany amin’ny minisitry ny fitsarana teto Samoa Amerikanina aho, ka nilaza taminy fa tsy nomen’ny fanjakan’i Samoa vizà izahay noho ny fivavahanay. Hoy àry izy tamiko: ‘Mahazo manaraka izay fivavahana tiany ny olona eto Samoa Amerikanina, ka hataoko izay hahazoanareo vizà.’ ”

Tonga tany Pago Pago, atsy Samoa Amerikanina, i Ron sy Dolly, tamin’ny 5 Janoary 1954. Nisy fepetra napetrak’ilay minisitra anefa mba hahazoan’izy ireo vizà: Tsy maintsy nankany amin’ny biraony matetika i Ron mba hanazava bebe kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahafinaritra ny resadresaka ara-baiboly nifanaovan’izy ireo.

Nasain’ilay minisitra nisakafo hariva tany an-tranony i Ron sy Dolly tamin’ny faramparan’io volana io. Nasainy koa ny pretra katolika sy ny pasiteran’ny Fikambanan’ny Misioneran’i Londres. Nafana ny adihevitra ara-baiboly tamin’izay. Hoy i Ron: “Rehefa hody izahay, dia nisaotra anay rehetra tonga teo ilay minisitra ary nilaza hoe: ‘Heveriko fa Atoa sy Rtoa Sellars no nandresy tamin’ny adihevitra androany.’ Nahazo vizà ahafahanay mipetraka maharitra eto izahay, taoriana kelin’izay. Nilaza tamiko ilay minisitra tatỳ aoriana, fa raha misy misionera Vavolombelona hafa manao fangatahana hiditra eto, dia heken’ny fanjakana izany. Nilazako avy hatrany àry ny sampan’i Aostralia.”

I Ualesi (Wallace) Pedro no voalohany nanokan-tena ho an’i Jehovah tatsy Samoa Amerikanina. Tovolahy 19 taona, teraka tany Tokelau, izy io. Nisy havany avy any Fidji, tonga namangy ny fianakaviany tamin’ny 1952. Lydia Pedro no anarany, ary mpisava lalana manokana izy io. Nomeny an’ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” ny zokin’i Wallace. Hitan’i Wallace tao an-tranon’ilay zokiny ilay boky, ary nianarany tsara.

Nianatra Baiboly tamin’i Ron sy Dolly ny zokin’i Wallace mianadahy, tamin’ny 1954. Nino an’i Jehovah Andriamanitra i Wallace, saingy niahotra ny hianatra izy tamin’ny voalohany, satria tsy natokisany ny fivavahana. Niaiky anefa izy tatỳ aoriana fa marina ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nivory tsy tapaka tao Fagatogo izy. Nandroso haingana izy, ary natao batisa teo amin’ny Seranan’i Pago Pago tamin’ny 30 Aprily 1955.

Tamin’ny Janoary 1955, herintaona monja taorian’ny nahatongavan’i Ron sy Dolly, dia efa nisy fito ny mpivory tao Fagatogo. Tao an-tranon’izy ireo no nanaovana ny fivoriana, ary tsy nisy fanaka firy tao ka nipetraka tamin’ny tany ny rehetra. Tsy ela dia lasa mpitory ny telo tamin’ireo mpivory. Andron’ny zava-madinika tamin’izany, nefa tsy ela dia nisy fiovana nahafinaritra.

TONGA NY MISIONERAN’I GILEADA

Tonga tatsy Samoa Amerikanina ny mpivady misionera roa avy any Etazonia tamin’ny 4 Febroary 1955. Tsy iza izany fa i Paul sy Frances Evans, ary Gordon sy Patricia Scott. Nipetraka tao amin’ny tranon’ny misionera tao Fagatogo izy ireo. Naresaka be ny teny amin’ny manodidina an’ilay trano. Hoy i Leonard (Len) Helberg, mpiandraikitra ny faritra nitsidika an’i Pago Pago tamin’io taona io:

“Nalalaka ilay trano, ary nisy fivarotana tao ambany rihana. Bara kosa no teo amin’ny ilany, teo ampitan’ny renirano kely iray. Niala voly tao ny tantsambo rehefa takariva. Rehefa nisy ady sy tabataba be tao, dia tonga ny lehiben’ny polisy, izay lehilahy fohy kely nefa matanjaka be. Nanavatsava ny olona izy sady namely totohondry an’izay sendra azy mba hampitsaharana ny ady. Teny am-bavany ihany ny sigarany amin’izany! Fiangonana kosa no tao ambadiky ny tokotanin’ilay tranon’ny misionera. Heno be ny toriteny momba ny afobe nataon’ny pasitera tao. Isam-bolana koa, dia tazanay avy teo an-davarangana ny olona maro be mankao amin’ny banky mba haka ny karamany. Tonga teo koa ny misioneran’ny eglizy avy tany amin’ny lafivalon’ny nosy, mba haka ny ampahafolon-karena avy amin’ireo mpiangona, dieny mbola tsy lanin’izy ireo ny vola.”

Liana tamin’ny Baiboly ny olona maro teny amin’ny manodidina. Hoy i Len: “Nampianatra Baiboly tao amin’ny trano fihetezana teo ampita ny rahalahy misionera iray, tamin’ny enina maraina, talohan’ny nanombohan’ilay mpanety niasa. Nampianatra mpanao mofo izy avy eo, ary rehefa vita ny fianarana dia nitondra mofo hatao sakafo maraina. Nampianatra gadra vitsivitsy teo amin’ny zaridainam-bahoaka indray izy taorian’izay.” Nitarika fampianarana Baiboly 60 teo ho eo ireo misionera, tamin’ny faran’iny taona iny. Olona 200 mahery anefa no nianatra raha isaina!

“HISY FILMA RAHALINA ARY TSY MISY VIDIM-PIDIRANA”

Nahatonga olona maro ho liana tamin’ny fahamarinana ilay filma hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa.e Io no filma voalohany novokarin’ny fandaminana, taorian’ilay hoe “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, izay vita 40 taona teo ho eo talohan’izay. Nasongadin’io filma io ny asa fitoriana sy ny asa fanontam-pirinty eran-tany ary ny fomba andaminana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandefa azy io in-15 i Len tamin’izy nitsidika an’i Samoa Amerikanina nandritra ny iray volana, tamin’ny 1955. Niisa 3 227 ny olona nijery azy io, izany hoe 215 teo ho eo no nijery isaky ny nalefa izy io.

Hoy i Len: “Nanasa olona izahay isaky ny handefa an’ilay filma. Nandeha fiara nitety tanàna izahay, ary nanipy taratasy mivalona sady niantsoantso hoe: ‘Hisy filma rahalina ary tsy misy vidim-pidirana.’ Nolazainay koa ny anaran’ny tanàna handefasana azy io.”

Nisy vokany lehibe tamin’ny olona ilay filma. Nanjary te hahafantatra misimisy kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Maro no tsy niandry hotsidihina tany an-tranony, fa tonga dia nankany an-tranon’ny misionera. Samy nampianatra tao amin’ny efitra samy hafa àry ireo misionera, ary olona maromaro no niara-nianatra. Rehefa vita ny fianaran’ny sasany, dia niditra indray ny manaraka. Hoy i Ron Sellars: “Mbola nahatsiarovan’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah ny zavatra mahafinaritra hitany tamin’ilay filma, na dia taona maro tatỳ aoriana aza.”

NISY VOKANY TSARA NY FIKIRIZAN’IREO MPITORY

Niforona roa volana taorian’ny fitsidihan’i Len Helberg ny fiangonana voalohany tatsy Samoa Amerikanina. Tao Fagatogo izy io. Nisy 14 ny mpitory ary lasa 22 tao anatin’ny herintaona. Nahazo mpisava lalana manokana roa hafa koa ilay fiangonana, dia i Fred sy Shirley Wegener avy any Aostralia. Anisan’ny Komitin’ny Tany eto Samoa izao i Fred.

‘Narehitry ny fanahy’ ireny mpitory sy mpisava lalana ary misionera ireny. (Rom. 12:11) Hoy i Len: “Be fikirizana ireo mpitory, ary maro ny olona liana ka saika efa nisy nianatra Baiboly ny tokantrano tsirairay tao Fagatogo, tamin’ny 1965 tany ho any. Saika ny tokantrano tsirairay tao amin’ilay nosy koa no voatsidika isam-bolana.”

Nampiova ny fahalalan’ny olona ny Baiboly izany. Hoy i Len: “Lasa fantatry ny olona hoe eto an-tany ny fiainana mandrakizay, tsy misy ny afobe, ary tsy mahalala na inona na inona ny maty. Tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah no nahalalan’ny olona an’izany, fa tsy tany am-piangonana. Niresaka tamin’ny olona tsirairay mantsy izahay, ary nampisaintsaina azy tamin’ny alalan’ny Baiboliny.”

Tsy nampihatra izay nianarany anefa ny ankamaroan’ny olona, satria tsy te hiala amin’ny fivavahany sy tsy te hailikiliky ny fianakaviany. Tsy te hiova koa ny sasany fa naleony nanaraka ny fitondran-tena ratsy izay noleferin’ny fivavahany. Nisy kosa anefa sahy niandany tamin’ny fahamarinana. Tso-po izy ireo, toa an’ilay mpivaro-mandeha noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharany. Toy ny perla sarobidy ny fahamarinana tamin’izy ireo.—Matio 13:45, 46.

FOMBA FITORY TAMIN’NY SAMOANINA

Hoy i Caroline Pedro, mpisava lalana avy any Kanada, ary nanambady an’i Wallace Pedro tamin’ny 1960: “Nahafinaritra be ny nitory, tamin’izany. Saika ny olona rehetra nitorianay isan-trano no vonona hiresaka momba ny Baiboly. Mora ny nanomboka fampianarana, ary matetika no niara-nianatra ny mpianakavy.

“Tsy hadinonay mihitsy ny fitoriana tany amin’ireo tanàna mitokana. Nanaraka anay isan-trano ny ankizy, sady nihaino tsara ny fitorianay. Nihazakazaka nialoha anay ry zareo avy eo, mba hampandre ny olona tao amin’ny trano manaraka fa tamy izahay. Nolazain’izy ireo koa ny zavatra noresahinay sy ny andinin-teny nampiasainay. Tsy maintsy nanomana fomba fitory maromaro àry izahay.”

Niezaka ny hahalala fomba sy hanaja ny fanao teo an-toerana ny mpitory. (1 Kor. 9:20-23) Hoy i Charles Pritchard, misionera taloha, ary anisan’ny Komitin’ny Sampana any Nouvelle-Zélande izao: “Tsy misy rindrina ny fale (trano), satria mafana be ny andro. Mora hita àry raha misy olona ao an-trano. Tena tsy fahalalam-pomba mihitsy anefa ny miteny raha mbola mitsangana na raha mbola tsy mampandroso ny tompon-trano. Nanatona ny trano tsirairay àry izahay, ary tsy niteny fa niandry an’ilay tompon-trano hahita anay. Namelatra tsihy madio izy rehefa nahita anay. Midika izany fa nasainy hanala kiraro sy hiditra ao an-trano izahay ary hipetraka eo amin’ilay tsihy.” Nampijaly misionera maro ny nipetraka tamin’ny tany toy izany satria niforitra ela ny tongotra. Soa ihany fa azon’izy ireo natao ny nanatsotra ny tongony sy nanarona izany tamin’ny tsihy. Nanao izany izy mba tsy hanondro tany amin’ilay tompon-trano ny tongony, satria ompa ratsy be izany amin’ny Samoanina.

Hoy i John Rhodes, misionera teto Samoa sy tatsy Samoa Amerikanina nandritra ny 20 taona: “Niarahaba anay tonga soa ilay tompon-trano, ary nilaza fa voninahitra ho azy ny nitorianay tao amin’ny trano bongony. Avy eo dia nanontany izy hoe: Avy aiza ny fiavianareo? Manan-janaka ve ianareo? Aiza ny fianakavianareo no mipetraka?”

Hoy i Helen, vadin’i John: “Teny fanajana olona ambony no nampiasainay isaky ny niresaka tamin’ny tompon-trano. Nanome voninahitra azy izany, sady nanome voninahitra an’ilay hafatra notorinay.”

Hoy i Caroline Pedro: “Nanjary nifankahalala kokoa izahay sy ireo olona nitorianay ary ny fianakaviany, rehefa nifanatsafa teo. Fantatray àry hoe inona no andinin-teny mifanentana amin’izay ilain’izy ireo.”

Rehefa avy nifanatsafa tamin’ny tompon-trano ny mpitory, dia afaka nilaza ny hafatra momba ilay Fanjakana. Hoy i Robert Boies, misionera taloha: “Nihaino anay ny tompon-trano tamin’ny ankapobeny, na lava na fohy ny fitorianay. Naveriny daholo ny ankabeazan’ny teny nolazainay, mba hampisehoana fa zava-dehibe taminy ilay hafatra.”

Nahay Baiboly ny olona, ka naharitra ela matetika ny resadresaka ara-baiboly nifanaovana taminy. Hoy i Caroline Pedro: “Nanampy ahy handalina foto-kevitra ara-baiboly maro izany.” Saika ny rehetra no nandray boky sy gazety. Niezaka namantatra anefa ny mpitory tatỳ aoriana hoe te hahafanta-javatra fotsiny ve ilay olona sa tena liana.

Maro ny olona nanomboka nivory, ary tsy andrin’izy ireo izay hitoriana. Hoy i John Rhodes: “Mahay miresaka sy mahay mikabary ny ankabeazan’ny Samoanina, ka mpitory vaovao maro no mahay manazava ny zavatra inoany, na dia tsy nampiofanina firy aza. Nampirisihinay anefa izy ireo hampiasa ny fomba fitory natoron’ny fandaminana, sy hampisaintsaina ny olona amin’ny alalan’ny Soratra Masina, fa tsy hiantehitra fotsiny amin’ny fahaizany.” Maro no lasa mpitory mahay, vokatr’izany fampiofanana izany.

BOKY SY GAZETY AMIN’NY TENY SAMOANINA

Mahay miteny anglisy tsara ny Samoanina maro, kanefa misy koa tsy mahay. Mba hanampiana an’ireny olona ireny àry, dia nandika taratasy mivalona karazany efatra tamin’ny teny samoanina i Pele Fuaiupolu tamin’ny 1954. I Pele no mpandika teny tena nampiasain’ny fandaminana nandritra ny taona maro. Nandika teny hatramin’ny alina be izy matetika. Nampiasa milina fanoratana iray efa tranainy izy, ary jiro solitany no nampiasainy.

Tsy maintsy nikarakara ny vadiny sy ny zanany valo koa anefa i Pele, sady niandraikitra ny fiangonana. Niasa dimy andro sy tapany isan-kerinandro koa izy, ka nitety an’ireo nosy nanara-maso toeram-pambolena kakaô. Hoy i Len Helberg: “Tsy nitandro hasasarana mihitsy i Pele, kanefa tsy nitady laza na dera. Velom-pisaorana an’i Jehovah kosa aza izy satria nampiasainy. Tena niavaka izy, satria nanetry tena sy be zotom-po ary tsy nivadika tamin’i Jehovah. Tena nahafinaritra anay izy ary tianay rehetra.”

Nahapetraka 16 000 tamin’ilay bokikely hoe “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity”, ny mpitory tamin’ny 1955. Tamin’ny teny samoanina izy io, sady tsotra ny teny ao anatiny, ka mora azo ny fomba nanazavany ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Nety tsara hanombohana sy hitarihana fampianarana Baiboly izy io. Hoy i Richard Jenkins: “Tsy ela ny olona nianatra an’io bokikely io dia efa vonona hatao batisa. Tena tianay izy io!” Nisy bokikely hafa koa nadika tamin’ny teny samoanina.

Nivoaka tamin’ny teny samoanina koa ny Tilikambo, tamin’ny 1958. I Fred Wegener no nanambatra ny pejin’ireo gazety, satria mpanao pirinty izy taloha. Natao pirinty tany Etazonia ireo gazety tatỳ aoriana, ary avy eo tany Aostralia. Nadika sy navoaka isam-bolana tao amin’ny Tilikambo tamin’ny teny samoanina, ny ampahany tamin’ny bokintsika maromaro. Navoaka ho boky kosa izy ireny taoriana kelin’ny 1970. Nanafaingana ny asa fitoriana izany.

Niely nanerana an’ireo nosy ny bokintsika, anisan’izany ilay hoe Mety ho Tafavoaka Amin’ny Hara-magedona Ianao ka ho ao Amin’ny Tontolo Vaovao. Nahazo tamin’izy io ny ankamaroan’ny tokantrano tatsy Samoa Amerikanina, tamin’ny 1955. Hoy i Wallace Pedro: “Mamaky Baiboly ny olona, saingy mbola tsy nahare ny teny hoe Hara-magedona ny ankamaroany. Rehefa avy namaky an’ilay boky anefa ireo fianakaviana nahazo azy io, dia matetika ny ankizy no niantsoantso hoe: ‘Iny fa tonga i Hara-magedona!’, mba hilazana fa tonga izahay. Nataon’ny ray aman-dreny sasany hoe Hara-magedona mihitsy aza ny anaran-janany.”

Maro koa ny voazara, tamin’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, izay navoaka tamin’ny 1972 tamin’ny teny samoanina. Tamin’ny voalohany, dia nahapetraka boky roa baoritra na mihoatra ny ankamaroan’ny misionera, isam-bolana. Hoy i Fred Wegener: “Nangataka an’ilay boky taminay ny olona rehefa nahita anay teny an-tsena. Nisy mihitsy aza namoaka ny lohany avy teny am-baravarankelin’ny bisy mba hangataka azy io.”

FIVORIAMBE NAMPAHERY

Natao tamin’ny Jona 1957 tao Pago Pago ny fivoriamben’ny faritra voalohany tatsy Samoa Amerikanina. Faly be ireo rahalahy hanatrika azy io. Nandeha sambo ny mpitory avy teto Samoa mba hamonjy io fivoriambe io. Te hanasa olona be dia be ireo rahalahy, ka nataony tamin’ny teny anglisy sy samoanina ny fanasana. Faly be ireo mpitory 60 teto Samoa sy tatsy Samoa Amerikanina fa nisy 106 ny mpanatrika ny zoma.

Nisy zavatra tsy nampoizina anefa nandritra ireo fiatoana tamin’ny antoandro. Hoy i Ron Sellars: “Zava-dehibe amin’ny Samoanina ny fotoam-pisakafoana, ary fanaon’ny olona ny manasa ny mpandalo hisakafo. Nasain’ireo rahalahy hisakafo àry ny olona maro tonga nijerijery teo. Koa voatery nahandro indray ny sampan-draharaha nikarakara ny sakafo, satria sakafo ho an’ireo mpanatrika ihany no efa nomaniny.”

Efa fitoriana tamin’ireny olona ireny anefa ny zava-nitranga tamin’ny fotoam-pisakafoana. Fanao eto Samoa mantsy ny hoe ny lehilahy no mihinana alohan’ny zaza amam-behivavy, rehefa fotoan-dehibe. Ny vahiny sy ny mpitondra fivavahana koa tsy miara-mipetraka amin’ny rehetra, sady omena ny sakafo tsara indrindra. Hitan’ireo olona tonga nijerijery teo anefa fa tsy nisy ambony na ambany teo amin’ny Vavolombelona. Niara-nisakafo ny misionera vahiny sy ireo fianakaviana teratany. Hitan’ny rehetra fa tena nifankatia sy niray saina ny vahoakan’i Jehovah.

Tsy vitan’ny hoe nampahery sy nampiofana an’ireo mpitory ny fivoriambe toy ireny, fa nanomana azy ireo hiatrika fitsapana mafy koa, izay nitranga tsy ela taorian’izay.

FIVADIHAM-PINOANA TETO APIA

Nampahery ny fitomboana, nefa nisy koa ny olana. Nisy olona vitsivitsy nanakorontana teo anivon’ny Fiangonana Apia sady nanohitra ny tari-dalan’ny fandaminana. Matai (raiamandrenibe) iray mafy loha no nitarika azy ireo. Tao an-tranon’io lehilahy io ny fivoriana no natao, ka nitombo ny disadisa teo anivon’ilay fiangonana.

Farany dia nisaraka tamin’ny fiangonana ireo mpikomy tamin’ny 1958, ka nanao ny fivoriany manokana. Tonga teto àry i Douglas Held, mpiasa tao amin’ny sampan’i Aostralia, mba hanampy an’ireo olona be taraina tao amin’ilay fiangonana. Nampahery be an’ireo tsy nivadika ny torohevitra nomeny avy ao amin’ny Soratra Masina. Nampalahelo anefa fa niandany tamin’ireo mpikomy ny ampahefatry ny mpivory. Voatery noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana ny ankamaroany, satria be hambom-po.

Tsy ela anefa dia hita hoe iza no nahazo ny fanahin’i Jehovah. Nizarazara ireo mpikomy ary tsy nanao fivoriana intsony tamin’ny farany. Nitombo 35 isan-jato kosa ny isan’ny mpitory tao amin’ny Fiangonana Apia tamin’iny taona iny. Nivory kelikely tao an-tranon’i Richard sy Gloria Jenkins, teo akaikin’ny hopitaly, ilay fiangonana, ary avy eo nifindra nankao an-tranon’i Maatusi Leauanae tao Faatoia. Nifankatia sy niara-niasa tsara ny mpitory. Naorina teo an-tokotanin-dry Maatusi ny Efitrano Fanjakana voalohany teto Apia. Nanome vola hanaovana azy io ny fiangonana iray tany Sydney, any Aostralia.

FIARAHANA NAMPAHERY

Mbola nahazo fampaherezana koa ny Fiangonana Apia tamin’ny 1959. Natao teto Apia mantsy ny fivoriamben’ny faritra voalohany teto Samoa, ary navelan’ny fanjakana hanatrika izany ny misionera dimy avy tatsy Samoa Amerikanina. Faly be ny rehetra satria nisy 288 ny mpanatrika, ary 10 no natao batisa! Natao roa taona taorian’izay koa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany. Tao amin’ny hopitaly tranainy iray izy io no natao, teo akaikin’ny tranombahiny White Horse Inn. Avy lavitra be ny mpanatrika sasany, satria avy any Nouvelle-Zélande.

Nahazo fampiofanana tsara momba ny fomba andaminana fivoriambe ireo rahalahy teto, nandritra ireny fivoriambe ireny. Rehefa tsy navelan’ny fanjakana niditra teto Samoa àry ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny misionera, tatỳ aoriana, dia afaka nandamina fivoriambe ihany ireo rahalahy teto. Nahavita nandamina sy nilalao tantara an-tsehatra naharitra adiny iray mihitsy izy ireo, tamin’ny 1967. Sambany vao nisy toy izany teto Samoa! Momba an’ireo tanàna fialokalofana tany Israely fahiny ilay tantara, ary mbola tsaroan’ny mpanatrika foana ela be tatỳ aoriana.

Nandray soa tamin’ireo fivoriambe natao tatsy Samoa Amerikanina sy tany Fidji koa ny mpitory teto Samoa, na dia nitaky ezaka be aza izany. Tsy hoe niantoka ny saran-dalany sy ny sakafony fotsiny, ohatra, izy ireo rehefa nankany Fidji, fa tsy maintsy nandao ny tranony koa nandritra ny iray volana teo ho eo.

FANDROSOANA TATSY SAMOA AMERIKANINA

Faly be ny rahalahy tatsy Samoa Amerikanina tamin’ny 1966, fa natao tao Pago Pago ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra nanan-tantara hoe “Ireo Zanaky ny Fahafahana Naterak’Andriamanitra.” Nisy solontena 372 tonga nanatrika azy io. Samy nanana ny fiteniny izy ireo, ary avy any Aostralia, Fidji, Niue, Nouvelle-Calédonie, Nouvelle-Zélande, Samoa (Samoa Andrefana teo aloha), Tahiti, Tonga, ary Vanuatu (Nouvelles-Hébrides teo aloha). Vokatr’izany, dia be dia be ny Vavolombelona tao Pago Pago tamin’io fotoana io. Lasa nisy Vavolombelona 1 isaky ny olona 35 tao, nefa 28 monja ny mpitory tao amin’ilay fiangonana!

Nanao ahoana anefa ny filasiana? Hoy i Fred Wegener: “Tsy sarotra ny nahita trano hilasian’ireo solontena be dia be. Tia mandray vahiny mantsy ny olona atỳ sady tonga dia nandray tsara an’ireo rahalahy. Tsy nahafaly ny mpitondra fivavahana anefa izany!”

Nisy vokany tsara teo amin’ny Fiangonana Pago Pago ilay fivoriambe. Nitombo 59 isan-jato ny mpanatrika fivoriana tao anatin’ny enim-bolana, ary maro tamin’ireo vaovao no lasa mpitory. Hoy i Ron Sellars: “Nanjary te hanorina toeram-pivoriana mendrika kokoa ny fiangonana.” Saika efa nisy tompony daholo anefa ny tany tao amin’ilay nosy. Soa ihany fa nisy mpitory tsara fanahy nanaiky ny hampiasan’ny fiangonana ny taniny, nandritra ny 30 taona. Tany andrefan’i Pago Pago no nisy azy io, tany Tafuna.

Hoy i Fred Wegener: “Iva noho ny ranomasina ilay toerana, ka niasa mafy nandritra ny telo volana ny fiangonana mba hanangonana vato hampiakarana ny fototra hanorenana an’ilay trano.”

Mpamaky ny gazetintsika ilay mompera teo an-toerana, ka navelany hindramin’ireo rahalahy ny milina fanaovana rihitra simenitra fampiasan’ny fiangonany. Hoy i Ron Sellars: “Namaky lahatsoratra momba ny fanambadiana tao amin’ny Mifohaza! io mompera io tatỳ aoriana, ka avy hatrany dia niala tsy ho mompera ary nanambady.”

Nanampy be tamin’ilay fanorenana koa ireo rahalahy tany ampitan-dranomasina, anisan’izany i Gordon sy Patricia Scott. Anisan’ireo misionera voalohany tatsy Samoa Amerikanina izy ireo, nefa voatery niverina tany Etazonia. Nomeny ho an’ilay efitrano vaovao ny seza nampiasain’ny fiangonan’izy ireo. Hoy i Ron Sellars: ‘Nihoatra noho ny nilainay ireo seza, ka namidinay tamin’ny toerana fijerena sinema ny ambiny. Ny vola azo tamin’izany no nandoavanay ny sarany nitaterana an’ireo seza.’ Notokanana tamin’ny 1971 ilay Efitrano Fanjakana vaovao, izay mahazaka olona 130. Nasiana rihana izy io tatỳ aoriana mba hatao tranon’ny misionera.

FIOVANA TETO SAMOA

Voasakantsakana ny asantsika teto Samoa talohan’ny 1974, satria tsy navelan’ny fanjakana hiditra teto ny misionera. Nangataka ny hihaona tamin’ny praiminisitra àry ireo mpiandraikitra teto an-toerana, tamin’io taona io. Hoy ny Rahalahy Mufaulu Galuvao: “Fantatray nandritra ilay dinidinika fa nisy olona tao amin’ny fitondrana, nanangana komity tsy nahazoan-dalana mba handinika ny fangatahana rehetra ataon’ny misionera. Mpitondra fivavahana tsy tia Vavolombelona no tao amin’io komity io, ka nolaviny ny vizà nangatahintsika. Tsy nampahafantatra izany tamin’ny praiminisitra anefa izy ireo.

“Tsy fantatr’ilay praiminisitra hoe nisy an’izany tetika izany, ka nampanantsoiny ny lehiben’ny mpikarakara ny fifindra-monina, mba hitondra ny antontan-taratasy momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Noravany teo anatrehanay ilay komity, ary nomeny vizà naharitra telo taona i Paul sy Frances Evans. Afaka nanavao an’ilay vizà izy ireo tatỳ aoriana.” Vaovao tsara tokoa izany! Ela ny ela, ka nekena ihany ny hanaovan’izy ireo ny asa misionera teto Samoa, rehefa afaka 19 taona!

Nipetraka tao amin-dry Mufaulu Galuvao àry aloha i Paul sy Frances. Rehefa tonga anefa i John sy Helen Rhodes tamin’ny 1977, dia niara-nanofa trano tao Vaiala, teto Apia, izy efatra mianadahy. Misionera tatỳ koa ry Robert sy Betty Boies (1978), David sy Susan Yoshikawa (1979), ary Russell sy Leilani Earnshaw (1980).

MIZATRA AMIN’NY FIAINAM-BAOVAO

Na toy ny paradisa aza ny atỳ, dia hitan’ireo misionera fa misy zava-tsarotra ihany. Anisan’izany ny fitaterana. Hoy i John Rhodes: “Matetika izahay no nandeha an-tongotra lavitra be rehefa nandeha nivory sy nanompo, nandritra ireo roa taona voalohany nahatongavanay teto Apia. Nandeha tamin’ireo bisy be mpandeha sy mareva-doko koa izahay.”

Kamiao nasiana tafo hazo ny bisy atỳ. Feno hipoaka foana izy ireny. Mitondra izay tiany ny mpandeha, na fitaovam-pambolena izany na vokatry ny tany. Mandefa hira mafy be koa ny mpamily ary mihirahira ny mpandeha, ka toy ireny misy fety ireny! Miovaova be koa ny toerana fijanonan’ny bisy, ny fotoana ahatongavany, ary ny lalana alehany. Hoy ny boky iray ho an’ny mpizahan-tany: “Tonga ara-potoana foana ny bisy mankany Vava‘u. Rehefa tonga eo izy, dia izay no ora fahatongavany.”

Hoy i John: “Azonao atao ny mangataka amin’ny mpamily mba hijanona kely, raha te hividy zavatra ianao. Miverina ao anaty bisy ianao avy eo, ary mitohy indray ny dia. Tsy misy olona mitaraina anefa hoe tara!”

Raha efa feno ny toerana, dia mipetraka eny am-pofoan’ny mpandeha izay olona vao miditra. Ahoana àry no nataon’ireo misionera? Ny vadiny no tonga dia nampofoiny! Ankoatra izany koa, dia rehefa miala ny olona vao mandoa vola. Mahavariana fa avy ao anaty sofiny no hakany ilay vola madinika atao saran-dalana, ary manao izany na ny kely na ny lehibe!

Mandeha fiaramanidina na sambokely ny misionera sy ny mpitory mba hivezivezena eo amin’ireo nosy. Mety hampidi-doza izany indraindray, ary tara foana matetika ny fiaingana. Hoy i Elizabeth Illingworth, vadin’i Peter, izay mpiandraikitra ny faritra tatỳ Pasifika Atsimo nandritra ny taona maro: “Tsy maintsy nianatra ny hanam-paharetana sy ho tia vazivazy izahay.”

Misedra olana koa ny misionera rehefa avy be ny orana, indrindra amin’ny fotoan’ny rivo-doza. Tondraka, ohatra, ny renirano indray mandeha, nefa tsy maintsy niampita azy io ilay misionera atao hoe Geoffrey Jackson, rehefa handeha hianatra boky. Nibolisatra izy ka latsaka tao anaty rano. Nandeha nivory ihany anefa izy, na dia hotsaka sy feno fotaka aza. Nanamaina ny tenany izy rehefa tonga tao an-tranon’ilay fianakaviana nampiantrano ny Fianarana Boky. Nampindrana azy sikina mainty lava koa ilay fianakaviana. Nihevitra azy ho mompera anefa ny olona liana iray, ka tsy nahatana fihomehezana ireo mpivory! Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izao ny Rahalahy Geoffrey Jackson.

Sarotra amin’ireo misionera vao tonga koa ny mianatra fiteny samoanina, mizatra amin’ny hafanana sy ny fiainana tsotra, ary miady amin’ny moka sy ny bibikely hafa. Mety ho azon’aretina tsy fahitany koa izy ireo. Hoy i Mufaulu Galuvao: “Tena nanao izay vitany ireo misionera mba hanampiana anay. Maro ny ray aman-dreny nankasitraka izany, ka ny anaran’izy ireny no nataony anaran-janany.”

TONGA TAO SAVAII NY VAOVAO TSARA

I Savaii no nosy lehibe indrindra eto Samoa. Zara raha misy mponina any, ary ahitana tendrombohitra avo be, tandavan-tendrombohitra misy vava volkano 450 eo ho eo, ala mikitroka, ary faritra nandalovan’ny ranoka volkano. Any amoron-dranomasina ny ankamaroan’ny olona no mipetraka. Tamin’ny 1955 ny tao Savaii no nandre voalohany ny vaovao tsara. Nitsidika kely tany i Len Helberg sy ny mpitory vitsivitsy avy eto Upolu tamin’izany, mba hampiseho an’ilay filma hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa.

Nisy anabavy misionera roa avy tatsy Samoa Amerikanina, nafindra tao Savaii, enin-taona tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny 1961. Tsy iza izany fa i Ivy Kawhe sy Tia Aluni. I Tia no Samoanina voalohany nanatrika ny Sekolin’i Gileada. Nipetraka tao amin’ny mpivady zokiolona iray tao Fogapoa, any atsinanan’ilay nosy, izy mirahavavy. Nanampy vetivety azy ireo tatỳ aoriana, ny anabavy iray mpisava lalana manokana, izay efa nipetraka tao Savaii taloha. Nisy enina na valo teo ho eo ny mpivory tamin’izany, ary trano ( fale) kely iray no nivorian’izy ireo. Mba hampaherezana azy ireo, dia nanao lahateny indray mandeha isam-bolana tany ireo rahalahy teto Apia.

Nanompo tao Savaii hatramin’ny 1964 i Tia sy Ivy, ary avy eo nafindra tany amin’ny nosy hafa. Tsy dia nandroso loatra àry ny asa fitoriana tao Savaii, nandritra ny folo taona nanaraka. Soa ihany anefa fa nisy fianakaviana maromaro nifindra tany, nanomboka tamin’ny 1974. Anisan’izany i Risati sy Mareta Segi, Happy sy Maota Goeldner-Barnett, Faigaai Tu, Palota Alagi, Kumi Falema‘a (Thompson tatỳ aoriana), ary Ron sy Dolly Sellars avy tatsy Samoa Amerikanina. Lasa nisy antoko-mpitory àry tao Fogapoa, ary tao amin-dry Segi izy ireo no nivory. Nisy tranona misionera sy Efitrano Fanjakana naorina teo akaiky teo, tatỳ aoriana. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisy antoko-mpitory koa tao Taga, any andrefan’ilay nosy.

Nanomboka tamin’ny 1979, dia nisy mpivady misionera hafa nankany Savaii. Anisan’izany i Robert sy Betty Boies, John sy Helen Rhodes, Leva sy Tenisia Faai‘u, Fred sy Tami Holmes, Brian sy Sue Mulcahy, Matthew sy Debbie Kurtz, ary Jack sy Mary Jane Weiser. Nanome ohatra tsara teo amin’ny fanompoana izy ireo, ka nandroso tsara ny asa tao Savaii.

Mihazona fomba nentim-pahazarana anefa ny mponin’i Savaii, sady tsy misara-mianakavy. Nandrara ny Vavolombelona tsy hitory ao an-tanànany àry ny ampahatelon’ireo tanàna ao amin’ilay nosy. Nisy mihitsy aza nampandre izany tamin’ny radio. Nitaky fotoana sy faharetana be àry ny nanampy an’ireo vaovao. Na izany aza, dia maro no nanaiky ny fahamarinana, nefa nanan-kilema sy tsy salama ny sasany tamin’izy ireo.

MANOMPO AN’I JEHOVAH NA EO AZA NY ARETINA

Iray amin’izy ireny i Metusela Neru. Nianjera avy teny ambony soavaly izy tamin’izy 12 taona, ka tapaka ny hazondamosiny. Hoy ny misionera iray: “Tsy afa-mijoro mahitsy intsony izy taorian’ilay loza, fa mivokoka be rehefa mandeha sady manaintaina be foana.” Nanomboka nianatra Baiboly i Metusela tamin’izy 19 taona. Nanohitra azy ny fianakaviany, nefa tapa-kevitra ny hiaritra izy. Noho izy manan-kilema, dia 45 minitra izy vao tonga any am-pivoriana, raha tokony ho vita ao anatin’ny 5 minitra izany. Nandroso tsara anefa izy, ka natao batisa tamin’ny 1990. Lasa mpisava lalana maharitra izy tatỳ aoriana, ary nahafeno fepetra ho anti-panahy. Maherin’ny 30 izao ny havany mivory any Faga, ary maromaro amin’izy ireo no efa vita batisa. Olona mitsikitsiky lava sy falifaly foana i Metusela, na dia tsy salama aza.

Niezaka be koa i Saumalu Taua‘anae mba hanompoana an’i Jehovah. Boka izy taloha, ka simba be ny tarehiny. Nipetraka tany Aopo, tanàna kely mitokana sady lavitra, izy. Nianatra Baiboly an-taratasy tamin’i Ivan Thompson àry aloha izy, ary avy eo nianatra tamin’i Asa Coe, mpisava lalana manokana. Tamin’i Saumalu nivory voalohany tamin’ny 1991, dia nandeha fiara nandritra ny adiny roa izy vao tonga tany amin’ilay toeram-pivoriana tany Taga.

Menatra noho ilay tarehiny i Saumalu tamin’izy vao namonjy fivoriambe manokana, ka tao anaty fiarany izy no nihaino ny fandaharana. Tonga niarahaba azy tonga soa anefa ireo rahalahy sy anabavy, tamin’ny fiatoana. Nanohina ny fony izany, ka nanaiky hiara-mipetraka tamin’ny mpanatrika izy rehefa nanomboka indray ny fandaharana.

Nanomboka nivory tany Faga i Saumalu sy Torise vadiny, na dia adiny iray mahery aza izy ireo vao tonga tany. Natao batisa i Saumalu tamin’ny 1993, ary lasa mpanampy amin’ny fanompoana tatỳ aoriana. Mbola nahavita nitondra fiara ihany izy rehefa nandeha nivory, na dia notapahin’ny dokotera aza ny tongony ilany. Nitory tsy ara-potoana sy an-telefaonina koa izy mivady, satria tsy mahazo mitory ao an-tanànany ny Vavolombelon’i Jehovah.

Mipetraka eto Apia izao ry Saumalu. Tsy dia salama matetika izy ka mila mitsabo tena foana. Tsy kivy anefa izy, fa falifaly sy mijery lafy tsaran-javatra foana. Tena hajain’ny olona izy mivady noho izy manana finoana matanjaka.

FANOHERANA ANY TOKELAU

Nosy kely telo any avaratr’i Samoa no atao hoe Tokelau. Tamin’ny 1974 ny mponina tany no nandre voalohany ny hafatra momba ilay Fanjakana. Niverina tany mantsy i Ropati Uili tamin’io taona io, rehefa vita ny fianarany ho dokotera tany Fidji. Vavolombelon’i Jehovah vita batisa i Emmau vadiny, ary efa nianatra kely tamin’ny Vavolombelona i Ropati tany Fidji.f

Nanjary fantatr’i Ropati rehefa tonga tao Tokelau izy, fa hay Vavolombelon’i Jehovah ny dokotera iray sy ny vadiny, dia i Iona sy Luisa Tinielu. Nihaona tamin’ny lehilahy iray atao hoe Nanumea Foua koa izy tatỳ aoriana. Olona liana nanana havana Vavolombelon’i Jehovah izy io. Nandamina fivoriana tsy tapaka izy telo mirahalahy sady nanao lahateny ho an’ny besinimaro, ka tsy ela dia nahatratra 25 teo ho eo ny mpanatrika. Nanomboka nitory tsy ara-potoana koa izy ireo sy ny fianakaviany.

Nisy tsy faly tamin’izany anefa. Nambosy an’ireo loholona tao amin’ny filan-kevitr’ilay nosy ny pasiteran’ny LMS, ka nampanantsoin’ireo loholona izy telo lahy. Hoy i Ropati: “Norarany tsy hivory intsony izahay. Nilaza koa izy ireo fa raha tsy manaiky izahay, dia hodorany velona ao an-tranonay, na havalany rano amin’ny lakana mba ho faty. Nampiasa ny Soratra Masina izahay ka niezaka nampisaintsaina azy ireo, nefa niziriziry tamin’ny heviny izy ireo. Tsy maintsy ekena, hono, ny teniny, na ahoana na ahoana.” Nanapa-kevitra hivory ihany izy telo lahy sy ny fianakaviany taorian’izay, saingy tsy nisehoseho be.

Vao fiandohan’ny fanoherana fotsiny anefa iny. Nanaiky ny fahamarinana ny anabavin’i Ropati sy ny vadin’izy io, 12 taona tatỳ aoriana, ka niala tamin’ny fivavahany. Noroahin’ny loholona tao an-tanàna àry ny Vavolombelona rehetra. Hoy i Ropati: “Samy nanangona ny entan-keliny ny fianakaviana tsirairay ny alin’iny, ka nandeha lakana ary nitsoaka nankany amin’ilay tanàna lehibe indrindra teo amin’ilay nosy. Norobain’ny mpiara-monina avy eo ny tranon’izy ireo sy ny toeram-pamboleny.”

Mbola nivory foana ireo mpitory be herim-po ireo, na dia nenjehina aza. Hoy i Ropati: “Mody nandeha nitsangantsangana izy ireo rehefa faran’ny herinandro. Nandeha lakana nankany amin’ny nosy kely iray mitokana izy ireo rehefa asabotsy maraina. Nandamina fivoriana izy ireo tany, ary alahady hariva vao niverina.” Nanao dia lavitra nanketo Samoa koa ny fianakaviana vitsivitsy, mba hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra.

Tsy nitsahatra mihitsy anefa ny fanoherana, ka nifindra tany Nouvelle-Zélande izy ireo tamin’ny farany. Tsy nisy Vavolombelona intsony àry tany Tokelau tamin’ny 1990. Na izany aza, dia nisy tovolahy nianatra Baiboly tao. Lone Tema no anarany. Nianatra an-taratasy tamin’i Ivan Thompson, mpisava lalana teto Apia, izy. Nandroso tsara i Lone, ary anti-panahy any Aostralia izy izao.

Nisy mpitory vitsivitsy niverina tany Tokelau, tatỳ aoriana. Mba handaminana ny olana natrehin’izy ireo àry, dia te hiresaka tamin’ny tompon’andraikitra misahana an’i Tokelau i Geoffrey Jackson, izay nanompo tao amin’ny sampan’i Samoa, saingy tsy nety tafaresaka taminy mihitsy. Izao anefa no nolazain’i Geoffrey tatỳ aoriana: “Nahazo alalana hankany Tokelau aho, noho izaho manam-pahaizana momba ny fiteny. Nandeha sambo aho nankany, ary nasain’ny kapitenin-tsambo hihinana sakafo maivana niaraka taminy izaho sy ny lehilahy hafa iray. Hay io lehilahy niara-nasaina tamiko io ilay tompon’andraikitra notadiaviko! Niresaka nandritra ny adiny iray mahery izahay. Nisaotra ahy izy avy eo, ary nampanantena fa hanao izay azony atao mba hamahana ireo olana atrehin’ny rahalahintsika any Tokelau.”

Mbola toherina foana anefa ny asan’ny Vavolombelona any Tokelau hatramin’izao. Maty, ohatra, ny zanak’i Fuimanu sy Hatesa Kirifi tamin’ny 2006. Nanao lahatenim-pandevenana i Fuimanu, ka nandrahona ny handroaka azy mianakavy hiala ao amin’ilay nosy, ny filan-kevitry ny loholona. Norahonana koa i Fuimanu rehefa tsy nanaiky hiasa tao amin’ny eglizy. Noterena hanao politika koa izy sy ny vadiny. Tsy nivadika mihitsy anefa izy mianakavy, ka vao mainka nihanatanjaka ny finoan’izy ireo. Hoy i Fuimanu: “Nianatra ny hiantehitra tamin’i Jehovah izahay nandritra ireny fitsapana ireny.” (Jak. 1:2-4) Hitan’izy ireo fa tsy mandao an’ireo mpanompony tsy mivadika tokoa i Jehovah!—Deot. 31:6.

NOTAHIN’I JEHOVAH NY EZAKY NY MPITORY

Sampana maromaro no efa niandraikitra ny asa fitoriana teto Samoa. Komitin’ny Tany kosa izao no manao izany, eo ambany fitantanan’ny sampan’i Aostralia. Rahalahy efatra no anisan’io komity io, ary miasa mafy izy ireo. Miezaka mafy koa ny rahalahy atỳ mba hampielezana ny vaovao tsara hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra. Miezaka ny hitory tsy tapaka any amin’ireo nosy atao hoe Swains sy Manu‘a, ohatra, ny mpitory atsy Samoa Amerikanina. Lavitra be an’i Tutuila anefa ireo nosy ireo, satria any amin’ny 320 kilaometatra any avarany i Swains, ary any amin’ny 100 kilaometatra any atsinanany i Manu‘a. Nahapetraka boky sy gazety an-jatony ireo mpitory, ary nanomboka fampianarana Baiboly maro be. Misy koa mpitory manitatra ny fanompoany, ka mitory amin’ny olona miteny vahiny.

FANATSARANA NY FANDIKAN-TENY

Nilaina ny boky sy gazety maro kokoa amin’ny teny samoanina, rehefa nitombo ny isan’ny mpitory. Voatendry hiasa teto amin’ny sampan’i Samoa àry i Geoffrey Jackson sy Jenny vadiny tamin’ny 1985, rehefa avy nanao asa misionera tany Tuvalu. Niandraikitra ny asan’ireo Samoanina roa nandika teny i Geoffrey. Hoy izy: “Tao amin’ny efitra fisakafoan’ny Betela ireo mpandika teny no niasa tamin’ny voalohany. Tsy maintsy nanadio ny latabatra avy nisakafoanana izy ireo isa-maraina, vao afaka niasa. Tsy maintsy nesoriny indray ireo fitaovana nampiasainy tamin’ny fandikan-teny, rehefa hisakafo antoandro. Nodioviny indray ny latabatra taorian’ny sakafo, mba hahafahan’izy ireo manohy ny asany.”

Voahelingelina foana ny asan’izy ireo, ka tsy dia nandroso loatra. Nitaky ezaka sy fotoana be koa ny fandikan-teny. Hoy i Geoffrey: “Nadika tanana ny ankamaroan’ireo lahatsoratra, ary avy eo nosoratana tamin’ny milina. Notsaraina sy naverina novakina ilay lahatsoratra ka naverimberina nosoratana tamin’ny milina, vao natao pirinty.” Tsy voatery naverimberina toy izany intsony anefa ny asa, rehefa nahazo ordinatera ny sampana tamin’ny 1986. Nanafaingana ny asa fandikan-teny sy ny fanaovana pirinty, ny ordinatera hafa tatỳ aoriana.

Ny Tilikambo sy ny Mifohaza! aloha no niezahana nadika sy navoaka. Tamin’ny Janoary 1993, dia niara-nivoaka tamin’ny Tilikambo amin’ny teny anglisy ny an’ny teny samoanina, ary miloko izy io. Nivoaka isaky ny telo volana kosa ny Mifohaza! tamin’ny 1996. Hoy i Geoffrey: “Tsy ny radio sy ny gazety ihany no niresaka momba ny fivoahan’ny Mifohaza!, fa ny tele koa.”

Misy ekipana mpandika teny izao mandika ireo boky sy gazety ilain’ny Samoanina. Nampiofanina momba ny fandikan-teny izy ireo, ary nampiana hahazo kokoa ny hevitry ny teny anglisy, sahala amin’ireo ekipa mpandika teny eran-tany ihany. Nanjary marina sy tsara kokoa àry ny fandikan-tenin’izy ireo.

NITARINA NY BETELA

Nitsidika an’i Samoa i Milton Henschel, mpiandraikitra mpitety sampana, tamin’ny 1986. Hitany fa lasa tery kely ilay tranona misionera nisy ny biraon’ny sampana, tao Sinamoga. Nandefasan’ny Filan-kevi-pitantanana rahalahy àry teto Samoa, mba hanadihady raha mila itarina ny Betela. Avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Mari-trano sy Fanorenana any Brooklyn izy ireo, ary koa avy amin’ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika any Aostralia. Inona no vokatr’ilay fanadihadiana? Nasaina novidina ny tany iray mirefy telo hektara tao Siusega, dimy kilaometatra avy ao Sinamoga, mba hanorenana trano vaovaon’ny sampana. Rehefa vita izy io, dia novana ho Efitrano Fivoriambe ilay Betela taloha tao Sinamoga.

Tamin’ny 1990 no natomboka ny fanorenana an’ilay sampana vaovao. Nifarimbona nanao ilay asa ireo mpanompo iraisam-pirenena 44, mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena 69, mpiasa an-tsitrapo manontolo andro niisa 38 avy eto an-toerana, ary mpiasa tapa-potoana maro be. Nandeha tsara ilay fanorenana, kanjo nisy loza nitranga tampoka.

NITRANGA NY LOZA

Nampitondra faisana an’i Samoa ny Rivo-doza Val, ny 6 Desambra 1991. Anisan’ny rivo-doza nahery indrindra tatỳ Pasifika Atsimo izy io. Nahatratra 260 kilaometatra isan’ora ny fitsokan’ny rivotra, nandritra ny dimy andro. Saika nihintsana daholo ny ravinkazo, ary be dia be ny zavatra simba ka nitentina 617 000 tapitrisa ariary teo ho eo ny fahavoazana. Nampalahelo koa fa olona 16 no namoy ny ainy.

Hoy i John Rhodes: “Avy hatrany dia nandamina fomba hanampiana an’ireo tra-boina ny biraon’ny sampana.” Andro vitsivitsy taorian’ilay loza, dia tonga avy any Fidji ny kaontenera iray feno fanampiana. Nandefa vola koa ny sampana hafa atỳ amin’ny faritr’i Pasifika.

Hoy i Dave Stapleton, anisan’ny mpanompo iraisam-pirenena nanorina an’ilay sampana vaovao ao Siusega: “Ny zavatra maika aloha no natao voalohany, dia ny fizarana rano madio, labasy, solitany, ary fanafody ho an’ireo Vavolombelona tra-boina. Avy eo, dia nohavaozinay ny Betela tao Sinamoga mba ho azo ampiasaina indray aloha. Namboarinay koa izay simba teo amin’ilay toerana nanorenana ny sampana vaovao. Namboarina koa ny Efitrano Fanjakana simba, ny tranona misionera, ary ny tranon’ny Vavolombelona. Volana maromaro vao vita izany rehetra izany!”

Nomen’ny fanjakana vola ny fivavahana rehetra, tatỳ aoriana, mba hanamboaran’izy ireo ny trano fivavahany, ka nahazo koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Naverin’ireo rahalahy anefa ilay vola, ary nohazavainy fa efa namboarina daholo ny simba tamin’ny trano fivorian’izy ireo, ka azo ampiasaina hanamboarana an’ireo tranom-panjakana ilay vola. Nankasitraka izany ny minisitra sasany, ka nahenany ny haban-tseranana tokony haloantsika rehefa nahatonga entana nilaina tamin’ny fanorenana isika. Nahafahana nitsitsy vola be izany!

“MIHOATRA LAVITRA NOHO IZAY NANTENAINAY”

Nandroso haingana ny fanorenana an’ilay sampana vaovao tao Siusega, taorian’izay. Vita ilay izy herintaona sy tapany tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny Mey 1993. Afaka nifindra tao ihany ny fianakavian’ny Betela rehefa ela ny ela!

Nisy Vavolombelona 85 indray, tonga nanorina ny Efitrano Fivoriambe tao Sinamoga tamin’ny Septambra 1993, ary havanana amin’ny asa fanorenana izy ireo. Avy any Aostralia, Etazonia, Hawaii, ary Nouvelle-Zélande izy ireo, ary samy nianto-tena. Hoy i Ken Abbott, izay niandraikitra ireo mpanao fanorenana aostralianina: “Tsy nitovy ny refy nampiasanay sy ny teny teknika fampiasanay mpanao fanorenana, nefa nanampy anay hamaha olana sy ho falifaly foana ny fanahin’i Jehovah.”

Hoy koa i Abraham Lincoln, avy any Hawaii: “Nahafinaritra ny nahita an’ireo rahalahy samy hafa fiaviana niara-niasa, ka nisy vokany tsara tamin’ny rehetra izany.”

Vita tao anatin’ny folo andro monja ilay Efitrano Fivoriambe. Nanjary nahay asa momba ny fanorenana ny mpitory teto an-toerana rehefa niara-niasa tamin’ireo vahiny. Nanampy azy ireo handroso ara-panahy koa izany, ka lasa mpisava lalana na mpiasan’ny Betela ny sasany rehefa vita ilay tetikasa.

Notokanana tamin’ny 20 sy 21 Novambra 1993 ny biraon’ny sampana sy ilay Efitrano Fivoriambe. I John Barr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Namintina tsara ny fifalian’ireo nanatrika an’iny fotoan-dehibe iny ny tenin’i Paul Evans, misionera teto efa hatry ny ela. Hoy izy: “Be dia be ny fitahiana narotsak’i Jehovah taminay, ary mihoatra lavitra noho izay nantenainay aza!”

MANOVA OLONA NY FAHAMARINANA

Vonona hanaraka ny fitsipik’i Jehovah ny olona, rehefa manohina ny fony ny fahamarinana. Maro tokoa ny Samoanina nahatsapa ny herin’ny Tenin’Andriamanitra.—Efes. 4:22-24; Heb. 4:12.

Anisan’izany i Ngongo sy Maria Kupu. Nanao tokantranomaso izy ireo, na “niaina tao anaty haizina” araka ny filazan’ny Samoanina azy. Hoy i Fred Wegener: “Efa elaela ihany izahay no nampianatra an’i Ngongo sy Maria, fa tsy fantatray hoe tsy mpivady ara-dalàna izy ireo. Faly erỳ anefa izy ireo, indray andro, nampiseho anay ilay sora-piankohonana vao azony! Natao batisa izy ireo taoriana kelin’izay. Mbola mpisava lalana maharitra atsy Samoa Amerikanina i Maria izao, na dia efa maty aza i Ngongo.”

Anisan’ny zava-tsarotra atrehin’ireo vao mianatra Baiboly koa ny fanajana ny fahamasinan’ny ra. Atỳ mantsy kendaina fotsiny ny kisoa na ny akoho alohan’ny handrahoana sy hihinanana azy, fa tsy alatsa-dra. Raran’ny Tenin’Andriamanitra anefa izany. (Gen. 9:4; Lev. 17:13, 14; Asa. 15:28, 29) Gaga be ny tovovavy iray atsy Samoa Amerikanina rehefa nahita izany didy izany tao amin’ny Baiboliny. Hoy i Julie-Anne Padget momba an’io tovovavy io: “Mandeha miangona foana ny fianakaviany sady mamaky Baiboly tsy tapaka, nefa nihinana hena tsy nalatsa-dra foana izy, hatramin’ny mbola kely. Nekeny avy hatrany anefa izay nolazain’ny Baiboly, ka tapa-kevitra ny tsy hihinana hena tsy nalatsa-dra intsony izy.” Fantatry ny Samoanina tsara izao fa masina ny ra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Vonona hanaja ny safidintsika momba ny fampidiran-dra koa ny ankamaroan’ny mpitsabo atỳ.

TANORA MIDERA NY MPAMORONA

Mbola kely ny ankizy eto Samoa, dia efa ampianarin’ny ray aman-dreniny hahandro, hanadio, hamboly legioma, ary hitaiza ny zandriny. Lasa mahay mandray andraikitra izy ireo, ka izany angamba no mahatonga azy ireo hifidy hanompo an’i Jehovah na dia mbola kely aza, ary na dia tsy misy manao izany aza ny mpianakaviny.

Tsy nivory intsony, ohatra, ny ray aman-drenin’i Ane Ropati, tamin’izy 13 taona. Nentiny nivory foana àry ny anadahiny roa sy ny zandriny vavy iray, na dia nandeha an-tongotra valo kilaometatra aza izy ireo vao tonga tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Lasa mpisava lalana izy tatỳ aoriana, ary nanampy tamin’ny fanorenana ny biraon’ny sampana tao Siusega. Hoy i Ane: “Nisy heriny lehibe teo amin’ny fiainako ireo misionera, sady tena nanampy ahy handroso.” Nanao fanorenana tao Siusega koa i Steve Gauld, mpiasa an-tsitrapo avy any Aostralia. Nivady izy roa tatỳ aoriana, ary lasa mpanompo iraisam-pirenena. Nanao fanorenana tany Azia Atsimoatsinanana sy Afrika ary Rosia izy mivady, ary avy eo niverina teto amin’ny Betelan’i Samoa. Manompo any amin’ny sampan’i Aostralia izao izy ireo.

NAMPIASAINA NY RADIO

Mampiasa fomba samihafa ny Vavolombelona mba hampitana ny vaovao tsara. Fomba iray tena mandaitra ny radio. Nanomboka tamin’ny Janoary 1996, ohatra, dia nanasa ny Vavolombelon’i Jehovah ny radio tsy miankina iray teto Apia, mba hanolotra fandaharana atao hoe “Valin’ny Fanontanianareo Momba ny Baiboly.” Nandeha isan-kerinandro io fandaharana io.

I Leva Faai‘u sy Palota Alagi, mpiasan’ny Betela, no nanomana sy nanolotra an’ilay fandaharana. Hoy i Leva: “Tamin’ny fandaharana voalohany, dia ny Rahalahy Alagi no nametraka fanontaniana. Anisan’izany ny hoe: ‘Tena nisy safodrano ve tamin’ny andron’i Noa? Avy aiza daholo ny rano tamin’izany ary lasa aiza? Ahoana no nahatafiditra ny biby rehetra, tao amin’ny sambofiara?’ Naka teny tao amin’ny bokintsika aho, mba hamaliana ny fanontaniany. Rehefa hifarana ilay fandaharana, dia nolazainay hoe inona indray no horesahina amin’ny herinandro, ary nasainay nanatona Vavolombelon’i Jehovah izay nanana fanontaniana. Novalianay nandritra ny fandaharana hafa koa ny fanontaniana hoe: Nahoana i Solomona no nanana vady maro be, nefa tokony ho iray ihany ny vadin’ny Kristianina? Mampijalijaly ny olona mandrakizay any amin’ny afobe ve ilay Andriamanitra fitiavana? Tenin’olombelona ny Baiboly sa tenin’Andriamanitra?”

Naharitra herintaona mahery io fandaharana io, ary nahaliana olona maro. Hoy i Ivan Thompson: “Maro no nilaza taminay fa tiany ilay fandaharana ary mihaino izany tsy tapaka izy ireo. Nisy koa gaga hoe hay voavaly ao amin’ny Baiboly ny fanontaniana mahaliana toy izany.”

NILA EFITRANO FANJAKANA HAFA

Nivory tany an-tranon’olona na tao anaty trano hazo ny ankamaroan’ny fiangonana teto Samoa sy tatsy Samoa Amerikanina, teo anelanelan’ny 1990 sy 2000. Hoy i Stuart Dougall, izay anisan’ny Komitin’ny Tany nanomboka tamin’ny 2002 ka hatramin’ny 2007: “Nihomehezan’ny olona ireny toeram-pivoriana ireny matetika.” Efa antitra koa na dia ilay Efitrano Fanjakana tao Tafuna, atsy Samoa Amerikanina, aza, ka nila nosoloana. Efa 25 taona mantsy izay no nahavitany.

Sarotra anefa ny nahita tany lehibe hanorenana Efitrano Fanjakana, satria kely ilay nosy Tutuila, atsy Samoa Amerikanina. Nohatonin’ireo rahalahy àry ny vehivavy katolika iray, izay nanana tany tao Petesa, tsy lavitra an’ilay toerana nisy ny efitrano. Nampanantena izy io fa hiresaka amin’ny zanany vavy satria nieritreritra ny hanorina fivarotana teo koa ilay zanany. Voavaly ny vavak’ireo rahalahy rehefa afaka telo andro. Nilaza ilay ramatoa fa hamidiny amin’izy ireo ilay tany, satria “Andriamanitra”, hono, “no tokony ho loha laharana.”

Hoy i Wallace Pedro: “Nomeny anay ny taratasin’ilay tany, na dia mbola tsy voaloa aza ny volany. Nilaza izy hoe: ‘Fantatro fa haloanareo daholo ny volako satria olo-marina ianareo.’ Mazava ho azy fa nomenay ny volany.” Notokanana tamin’ny 2002 ilay Efitrano Fanjakana, izay mahazaka olona 250. Tsara tarehy izy io, ary misy fampangatsiahana rivotra.

Nisy tetikasa natomboky ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1999, dia ny fanorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mahantra. I Lefaga, tanàna kely mitokana any atsimo, no nandray soa voalohany tamin’izany teto Samoa. Nivory tao amin’ny trano bozaka mifampitohy amin’ny tranon’ny mpitory iray mantsy taloha, ireo Vavolombelona folo tao Lefaga.

Ilay Aostralianina atao hoe Jack Sheedy, no niandraikitra an’ilay fanorenana, rehefa avy nanompo fito taona tany Tonga niaraka tamin’i Coral vadiny. Hoy izy: “Nisy tantsaha sy mpanarato ary vehivavy mpikarakara tokantrano nanampy tamin’ilay fanorenana. Toy ny vitsika mifanaretsaka no fahitana azy ireo, rehefa tazanin-davitra.”

Vita tamin’ny 2001 ilay Efitrano Fanjakana, izay mahazaka olona 60. Hoy ny olona tao an-tanàna: “Tsara tarehy erỳ ny fiangonanareo! Sady mendrika ilay izy no tsotra. Samy hafa be amin’ny anay ilay izy. Ny anay be haingonkaingony loatra sady feno fanaka, ka hoatran’ny hoe mikorontana sy maloto.” Nitombo be ny isan’ny mpanatrika fivoriana. Nisy 205 ny nanatrika ny Fahatsiarovana tao amin’io efitrano io, tamin’ny 2004.

Noho ilay tetikasa fanampiana ny tany mahantra, dia Efitrano Fanjakana vaovao efatra no naorina ary efitrano telo no nohavaozina, tamin’ny faramparan’ny 2005. Nohavaozina koa ilay Efitrano Fivoriambe ao Sinamoga. Tena mankasitraka ny fanampiana sy ny fitiavan’ireo Kristianina namany eran-tany ny mpitory samoanina, sahala amin’ireo mpitory any amin’ny tany mahantra hafa.—1 Pet. 2:17.

TOE-JAVATRA VAOVAO

Maro ny Samoanina nifindra monina. Lasa maro be, ohatra, ny Samoanina any Aostralia, sy Nouvelle-Zélande, ary Etazonia indrindra fa any Hawaii. Misy fiangonana 11 sy antoko-mpitory 2 miteny samoanina any amin’ireo tany ireo. Ahitana Vavolombelona maherin’ny 700 eo anivon’ireo fiangonana sy antoko-mpitory ireo. Mivory miaraka amin’ny fiangonana miteny anglisy kosa ny mpitory samoanina sasany nifindra monina.

Nankany ampitan-dranomasina ny Vavolombelona samoanina vitsivitsy, mba handray fampiofanana avy amin’ny fandaminana. Niverina izy ireny avy eo, mba hampihatra izay nianarany ka hampandroso ny asa fitoriana. Ireto avy, ohatra, no nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana tany Aostralia, taorian’ny 1990: Talalelei Leauanae, Sitivi Paleso‘o, Casey Pita, Feata Sua, Andrew Coe, ary Sio Taua. Manompo eto amin’ny Betelan’i Samoa izao i Andrew sy Fotuosamoa vadiny. Nanao ny asan’ny faritra nandritra ny taona vitsivitsy kosa i Sio sy Ese vadiny, ary niaraka tamin’izy ireo i El-Nathan zanany. Anisan’ny Komitin’ny Tany izao i Sio. Anti-panahy na mpisava lalana na mpitory eo anivon’ny fiangonany kosa ny sasany amin’ireo nahazo diplaoma.

Inona no vokatr’izany asa tsara izany? Tamin’ny 2008, dia nahatratra 620 ny tampon’isan’ny mpitory nanerana an’i Samoa sy Samoa Amerikanina, teo anivon’ny fiangonana 12. Maherin’ny 2 300 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2008. Antenaina àry fa mbola hisy ny fitomboana.

MIARA-MANDROSO AMIN’NY FANDAMINAN’I JEHOVAH

Maro ny Samoanina tso-po nanaiky ny vaovao tsara. (Mat. 24:14) Nandao ny tontolon’i Satana izy ireo, ka nankao amin’ny fandaminan’i Jehovah tarihin’ny fanahiny. Tsy maintsy niatrika zava-tsarotra maro anefa izy ireo, toy ireo razambeny tantsambo ihany. Notoherin’ny fianakaviany izy ireo, nailikiliky ny fiaraha-monina, nendrikendrehin’ny mpitondra fivavahana, ary noraran’ny fanjakana. Niatrika fakam-panahy koa izy ireo, ary niharam-pitsapana maro hafa. Tsy nahasakana azy ireo tsy hanompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, anefa izany rehetra izany. (1 Pet. 5:8; 1 Jaona 2:14) Inona no vokatr’izany? Miaina ao amin’ny paradisa ara-panahy izy ireo, ary tsy manana ahiahy!—Isaia 35:1-10; 65:13, 14, 25.

Mbola tsy tratran’izy ireo anefa ny tanjony, dia ny hiaina ao amin’ny paradisa an-tany, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. (Heb. 11:16) Tapa-kevitra ny hanatratra izany tanjony izany ny Vavolombelona samoanina, ka miara-mandroso amin’ireo rahalahiny eran-tany ary manaiky ny fitarihan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahy masina.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Antsoina hoe Lapita ny toerana iray any Nouvelle-Calédonie, satria tao no nahitana voalohany ny zavatra vita tamin’ny tanimanga namboarin’ny Lapita.

b Niova anarana i Samoa Andrefana tamin’ny 1997 ka natao hoe Samoa. Io anarana vaovao io no ampiasaina ato.

c Atoa Taliutafa Young no nampiantrano an’i Harold, ary maromaro amin’ny taranak’izy io no lasa Vavolombelon’i Jehovah. Anti-panahy sady mpisava lalana ao amin’ny Fiangonana Tafuna, atsy Samoa Amerikanina, ohatra, i Arthur Young zafikeliny. Anisan’ny zava-tsarobidy indrindra amin’i Arthur ny Baiboly iray nomen’i Harold Gill ho an’ny fianakaviany.

d Manana anarana sy fanampin’anarana ny Samoanina. Fanampin’anarana, ohatra, ny hoe Pele, ary Fuaiupolu no anaram-pianakaviany. Misy koa Samoanina manan-jo hahazo anarana fanampiny, rehefa lasa matai (raiamandrenibe) izy. Mamofompofona politika anefa ny anarana toy izany amin’ny Vavolombelona sasany, ka tsy manaiky homena anarana toy izany izy ireo. Na raha efa manana izy dia milaza fa tsy tiany intsony ny hantsoina amin’ilay anarana. Rehefa mahita anarana samoanina ato isika, dia ny fanampin’anarany no mandeha aloha, vao ny anarana ahafantarana azy tsara. Toy izany, ohatra, ny hoe Pele Fuaiupolu.

e Natao kasety video izy io tamin’ny 1995, ary misy amin’ny teny alemà, anglisy, arabo, danoà, espaniola, failandey, frantsay, grika, holandey, italianina, japoney, koreanina, norvezianina, portogey (brezilianina sy eoropeanina), sinoa (kantôney sy mandarin), soedoà, ary tseky.

f Natao batisa tany Nouvelle-Zélande i Rotapi tatỳ aoriana.

[Teny notsongaina, pejy 77]

“Renareo tamin’ity alina ity ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka mba tiako raha hekenareo izany”

[Teny notsongaina, pejy 98]

“Matetika ny ankizy no niantsoantso hoe: ‘Iny fa tonga i Hara-magedona!’, mba hilazana fa tonga izahay”

[Teny notsongaina, pejy 108]

“Tonga ara-potoana foana ny bisy mankany Vava‘u. Rehefa tonga eo izy, dia izay no ora fahatongavany”

[Efajoro/Sary, pejy 69, 70]

Ny Fivavahan’ny Mponin’i Samoa

Nivavaka tamin’andriamanitra maro sy ny natiora ary ny razana ny Samoanina taloha, sady nifandray tamin’ny herin’ny maizina. Tsy nampiasa sarivongana anefa izy ireo, ary tsy nanana tempoly na mpisorona. Nifehy ny fiainany manontolo ny fivavahany, kanefa niova fivavahana izy ireo, rehefa tonga ny misioneran’ny Fikambanana Misioneran’i Londres (LMS), tamin’ny 1830. Fa nahoana?

Nilaza ny angano samoanina iray fa hisy fivavahana vaovao sy matanjaka ho avy, ka tsy hifehy ny Samoanina intsony ireo andriamaniny taloha. Nihevitra àry ireo raiamandrenibe (matai) samoanina, fa ny fivavahan’ny misionera io fivavahana vaovao io. Koa nifidy ny hivavaka tamin’i Jehovah, Andriamanitry ny Kristianina, i Malietoa Mpanjaka, ary nodidiany hanao izany ny vahoakany.

Maro be no nanaraka ny fivavahan’ny misioneran’ny LMS, Katolika, Metodista, ary Mormon. Saika mpivavaka daholo àry ny Samoanina. Teny filamatr’i Samoa sy Samoa Amerikanina ny hoe “Andriamanitra no Vato Fehizoron’i Samoa” sy ny hoe “Ataovy loha laharana Andriamanitra, ry Samoanina!” Be dia be koa ny fandaharana ara-pivavahana mandeha amin’ny tele.

Ireo tanàna kely no tena mafana fo amin’ny fivavahana. Ny manam-pahefana eo an-toerana matetika no mifidy izay ho fivavahan’ny mponina ao. Ny olona sasany aza terena hanome ny ampahatelon’ny karamany ho an’ny pasitera sy ny fiangonana, ka tsy faly ny ankamaroany. Misy fifaninanana mihitsy ahitana hoe iza no tena manome be, ary tononina eo anatrehan’ny rehetra ny anaran’ilay olona.

Misy fotoam-bavaka atao hoe sa atao any amin’ny tanàna maro isan’andro. Maharitra 10 na 15 minitra izy io. Miato amin’ny asany avy hatrany ny olona amin’io fotoana io, ary misy tovolahy maromaro mitondra kibay mankeny amin’ny arabe mba hijery an’izay tsy manaja azy io. Mety hampandoavina onitra 150 000 Ariary eo ho eo izay tratra, na asaina miantoka ny sakafon’ny filan-kevitry ny tanàna na ny an’ilay tanàna manontolo. Mety ho voakapoka mihitsy aza ilay olona, na horoahina tsy ao amin’ilay tanàna.

Tonga tao Salimu, any Savaii, ny mpiandraikitra ny faritra atao hoe John Rhodes sy Helen vadiny, indray mandeha. Avy nanao dia lavitra izy ireo. Nasaina niandry tany ivelan’ny tanàna anefa izy mivady, satria vao nanomboka ilay fotoam-bavaka. Rehefa vita àry ilay izy, vao nankany amin’ny toerana nilasiany izy ireo.

Niala tsiny tamin’ilay olona nampiantrano azy mivady ny filoha tao an-tanàna rehefa nandre izany, ary nilaza fa vahiny manan-kaja ny Vavolombelona. Nandidy ny mpiambina koa izy mba hamela azy mivady hiditra ao an-tanàna, na dia mandritra ny fotoam-bavaka aza. Nahoana? Satria nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona i Sio Taua, zanany lahy, ary nandroso tsara ny fianarany. Anisan’ny Komitin’ny Tany eto Samoa i Sio ankehitriny.

[Sary]

John sy Helen Rhodes

[Efajoro, pejy 72]

Indray Mitopy Maso An’i Samoa sy Samoa Amerikanina ary Tokelau

Ilay Tany

Nosy roa lehibe atao hoe Upolu sy Savaii, izay mifanelanelana 18 kilaometatra, sy nosy kely hafa vitsivitsy no atao hoe Samoa. Zato kilaometatra atsimoatsinanan’i Samoa kosa no misy an’i Samoa Amerikanina. Fitambarana nosy maromaro izy io: Manu‘a, Swains, ‘Aunu‘u, Rose izay nosinakorandriaka tsy misy mponina, ary ilay nosy lehibe atao hoe Tutuila. Any amin’ny 480 kilaometatra avaratr’i Samoa indray no misy an’i Tokelau, izay ahitana nosinakorandriaka telo.

Mponina

Maherin’ny 214 000 ny mponin’i Samoa, 57 000 eo ho eo ny an’i Samoa Amerikanina, ary 1 400 eo ho eo kosa ny an’i Tokelau. Polinezianina ny ankamaroany, fa Aziatika sy Eoropeanina ary metisy polinezianina kosa ny sisa.

Fiteny

Teny samoanina no tena fampiasa, na dia mahay teny anglisy aza ny ankamaroan’ny olona. Teny tokelau, izay mitovitovy amin’ny teny samoanina, kosa no ampiasaina any Tokelau.

Fivelomana

Fambolena sy fanjonoana lamàtra no tena ataon’ny olona. Mampidi-bola koa ny orinasa fanodinana trondro sy ny fizahan-tany.

Sakafo

Saonjo sy akondro mbola maitso ary soanambo miharo voaniho no foto-tsakafo. Ampiarahina amin’ny henan-kisoa, na akoho, na trondro izany indraindray. Maro koa ny voankazo, toy ny papay sy mananasy ary manga.

Toe-tany

Saika mafana sy mando foana mandritra ny taona, satria akaikin’i ekoatera ireo nosy ireo. Maherin’ny dimy metatra isan-taona ny rotsakorana any Pago Pago, atsy Samoa Amerikanina.

[Efajoro, pejy 75]

“Tsara Be Ity Boky Ity!”

Nitondra 3 500 tamin’ilay bokikely hoe Aiza moa Ireo Maty? ny Rahalahy Harold Gill, mba hozaraina tatsy Samoa Amerikanina. Nitondrany iray ny governora, ka nasain’izy io nentina tany amin’ny mpitondra fivavahana rehetra aloha ilay bokikely. Ireo mpitondra fivavahana indray avy eo no hilaza amin’ny minisitry ny fitsarana raha mety ny hizarana an’ilay izy na tsia. Nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo?

Sariaka ny pasitera tao amin’ny LMS ary tsy nanakana ny hizarana an’ilay bokikely. Ny Advantista indray nilaza fa tsy mampaninona izay hataon’i Harold, rehefa tsy mitaona ny mpiangona ao aminy fotsiny izy. Somary naneso azy kosa ny mpitondra fivavahana tao amin’ny tafika an-dranomasina, nefa tsy nanohitra. Ary ahoana hoy ny mompera katolika? Tsy voatery nankany i Harold, satria nisy zava-nitranga tsy nampoizina. Tamin’i Harold nankany amin’ny governora, dia nomeny bokikely ilay polisy nanatitra azy. Nihaona izy ireo andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ka nanontanian’i Harold izy raha tiany ilay bokikely.

Hoy ilay polisy: “Nilaza tamiko ny lehibenay [minisitry ny fitsarana] hoe: ‘Ento any amin’ny momperanareo iny boky iny, dia anontanio izy raha tsara iny na ratsy.’ Nankeny am-bodihazo aho aloha, ary novakiko ilay boky. Nieritreritra aho avy eo hoe: ‘Tena tsara ity boky ity, nefa raha asehoko amin’ny mompera ity, dia hilaza izy hoe: “Tsy tsara ity boky ity!” ’ Nilazako àry ny lehibenay hoe: ‘ “Tsara be ity boky ity!”, hozy mompera.’ ”

Nasain’ilay minisitra nankany amin’ny biraony àry i Harold. Nohazavain’i Harold ny tao amin’ilay bokikely, raha mbola namadibadika azy io ilay minisitra. Nitelefaonina avy eo ilay minisitra ka nilaza fa azo zaraina ilay bokikely. Saika voazara nanerana an’i Samoa Amerikanina àry ny bokikely rehetra nentin’i Harold.

[Efajoro, pejy 76]

Kolontsaina Samoanina

Hoy ny misioneran’ny LMS atao hoe George Pratt, tamin’ny 1847: ‘Ny Samoanina no mpanaja fomba amam-panao indrindra amin’iny faritr’i Polinezia iny, mba tsy hilazako hoe eran-tany mihitsy aza.’ Antsoina hoe faa samoa ny kolontsain’izy ireo. Misy rafitra efa mipetraka eo anivon’ny fiaraha-monina, ary izy io no mifehy ny fiainan’ny Samoanina.

Nilaza ny boky Nosy Samoa fa “tsy maintsy manaja sy manindrahindra an’izay ‘olona ambony noho izy’ ” ny Samoanina. Mahalala fomba sy mampiasa teny mihaja àry izy ireo, ary tsy mivadika amin’ny fianakaviany sy ny mpiray tanàna aminy. Tsy eken’ny sain’izy ireo izany hoe tsy hanaraka intsony ny fombafomba sy ny fivavahan-drazany izany.

Ny raiamandrenibe (matai) no mpiaro izany fomba amam-panao izany. Miandraikitra fianakaviana iray na fianakaviana mpihavana maromaro izy io, ary misolo tena azy ireo any amin’ny filan-kevitry ny tanàna. To teny ireo raiamandrenibe, ary izay tsy manaiky azy dia ampandoaviny lamandy, na kapohina na roahina hiala tao an-tanàna mihitsy. Nasain’ny raiamandrenibe iray nandoa lamandy, ohatra, ny mpitondra fivavahana iray, satria naniraka ankizilahy maromaro hitora-bato ny Vavolombelon’i Jehovah.

Mety hisy raiamandrenibe 10 ka hatramin’ny 50 ao amin’ny tanàna iray. Ny havany (aiga) ihany no mifidy ny ankamaroan’izy ireny, nefa misy koa mandova an’ilay fahefana. Arakaraka ny fahefana ananan’ny olona iray, ny anaram-boninahitra entiny. Manana filoha tampony (alii) ny tanàna tsirairay, ary io no mitarika ny fivorian’ny filan-kevitry ny tanàna. Misy filoha mpikabary (tulafale) koa rehefa misy lanonana. Tsy ny raiamandrenibe rehetra anefa no manana andraikitra ara-politika na ara-pivavahana. Misy miandraikitra raharaha ara-pianakaviana fotsiny, toy ny hoe manapa-kevitra ny amin’izay hampiasana ny tanin’ilay fianakaviana.

[Efajoro/Sary, pejy 79]

“Olon’i Jehovah”

SAUVAO TOETU

TERAKA 1902

BATISA 1954

TANTARANY Izy no voalohany nanaiky ny fahamarinana teto Faleasiu. Nisy Efitrano Fanjakana naorina teo amin’ny taniny tatỳ aoriana. Notantarain’ny zanany lahy Tafiga Sauvao

NISY havan’i Dada avy any Apia nitsidika anay, tamin’ny 1952. Nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ka naniry hiara-midinika ny Baiboly tamin’i Dada. Nanaiky i Dada, ary nihaino teo koa ny havanay maromaro. Niresaka foana izy ireo nanomboka ny asabotsy maraina ka hatramin’ny alatsinainy hariva, ary tsy natory afa-tsy adiny iray. Mbola nidinidinika toy izany foana izy ireo isaky ny faran’ny herinandro, nandritra ny iray volana teo ho eo. Farany, dia hoy i Dada: “Voavaly daholo ny fanontaniako. Io no fahamarinana!” Nanaiky ny fahamarinana izahay mianakavy, ary toy izany koa i Finau Feomaia, zaodahin’i Dada, mbamin’ny vady aman-janany.

Tonga dia nitory i Dada, na dia Advantista nafana fo aza taloha. Tafintohina ny havanay nahita izany, ka nopetahany anarana hoe ‘olon’i Jehovah’ i Dada. Noraisiny ho teny fiderana anefa izany! Kelikely sy fohifohy i Dada, nefa olona misaina sy be herim-po ary nahay nandresy lahatra. Hainy tsara àry ny niaro ny fivavahany vaovao. Ny antoko-mpitory nisy anay no lasa fiangonana faharoa teto Samoa.

[Efajoro/Sary, pejy 83]

Tsy Nivadika na dia efa Osa Aza

FAGALIMA TUATAGALOA

TERAKA 1903

BATISA 1953

TANTARANY Naleony lasa mpisava lalana maharitra, toy izay ho manam-pahefana (matai) ambony.

MPISAVA lalana manokana teto Samoa nandritra ny taona maro i Fagalima, na dia tsy nahita tsara aza ny masony ary nisy kilema ny tongony. Nitory isan-trano izy sy ny mpiandraikitra ny faritra, indray mandeha. Gaga ilay mpiandraikitra fa voavakiny tsara ny andinin-teny nefa tsy nanao solomaso izy. Nanontaniany àry i Fagalima raha sitrana ny masony. Namaly izy hoe nataony tsianjery ireo andinin-teny, satria very ny solomasony.

Naniry mafy hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Fidji izy, nefa tsy nanam-bola. Nankany amin’ny toerana iray lavitra be teto Upolu àry izy, mba hanangona voaniho nandritra ny iray volana teo ho eo. Tsy maintsy nentiny tany amin’ny telo kilaometatra anefa ireo voaniho voangony. Voaniho 15 no nataony indray nitondra, na dia nisy kilema aza ny tongony. Novakiny ireo voaniho, nesoriny ny nofony, nohamaininy, ary namidiny. Nankany Apia izy avy eo, mba hividy tapakila mankany Fidji. Nisondrotra anefa ny saran-dalana, ka tsy ampy ny volany. Na izany aza, dia tsy nitaraina izy na nilavo lefona na nangataka fanampiana, fa lasa indray niverina naka voaniho fanampiny. Nanao izany rehetra izany izy mba hanatrehana fivoriambe, izay noeritreretiny hoe hatao amin’ny fiteny roa tsy hainy. Tsy very maina anefa ny ezak’i Fagalima rehefa tonga tany Fidji izy, satria hay natao tamin’ny fiteniny ihany ny ankamaroan’ny fandaharana!

[Efajoro/Sary, pejy 87]

‘Nahafa-po ny Andro Tsirairay’

RONALD SELLARS

TERAKA 1922

BATISA 1940

TANTARANY Voatendry ho mpisava lalana manokana teto Samoa izy sy Olive (Dolly) vadiny, tamin’ny 1953. Nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada izy tamin’ny 1961. Mbola mpisava lalana manokana atsy Samoa Amerikanina izy.

NANKETO Samoa Amerikanina izahay mivady, rehefa tsy nety nanome vizà anay intsony ny tany Samoa. Tamin’ny telo maraina ny sambo nandehananay no tonga tao Pago Pago, nefa tsy nanana afa-tsy vola 20 000 ariary teo ho eo izahay. Izahay irery koa no mpitory teto amin’ity nosy ity. Soa ihany fa nampiantrano anay ny rain’ny mpianatra Baiboly iray taloha! Efitra iray ihany ny tranony, ka ridao no nampisaraka ny fandriananay sy ny azy. Te hitady trano hipetrahana àry izahay, kanefa naleonay aloha nitory tamin’ilay trano teo akaiky teo.

Nahita trano tao Fagatogo izahay, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nalalaka ilay trano sady ambony rihana, ary fivarotana no tao ambany. Tsara tarehy ilay Seranan’i Pago Pago tazanay avy ao an-trano, kanefa ny tao an-tranonay tsy nisy fanaka mihitsy. Efa niteny taminay ny Rahalahy Knorr hoe: “Mety tsy hanan-javatra firy ianareo, rehefa any amin’ireo nosin’i Pasifika. Mety ho ny baoritra fasiana boky mihitsy aza no ataonareo fandriana.” Izany tokoa no nataonay! Afaka volana maromaro izahay, vao nanam-bola hanamboarana fandriana sy latabatra ary seza. Faly anefa izahay nanana ny tokantranokelinay.

Maty ny vady malalako tamin’ny 1985. Mbola mandeha manompo foana anefa aho. Rehefa manao jery todika an’ireo 50 taona mahery nanaovako mpisava lalana sy misionera aho, dia afaka milaza hoe nahafa-po ahy ny andro tsirairay!

[Efajoro/Sary, pejy 88]

“Nanampy Ahy ho Tia An’i Jehovah Izy Ireo”

WALLACE PEDRO

TERAKA 1935

BATISA 1955

TANTARANY Izy no voalohany natao batisa tatsy Samoa Amerikanina. Mpisava lalana izy sy Caroline vadiny, ary avy eo niteraka. Manompo any Seattle, any Etazonia, izy ireo izao.

NOROAHIN’NY fianakaviako aho rehefa nanomboka nitory, ary tsy nisy afa-tsy ny akanjo teny an-koditro teny amiko. Natory teny amoron-dranomasina aho ny alin’iny, ary nivavaka tamin’i Jehovah mba hananako herim-po hanompoana azy foana, na inona na inona mitranga.

Nifanena tamin’ny Rahalahy Paul Evans aho ny ampitson’iny, tao amin’ny efitra famakiam-bokin’ny sekoly. Tsikariny hoe nanana olana aho, ka hoy izy: “Andao isika hiresaka any an-trano.” Noraisin’ny misionera hipetraka tao amin-dry zareo aho, ary natao batisa tamin’iny taona iny ihany.

Nanao mpisava lalana aho, rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise. Nanambady an’i Caroline Hinsche aho, tatỳ aoriana. Mpisava lalana be zotom-po avy any Kanada izy, ary nanompo tany Fidji. Niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana tany Samoa Amerikanina izahay, rehefa nivady.

Niova ihany ny ray aman-dreniko tatỳ aoriana. Nianatra Baiboly i Dada talohan’ny hahafatesany, ary natao batisa i Neny tamin’izy 72 taona. Tena ankasitrahako ny ohatra navelan’ireo misionera. Nanampy ahy ho tia an’i Jehovah izy ireo, ary izany fitiavana izany no nahatonga ahy tsy hivadika hatramin’izao!

[Efajoro/Sary, pejy 91, 92]

Novalian-tsoa ny Fikirizanay

PAUL EVANS

TERAKA 1917

BATISA 1948

TANTARANY Misionera teto Samoa sy tatsy Samoa Amerikanina izy sy Frances vadiny, nandritra ny 40 taona mahery.

SAROTRA be ny niditra tao Samoa tamin’ny 1957, tamin’izaho nanomboka ny asan’ny faritra niaraka tamin’ny vadiko. Tsy navelan’ny fanjakana hisy olona avy any ivelany mantsy hanampy an’ireo Vavolombelona teo an-toerana. Nisy taratasy mihitsy aza tsy maintsy nosoniavin’ny vahiny sy ny mpizaha tany hoe manaiky izy ireo fa tsy hitaona olona hanaraka ny finoany. Rehefa nitsidika voalohany an’i Samoa àry izahay, dia nanontaniako ny tompon’andraikitra iray mikarakara ny fifindra-monina hoe inona no dikan’ilay hoe mitaona olona hanaraka ny finoan’ny tena. Tsy hitany izay havaly, ka hoy aho:

“Aoka hatao hoe misy Katolika mitsidika tany hafa. Raha mangataka azy hitory teny ao am-piangonana ny mpiara-mivavaka aminy, azony atao ve izany?”

Namaly izy hoe: “Inona moa no olana?”

Hoy indray aho: “Fantatrao fa mitsidika ny olona any an-tranony ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hiresaka momba ny Baiboly. Raha asain’ny namako hiaraka aminy àry aho, azoko atao ve izany?”

“Angamba azonao atao”, hoy izy.

Nanontany indray aho hoe: “Ahoana anefa raha mametraka fanontaniana amiko ny olona tsidihinay? Afaka mamaly ve aho?”

“Tsy hitako izay olana”, hoy izy.

Farany, dia hoy aho: “Eny àry! Fantatro izao izay tokony hataoko.”

Vita soa aman-tsara ny fitsidihanay ny fiangonana. Rehefa handao an’i Samoa izahay, dia nanontaniako io tompon’andraikitra io raha nahare fitarainana momba anay.

Namaly izy hoe: “Tsy nahare mihitsy aho.”

Nanontany àry aho hoe: “Ahoana no hataonay amin’ny fitsidihanay manaraka?”

“Aza mangataka alalana amin’ny Sampan-draharaha Mikarakara ny Fifindra-monina”, hoy izy. “Anoraty fotsiny aho, dia homeko fahazoan-dalana ianareo.”

Izany tokoa no nataonay isaky ny hitsidika tany.

Indrisy anefa fa tsy vonon-kanampy toa an’io tompon’andraikitra malala-tsaina io ny olona nandimby azy! Tsy navelan’izy ireo hiditra tao Samoa ny mpiandraikitra ny faritra tatỳ aoriana. Tamin’ny 1974 vao niova izany, rehefa neken’ny fanjakana hanao asa misionera tany izahay sy Frances. Novalian-tsoa ihany ny faharetanay sy ny fikirizanay!

[Sary]

Frances sy Paul Evans

[Efajoro, pejy 97]

Ny Mampiavaka ny Fiteny Samoanina

Mahafinaritra ny mandre ny fiteny samoanina, satria sady malefaka no somary mihirahira. Hoy anefa i Fred Wegener: “Betsaka zanatsoratra mitohitohy be ny ankamaroan’ny tenin-dry zareo. Mila fanazaran-tena ( faata‘ita‘iga) be àry ireo misionera vao mahay azy io, ary mila fampaherezana ( faalaeiauina) be dia be koa.”

Mampiasa ohabolana sy teny iangaliana fatratra ny Samoanina, rehefa mikabary. Tia mampiasa teny tsara lahatra sy tia maka teny avy ao amin’ny Baiboly ireo raiamandrenibe (matai) sy filoha mpikabary (tulafale), rehefa misy lanonana. Mahalala fomba ny Samoanina ary vao mainka miharihary izany rehefa misy fotoan-dehibe, satria mitandrina be izy ireo amin’izay teny ampiasainy. Misy koa ilay antsoina hoe ‘teny fampiasa amin’ny manam-pahefana’ (tautala lelei). Teny mihaja sy be pitsiny izy io. Ampiasaina izy io rehefa miresaka amin’Andriamanitra sy ny manam-pahefana ary ny vahiny, na koa rehefa miresaka momba azy ireo. Hafa indray ny fiteny ampiasain’ny Samoanina rehefa miresaka andavanandro, na rehefa miresaka momba ny tenany. Tsotra kokoa io fiteny io (tautala leaga) sady tsy dia mila fitandremana be.

Mba tsy hanafintohina olona, dia mampiasa teny mihaja sy voafantina tsara ny Samoanina, rehefa miresaka momba ny raharaham-panjakana na momba ny Baiboly. Hoy i Geoffrey Jackson, misionera teto Samoa, ary anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izao: “Be dia be ny teny samoanina azo ampiasaina ho mariky ny fahalalam-pomba sy fanajana. Zava-dehibe àry ny ampiasanao ny teny fampiasa amin’ny mpanjaka rehefa mitory amin’ny Samoanina. Ilainao koa anefa ny manetry tena, ka mampiasa teny fampiasa andavanandro rehefa miresaka momba ny tenanao.”

[Efajoro/Sary, pejy 99]

“Nalahelo Be Izahay Niala Tany Samoa”

ROBERT BOIES

TERAKA 1942

BATISA 1969

TANTARANY Misionera tatỳ Samoa sy tatsy Samoa Amerikanina (1978-1986) izy sy Elizabeth (Betty) vadiny.

NIEZAKA nianatra teny samoanina izahay, raha vao tonga tany Samoa Amerikanina. Nankasitrahan’ny olona izany, ka na be diso aza ny teny nolazainay dia nodian’izy ireo tsy hita. Namaky ny Apokalypsy 12:9 aho, indray mandeha, mba hanazavana fa manana fahefana eto amin’ity tontolo ity i Satana. Mitovitovy anefa ny teny samoanina ilazana ny hoe devoly (tiapolo) sy ny hoe voasarimakirana (tipolo), ka nafangaroko ireo teny ireo. Nilaza àry aho hoe noroahina avy tany an-danitra ny “voasarimakirana”, ary mamitaka ny tany rehetra misy mponina izy io. Nohazavaiko koa fa tsy ho ela dia hanorotoro an’ilay “voasarimakirana” i Jehovah, ka tsy hisy intsony izy io. Toran’ny hehy ilay olona sy ilay misionera niaraka tamiko!

Nitory isan-trano koa izahay, indray mandeha, ary nataoko tsianjery ilay hevitra horesahina. Reko tatỳ aoriana fa tsy nisy azon’ilay ramatoa nitorianay izay nolazaiko, afa-tsy ny hoe Apokalypsy 21:4. Azony an-tsaina hoe zava-dehibe no noresahinay, ka tonga dia niditra tao an-tranony izy nijery an’ilay andinin-teny tao amin’ny Baiboliny. Tena nanohina ny fony io andininy io, ka nianatra Baiboly izy tatỳ aoriana. Nanaiky ny fahamarinana izy sy ny zanany!

Nahay teny samoanina ihany izahay tamin’ny farany, ka maro be ny zavatra nahafinaritra teny amin’ny fanompoana. Voatery nody teto Etazonia anefa izahay, satria tsy salama. Nalahelo be izahay niala tany Samoa!

[Efajoro/Sary, pejy 101, 102]

‘Tonga ny Iray Tanàna’

Anisan’ny nalaza indrindra teto Apia ny fandevenana an’i Fred Williams, na i Kapiteny. Maty tamin’ny 1955 tany ho any io tantsambo efa nisotro ronono io. Lehilahy mafy toto izy io, ary Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny. Efa nandeha sambo nitety an’izao tontolo izao izy, ary nalaza nanerana an’i Pasifika Atsimo. Maro ny zavatra niavaka vitany. Rendrika tany amin’ny haran-dranomasina iray lavitra be, ohatra, ny sambony, indray mandeha. Lakan’aina iray monja no nitondrany an’ireo tantsambo namakivaky ranomasina an’arivony kilaometatra. Zara raha nanan-kohanina izy ireo, nefa tody soa aman-tsara teny an-tanety ihany izy rehetra.

Mpisotro toaka be sy mpilalao karatra i Kapiteny. Nihevitra koa izy fa mpihatsaravelatsihy ny mpivavaka rehetra. Nanaiky hianatra Baiboly tamin’i Bill Moss ihany anefa izy tatỳ aoriana, ka lasa Vavolombelona be zotom-po. Zara raha nahita izy tamin’izy natao batisa, ary tsy afa-nihetsika loatra teo am-pandriana. Niresaka tsy tapaka momba ny finoany tamin’ireo olona maro be nitsidika azy anefa izy, anisan’izany ireo mpitondra fivavahana.

Nanoratra i Kapiteny talohan’ny nahafatesany fa ny Vavolombelon’i Jehovah no tiany hitarika ny fotoam-pandevenana azy, ary halevina any an-dranomasina izy. Hoy i Girlie Moss: “Toy ny hoe ny iray tanàna no tonga tamin’ilay fotoam-pandevenana. Nambaran’ny radio hoe maty izy, ary nampidina ny sainany ireo orinasa teto Apia ho mari-panajana.” Ankoatra an’ireo Vavolombelona, dia nisy mpahay lalàna, mpampianatra, mpitondra fivavahana malaza, ary mpandraharaha maro koa tonga tamin’ny lahatenim-pandevenana.

Nihaino tsara ny rehetra rehefa nohazavain’i Bill Moss avy ao amin’ny Baiboly ny fanantenan’i Kapiteny, dia ny hatsangana amin’ny maty rehefa paradisa ny tany. Hoy i Girlie: ‘Tena tiako ny nataon’i Kapiteny, satria efa nomaniny ny hanaovana fitoriana amin’ny fotoana handevenana azy. Handre ny vaovao tsara mantsy amin’izay ireo olona maro tsy mety mandray na tsy manaiky hiresahana rehefa itoriana isan-trano. Nampahatsiahy ahy an’i Abela ny zavatra nataony, satria “na efa maty aza i Abela dia mbola niteny ihany.” ’ (Heb. 11:4) “Azo lazaina hoe nitory tamin’olona maro be i Kapiteny, tamin’ny fotoana nandevenana azy.”

Fiara 50 mahery no nitanjozotra nankany amin’ny seranana, taorian’ilay lahateny tao an-tranon’i Kapiteny. Hoy i Girlie: “Feno olona teo ka voatery nisava lalana ny polisy, mba hahafahanay hankeny amin’ilay sambo atao hoe Aolele (Rahona Misidina). Avy eo, dia niakatra tao amin’ilay sambo izahay sy ny fianakavian’i Kapiteny ary ny olo-manan-kaja, ka lasa.” Nety tsara ny anaran’ilay sambo, satria nitopatopa be toy ny bosoa nentin’ny rano ilay sambo. Voatery namikitra tamin’ny andrin-tsambo àry i Bill. Nifofofofo be ny rivotra, ka nikopakopaka be ny akanjony ary sahirana izy namadika ny Baiboliny. Voavakiny ihany anefa ilay fampanantenana ao amin’ny Apokalypsy 20:13 hoe: ‘Hamoaka ny maty ao aminy ny ranomasina.’ Nivavaka izy avy eo, ary nalatsaka tao amin’ny Oseana Pasifika ny vatana mangatsiakan’i Kapiteny, izay efa nofonosina sy nasiana zavatra mavesa-be. Mbola ambentin-dresaky ny olona iny fandevenana iny ela be tatỳ aoriana, ka nahafahana nitory tamin’izy ireo.

[Sary]

“Kapiteny” Fred Williams, talohan’ny batisany

[Efajoro/Sary, pejy 109, 110]

‘Tafaverina Tatỳ Ihany Izahay’

FRED WEGENER

TERAKA 1933

BATISA 1952

TANTARANY Miasa eto amin’ny Betelan’i Samoa izy sy Shirley vadiny. Anisan’ny Komitin’ny Tany i Fred.

NIALA tany Aostralia izahay tamin’ny 1956, taoriana kelin’ny nivadianay, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana tatsy Samoa Amerikanina. Tao Lauli‘i, tanàna kely atsinanan’ny Seranan’i Pago Pago, no nanendrena anay tamin’ny voalohany. Trano efa simba no nipetrahanay. Tsy nisy rano ilay izy, sady tsy nisy valindrihana sy varavarana ary varavarankely, ka namboarinay. Vao vita ilay izy, dia niara-nipetraka taminay i Wallace Pedro. Nanohitra mantsy ny ray aman-dreniny ka nandroaka azy. Noraisinay izy, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana niaraka taminay.

Nanatrika ny Sekolin’i Gileada izahay mivady, roa taona taorian’izay, ary voatendry ho misionera tany Tahiti. Vetivety ihany anefa izahay no tany, satria tsy neken’ny fanjakana teo an-toerana ny fangatahanay. Nilaza taminay an-taratasy izy ireo mba hiala tao Tahiti, ary handeha amin’ny fiaramanidina manaraka. Niverina tatsy Samoa Amerikanina àry izahay, ary nipetraka tao amin’ny tranon’ny misionera tao Fagatogo, niaraka tamin’i Paul sy Frances Evans, ary Ron sy Dolly Sellars. Nanana milina efa tranainy iray izahay tao amin’ny efitra fisakafoana, ka io no nanaovako pirinty ny Tilikambo sy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Nanao ny asan’ny faritra izahay mivady, tamin’ny 1962. Saika ny faritr’i Pasifika Atsimo manontolo no notsidihinay tamin’izany. Anisan’izany i Fidji, Kiribati, Niue, Nosy Cook, Samoa, Samoa Amerikanina, Tonga, Tuvalu, ary Vanuatu.

Teraka i Darryl zanakay lahy, valo taona taorian’izay, ka nipetraka tatsy Samoa Amerikanina indray izahay. Lasa mpisava lalana manokana aho, ary i Shirley kosa nandika boky sy gazety tamin’ny teny samoanina.

Niara-niasa tamin’ny rahalahy iray mpitady akorandriaka tany anaty ranomasina aho, mba hanampiana ny volanay. Simba ny maoteran’ny sambokely nampiasainay, indray andro. Natopatopan’ny onja teny izahay nandritra ny efatra andro, ka lasa lavitra be. Sendra oram-baratra izahay. Nahatazana sambo 32 nandalo koa izahay, ary saika voadonan’ny sambo lehibe iray. Avotra ihany anefa izahay tamin’ny farany! Bevohoka indray i Shirley tsy ela taorian’izay, ka tsy maintsy niverina tany Aostralia izahay tamin’ny 1974. Teraka tany i Tamari zanakay vavikely.

Nieritreritra foana ny hiverina tatỳ anefa izahay. Faly be mihitsy àry izahay tamin’ny 1995, rehefa nasaina hanompo teto amin’ny Betelan’i Samoa niaraka tamin’i Tamari! Nanao ny asan’ny faritra indray izahay mivady herintaona taorian’izay, nefa efa 26 taona no nijanonanay tamin’io asa io! Faly be izahay nifankahita tamin’ireo namana maro, izay niara-nanompo taminay taloha teto Samoa sy tatsy Samoa Amerikanina ary tany Tonga!—3 Jaona 4.

Miasa eto amin’ny Betelan’i Samoa izao izahay sy Shirley, ary Tamari sy Hideyuki Motoi vadiny. Tena faly izahay fa tafaverina tatỳ ihany!

[Efajoro/Sary, pejy 113, 114]

“Namaly ny Vavaka Nataoko i Jehovah”

FAIGAAI TU

TERAKA 1932

BATISA 1964

TANTARANY Mpisava lalana teto Upolu sy tatsy Savaii, tamin’ny 1965 ka hatramin’ny 1980. Mipetraka atsy Savaii izao.

SEMBANA hatrany am-bohoka aho. Mivadika ny faladiako, ka sahirana be aho rehefa mandeha.

Nanohina ny foko hatramin’ny voalohany ny fahamarinana. Te hamonjy fivoriana àry aho, kanefa toa tsy ho vitako ny handeha tamin’ilay lalana be vato. Lasa haiko anefa ny nanova ny kapa fingotra ho kiraro, ka tsy nijaly be intsony aho rehefa nandeha nivory.

Nirotsaka ho mpisava lalana aho taoriana kelin’ny batisako. Nanompo sivy taona tatsy Upolu aho, ary nifindra teto Savaii niaraka tamin’ny zokiko vavy sy ny vadiny, satria nila mpitory teto. Mpisava lalana manokana teto aho, niaraka tamin’i Kumi Falema‘a, zanaky ny zokiko.

Nandray bisy teto Faga izahay sy Kumi isan-kerinandro mba hampianatra vehivavy iray tany Lata, tanàna kely any andrefana. Nandeha an-tongotra valo kilaometatra indray izahay avy eo, mba hampianatra vehivavy iray hafa tany Taga. Natory tao amin’io vehivavy io izahay, ary nandeha bisy indray ny ampitso maraina mba hiverina teto Faga. Roa taona teo ho eo no nanaovanay izany. Faly izahay fa lasa Vavolombelona be zotom-po izy roa vavy sy ny fianakaviany avy.

Niala teto Savaii ny havako tatỳ aoriana, fa izaho kosa nijanona teto Faga ihany mba hikarakara an’ireo rahavavy sy vehivavy liana vitsivitsy teto. Izaho no nitarika ny Fianarana Tilikambo sy ny Fianarana Boky ary ny fitoriana isan-trano. Nisy anti-panahy tonga isam-bolana avy any Apia, mba hitarika ny fivoriana alahady. Tsy navelan’ny raiamandrenibe tao an-tanàna hanao ny hiran’ilay Fanjakana izahay rehefa nivory, ka novakinay mafy fotsiny ny tonony. Tonga nanampy anay i Leva sy Tenisia Faai‘u, mpivady misionera avy any Nouvelle-Zélande, dimy taona tatỳ aoriana. Nisy hafa koa tonga taorian’izay. Misy fiangonana roa izao eto Savaii, ka ny iray eto Faga ary ny iray any Taga.

Tia ankizy aho, na dia tsy nanambady mihitsy aza. Nifandray akaiky tamin’izy ireo foana aho, ary niara-nipetraka tamiko mihitsy aza ny sasany. Dibo-kafaliana aho mahita an’ireo “zanako” ara-panahy manompo an’i Jehovah.

Efa antitra aho izao, ary tsy afaka mitory isan-trano intsony. Mampianatra Baiboly ato an-trano anefa aho, ary mitory amin’ny olona hitako any amin’ny hopitaly. Na izany aza, dia kivy ihany aho satria kely fotsiny no vitako. Nivavaka tamin’i Jehovah àry aho mba hanampy ahy hanompo bebe kokoa. Tanteraka ny faniriako satria nampianarin’ny misionera hitory an-telefaonina aho. Rehefa manao jery todika ny lasa aho, dia tsapako fa tena namaly ny vavaka nataoko i Jehovah.

[Efajoro/Kisary, pejy 118]

Omaly sa Androany sa Rahampitso?

Tsy mifanalavitra i Samoa sy Tonga. Mitovy ny oran’izy ireo, saingy tsy mitovy ny datin’androny. Tara iray andro i Samoa. Fa nahoana? Eo andrefan’ny tsipika iraisam-pirenena mamaritra ny daty no misy an’i Tonga, fa i Samoa kosa atỳ atsinanana. Anisan’ireo voalohany mankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy àry ny any Tonga, fa ny eto Samoa kosa anisan’ireo farany.

[Kisary]

(Jereo ny boky)

\

\

\

\

\ SAMOA

| 7.00 hariva

| Alarobia

|

|

|

|

|

TONGA |

7.00 hariva | OSEANA PASIFIKA ATSIMO

Alakamisy |

|

|

Tsipika iraisam-pirenena | mamaritra ny daty

|

| NIUE

|

|

|

|

|

|

|

|

[Efajoro/Sary, pejy 123, 124]

Baiboly Manome Voninahitra ny Anaran’Andriamanitra

Namoaka Baiboly tamin’ny teny samoanina ny misioneran’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, tamin’ny 1884. Nisy ny anaran’Andriamanitra izy io, ary hita tao amin’ny Soratra Hebreo izany. Hita inefatra tao amin’ny Soratra Grika Kristianina koa ny hoe Aleloia, izay midika hoe “Miderà an’i Jah.” (Apok. 19:1-6) Nohavaozin’izy ireo anefa ilay Baiboly tamin’ny 1969. Nesoriny tanteraka tao ilay anarana hoe Jehovah, afa-tsy tao amin’ny andininy iray, izay angamba tsy hitan’ireo mpandika teny. (Eks. 33:14) Nesorin’ny mpitondra fivavahana tao amin’ny fihirana koa io anarana io, ary tsy navelany hampiasa azy io intsony ny mpiangona.

Faly anefa ireo olona tia Baiboly, rehefa nahazo Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny samoanina, tamin’ny Novambra 2007. Marina tsara io fandikan-teny io, ary mora azo ny teny ampiasainy. Hita ao koa ny anaran’Andriamanitra. Nivoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra iray niavaka natao teto Apia izy io, ary i Geoffrey Jackson no nanao ny lahateny. Misionera taloha teto Samoa izy, ary anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izao.

Niresaka momba ny fivoahan’io Baiboly io ny tele, ka maro no te hahazo azy io. Niantso tatỳ amin’ny Betela àry ny sasany. Nangataka Baiboly folo, ohatra, ny olona iray tao amin’ny fitondrana, mba homeny ny mpiara-miasa aminy. Nangataka dimy koa ny talen’ny sekoly iray, mba homeny ny mpianatra mahay indrindra rehefa mifarana ny taom-pianarana.

Tian’ny olona maro io Baiboly io. Manampy ny olona hahatakatra ny hevitry ny teny tany am-boalohany mantsy izy io. Asehon’izy io koa fa zava-dehibe ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra. Te hanampy vehivavy iray hahatakatra izany i Finau Finau, mpisava lalana manokana ao Vailele, ka nampiasainy ny vavaka modely nampianarin’i Jesosy.

Novakiny ny Matio 6:9, ary nanontaniany ilay vehivavy hoe: “Araka ny hevitrao, ny anaran’iza no tokony hohamasinina?”

“Ny anaran’ny Tompo”, hoy izy.

Hoy indray i Finau: “Milaza anefa ny 1 Korintianina 8:5 fa misy ‘andriamanitra’ maro sy ‘tompo’ maro. Tokony hatao hoe Tompo àry ve ny anaran’Andriamanitra, nefa atao hoe tompo koa ny andriamani-diso maro?”

Nasehon’i Finau azy avy eo ilay anarana hoe Jehovah. Nohazavainy koa fa nesorin’ny fiangonana tao amin’ny Baibolin’izy ireo izy io. Hoy koa i Finau: “Inona no ho tsapanao, raha misy mitady hanala na hanova ny anaram-boninahitra matai entin’ny fianakavianao?”

“Tezitra be aho”, hoy izy.

“Toy izany koa no tsapan’i Jehovah”, hoy i Finau, “rehefa misy mitady hanala ny anarany ao amin’ny Teniny.”

[Sary]

“Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” amin’ny teny samoanina

[Efajoro/Sary, pejy 126, 127]

‘Nahazo Fitahiana Avo Zato Heny Aho’

LUMEPA YOUNG

TERAKA 1950

BATISA 1989

TANTARANY Zanaka praiminisitra taloha izy, ary mpisava lalana maharitra eto Apia izao.

TATSY Savaii no nahalehibe ahy. Mpandraharaha sy mpanao politika i Dada tamin’izany. Nanana toeram-pambolena kakaô lehibe izy, ary nampiasa olona 200 teo ho eo ka nantsoin’ny gazety hoe Lehiben’ny Kakaô. Praiminisitra teto Samoa nandritra ny taona maro koa i Dada.

Iraika ambin’ny folo mianadahy izahay. Tsy mpivavaka be i Dada, ka i Neny no nampianatra Baiboly anay. Nalahelo be aho nony maty i Neny, kanefa faly aho rehefa nandre fa mbola hatsangana ny maty. Afaka hifankahita amin’i Neny indray izany aho! Ilay misionera atao hoe Judy Pritchard no nitory an’izany tamiko.

Nototofako fanontaniana be dia be izy, ary novaliany avy tao amin’ny Baiboly daholo izany. Tsy ela aho dia nianatra Baiboly. Nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelona koa aho tatỳ aoriana.

Nanohitra ny fianarako Baiboly i Steve vadiko, tamin’ny voalohany, satria diakona izy. Nentiny tany amin’ny mpitondra fivavahana maromaro aho. Niezaka nandresy lahatra ahy tsy hanatrika ny fivorian’ny Vavolombelona izy ireo, nefa tsy niova hevitra aho. Nentin’i Steve tany amin’i Dada koa aho. Nilaza fotsiny anefa i Dada hoe tsara raha tsy ao an-tranonay aho no mianatra Baiboly. Ny mpiray tam-po amiko kosa naneso ahy, kanefa tsy nahakivy ahy izany.

Lasa mpitory aho tatỳ aoriana. Tranona minisitra mpiara-miasa tamin’i Dada no trano voalohany nitoriako. Fantatr’ilay minisitra tsara aho, satria matetika izy no nanatrika fivoriana ara-politika tao an-tranon-dry Dada. Natahotra be àry aho ka niafina tao ambadik’ilay niara-nitory tamiko! Tafintohina ny olona nahita ahy nitory, ka niteny hoe: “Ahoana hozy ny rainao amin’izao ataonao izao?” Nahay nandanjalanja anefa i Dada, ary niaro ahy. Tia namaky Tilikambo sy Mifohaza! koa izy.

Resiko ihany ny tahotra olona tatỳ aoriana, ka lasa mpisava lalana maharitra aho. Tiako ny mampianatra Baiboly, ary maromaro ny fampianarako. Mbola manana anaran’olona liana 50 eo ho eo anefa aho, ka tsidihiko izy ireny raha vao manam-potoana kely aho. Ny tena nahafaly ahy indrindra anefa dia ny nampianatra Baiboly an’ireo zanako efatra mianadahy. Miasa ao amin’i Betelan’i Samoa izao i Fotuosamoa zanako vavy sy Andrew vadiny, ary Stephen zanako lahy sy Ana vadiny. Nampianatra an’i Manu rahavaviko koa aho, ary nanaiky ny fahamarinana izy. Ny vadiko koa aza nanomboka nianatra Baiboly sy nanatrika fivoriana. Tena nahazo fitahiana avo zato heny avy tamin’i Jehovah aho!

[Sary]

Ankavia: Fotuosamoa sy Andrew Coe; ankavanana: Ana sy Stephen Young

[Efajoro/Sary, pejy 129, 130]

Hanompo An’i Jehovah sa ho Mpilalao Golfa Matihanina?

LUSI LAFAITELE

TERAKA 1938

BATISA 1960

TANTARANY Naleony nanao ny asan’ny mpisava lalana, toy izay ho mpilalao golfa matihanina.

LASA Vavolombelon’i Jehovah ry Siemu Taase mianakavy, tamin’izaho 18 taona. Nipetraka teo ampitanay ry zareo, ka nankany aho mba hanontany ny antony nampiasan’izy ireo ny anarana hoe Jehovah. Tsara fanahy i Siemu Taase, ary nampisaintsaina ahy tamin’ny alalan’ny Soratra Masina. Nianatra Baiboly àry aho, ary nanatrika fivoriana. Norahonan’i Dada anefa aho raha vao fantany izany. Nitalaho taminy aho mba hamela ahy hivory, nefa nanizingizina izy fa tsy mahazo miaraka amin’ny Vavolombelona intsony aho. Gaga anefa aho fa niova hevitra izy ny ampitson’iny. Hoy ny nenitoako tatỳ aoriana: “Rehefa natory ianao ny alin’iny, dia niantsoantso foana hoe: ‘Ampio aho, Jehovah ô!’ ” Angamba aho nanonofy niteny. Lasa nihanalefaka i Dada taorian’izay.

Nisy toeram-pilalaovana golfa koa teo ampitanay, ka nisy baolina golfa very indraindray. Namidiko izany rehefa hitako ka nahazoako vola kely. Nilalao golfa teo koa i Malietoa Mpanjaka, ka nikarama nitondra ny fitaovana filalaovany aho. Izy no filoham-pirenen’i Samoa tamin’izany. Nieritreritra izy fa nety ho lasa mpilalao golfa mahay aho, ka nomeny ahy ireo fitaovany taloha. Nasainy nanohana ahy koa ny mpandraharaha roa teo an-toerana, mba ho lasa mpilalao matihanina aho. Nino mantsy ny mpanjaka fa hampahalaza an’i Samoa ny fahaizako. Faly erỳ aho! Nanelingelina ny fanompoako an’i Jehovah anefa ny golfa, ka nenjehin’ny eritreritro aho.

Resiko ireo mpilalao avy any ivelany, tamin’ny fiadiana ny ho tompon-dakan’i Samoa. Faly ny mpanjaka ka tiany hihaona tamin’ny mpilalao amerikanina malaza iray aho, tamin’ny lanonana hatao ny harivan’iny. Tsy nandry anefa ny saiko, ka nieritreritra aho hoe: ‘Izao no fotoana tsy maintsy hanapahako hevitra hoe: Ho mpilalao golfa sa hanompo an’i Jehovah.’ Tsy nankany amin’ilay lanonana àry aho, fa nandeha nanao famerenana ny fivoriamben’ny faritra.

Mazava ho azy fa tezitra ny mpanjaka. Nanontany ahy ny anton’izany i Dada ka niresaka ela be izahay mianaka. Nohazavaiko taminy avy tao amin’ny Baiboly fa tena zava-dehibe amiko ny fanompoana an’i Jehovah. Gaga aho fa nitomany izy. Hoy izy: “Narary be ianao, tamin’ianao dimy taona. Niantso dokotera izahay, ary nilaza izy fa maty ianao. Efa nampidina anao tao am-pasana izahay no nisy tantely nanindrona ny tarehinao. Nikiakiaka be tampoka ianao ka nitomany. Efa voalevina ianao raha tsy nisy an’izay! Miaiky aho izao fa matoa ianao mbola velona, dia mba ho vavolombelon’i Jehovah Andriamanitra.” Tsy nanohitra ahy intsony izy taorian’izay.

Nifindra tany Nouvelle-Zélande aho tatỳ aoriana. Nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra sy mpisava lalana manokana aho, nandritra ny folo taona. Nanambady an’i Robyn, mpisava lalana manokana, koa aho. Niteraka telo mianadahy izahay tatỳ aoriana ka nifindra tany Aostralia. Tsy maintsy niasa aho nandritra ny 30 taona, mba hamelomana ny fianakaviako. Maro ny havanay nampianarinay Baiboly ka nanaiky ny fahamarinana. Matetika anefa aho no nivavaka tamin’i Jehovah mba hanampy ahy ho lasa mpisava lalana indray. Faly be àry aho rehefa tratrako ilay tanjona, tamin’izaho nisotro ronono tamin’ny 2004! Tena faly aho fa nifidy ny hanompo an’i Jehovah, fa tsy ho mpilalao golfa matihanina.

[Efajoro/Sary, pejy 135]

Novalian-tsoa ny Fampiofanana Tsara ny Ankizy

PANAPA LUI

TERAKA 1967

BATISA 1985

TANTARANY Mpisava lalana manokana eto Samoa izy sy Mareta vadiny.

NOMEKO an’ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fampianarana ny talen’ny sekoly hianaran’i Sopa zanakay lahy, tamin’izy vao nampidirana nianatra. Nohazavaiko koa fa tsy mandray anjara amin’ny fotoam-pivavahana na amin’ny fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana ny Vavolombelona.

Nilaza taminay anefa i Sopa ny ampitso fa norovitin’ny tale teo anatrehan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ilay bokikely. Nasainy nanao hiram-pivavahana koa ireo ankizy Vavolombelona. Tsy nety nanao izy ireo, ka nasain’ny tale nijoro teo anatrehan’ny olona rehetra, sy hanao ny hirantsika Vavolombelona. Nihevitra mantsy izy fa hatahotra izy ireo ka hanao ihany an’ilay hira nasainy natao tamin’ny voalohany. Hoy anefa i Sopa tamin’ireo ankizy: “Andao hataontsika ilay hira hoe ‘Misaotra, Jehovah.’ ” Dia notarihiny ilay hira.

Gaga ilay tale ka nidera an’i Sopa noho ny herim-pony. Nanjary liana tamin’ny fahamarinana izy sy ny mpampianatra sasany tatỳ aoriana. Isaky ny mahita anay ilay tale, dia manontany momba an’i Sopa ary manao mampamangy azy. Nandroso tsara i Sopa, ary natao batisa tamin’ny 2005.

[Efajoro/Sary, pejy 138, 139]

“Tsy Tsapanay hoe Nandeha Lavitra Izahay”

VALU LOTONUU

TERAKA 1949

BATISA 1995

TANTARANY Nandeha an-tongotra 22 kilaometatra izy sy ny zanany enina mianadahy, isaky ny hanatrika fivoriana.

NITSIDIKA ahy teto Lefaga ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1993, ary nanaiky hianatra Baiboly aho. Tsy ela dia nandeha nanatrika fivoriana tany Faleasiu, tany amin’ny 22 kilaometatra, izahay mianakavy kely.

Nalaiko tany am-pianarana talohan’ny firavana ny zanako, isaky ny hanatrika fivoriana andavanandro izahay. Nitady handroaka azy ireo ny mpampianatra sasany noho izany, ka voatery nanazava aho fa antony lehibe no nandehananay nivory. Samy nitondra akanjo fitondra mivory, Baiboly, fihirana ary boky, tao anaty harona plastika izy ireo. Nanaiky hitondra anay, indraindray, ny bisy sendra nandalo, nefa matetika izahay no nandeha an-tongotra tamin’ilay lalana 22 kilaometatra.

Nandray tsara anay sy nanome sakafo anay ny Vavolombelona tany Faleasiu, rehefa tonga tany izahay. Navelan’izy ireo handro izahay, ary avy eo nisolo akanjo. Nandeha an-tongotra indray izahay rehefa vita ny fivoriana. Nijanona kely izahay rehefa tonga teo an-tampon’ilay tandavan-tendrombohitra eo amin’ny fisasahan’ny nosy, ka natory vetivety ny zanako. Izaho kosa nijerijery sao nisy fiara nandalo afaka nitondra anay. Efa dila ela ny misasakalina vao tonga tao an-trano izahay. Nifoha tamin’ny dimy maraina indray aho ny ampitso, mba handray bisy hiverina any Faleasiu, satria tany ny fitoriana.

Nampanantsoin’ireo raimandrenibe teto an-tanàna aho indray mandeha. Nanontaniany aho hoe nahoana aho no nandeha lavitra be nankany Faleasiu, fa tsy nankao amin’ilay fiangonana naorin’ny raibeko tao an-tanàna. Farany dia nilaza izy ireo fa tsy mahazo manatrika fivoriana tany Faleasiu intsony aho. Tsy nahasakana ahy anefa izany, satria tapa-kevitra aho ny hankatò an’Andriamanitra, fa tsy olona.—Asa. 5:29.

Nihamafy ny fanoherana tatỳ aoriana. Nisy fety atao hoe toonai natao teto an-tanàna indray alahady, ary nanatrika azy io ny mpitondra fivavahana sy ny diakona ary ireo raiamandrenibe. Tsy nanatrika azy io aho ka nosazin’ny filan-kevitry ny tanàna. Nasainy nanome kisoa lehibe dimy aho. Tokan-tena anefa aho, ary mbola kely ny zanako. Na izany aza, dia voaefako ihany ilay sazy tamin’ny farany. Lasa nanaja anay ireo mpiray tanàna taminay ka tsy nanohitra intsony tatỳ aoriana.

Nanao ezaka be izahay nandritra ny taona maro, rehefa nandeha nivory. Nisy vokany tsara anefa izany satria lasa Vavolombelona daholo ny zanako, ary mpanampy amin’ny fanompoana ny zanako lahy iray.

Mbola mandeha an-tongotra ihany izahay mianakavy rehefa mandeha mivory. Tsy mandeha 22 kilaometatra intsony anefa izahay, fa efa misy Efitrano Fanjakana tsara tarehy izao eto an-tanànanay. Vita tamin’ny 2001 izy io, ary mandroso tsara ny fiangonanay. Tsy tsapanay hoe nandeha lavitra izahay taloha rehefa nivory, koa mainka moa fa izao!

[Tabilao, pejy 132, 133]

TAONA MANAN-TANTARA—Samoa

1930

1931 Tonga teto Samoa ny vaovao tsara.

1940

1940 Nizara an’ilay bokikely Aiza moa Ireo Maty? i Harold Gill. Io no nadika voalohany tamin’ny teny samoanina.

1950

1953 Niforona teto Apia ny fiangonana voalohany.

1955 Tonga tatsy Samoa Amerikanina ny misionera.

1955 Nalefa eran’i Samoa Amerikanina ilay filma hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa.

1957 Fivoriamben’ny faritra voalohany tatsy Samoa Amerikanina.

1958 Nadika tamin’ny teny samoanina ny Tilikambo.

1959 Fivoriamben’ny faritra voalohany teto Samoa.

1960

1970

1974 Tonga teto Samoa ny misionera. Nandre ny vaovao tsara ny tany Tokelau.

1980

1984 Natao tao amin’ny tranon’ny misionera tao Sinamoga ny biraon’ny sampana.

1990

1991 Nandravarava ny Rivo-doza Val.

1993 Niara-nivoaka tamin’ny Tilikambo amin’ny teny anglisy ny an’ny teny samoanina. Notokanana ny Betela sy ny Efitrano Fivoriambe.

1996 Nandeha isan-kerinandro tamin’ny radio ny fandaharana “Valin’ny Fanontanianareo Momba ny Baiboly.”

1999 Natomboka ny tetikasa fanorenana Efitrano Fanjakana.

2000

2007 Nivoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny samoanina.

2010

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Mpitory

Mpisava lalana

700

400

100

1930 1940 1950 1960 1970 1980 1990 2000 2010

[Sary]

Frances sy Paul Evans

[Sarintany, pejy 73]

(Jereo ny boky)

HAWAII

AOSTRALIA

NOUVELLE-ZÉLANDE

TOKELAU

Nosy Swains

SAMOA

SAMOA AMERIKANINA

Nosy Manu‘a

Nosinakorandriaka Rose

OSEANA PASIFIKA ATSIMO

NIUE

Tsipika iraisam-pirenena mamaritra ny daty Alarobia

‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐

Alakamisy

TONGA

SAMOA AMERIKANINA

Tutuila

PAGO PAGO

Petesa

Tafuna

Fagatogo

Lauli‘i

‘Aunu‘u

SAMOA

Savaii

Aopo

Lata

Taga

Faga

Salimu

Fogapoa

Upolu

APIA

Faleasiu

Siusega

Vailele

Lefaga

Vava‘u

APIA

Vaiala

Faatoia

Sinamoga

[Sary, pejy 66]

[Sary, pejy 74]

Pele sy Ailua Fuaiupolu no Vavolombelona natao batisa voalohany teto Samoa

[Sary, pejy 81]

Nifindra teto Samoa i Ron sy Dolly Sellars tamin’ny 1953

[Sary, pejy 84]

Richard sy Gloria Jenkins, tamin’ny mariaziny tamin’ny Janoary 1955

[Sary, pejy 85]

Girlie sy Bill Moss, tamin’izy hankatỳ Samoa

[Sary, pejy 95]

Trano samoanina

[Sary, pejy 100]

Efitrano Fanjakana voalohany teto Samoa, izay naorina teto Apia

[Sary, pejy 107]

Efitrano Fanjakana taloha tao Tafuna, atsy Samoa Amerikanina

[Sary, pejy 115]

Metusela Neru

[Sary, pejy 116]

Saumalu Taua‘anae

[Sary, pejy 131]

Nifidy ny hanompo an’i Jehovah hatramin’ny mbola kely i Ane Ropati (Gauld)

[Sary, pejy 141]

Betelan’i Samoa

Komitin’ny Tany eto Samoa: Hideyuki Motoi, Fred Wegener, Sio Taua, ary Leva Faai‘u

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara