FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Betsaka ny Zavatra Mampanahy ny Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Jolay
    • MATOAN-DAHATSORATRA | MANAHY BE LOATRA VE IANAO?

      Betsaka Ny Zavatra Mampanahy Ny Olona

      “Nandeha nividy sakafo aho nefa bisikoỳ fotsiny no hitako, sady tena lafo be ilay izy. Tsisy sakafo namidy intsony ny ampitson’iny.”—Paul, any Zimbabwe.

      “Nilaozan’ny vadiko aho. Tsy zakako hoe namadika ahy izy. Dia hanao ahoana izao ny zanako?”—Janet, any Etazonia.

      “Vao maneno ny fanairana, dia lasa haingana aho miafina. Midaboka amin’ny tany aho rehefa mipoaka ny baomba. Mbola mangovitra be foana ny tanako, ora maro aorian’izay.”—Alona, any Israely.

      Lehilahy miady saina noho ny ady, fahantrana, aretina, ary ny olana eo amin’ny fiainana

      Betsaka ny zavatra mampanahy ny olona satria “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1) Maro no sahirana ara-bola, na mikorontana ny fianakaviany, na mipetraka any amin’ny tany misy ady, areti-mandringana, loza voajanahary, na loza vokatry ny nataon’ny olona. Eo koa ireo manahy, ohatra hoe: ‘Sao dia hivadika kansera io zavatra mivonto eo amin’ny vatako io?’, na hoe: ‘Hanao ahoana ny fiainan’ireto zafikeliko ireto any aoriana any?’

      Tsy ratsy foana ny hoe manahy. Matahotra kely, ohatra, isika rehefa hanao fanadinana, na fampisehoana, na hitady asa. Mitandrina koa isika rehefa misy loza atahorantsika, ary mahasoa antsika izany. Mankarary anefa ny manahy tafahoatra na manahy foana. Araka ny fanadihadiana natao vao haingana tamin’ny olona 68 000 mahery dia atahorana ho faty aloha be ny olona na miady saina kely fotsiny aza. Misy antony matoa i Jesosy niteny hoe: “Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely monja aza, rehefa manahy?” Tsy manalava androm-piainana tokoa ny fanahiana. Hoy àry i Jesosy: “Aza manahy intsony.” (Matio 6:25, 27) Ahoana anefa no hahavitana an’izany?

      Mila manana fahendrena ianao ary miezaka mba hatoky tanteraka an’Andriamanitra sy hahazo antoka hoe ho tsara ny hoavy. Mety handia fotoan-tsarotra daholo isika. Ahoana no nampiharan’i Paul sy Janet ary Alona an’ireo soso-kevitra ireo?

  • Manahy Momba ny Vola
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Jolay
    • MATOAN-DAHATSORATRA | MANAHY BE LOATRA VE IANAO?

      Manahy Momba Ny vola

      Hoy i Paul, manambady sady manan-janaka roa: “Nisondrotra be ny vidim-piainana ka zara raha nisy sakafo sady nidangana be koa ny vidiny. Nilahatra ela be izahay nefa matetika no mbola tsy tonga akory ny anjaranay, dia efa tsy nisy sakafo intsony. Nahia kely ny olona ary nisy aza nianjera fotsiny teny an-dalana. Niakatra an-tapitrisany koa ny vidin’ny zavatra ilaina andavanandro, ary avy eo lasa an’arivony tapitrisa mihitsy. Tsy nisy dikany intsony ny sandam-bolanay tamin’ny farany, ka foana ny kaontiko tany amin’ny banky sy ny vola fiantohana ary ny fisotroan-drononoko.”

      Lasa saina i Paul hoe inona no homeny ny vady aman-janany satria tsy misy na inona na inona any an-tsena

      Paul

      Fantatr’i Paul hoe mila “fahendrena” izy mba hamelomana ny fianakaviany. (Ohabolana 3:21) Hoy izy: “Mpandraharaha tamin’ny resaka elektrisite aho, nefa nataoko daholo izay asa hitako na kely karama aza. Sakafo na zavatra ilaina ao an-trano no karamako indraindray. Rehefa mahazo baran-tsavony efatra, ohatra, aho, dia namidiko ny roa fa nampiasainay kosa ny roa. Nahazo akohokely 40 aho tatỳ aoriana. Namidiko izy ireo rehefa lehibe, ka nividy akoho kely 300 aho. Natakaloko koban-katsaka roa kitapo (50 kg tsirairay) ny akoho 50. Ireo koban-katsaka ireo no nivelomanay mianakavy sy ny fianakaviana maromaro, nandritra ny fotoana elaela.”

      Takatr’i Paul koa fa tena ilaina ny miantehitra amin’Andriamanitra. Raha manaraka ny didiny isika dia hampiany. Hoy i Jesosy momba ny zavatra tena ilaintsika: “Aza be fanahiana intsony. ... Ny Rainareo [mantsy] mahalala fa mila izany ianareo.”—Lioka 12:29-31.

      Mampalahelo fa vitan’i Satana, ilay fahavalon’Andriamanitra, ny nitarika ny ankamaroan’ny olona tsy hieritreritra afa-tsy ny fitadiavana. Manahy be loatra izy ireo, ary tsy tena ilainy akory ny zavatra sasany nefa miezaka mafy erỳ izy ireo mba hahazo an’ilay izy. Betsaka no nidi-trosa, ka efa voa vao tonga saina hoe “izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.”—Ohabolana 22:7.

      Tsy nety ny fanapahan-kevitry ny olona sasany. Hoy i Paul: “Betsaka no nandao ny fianakaviany sy ny namany, ka ‘nila ravinahitra’ tany ivelany. Nisy aza nandeha nefa tsy ara-dalàna ny taratasiny ka tsy nahita asa mihitsy. Nandositra polisy izy ireo matetika sady teny an-dalana no natory. Tsy mba navelany hanampy azy Andriamanitra. Tapa-kevitra ny hiara-miatrika an’ilay olana kosa izahay mianakavy sady niantehitra tamin’Andriamanitra.”

      ARAHO NY TOROHEVITR’I JESOSY

      Hoy ihany i Paul: “Nilaza i Jesosy hoe: ‘Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.’ Nivavaka àry aho isan’andro hoe ‘omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio’, mba ho velona izahay mianakavy. Nanampy anay tokoa Andriamanitra, araka ny tenin’i Jesosy. Tsy hoe mahazo izay tianay foana anefa izahay. Nilahatra hividy sakafo, ohatra, aho indray mandeha, nefa tsy fantatro hoe inona no tao. Hay yaorta ilay izy! Izaho anefa tsy tia yaorta. Izay anefa no nisy, dia iny no nohaninay ny alin’iny. Misaotra an’Andriamanitra aho satria tsy nandry fotsy mihitsy izahay tamin’ireny fotoana ireny.”a

      Nampanantena Andriamanitra hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.”—Hebreo 13:5

      “Marina fa tsy dia sahirana ara-bola izahay izao. Nianaranay tamin’ireny anefa hoe rehefa misy zavatra mampanahy, dia ny miantehitra amin’Andriamanitra ihany no fanafodiny. Hanampy antsika foana i Jehovahb raha mbola manao ny sitrapony koa isika. Marina mihitsy ny Salamo 34:8 hoe: ‘Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah. Sambatra ny olona mialoka aminy.’ Tsy matahotra ho tratran’ny olana ara-bola intsony àry izahay.

      Tsotra ny sakafon-dry Paul nefa mivavaka izy sy ny vadiny ary ny zanany, alohan’ny hisakafo

      Omen’Andriamanitra ny “hanina sahaza” azy isan’andro ny olona mino azy

      “Fantatray tsara izao hoe ny sakafo no mahavelona, fa tsy asa na vola. Tsy andrinay mihitsy ny hahatanterahan’ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe: ‘Hahavokatra be ny tany.’ Mandra-pahatongan’izany anefa, dia hianina amin’ny ‘hanina sy fitafiana ary fialofana’ efa anananay izahay. Nampahery anay ilay andinin-teny hoe: ‘Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo. Fa hoy izy: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.” Koa be herim-po àry isika, ka milaza hoe: “Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho.” ’ ”c

      Tena ilana finoana ny ‘miara-mandeha amin’Andriamanitra’, toy ny ataon-dry Paul mianakavy. (Genesisy 6:9) Raha sahirana ara-bola ianao izao na amin’ny hoavy, dia tena niana-javatra avy tamin’ny finoan’i Paul sy ny fahendreny.

      Ary ahoana indray raha mampanahy anao ny olana ao an-tokantranonareo?

      a Jereo ny Matio 6:11, 34.

      b Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

      c Jereo ny Salamo 72:16; 1 Timoty 6:8; Hebreo 13:5, 6.

  • Manahy Momba ny Fianakaviana
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Jolay
    • MATOAN-DAHATSORATRA | MANAHY BE LOATRA VE IANAO?

      Manahy Momba Ny fianakaviana

      Hoy i Janet: “Vao maty kelikely i Dada, dia niteny tamiko ny vadiko hoe misy vehivavy miaraka aminy. Nahorony ny entany, tsy ela taorian’izay, ary lasa tsy nanao veloma izy, ka nilaozany izahay telo mianaka.” Efa nitrosa tany amin’ny banky i Janet tamin’izy nividy an’ilay tranony, ka na nahita asa aza izy, dia tsy ampy nandoavany ny volan’ny banky akory ny karamany. Hoy koa izy: “Mafy be ilay miantsoroka andraikitra vaovao, sady amin’izay ianao irery no tsy maintsy manao an’ilay izy. Nanamelo-tena aho satria tsy nahavita nanome tsara an’izay ilain’ny zanako hoatran’ny ataon’ny ray aman-dreny hafa. Mbola lasa saina foana aho hatramin’izao hoe ahoana no fiheveran’ny olona an’ahy sy ny zanako. Mety hieritreritra ve izy ireo hoe tsy nanao izay azoko natao aho mba hanavotana ny tokantranoko?”

      Janet mieritreritra ny olana ao an-tokantranony

      Janet

      Ny vavaka no nanampy an’i Janet hifehy ny fihetseham-pony sy hiezaka hifandray tsara amin’Andriamanitra. Hoy izy: “Amin’ny alina no tena mafy, rehefa ilay mangina be iny. Miady saina be mantsy aho. Manampy ahy hahita tory ny mivavaka sy mamaky Baiboly. Tiako be ilay voalazan’ny Filipianina 4:6, 7 hoe: ‘Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.’ Imbetsaka aho no nahatsapa hoe nampionona ahy ny fiadanan’Andriamanitra, rehefa mivavaka aho amin’ny alina.”

      Na inona na inona mampanahy antsika, dia hanampy antsika foana ity tenin’i Jesosy momba ny vavaka ity: “Fantatr’Andriamanitra Rainareo izay ilainareo, raha mbola tsy mangataka aminy akory aza ianareo.” (Matio 6:8) Mila mangataka aminy tokoa isika! Ny vavaka no tena hanampy antsika ‘hanatona an’Andriamanitra’, ary ‘hanatona antsika izy’ raha manao izany isika.—Jakoba 4:8.

      Tsy hoe lasa maivamaivana fotsiny isika rehefa mivavaka. “Mpihaino vavaka” i Jehovah ka manao zavatra ho an’izay mino azy sy mitady azy. (Salamo 65:2) Izany no nahatonga an’i Jesosy hampianatra ny mpanara-dia azy mba “hivavaka foana, ka tsy hitsahatra.” (Lioka 18:1) Tsy maintsy mangataka ny fitarihan’Andriamanitra sy ny fanampiany foana isika, sady matoky hoe hamaly antsika izy. Aza misalasala mihitsy hoe tsy te hanao an’izany izy na tsy mahavita an’izany. Ho hita fa tena mino azy isika raha ‘tsy mitsahatra mivavaka.’—1 Tesalonianina 5:17.

      INONA NO TENA DIKAN’NY HOE MANAM-PINOANA?

      Inona marina ny finoana? Hanam-pinoana isika raha “mianatra hahalala” an’Andriamanitra. (Jaona 17:3) Hahalala azy kosa isika raha mamaky Baiboly ka mianatra ny fomba fisainany. Ho hitantsika fa mandinika antsika tsirairay izy ary te hanampy antsika. Tsy izay mahafantatra zavatra kely momba an’Andriamanitra anefa dia manana finoana. Mila minamana aminy sy manaja azy koa ilay olona. Tsy misy olona tonga dia ho mpinamana vetivety eo fotsiny, ary toy izany koa ny minamana amin’Andriamanitra. Hitombo ny finoantsika arakaraka ny hahalalantsika azy, sy ‘hanaovantsika izay sitrany’, ary hahatsapantsika hoe manampy izy. (2 Korintianina 10:15; Jaona 8:29) Finoana toy izany no nahafahan’i Janet nizaka ny fanahiany.

      Hoy i Janet: “Rehefa tsapako hoe teo foana i Jehovah, dia izay no tena nahatonga ahy hanam-pinoana. Imbetsaka izahay no nizaka ny tsy eran’ny aina. Nivavaka tamin’i Jehovah foana izahay ary nampiany tamin’ny fomba tsy noeritreretiko mihitsy. Isaky ny misaotra azy aho, dia tsaroako hoe be dia be ny zavatra nataony ho ahy. Tonga tamin’ny fotoana nilanay azy foana ny fanampiany. Izy koa no nanome ahy an’ireo Kristianina tena namako. Vonon-kanampy foana izy ireo sady ohatra tsara ho an’ny zanako.”a

      Reny miaraka amin’ny zanany

      “Azoko ny mahatonga an’i Jehovah hiteny hoe ‘halako ny fisaraham-panambadiana’, ao amin’ny Malakia 2:16. Mafy be izany hoe nisarahan’ny vadinao izany nefa ianao tsy diso! Efa ela ny vadiko no nandao anay nefa mbola manirery sy mahatsapa ho tsy misy vidiny ihany aho indraindray. Miezaka manao zavatra ho an’olona àry aho, dia izany foana no manampy ahy.” Ampiharin’i Janet ilay toro lalan’ny Baiboly hoe tsy mitokantokana ka lasa tsy dia manahy izy.b—Ohabolana 18:1.

      “Ray ho an’ny kamboty ray ary mpitsara ho an’ny mpitondratena Andriamanitra.”—Salamo 68:5

      Hoy ihany i Janet: “Tena mampahery ahy ny mahafantatra hoe ‘Ray ho an’ny kamboty ray ary mpitsara ho an’ny mpitondratena Andriamanitra.’ Tsy handao anay toy ny nataon’ny vadiko mihitsy izy.” (Salamo 68:5) Fantatr’i Janet tsara fa tsy mitsapa antsika “amin-javatra ratsy” Andriamanitra. “Malala-tanana amin’ny rehetra” kosa izy rehefa manome fahendrena, sady manome antsika “hery fanampiny” mba hiatrehantsika fanahiana.—Jakoba 1:5, 13; 2 Korintianina 4:7.

      Ary ahoana raha manahy ianao satria tandindomin-doza ny ainao?

      a Jereo ny 1 Korintianina 10:13; Hebreo 4:16.

      b Misy torohevitra hafa hanampy anao tsy hanahy be loatra koa ao amin’ilay matoan-dahatsoratra hoe “Ahoana no Hiatrehanao ny Olana Mahazo Anao?”, ao amin’ny Mifohaza! Jolay 2015, azo alaina ao amin’ny jw.org/mg.

  • Manahy Momba ny Loza
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Jolay
    • MATOAN-DAHATSORATRA | MANAHY BE LOATRA VE IANAO?

      Manahy Momba Ny loza

      Hoy i Alona: “Vao maheno fanairana aho, dia midobodoboka be ny foko. Mitsoaka haingana any amin’ny toerana fiafenana amin’ny baomba aho. Tsy milamina ny saiko na any aza aho. Vao mainka aho matahotra rehefa any ivelany ka tsy misy hiafenana. Tratran’izany aho indray mandeha, dia nitomany sady tsy avy miaina. Ela be aho vao tony, nefa naneno indray ilay fanairana.”

      Alona matahotra baomba hipoaka

      Alona

      Tsy ny ady ihany no mahatonga loza. Mety ho toy ny nilatsaham-baratra, ohatra, ianao rehefa fantatrao hoe tratran’ny aretina mahafaty ianao na ny havanao akaiky. Mampanahy ny olona sasany koa izay havoakan’ny ampitso. Matahotra izy ireo sao ny zanany na ny zafikeliny hiaina ao anatin’ny ady, heloka bevava, areti-mandringana, ary tontolo iainana simba sy maloto. Inona no hanampy antsika tsy hanahy be loatra?

      “Mahatsinjo ny loza ny malina ka miafina” satria fantany fa tsy maintsy hisy zava-dratsy hitranga. (Ohabolana 27:12) Miezaka miaro ny aintsika isika, ary afaka miaro ny saintsika sy ny fontsika koa. Tsy hoe tsy te hahita ny zava-misy akory isika raha tsy mijery sary feno herisetra. Manampy trotraka ny fanahiantsika sy ny an’ny zanatsika mantsy ny fialam-boly feno herisetra, ary na dia ny vaovao misy sary mahatsiravina aza. Tsy nataon’Andriamanitra ho feno zava-dratsy ny saintsika, fa tiany hofenointsika zavatra ‘marina, mahitsy, madio, ary mahatehotia.’ Hataon’ilay “Andriamanitry ny fiadanana” tony tsara ny saintsika sy ny fontsika amin’izay.—Filipianina 4:8, 9.

      ZAVA-DEHIBE NY VAVAKA

      Manampy antsika hiatrika fanahiana ny tena finoana. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba “ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.” (1 Petera 4:7) Mivavaha mba hampian’Andriamanitra, sy hahita hevitra ka hanao izay tsara indrindra vitantsika na dia mafy aza ny manjo. Matokia fa “mihaino antsika izy na inona na inona angatahintsika.”—1 Jaona 5:15.

      Avi sy Alona miara-mivavaka

      Miaraka amin’i Avi, vadiny

      Milaza ny Baiboly fa i Satana no “mpitondra an’izao tontolo izao” fa tsy Andriamanitra, ary ‘eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ (Jaona 12:31; 1 Jaona 5:19) I Satana no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nampianatra antsika hivavaka izy hoe: “Manafaha anay amin’ilay ratsy.” (Matio 6:13) Hoy i Alona: “Rehefa maneno ny fanairana, dia mivavaka amin’i Jehovah aho mba hahavitako hifehy ny fihetseham-poko. Mitelefaonina ahy koa ny vadiko dia miaraka mivavaka amiko. Tena manampy ny vavaka.” Hoy ny Baiboly: “Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah, dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana.”—Salamo 145:18.

      ILAINA NY MANANTENA ZAVATRA TSARA

      Nampianarin’i Jesosy hivavaka toy izao ny mpanara-dia azy: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” (Matio 6:10) Hesorin’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy hisy intsony ny zavatra mampanahy. Hampiasa an’i Jesosy, ilay “Andrianan’ny Fiadanana”, Andriamanitra ka ‘hampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany.’ (Isaia 9:6; Salamo 46:9) “Hamoaka didim-pitsarana eo amin’ny firenena maro” Andriamanitra. “Ireo firenena dia samy tsy hanainga sabatra hifamely. Ary tsy hianatra ady intsony koa izy ireo. ... Tsy hisy hampangovitra azy.” (Mika 4:3, 4) Ho faly “hanao trano” ny fianakaviana “ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany.” (Isaia 65:21) “Ary tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:24.

      Mety ho tratran’ny “tsy ampoizina” ihany isika na mitandrina be aza. (Mpitoriteny 9:11) Misy foana ny olona tsara fanahy matin’ny ady, herisetra, ary aretina, toy ny hatramin’izay. Ahoana ny amin’ireny olona ireny?

      Matory izao ireny olona an-tapitrisany ireny, ary ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra. Ho avy anefa ny fotoana hivoahan’izay rehetra any am-pasana. (Jaona 5:28, 29) Hoy ny Baiboly, momba ny fitsanganan’ny maty: “Izany fanantenana ananantsika izany no vatofantsiky ny aintsika, sady azo antoka no mafy orina.” (Hebreo 6:19) Efa nomen’Andriamanitra “antoka ny amin’izany ny olona rehetra tamin’ny nananganany [an’i Jesosy] tamin’ny maty.”—Asan’ny Apostoly 17:31.

      Miatrika fanahiana aloha izao, na dia ireo miezaka mampifaly an’Andriamanitra aza. Mahavita an’izany i Paul sy Janet ary Alona, satria manana fahendrena sy mivavaka ary mino ny fampanantenan’ny Baiboly. “Ilay Andriamanitra manome fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra noho ny finoanareo”, toy ny nataony tamin’izy ireo.—Romanina 15:13.

      Nahoana Raha Manatona Mpitsabo?

      Efa niezaka ve ianao nefa mbola misy vokany eo amin’ny zavatra fanaonao andavanandro ihany ny fanahiana? Mety hila hanatona mpitsabo ianao raha izany. Raha manahy tafahoatra ny olona iray rehefa misy olana kely, dia mety hidika izany hoe tsy metimety izy. Mety hojeren’ny mpitsabo aloha ny fahasalamanao satria zavatra hafa no mahatonga ny fanahiana, indraindray. Ho hitany eo avy eo izay fitsaboana tsara arahinao.a

      a Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana ity gazety ity. Anjaran’ny Kristianina tsirairay ny mitandrina, mba tsy hifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fitsaboana arahiny. Jereo koa ilay lahatsoratra hoe “Ampio Ireo Mikorontan-tsaina Lava”, ao amin’ny Mifohaza! Martsa 2012, sady azo jerena ao amin’ny jw.org/mg.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara