FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ilaina ve ny Mahazo Izay Lazain’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Desambra
    • MATOAN-DAHATSORATRA | ILAINA VE NY MAHAZO IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

      Ilaina ve ny Mahazo Izay Lazain’ny Baiboly?

      “Bokim-pivavahana be mpahafantatra ny Baiboly. Tsy hainay Sinoa anefa izy io sady tsy zava-dehibe aminay.”—LIN, ANY CHINE.

      “Na ny boky masina ao amin’ny fivavahanay Hindoa aza tsy azoko tsara akory, ka ahoana moa no hahazoako izay lazain’ny Baiboly!”—AMIT, ANY INDE.

      “Manaja ny Baiboly aho satria boky efa ela be izy io. Henoko hoe io no boky be mpividy indrindra. Mbola tsy nahita Baiboly mihitsy anefa aho.”—YUMIKO, ANY JAPON.

      Be dia be ny olona manaja ny Baiboly eran-tany. Zara raha mahafantatra izay voalaza ao anefa izy ireo, na tsy mahalala mihitsy. Tena marina izany ho an’ireo olona an-tapitrisany any Azia. Hoatr’izany koa ny any amin’ireo tany betsaka olona manana Baiboly.

      Vehivavy mamaky Baiboly

      Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Tena ilaiko ve ny mahafantatra izay lazain’ny Baiboly?’ Raha azonao tsara izay voalaza ao, dia hanampy anao izany mba...

      • Ho sambatra sy ho afa-po

      • Hahavita hiatrika olana ao an-tokantrano

      • Tsy hanahy be loatra

      • Hahay hifandray tsara aman’olona

      • Hahay hitantam-bola

      Te hahafantatra izay voalazan’ny Baiboly, ohatra, i Yoshiko, any Japon, ka tapa-kevitra ny hamaky azy io. Hoy izy: “Nanampy ahy hanana tanjona ny Baiboly, sady lasa manantena zavatra tsara aho amin’ny hoavy. Tsy mahatsiaro intsony aho hoe misy banga ny fiainako.” Nanapa-kevitra ny handinika ny Baiboly koa i Amit, ilay voaresaka tetsy aloha. Hoy izy: “Gaga be aho hoe hay ve misy torohevitra ho an’ny olon-drehetra ao amin’ny Baiboly e!”

      Nanova ny fiainan’ny olona an-tapitrisany ny Baiboly. Nahoana àry raha mandinika azy io koa? Ianao mihitsy amin’izay no hahita fa tena mahasoa izy io.

      fiainana mahafa-po—ahoana no hahitana izany

      Raha te hahita fanazavana bebe kokoa ianao hoe nahoana no mahasoa ny Baiboly, dia vakio ilay bokikely hoe Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

  • Mora Azo ny Zavatra Lazain’ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Desambra
    • Lehilahy mamaky Baiboly vita pirinty sy olon-kafa mamaky Baiboly amin’ny telefaonina

      MATOAN-DAHATSORATRA | ILAINA VE NY MAHAZO IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

      Mora Azo ny Zavatra Lazain’ny Baiboly

      Boky efa ela be ny Baiboly. Tany Israely sy ny firenena manodidina azy no nanomboka nosoratana izy io, 3500 taona teo ho eo izay. Tamin’ny fotoana nitondran’ny tarana-mpanjaka Shang tany Chine izany, ary 1000 taona teo ho eo talohan’ny nisian’ny fivavahana Bodisma tany Inde.—Jereo ilay efajoro hoe “Ny Zavatra Mampiavaka ny Baiboly.”

      Hita ao amin’ny Baiboly ny valin’ireo fanontaniana manahiran-tsaina eo amin’ny fiainana

      Raha tiana hanampy sy hitari-dalana ny olona ny boky iray, dia tokony ho azon’izy ireo tsara ny zavatra lazainy sady azony ampiharina. Tena izany mihitsy ny Baiboly. Hita ao ny valin’ireo fanontaniana manahiran-tsaina eo amin’ny fiainana.

      Efa nieritreritra angamba ianao hoe: ‘Inona no antony namoronana antsika?’ Efa an’arivony taona izany no nanahiran-tsaina ny olona. Hita ao amin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly anefa ny valin’izany, ao amin’ny Genesisy toko voalohany sy toko faharoa. Resahiny ao ny zava-nisy “tany am-piandohana”, an’arivony tapitrisa taona lasa izay. (Genesisy 1:1) Tamin’izay no nanomboka nisy izao rehetra izao, anisan’izany ny vahindanitra sy ny kintana ary ny tany. Hazavaina tsikelikely ao hoe ahoana no nahatonga ny tany ho azo iainana, ahoana no nampisy ny zavamananaina isan-karazany, ahoana no namoronana ny olona, ary inona no antony nanaovana an’izany rehetra izany.

      NY FOMBA NANORATANA AZY

      Misy torohevitra manampy antsika hamaha olana eo amin’ny fiainana ao amin’ny Baiboly. Tsy sarotra ny mahazo azy ireny. Nahoana?

      Tsotra sy mazava ary mahaliana ny teny ao amin’ny Baiboly. Tsy misy hevitra saro-takarina na hafahafa koa ao. Teny fampiasa andavanandro koa no ilazana hevitra sarotra, ka tonga dia mora azon’ny olona.

      Imbetsaka, ohatra, i Jesosy no nampiasa fanoharana tsotra rehefa nampianatra, mba hanohinana ny fon’ny olona. Zavatra fanao amin’ny fiainana andavanandro no noresahiny tamin’izany. Nampiasa fanoharana be dia be hoatr’izany izy, tamin’izy nanao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Hita ao amin’ny Matio toko 5 ka hatramin’ny toko 7 izany. Nilaza ny manam-pahaizana iray hoe: ‘Tena azo ampiharina ilay toriteny. Natao hitari-dalana antsika sy hahasoa antsika izy io, fa tsy natao hamenoana ny saintsika.’ Mety ho vitanao ao anatin’ny 15 ka hatramin’ny 20 minitra ny hamaky an’ireo toko ireo. Ho gaga anefa ianao rehefa mamaky an’ilay izy, satria tsotra ny fampianaran’i Jesosy nefa mafonja.

      Inona koa no mahatonga ny Baiboly ho mora azo? Ny zavatra resahiny. Tsy angano no tantaraina ao fa zavatra tena nisy. Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): ‘Tantaran’olona nalaza sy olon-tsotra no tena betsaka ao. Resahiny ao ny zava-tsarotra natrehin’izy ireny, ny fanantenany, ny zavatra tsy nety nataony, ary ny zavatra tsara vitany.’ Mora amintsika ny mahazo an’ireny tantara sy zava-nitranga ireny. Afaka mandray lesona avy amin’izy ireny koa isika.—Romanina 15:4.

      NATAO HO AN’NY OLON-DREHETRA

      Tsy maintsy amin’ny fiteny hainao aloha ny boky iray izay vao ho azonao izay lazainy. Azo antoka fa misy amin’ny fiteny hainao ny Baiboly, na aiza na aiza misy anao ary na inona na inona fiavianao. Ahoana no nahavitana an’izany?

      Fandikan-teny. Tamin’ny teny hebreo sy aramianina ary grika no nanoratana ny Baiboly tamin’ny voalohany. Vitsy kely àry ny olona afaka namaky azy io. Tsy maintsy nadika tamin’ny fiteny samihafa ny Baiboly, ka nanao ezaka be ny mpandika teny mba hahavitana an’izany. Efa voadika amin’ny fiteny 2700 eo ho eo izao ny Baiboly manontolo na ny ampahany amin’izy io. Maherin’ny 90 isan-jaton’ny mponina eran-tany àry no afaka mamaky ampahany amin’ny Baiboly, fara fahakeliny.

      Famoahana azy. Zavatra mora simba no nanoratana ny Baiboly tamin’ny voalohany, ohatra hoe hoditra na taratasy papyrus. Tsy maintsy naverimberina nadika tanana àry izy io mba tsy ho very. Tsy maintsy nitandrina be koa izay nanao an’izany. Lafo be izy ireny ka vitsy ihany no nahatakatra ny vidiny. Namorona milina fanaovana pirinty anefa i Gutenberg, tamin’ny taona 1450 tany ho any, ka lasa niparitaka haingana be ny Baiboly. Dimy arivo tapitrisa mahery ny Baiboly, manontolo na ny ampahany aminy, efa voazara, araka ny tombantombana.

      Hita amin’izany fa tsy misy boky momba ny fivavahana azo ampitahaina amin’ny Baiboly mihitsy. Tsy sarotra ny zavatra lazain’izy io. Mila miezaka anefa ianao vao tena hahazo izay voalaza ao. Iza àry no mety ho afaka hanampy anao? Ary inona ny soa mety ho azonao? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

      Ny Zavatra Mampiavaka ny Baiboly

      • Misy boky 66 ao amin’ny Baiboly.

      • Ireto avy ny zavatra hita ao amin’ny Baiboly: Tantara, lalàna, faminaniana, tononkalo, ohabolana, hira, ary taratasy.

      • Tamin’ny 1513 Talohan’i Kristy (T.K.) no nanomboka nosoratana ny Baiboly ary vita tamin’ny taona 98 Aorian’i Kristy, izany hoe naharitra 1600 taona mahery.

      • Lehilahy 40 teo ho eo no nanoratra ny Baiboly. Nahazo fanahy masina avy amin’Andriamanitra izy ireo rehefa nanao an’izany.

      Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?

      Raha mila fanazavana fanampiny momba ny niandohan’ny fiainana ianao, dia vakio ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo jerena ao amin’ny www.pr2711.com/mg koa izy io.

      Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?

      Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny Baiboly ianao, dia jereo ilay bokikely hoe Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo alaina ao amin’ny www.pr2711.com/mg koa izy io.

  • Iza no Afaka Manampy Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Desambra
    • MATOAN-DAHATSORATRA | ILAINA VE NY MAHAZO IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

      Iza no Afaka Manampy Anao?

      Eritrereto hoe mandeha any amin’ny toerana mbola tsy nalehanao mihitsy ianao. Vaovao aminao daholo ny olona any, ny fombany, ny sakafony, ary ny vola ampiasainy. Mety ho sorena ianao, ary ara-dalàna izany.

      Mety ho hoatr’izany koa no tsapanao tamin’ianao vao namaky Baiboly. Toy ny hoe niaina tamin’ny andro taloha ianao ary vaovao aminao daholo ny zavatra rehetra. Mahita an’ireo olona atao hoe Filistinina ianao. Hafahafa aminao ilay fombafomba hoe ‘mandrovitra akanjo.’ Tsy mahazatra anao koa ilay sakafo hoe mana sy ilay vola hoe drakma. (Eksodosy 16:31; Josoa 13:2; 2 Samoela 3:31; Lioka 15:8, 9) Mety hanahirana ny sainao izany rehetra izany. Mitovy amin’ilay mankany amin’ny tany mbola tsy nalehanao ihany izany. Tsy ho faly ve ianao raha misy olona afaka manampy anao?

      IZA NO NANAMPY NY OLONA TALOHA?

      Tamin’ny taona 1500 T.K. tany ho any no nanomboka nosoratana ireo boky lasa anisan’ny Soratra Masina. Efa tamin’izany no nampiana mba hahazo tsara izay voalaza tao ny olona. Niezaka nanazava an’izay voasoratra tao amin’ireny boky ireny, ohatra, i Mosesy, mpitarika voalohany teo amin’ny firenen’Israely.—Deoteronomia 1:5.

      Mbola nisy mpampianatra ny Soratra Masina nahay ihany, 1000 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nisy Jiosy maro be nivory, ohatra, teo amin’ny tany malalaka iray tany Jerosalema, tamin’ny 455 T.K. Nisy ankizy be dia be koa nanatrika teo. ‘Namaky mafy’ ny Soratra Masina ireo mpampianatra ny Baiboly tamin’izay. Tsy vitan’izay fa “nataon’izy ireo azon’ny olona tsara izay novakina.”—Nehemia 8:1-8.

      Nampianatra koa i Jesosy Kristy, 500 taona tatỳ aoriana. Mpampianatra mihitsy aza no tena nahalalan’ny olona azy. (Jaona 13:13) Olona be dia be indraindray no nampianariny ary indraindray olona vitsivitsy. Olona maro be, ohatra, no nampianariny tamin’izy nanao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. ‘Nitolagaga izy ireo noho ny fomba fampianany.’ (Matio 5:1, 2; 7:28) Niresaka tamin’ny mpianany roa koa i Jesosy, tamin’ny lohataonan’ny taona 33. Teny an-dalana ho any amin’ny tanàna kely iray teo akaikin’i Jerosalema izy ireo tamin’izay. “Nanazava tsara ny Soratra Masina” tamin’izy ireo i Jesosy.—Lioka 24:13-15, 27, 32.

      Nampianatra ny Tenin’Andriamanitra koa ny mpianatr’i Jesosy. Namaky andinin-teny tao amin’ny Soratra Masina, ohatra, indray mandeha ny manam-pahefana iray avy any Etiopia. Nanatona azy ny mpianatra atao hoe Filipo ka nanontany hoe: “Tena azonao ve izay vakinao?” Hoy ilay Etiopianina: “Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy manoro ahy?” Nohazavain’i Filipo taminy àry ny hevitr’ilay andinin-teny.—Asan’ny Apostoly 8:27-35.

      IZA NO METY HO AFAKA HANAMPY ANAO?

      Manao toa an’ireny mpampianatra Baiboly taloha ireny koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampianatra Baiboly any amin’ny tany 239 izy ireo. (Matio 28:19, 20) Olona sivy tapitrisa mahery isan-kerinandro no ampianarin’izy ireo Baiboly. Maro amin’izy ireny no tsy Kristianina. Maimaim-poana ilay fianarana ary azo atao any an-tranon’ilay olona na any an-toeran-kafa. Atao amin’ny alalan’ny video ny fianaran’ny olona sasany, ka mampiasa ordinatera na fitaovana elektronika hafa izy ireo amin’izany. Misy koa mianatra amin’ny alalan’ny telefaonina.

      Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah raha tianao ny hahalala misimisy kokoa momba an’ilay fianarana. Ho hitanao fa tsy sarotra ny mahazo izay lazain’ny Baiboly. “Mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso”, ary “hanafaizana araka ny fahamarinana” izy io. Amin’izay ianao “ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”—2 Timoty 3:16, 17.

      Jereo ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? ao amin’ny www.pr2711.com/mg

      Jereo ilay video hoe Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Baiboly? ao amin’ny www.pr2711.com/mg

      Tranonkala Afaka Manampy Anao

      Vehivavy any amin’ny fisotroana kafe, ary mijery ny tranonkala jw.org ao amin’ny tablette-ny

      Te hahafantatra izay voalazan’ny Baiboly ve ianao? Midira àry ao amin’ny tranonkala jw.org/mg. Maimaim-poana ilay izy sady misy amin’ny fiteny 700 mahery. Mety hahaliana anao ireto:

      Fanontaniana fametraky ny olona

      • Inona no antony ahavelomantsika?

      • Nahoana ny olona no maty?

      • Manao ahoana ny olona rehefa maty?

      (Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY)

      Fomba hamahana olana

      • Afaka manampy ahy ve ny Baiboly raha kivy aho?

      • Afaka manampy ahy ve ny Baiboly raha manana aretina mitaiza aho?

      • Ahoana raha manana olana ara-bola ianao na be trosa?

      (Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY)

      Torohevitra ho an’ny fianakaviana

      • Miezaha mba tsy hifamaly

      • Ampio ny zanakao ho lasa olon-dehibe matotra

      • Ampianaro hahay hitondra tena tsara ny zanakao

      (Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > MPIVADY & RAY AMAN-DRENY)

      Torohevitra ho an’ny tanora

      • Inona no azoko atao raha misy manadala ahy?

      • Inona no ataoko fa ampijalin’ny ankizy aho?

      • Ahoana raha tsy mana-namana aho?

      (Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TANORA)

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara