FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nahoana ny Olona no Mivavaka?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Oktobra
    • MATOAN-DAHATSORATRA | MAHASOA VE NY MIVAVAKA?

      Nahoana ny Olona no Mivavaka?

      “Mpiloka be aho. Nivavaka aho mba hahazo volabe fa tsy nahazo mihitsy.”—Samuel,a any Kenya.

      “Tsy maintsy nanao tsianjery an’izay vavaka nampianarina anay fotsiny izahay, tany am-pianarana.”—Teresa, any Philippines.

      “Mivavaka aho rehefa manana olana. Mivavaka koa aho mba ho voavela heloka, sy ho lasa Kristianina tsara toetra kokoa.”—Magdalene, any Ghana.

      1. Lehilahy mivavaka eo anoloan’ny latabatra filokana; 2. Ankizivavy mivavaka ao am-pianarana; 3. Vehivavy mivavaka

      Hita amin’izany fa samy manana ny antony ivavahany ny olona. Ny an’ny sasany mba tsara kokoa raha oharina amin’ny an’ny hafa. Tena vokatry ny fo ny an’ny sasany, fa misy indray tsy misy fihetseham-po mihitsy. Misy, ohatra, mivavaka mba ho afa-panadinana, na mba handresy ny ekipa ankafiziny, na mba hitari-dalana ny tokantranony Andriamanitra. Na inona na inona anefa zavatra angatahin’ny olona, dia hita hoe an-jatony tapitrisa no te hivavaka. Na ireo tsy mpiditra am-piangonana aza mba mivavaka matetika, araka ny fanadihadiana.

      Ary ianao? Tia mivavaka ve ianao? Inona no resahinao rehefa mivavaka? Na zatra mivavaka ianao na tsia, dia mety hieritreritra hoe: ‘Tena ilaina ve ny mivavaka? Misy mihaino ve ny vavaka ataoko?’ Milaza ny mpanoratra iray fa ‘manamaivamaivana’ fotsiny ny mivavaka. Misy dokotera milaza koa fa toy ny “solona fanafody” ny vavaka. Fahazarana fotsiny àry ve ny mivavaka, sa mba misy soa azo ihany amin’ilay izy?

      Resahin’ny Baiboly fa tsy hoe manamaivamaivana fotsiny ny vavaka. Tena misy mihaino ny vavaka ataontsika, raha mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ilay izy. Andao àry isika handinika an’izany.

      a Novana ny anarana sasany.

  • Misy Mihaino ve ny Vavaka Ataontsika?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Oktobra
    • Jesosy sy ny mpianany miara-mivavaka, dia i Jesosy miandrandra ny lanitra, fa ny mpianany miondrika

      MATOAN-DAHATSORATRA | MAHASOA VE NY MIVAVAKA?

      Misy Mihaino ve ny Vavaka Ataontsika?

      Misy mihevitra fa lany fotoana fotsiny ianao rehefa mivavaka, satria tsy misy mihaino akory. Ny hafa indray efa nivavaka fa tsy nisy valiny, hono. Nisy lehilahy iray, ohatra, tsy nino an’Andriamanitra. Naka sary an-tsaina an’Andriamanitra izy, dia nivavaka hoe: “Mba bitsibitsiho kely fotsiny aho!” Hoy izy avy eo:‘Tsy niteny mihitsy Andriamanitra.’

      Manome toky antsika anefa ny Baiboly fa tena misy Andriamanitra, ary mihaino ny vavaka ataontsika izy. Hita ao ity teny ho an’ny Israelita ity: ‘Hiantra anao Andriamanitra rehefa mandre ny fitarainanao. Raha vao mandre izany izy, dia hamaly anao.’ (Isaia 30:19) Milaza koa ny Ohabolana 15:8 hoe: ‘Mahafinaritra azy ny vavaky ny olo-mahitsy.’

      Nivavaka tamin’ny Rainy i Jesosy ka “nohenoina” izy.—Hebreo 5:7.

      Resahin’ny Baiboly hoe nohenoina ny vavaka nataon’ny olona sasany. Milaza ny Hebreo 5:7 fa “niangavy tamin’Ilay nahay namonjy azy tsy ho faty” i Jesosy, ka “nohenoina.” Mbola misy ohatra hafa koa ao amin’ny Daniela 9:21 sy ny 2 Tantara 7:1.

