-
Mankasitraka ny Ady ve Andriamanitra?Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Novambra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA
Mankasitraka ny Ady ve Andriamanitra?
Ahoana no hamalianao an’izany? Betsaka no mieritreritra hoe mankasitraka ny ady Andriamanitra. Mihevitra izy ireo fa nasainy niady ny mpanompony sasany taloha, ary manamafy an’izany ny Baiboly. Ny hafa indray mahafantatra fa nampianatra ny mpianany ho tia ny fahavalony i Jesosy Zanak’Andriamanitra. (Matio 5:43, 44) Mihevitra àry izy ireo fa lasa tsy mankasitraka ny ady intsony Andriamanitra amin’izao.
Ahoana ny hevitrao? Mankasitraka ny ady ve Andriamanitra? Raha eny, miandany amin’iza izy rehefa misy ady? Hanampy anao handinika tsara ny fiheveranao ny ady ny valin’ireo fanontaniana ireo. Andeha atao hoe misy foko anankiroa miady. Raha fantatrao, ohatra, hoe mankasitraka ny ady Andriamanitra sady miandany amin’ilay foko tohananao, tsy ho faly ve ianao? Matoky mantsy ianao fa tsy maintsy handresy ilay foko. Ahoana indray raha ilay foko iray no tohanany? Azo antoka fa hieritreritra ianao hoe sao dia tokony hiova hevitra.
Misy zavatra tena lehibe hafa anefa. Raha fantatrao ny fiheveran’Andriamanitra ny ady, dia ho hainao hoe hoatran’ny ahoana izy. Raha anisan’ireo an-tapitrisany mankahala ny ady ianao, dia azo antoka fa hahaliana anao ireto: Marina ve fa mamela ny olona hiady Andriamanitra na mampirisika azy ireo hiady, amin’izay ny olona mijaly? Tsy raharahainy ve na mijaly vokatry ny ady aza ny olona?
Mety ho gaga ianao raha mahalala fa tena tsy mitovy amin’ireo mihitsy ny lazain’ny Baiboly. Tsy niova mantsy ny fiheveran’Andriamanitra ny ady hatramin’izao. Andeha hodinihintsika ny fiheveran’Andriamanitra ny ady tamin’ny andro taloha sy tamin’ny taonjato voalohany, izany hoe tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Hanampy antsika hahita izany hoe ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny ady amin’izao, ary mbola hisy foana ve ny ady.
-
-
Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady FahinyNy Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Novambra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | MANKASITRAKA NY ADY VE ANDRIAMANITRA?
Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady Fahiny
Ny Israelita no vahoakan’Andriamanitra fahiny. Nampijalin’ilay firenena matanjaka atao hoe Ejipta izy ireo. (Eksodosy 1:13, 14) Nivavaka tamin’Andriamanitra imbetsaka io vahoaka io, mba ho afaka tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsianina. Tsy nivaly teo no ho eo anefa ilay vavaka, fa tsy maintsy niandry an-taonany maro izy ireo. Nanao zavatra ihany Andriamanitra, tamin’ny farany. (Eksodosy 3:7-10) Milaza ny Baiboly fa Andriamanitra mihitsy no niady tamin’ny Ejipsianina. Nasiany tamin’ny loza nisesisesy sady nahatsiravina i Ejipta, ary naripany tao amin’ny Ranomasina Mena avy eo ny mpanjakany sy ny tafiny. (Salamo 136:15) Noporofoin’i Jehovah Andriamanitra fa “mpiady mahery” ho an’ny vahoakany izy.—Eksodosy 15:3, 4.
Tsy hoe halan’Andriamanitra daholo àry rehefa ady, raha jerena ny ady nataony tamin’ny Ejipsianina. Nisy fotoana izy namela ny Israelita hiady. Nasainy niady tamin’ny Kananita, ohatra, izy ireo satria ratsy fanahy be ny Kananita. (Deoteronomia 9:5; 20:17, 18) Nanome toromarika an’i Davida mpanjakan’ny Israely izy mba hiady tamin’ny Filistinina. Nampijaly ny Israelita mantsy izy ireo. Natoron’Andriamanitra paikady mihitsy aza i Davida, amin’izay mandresy.—2 Samoela 5:17-25.
Hita amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly ireo fa rehefa nisy nampijaly na nampahory ny Israelita, dia navelan’Andriamanitra hisy ny ady mba hiarovana ny vahoakany sy ny fivavahana marina. Mariho anefa fa nisy zavatra telo nampiavaka an’ireny ady ireny.
ANDRIAMANITRA IHANY NO NAMARITRA HOE IZA NO ALEFA HIADY. Nisy fotoana izy nilaza tamin’ny Israelita hoe: “Tsy mila miady ianareo amin’ity indray mandeha ity.” Fa nahoana? Satria Andriamanitra mihitsy no niady ho azy ireo. (2 Tantara 20:17; 32:7, 8) Imbetsaka izy no nanao an’izany, ohatra hoe ilay nataony tamin’ny Ejipsianina. Nasainy niady anefa ny Israelita, indraindray, mba hakana sy hiarovana ny Tany Nampanantenaina.—Deoteronomia 7:1, 2; Josoa 10:40.
ANDRIAMANITRA IHANY NO NAMARITRA HOE RAHOVIANA NO HATAO ILAY ADY. Nila niady ny vahoakan’Andriamanitra rehefa nisy nampijaly na ratsy fanahy be ny olona nanodidina azy ireo. Tsy maintsy niandry ny fotoana nety tamin’Andriamanitra anefa izy ireo. Tsy nahazo nandeha niady mihitsy izy ireo, mandra-pahatongan’izany. Raha nanandrana nanao an’izany izy ireo, dia tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa loza ny vokany rehefa sahisahy nandeha niady ny Israelita, nefa tsy nahazo alalana tamin’Andriamanitra akory.a
TSY TIAN’ANDRIAMANITRA HO FATY NY OLONA, ANISAN’IZANY NY RATSY FANAHY. I Jehovah Andriamanitra no Loharanon’aina sady Mpamorona ny olombelona. (Salamo 36:9) Tsy tiany ho faty àry ny olona. Misy olona ratsy fanahy mitady hampijaly ny hafa anefa, na te hamono azy ireo mihitsy. (Salamo 37:12, 14) Nisy fotoana navelan’Andriamanitra hiady ny Israelita, mba hanakanana an’ireny olona ratsy fanahy ireny. Na izany aza anefa, dia ‘namindra fo’ sy “tsy mora tezitra” tamin’izy ireny i Jehovah. (Salamo 86:15) Nanome didy, ohatra, izy hoe alohan’ny handehanan’ny Israelita hiady amin’ny tanàna anankiray, dia tokony holazaina amin’ny mponina ao aloha “izay fepetra tsy hisian’ny ady.” Ho afaka hiova amin’ny ratsy fanaony izy ireo amin’izay, ka tsy hisy ny ady. (Deoteronomia 20:10-13) Asehon’Andriamanitra amin’izany fa ‘tsy sitrany ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialany amin’ny lalan-dratsiny mba ho velona izy.’—Ezekiela 33:11, 14-16.b
Hita avy amin’izany fa fomba nampitsaharan’Andriamanitra ny fampijaliana sy ny faharatsiana ny ady, fahiny. Andriamanitra anefa fa tsy olona no namaritra hoe rahoviana ilay ady no hatao, ary iza no hanao an’ilay izy. Tena lian-dra ve anefa Andriamanitra, ka mailaka erỳ izy raha vao hoe resaka ady? Tsy izany mihitsy. Mankahala ny herisetra izy. (Salamo 11:5) Niova ve ny fiheveran’Andriamanitra ny ady rehefa tonga tetỳ an-tany i Jesosy Kristy Zanany tamin’ny taonjato voalohany, mba hitory sy hampianatra?
a Tsy navelan’Andriamanitra hiady tamin’ny Amalekita sy ny Kananita, ohatra, ny Israelita, indray mandeha. Mbola lasa ihany anefa izy ireo ka resy. (Nomery 14:41-45) Nandeha niady koa i Josia Mpanjaka, taona maro tatỳ aoriana, na dia tsy nahazo alalana tamin’Andriamanitra aza. Loza ny vokany satria nafoiny hatramin’ny ainy.—2 Tantara 35:20-24.
b Nahoana ny Israelita no tsy nilaza an’izay fepetra tsy hisian’ny ady tamin’ny Kananita? Satria efa nomena 400 taona izy ireo mba hiovana. Mbola nanohy ny asa ratsiny ny ankamaroan’izy ireo, rehefa tonga nanafika azy ireo ny Israelita. (Genesisy 15:13-16) Mendrika ny horinganina tanteraka àry izy ireo. Tsy naringana kosa ny Kananita sasantsasany satria niova.—Josoa 6:25; 9:3-27.
-
-
Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady Tamin’ny Taonjato VoalohanyNy Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Novambra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | MANKASITRAKA NY ADY VE ANDRIAMANITRA?
Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady Tamin’ny Taonjato Voalohany
Nijaly ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Teo ambany ziogan’ny Fanjakana Romanina mantsy izy ireo. Azo antoka fa nivavaka imbetsaka tamin’Andriamanitra, toa an’ireo razambeny, koa izy ireo. Naheno resaka momba an’i Jesosy izy ireo, ka nieritreritra hoe tena izy àry ve ilay Mesia nampanantenaina. Tsy mahagaga raha betsaka no “nanantena fa izy no voatendry hanafaka ny Israely” amin’ny fanandevozan’ny Romanina. (Lioka 24:21) Tsy izany anefa no nitranga. Vao mainka aza noravan’ny miaramila romanina i Jerosalema sy ny tempoliny, tamin’ny taona 70.
Fa nahoana Andriamanitra no tsy niady ho an’ny Jiosy, hoatran’ny nataony taloha? Nahoana izy ireo no tsy nasainy niady tamin’ireo nampijaly azy? Niova ve ny fiheveran’Andriamanitra ny ady? Tsia! Ny Jiosy no niova tanteraka. Tsy neken’izy ireo hoe i Jesosy Zanak’Andriamanitra no Mesia. (Asan’ny Apostoly 2:36) Lasa tsy afaka nifandray tamin’Andriamanitra intsony àry io firenena io.—Matio 23:37, 38.
Tsy niaro ny firenena jiosy sy ny Tany Nampanantenaina intsony Andriamanitra. Tsy afaka nilaza intsony koa izy ireo hoe nankasitrahany na notohanany izay ady nataon’izy ireo. Efa nilaza i Jesosy fa tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra intsony ny firenena jiosy, ka tsy hotahiny. Ilay firenena vaovao, na firenena ara-panahy, indray no hatao solon’izy ireo. Antsoina hoe “Israelin’Andriamanitra” izy io. (Galatianina 6:16; Matio 21:43) Voaporofo fa ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra io firenena vaovao io. Izao no nolazaina tamin’izy ireo, tamin’ny taonjato voalohany: ‘Firenen’Andriamanitra ianareo ankehitriny.’—1 Petera 2:9, 10.
Lasa “firenen’Andriamanitra” àry ny Kristianina voalohany. Niady ho azy ireo ve Andriamanitra mba hanafahana azy ireo tamin’ny Romanina, sa navelany hiady izy ireo? Tsia. Hitantsika teo aloha fa rehefa asainy miady ny mpanompony, dia Izy ihany no mamaritra hoe rahoviana no hatao ilay izy. Tsy niady ho an’ireo Kristianina voalohany Izy sady tsy namela azy ireo hiady. Hita amin’izany fa tsy tamin’ny taonjato voalohany no fotoana tian’Andriamanitra hiadiana, mba handringanana ny ratsy fanahy sy ny mpampijaly.
Tsy maintsy niandry toa an’ireo Israelita àry ny Kristianina voalohany, mandra-pahatongan’ny fotoana hanafoanan’Andriamanitra ny faharatsiana sy ny fampijaliana. Tsy navelany hiady tamin’ny fahavalony izy ireo teo am-piandrasana an’izany. Tsy nampirisika ny mpianany hiady koa i Jesosy rehefa nampianatra azy ireo. Izao, ohatra, no nolazainy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.” (Matio 5:44) Nilaza i Jesosy fa hanafika an’i Jerosalema ny miaramila romanina. Tsy nasainy nijanona tao anefa ny mpianany mba hiady. Nampirisihany kosa izy ireo mba handositra, ary izany tokoa no nataon’izy ireo.—Lioka 21:20, 21.
Hoy koa ny apostoly Paoly: “Aza mamaly faty, ... fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’” (Romanina 12:19) Andriamanitra no niteny an’ireo tamin’ny Israelita, ao amin’ny Levitikosy 19:18 sy Deoteronomia 32:35, fa naverin’i Paoly fotsiny. Hitantsika teo aloha fa nanampy an’ireo Israelita hiady tamin’ny fahavalony Andriamanitra, ary anisan’ny fomba namaliany an’izay nampijaly azy ireo izany. Hita amin’ny tenin’i Paoly àry fa tsy niova ny fiheveran’Andriamanitra ny ady, tamin’ny taonjato voalohany. Mbola nihevitra foana izy fa ny ady no fomba amaliany an’izay mampijaly ny mpanompony, sy hanafoanany an’izay manao ratsy sy mampijaly olona. Izy ihany no namaritra hoe rahoviana no hatao ilay ady ary iza no hanao an’ilay izy.
Tsy navelan’Andriamanitra hiady àry ny Kristianina, tamin’ny taonjato voalohany. Ary ahoana no fiheverany ny ady amin’izao andro izao? Misy antokon’olona omeny alalana hiady ve? Sa amin’izao Andriamanitra no hiditra an-tsehatra ka hiady ho an’ny mpanompony? Hamaly an’ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
-
-
Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady Amin’izao Andro IzaoNy Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Novambra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | MANKASITRAKA NY ADY VE ANDRIAMANITRA?
Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady Amin’izao Andro Izao
Mijaly ny olona amin’izao andro izao. Mitaraina amin’Andriamanitra foana izy ireo, mba ho afaka amin’ny fahoriany. Lasa saina ihany anefa izy ireo hoe mihaino ny fitarainany ve Andriamanitra ka hanampy azy ireo. Misy indray miady satria izay no eritreretiny ho vahaolana. Mety ve ny ataon’izy ireny? Manohana azy ireny ve Andriamanitra?
Ny Hara-magedona no hamarana ny ady rehetra
Mampahery aloha ny mahafantatra fa mahita ny fijaliana eran-tany Andriamanitra, ary hanafoana an’izany izy. (Salamo 72:13, 14) Mampanantena izy fa ‘hanafaka an’izay ampahorina.’ Rahoviana anefa izany? “Rehefa haharihary i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery, ... amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.” (2 Tesalonianina 1:7, 8) Amin’ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” no haharihary i Jesosy. Antsoin’ny Baiboly hoe Hara-magedona koa io ady io.—Apokalypsy 16:14, 16.
Hiady amin’ny ratsy fanahy Andriamanitra amin’izay. Tsy olombelona no hampiasainy, fa i Jesosy Kristy Zanany sy ireo anjely mahery. Hofoanan’io tafiky io ny fampahoriana rehetra.—Isaia 11:4; Apokalypsy 19:11-16.
Tsy miova mihitsy ny fiheveran’Andriamanitra ny ady. Mbola mihevitra foana izy fa ilaina ny ady mba hanesorana ny mpanao ratsy sy ny mpampijaly olona. Izy ihany no mamaritra hoe rahoviana no hatao ilay ady, ary iza no hanao an’ilay izy. Izany foana no nataony raha jerena ny tantara. Hitantsika teo fa efa nilaza Andriamanitra hoe hisy ady amin’ny hoavy, mba hanesorana ny mpanao ratsy sy hamaliany an’izay mampijaly olona. I Jesosy Kristy Zanany no hanao an’izany. Midika izany fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny ady ataon’ny olona amin’izao, na dia tsara aza ny antony anaovana azy ireny.
Eritrereto hoe misy mpirahalahy niady rehefa tsy tao an-trano ny dadany. Nitelefaonina ny dadany izy roa lahy. Nilaza ilay iray hoe ilay rahalahiny no nanomboka an’ilay ady, ary ilay rahalahiny kosa niteny hoe nampijaly azy ilay iray. Samy nitaraina izy ireo, sady samy nanantena hoe homba azy ilay dadany. Rehefa avy niresaka tamin’izy roa lahy anefa ny dadany, dia niteny hoe : “Aza miady intsony, fa rehefa tonga aho halamintsika izany.” Tsy niady àry aloha izy roa lahy. Tsy naharitra ela anefa izany fa niady indray ry zareo avy eo. Tezitra ny dadany rehefa tonga tao an-trano, ka samy voasazy izy ireo satria tsy nankatò.
Rehefa misy firenena miady amin’izao, dia matetika izy ireo no mangataka fanampiana amin’Andriamanitra. Tsy manohana na iza na iza anefa Andriamanitra. Milaza kosa izy hoe “aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza”, ary “aza mamaly faty.” (Romanina 12:17, 19) Efa nilaza koa izy fa tokony “hiandry azy fatratra” isika, satria hanao zavatra izy amin’ny Hara-magedona. (Salamo 37:7) Ahoana anefa raha tsy miandry an’Andriamanitra ireo firenena fa miady? Tsy ho faly Andriamanitra satria tsy nanome alalana azy ireo hanao an’izany izy. Ho tezitra izy ka handamina tanteraka ny adin’izy ireo, amin’ny Hara-magedona. ‘Hampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany’ izy. (Salamo 46:9; Isaia 34:2) Ny Hara-magedona àry no hamarana ny ady rehetra.
Iray amin’ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny hoe hofoanana ny ady. Niresaka momba an’io Fanjakana io i Jesosy tao amin’ilay vavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:10) Tsy hoe hanafoana ny ady fotsiny ny Fanjakan’Andriamanitra, fa hanala ny faharatsiana koa. Io mantsy no mahatonga ny olona hiady.a (Salamo 37:9, 10, 14, 15) Tsy mahagaga àry raha tsy andrin’ny mpanara-dia an’i Jesosy izay hanaovan’io Fanjakana io an’izany.—2 Petera 3:13.
Tsy maintsy miandry hafiriana anefa isika vao hanafoana ny fijaliana sy fahoriana ary ny faharatsiana ny Fanjakan’Andriamanitra? Efa be dia be ny faminaniana tanteraka, ka midika izany fa “andro farany” izao. Efa kely sisa dia hifarana ity tontolo ity. (2 Timoty 3:1-5)b Hofaranan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny Hara-magedona ny andro farany.
Hitantsika teo aloha fa izay tsy mety “mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika” no ho faty amin’io ady farany io. (2 Tesalonianina 1:8) Tadidio anefa fa tsy maniry na iza na iza ho faty Andriamanitra, na dia ny ratsy fanahy aza. (Ezekiela 33:11) “Tsy tiany hisy ho ringana” amin’io ady farany io ny olona. Ataony àry izay hitoriana ny vaovao tsara momba an’i Jesosy, mba “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (2 Petera 3:8, 9; Matio 24:14; 1 Timoty 2:3, 4) Mitory eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka afaka ny hahalala an’Andriamanitra ny olona, ary afaka mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy. Ho velona izy ireo amin’izay rehefa hofoanan’Andriamanitra tsy hisy intsony ny ady.
a Hofoanan’Andriamanitra koa ilay fahavalontsika, dia ny fahafatesana. Hatsangany ireo olona be dia be efa maty, anisan’izany ireo maty tamin’ny ady. Miresaka an’izany ny pejy 16.
b Manazava bebe kokoa momba ny andro farany ny toko 9 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
-