      Nahoana àry no tsy mivaly ny vavaka ataon’ny olona sasany? Raha tiantsika hohenoina ny vavaka ataontsika, dia tsy maintsy mivavaka amin’i Jehovah,a ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly isika, fa tsy amin’ny andriamani-kafa na amin’ny razana. Tokony ‘hifanaraka amin’ny sitrapony’ koa ny zavatra angatahantsika. ‘Hihaino antsika izy’, raha manao an’izany isika. (1 Jaona 5:14) Tokony hianatra momba an’i Jehovah sy ny sitrapony àry isika.

      Betsaka no milaza fa tsy fombafomba fotsiny ny vavaka, fa tena mihaino sy mamaly azy ireny Andriamanitra. Hoy i Isaac, any Kenya: “Nivavaka aho mba hahazo izay lazain’ny Baiboly. Tsy ela taorian’izay, dia nisy olona nanatona ahy ary nanasa ahy hianatra Baiboly.” Te hiala tamin’ny sigara i Hilda, any Philippines. Tsy vitany mihitsy ilay izy, ka hoy ny vadiny: “Maninona raha mangataka fanampiana amin’Andriamanitra?” Narahiny ny tenin’ny vadiny, dia hoy izy: “Gaga be aho fa nanampy ahy Izy. Hoatran’ny tonga dia lasa tsy te hifoka izany intsony aho. Vitako ny niala tamin’ilay izy.”

      Mety hihaino anao ve Andriamanitra rehefa resahinao aminy izay mampanahy anao, ary mifanaraka amin’ny sitrapony ilay izy?

      a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

  • Nahoana Isika no Asain’Andriamanitra Mivavaka?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Oktobra
    • MATOAN-DAHATSORATRA | MAHASOA VE NY MIVAVAKA?

      Nahoana Isika no Asain’Andriamanitra Mivavaka?

      Tiany ho lasa namany isika.

      Mifampiresaka ny mpinamana, amin’izay lasa mifandray tsara. Asain’Andriamanitra hiresaka aminy koa isika, mba hifandray tsara aminy. Hoy izy: “Hiantso ahy ianareo ka ho avy hivavaka amiko, ary hihaino anareo aho.” (Jeremia 29:12) Raha miresaka amin’Andriamanitra ianao, dia hanatona azy, ary izy ‘hanatona anao.’ (Jakoba 4:8) Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah.” (Salamo 145:18) Vao mainka ianao hifandray akaiky amin’Andriamanitra, raha mazoto mivavaka.

      “Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah.”—Salamo 145:18

      Te hanampy anao izy.

      Hoy i Jesosy: ‘Iza tokoa moa aminareo raha angatahan’ny zanany mofo no hanome azy vato? Ary raha angatahany trondro no hanome azy bibilava? Koa raha ianareo aza mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra! Hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy izy.’ (Matio 7:9-11) Manasa antsika hivavaka Andriamanitra satria ‘miahy antsika’ izy sady te hanampy antsika. (1 Petera 5:7) Asainy resahina aminy mihitsy aza ny olana manjo antsika. Hoy ny Filipianina 4:6: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.”

      Mila mifandray amin’Andriamanitra isika.

      Hitan’ny manam-pahaizana momba ny olombelona hoe an-jatony tapitrisa ny olona te hivavaka. Anisan’izany ireo tsy mino an’Andriamanitra sy misalasala momba ny fisiany.a Hita amin’izany fa noforonina mba hifandray amin’Andriamanitra ny olona. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Miresaha foana àry amin’Andriamanitra. Anisan’ny fomba ampisehoantsika izany hoe mila azy isika.

      Manasa antsika Andriamanitra mba hivavaka aminy. Inona avy ny soa mety ho azontsika raha manaiky isika?

      a Araka ny fanadihadiana nataon’ny Foibem-pikarohan’i Pew, tany Etazonia, tamin’ny 2012, dia ny 11 isan-jaton’ny olona tsy mino an’Andriamanitra sy ny olona misalasala momba ny fisiany no mivavaka, fara fahakeliny, indray mandeha isam-bolana.

      Inona avy no Azo Resahina Rehefa Mivavaka?

      Milaza ny Baiboly fa azontsika resahina amin’ny vavaka ny zava-drehetra eo amin’ny fiainantsika. Anisan’izany ireto:

      • Mangataka famelan-keloka: ‘Niaiky ny fahotako teo anatrehanao aho, ary ny fahadisoako tsy mba nosarontsaronako.’—Salamo 32:5.

      • Misaotra: “Tsara ny misaotra anao, Jehovah ô.”—Salamo 92:1.

      • Midera: “Hisaotra an’i Jehovah mandrakariva aho, ho eo am-bavako foana ny fiderana azy.”—Salamo 34:1.

      • Mangataka tari-dalana: “Ampandehano eo amin’ny lalan’ny didinao aho, fa mahafinaritra ahy izany.”—Salamo 119:35.

      • Mangataka hery: “Tsinjovy aho, ka iantrao. Omeo ny herinao ity mpanomponao.”—Salamo 86:16.

  • Tena Manampy Anao ve ny Vavaka?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Oktobra
    • Vehivavy mivavaka sady mieritreritra ny reniny marary

      MATOAN-DAHATSORATRA | MAHASOA VE NY MIVAVAKA?

      Tena Manampy Anao ve ny Vavaka?

      Alohan’ny hanaovana zavatra iray, dia ara-dalàna ianao raha mieritreritra hoe: ‘Mba misy soa azoko ve amin’ity?’ Diso ve anefa ianao raha mieritreritra toy izany koa rehefa hivavaka? Tsy voatery! Ara-dalàna raha te hahafantatra an’izany isika. Na i Joba aza mantsy nilaza hoe: “Hamaly ve izy, raha miantso azy aho?”—Joba 9:16.

      Hitantsika teo aloha fa tsy hoe fahazarana fotsiny na hoe manamaivamaivana fotsiny ny vavaka. Tena mihaino vavaka ilay tena Andriamanitra. Hihaino antsika izy raha mifanaraka amin’izay takiny ny fomba ivavahantsika aminy sy ny zavatra resahintsika. Asainy mihitsy aza isika hanatona azy. (Jakoba 4:8) Inona àry ny soa ho azontsika raha zatra mivavaka isika? Ireto ny sasany amin’izany:

      Milamin-tsaina

      Mitebiteby be ve ianao rehefa misy olana? Mampirisika antsika ny Baiboly mba tsy ‘hitsahatra hivavaka’ sy ‘hampahafantatra an’Andriamanitra ny fangatahantsika.’ (1 Tesalonianina 5:17; Filipianina 4:6) ‘Hiambina ny fontsika sy ny saintsika ny fiadanan’Andriamanitra’, raha mivavaka isika. “Lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” mantsy izy io. (Filipianina 4:7) Hilamin-tsaina isika raha mamboraka an’izay mampanahy antsika amin’ilay Raintsika any an-danitra. Milaza mihitsy aza ny Salamo 55:22 hoe: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao.”

      “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao.”—Salamo 55:22

      Be dia be ny olona efa nanao an’izany ka lasa nilamin-tsaina. Hoy i Hee Ran, any Korea Atsimo: “Na dia tena lehibe aza ny olana mahazo ahy, dia maivamaivana erỳ aho sady lasa matanja-tsaina, raha tonga dia mivavaka momba an’ilay izy.” Hoy koa i Cecilia, any Philippines: “Renim-pianakaviana aho, dia manahy be momba an’ireo zanako vavy. Marary koa i Neny ka efa tsy mahatadidy ahy intsony. Tena manampy ahy anefa ny vavaka, ka vitako ihany ny fiainako isan’andro. Fantatro fa hanampy ahy hikarakara azy ireo i Jehovah.”

      Matanja-tsaina rehefa misy fitsapana

      Miady saina be ve ianao, sa ny ainao mihitsy no atahorana, sa nisy loza nahazo anao? Tena ho maivamaivana ianao raha mivavaka amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” Milaza ny Baiboly fa “mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy.” (2 Korintianina 1:3, 4) Nitebiteby be, ohatra, i Jesosy, dia “nandohalika ka nivavaka.” Inona no vokany? “Nisy anjely anankiray avy any an-danitra niseho taminy, ary nankahery azy.” (Lioka 22:41, 43) Hoatr’izany koa i Nehemia. Nisy olona ratsy fanahy nanakana azy tsy hanao ny asan’Andriamanitra. Nivavaka àry izy hoe: ‘Mba ampaherezo aho, Andriamanitra ô!’ Hita amin’ny tohin’ilay tantara fa tena nanampy azy Andriamanitra, ka tsy natahotra izy sady vitany ilay asa. (Nehemia 6:9-16) Hoy koa i Reginald, any Ghana: “Rehefa mivavaka aho, indrindra fa rehefa ilay manana olana tena lehibe iny, dia hoatran’ny hoe noresahiko tamin’olona iray afaka manampy ahy ilay izy, ary nomeny toky aho hoe aza manahy.” Afaka mampahery antsika tokoa Andriamanitra rehefa mivavaka isika.

      Mahazo fahendrena avy amin’Andriamanitra

      Mety hisy vokany amintsika sy ny fianakaviantsika ny fanapahan-kevitra sasany raisintsika. Inona àry no hanampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara? Hoy ny Baiboly: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena [indrindra rehefa misy fitsapana], aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny. Dia homena azy izany.” (Jakoba 1:5) Raha mangataka fahendrena amin’Andriamanitra isika, dia homeny fanahy masina mba handray fanapahan-kevitra tsara. Afaka mangataka fanahy masina mihitsy aza isika, satria efa nilaza i Jesosy fa “hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy” ny Rainy.—Lioka 11:13.

      Lehilahy mivavaka

      “Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho mba handray fanapahan-kevitra tsara.”—Kwabena, any Ghana

      Na i Jesosy aza nangataka fanampiana tamin’ny Rainy rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Rehefa hifidy an’ireo apostoliny 12 izy, dia ‘nivavaka nandritra ny alina manontolo.’—Lioka 6:12.

      Betsaka koa amin’izao no mangataka fanampiana amin’Andriamanitra rehefa hanapa-kevitra. Resy lahatra toa an’i Jesosy izy ireo hoe mamaly vavaka Andriamanitra. Nanana olana be dia be, ohatra, i Regina any Philippines. Izy no namelona ny fianakaviany rehefa maty ny vadiny. Tsy an’asa koa izy, ary sahirana be nitaiza ny zanany. Inona no nanampy azy handray fanapahan-kevitra tsara? Hoy izy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho.” Hoy koa i Kwabena, any Ghana: “Mpanao trano no asako ary be karama ilay izy. Lasa tsy an’asa anefa aho.” Inona àry no nataony rehefa nitady asa indray izy? Hoy izy: ‘Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho mba handray fanapahan-kevitra tsara. Niaiky aho hoe tena nanampy ahy izy mba hifidy tsara an’izay asa ahafahako mikarakara ny zavatra ilaiko.’ Raha mivavaka koa ianao rehefa misy zavatra mety hanimba ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, dia hitari-dalana anao izy.

      Be dia be ny soa azo rehefa mivavaka, fa ny sasany ihany no noresahintsika teo. (Mbola misy hafa koa ao amin’ilay hoe “Ny Soa Azo Rehefa Mivavaka.”) Tsy maintsy mahafantatra an’Andriamanitra sy ny sitrapony anefa aloha ianao vao hahazo an’ireo. Mampirisika anao àry izahay mba hianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.a Izany mantsy no dingana voalohany hanampy anao hifandray kokoa amin’ilay “Mpihaino vavaka.”—Salamo 65:2.

      a Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky anareo, na jereo ny tranonkalanay www.pr2711.com/mg, raha mila fanazavana fanampiny ianao.

      Ny Soa Azo Rehefa Mivavaka

      Hilamin-tsaina: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”—Filipianina 4:6, 7.

      Hampahery anao Andriamanitra: “Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra! Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy.”—2 Korintianina 1:3, 4.

      Hahazo torohevitra ka hahay hanapa-kevitra tsara: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny. Dia homena azy izany.”—Jakoba 1:5.

      Hahatohitra fakam-panahy: “Mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.”—Lioka 22:40.

      Hahazo famelan-keloka: “Manetry tena ny oloko izay antsoina amin’ny anarako, ka mivavaka sy mitady ahy ary miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino any an-danitra aho ka hamela ny fahotany.”—2 Tantara 7:14.

      Afaka manampy ny hafa: “Misy heriny lehibe sady tena misy vokany ny fitalahoan’ny olo-marina.”—Jakoba 5:16.

      Hatanja-tsaina rehefa mahazo valim-bavaka: “Hoy i Jehovah [tamin’i Solomona]: ‘Efa reko ny vavakao sy ny fitalahoanao famindram-po teo anatrehako.’ ”—1 Mpanjaka 9:3.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara