FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nahoana no Ilaina ny Mianatra Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Aprily
    • Rangahy mijery Baiboly any amin’ny tranomboky

      MATOAN-DAHATSORATRA | TE HIANATRA BAIBOLY VE IANAO?

      Nahoana no Ilaina ny Mianatra Baiboly?

      • Inona no antony namoronana antsika?

      • Nahoana ny olona no mijaly sy maty?

      • Hanao ahoana ny fiainana amin’ny hoavy?

      • Mba mijery ahy ve Andriamanitra?

      Efa nisy nanitikitika ny sainao ve ireo? Olona maro koa maneran-tany no mametraka fanontaniana toy ireo. Misy ve anefa ny valiny?

      Eny, ary an-tapitrisany no nahita valiny mahafa-po tao amin’ny Baiboly. Te hahalala an’izay lazain’ny Baiboly ve ianao? Vonona hampianatra anao maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah.a

      Vao mahare hoe hianatra Baiboly ny olona sasany, dia miteny hoe: “Tsy manam-potoana aho!” na hoe: “Sao dia sarotra be ilay izy?” na: “Sao dia tafiditra lalina amin’izany eo aho?” Misy kosa mazoto. Jereo ange ny tenin’ireto olona ireto e!

      • “Efa nivavaka tany amin’ny Katolika, Protestanta, Sikh, ary Bodista aho, dia efa nianatra teolojia tany amin’ny oniversite koa. Mbola be dia be ihany anefa ny fanontaniako momba an’Andriamanitra. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao amiko, avy eo. Gaga aho fa voavaliny tao amin’ny Baiboly daholo ny fanontaniako, ka nanaiky hianatra Baiboly aho.”—Gill, Angletera.

      • “Nanontany zavatra be dia be tamin’ny pasiteranay aho, fa tsy nahazo valiny mahafa-po. Vavolombelon’i Jehovah no nahavaly ny fanontaniako sady tsy nampiasa afa-tsy Baiboly izy. Tonga aho dia nanaiky hianatra Baiboly.”—Koffi, Bénin.

      • “Tena te hahalala aho hoe manao ahoana ny olona rehefa maty. Nino aho hoe mahavita mampijaly ny velona izy ireny. Tiako ho fantatra ihany anefa izay lazain’ny Baiboly, ka nianatra tamin’izay namako Vavolombelon’i Jehovah izay aho.”—José, Brezila.

      • “Namaky Baiboly aho nefa tsy nisy azoko. Soa ihany fa nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika ahy, dia nisy faminaniana maromaro tao amin’ny Baiboly nohazavainy tsara. Vao mainka aho te hahalala an’izay lazain’ny Baiboly.”—Dennize, Meksika.

      • “Lasa saina aho hoe tena mba mijery ahy ve Andriamanitra. Nivavaka tamin’ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly àry aho. Ny ampitson’iny ihany, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao amiko, ary nanaiky hianatra Baiboly aho.”—Anju, Népal.

      Hita avy amin’ireo fa marina ilay tenin’i Jesosy hoe: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Mila azy tokoa isika olombelona, ary efa voajanahary amintsika izany. Andriamanitra irery no afaka manampy antsika amin’izany, ary atorony ao amin’ny Baiboly izay tokony hataontsika.

      Hoatran’ny ahoana àry izany mianatra Baiboly izany? Inona no soa ho azonao amin’ilay izy? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo.

      a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

      NY BAIBOLY

      Baiboly misokatra
      • INONA NO DIKANY? Avy amin’ny teny grika hoe biblia, midika hoe “boky kely maro”

      • MISY BOKY FIRY AO? Misy boky 39 nosoratana tamin’ny teny hebreo (nisy ampahany kely tamin’ny teny aramianina), ary 27 tamin’ny teny grika

      • OVIANA NO NOSORATANA? Tamin’ny 1513 T.K. ka hatramin’ny 98 A.K. tany ho anyb, izany hoe nandritra ny 1 600 taona teo ho eo. Olona 40 teo ho eo no nanoratra azy

      • MISY AMIN’NY FITENY FIRY? Efa voadika amin’ny fiteny 2 500 mahery izy manontolo na ny ampahany aminy

      • FIRY NO VITA PIRINTY? Dimy arivo tapitrisa eo ho eo. Ny Baiboly no boky miely indrindra eran-tany

      b Ny hoe “T.K.” dia midika hoe “Talohan’i Kristy”, ary ny “A.K.” hoe “Aorian’i Kristy.”

  • Fianarana ho An’ny Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Aprily
    • Olona mianatra Baiboly

      MATOAN-DAHATSORATRA | TE HIANATRA BAIBOLY VE IANAO?

      Fianarana Ho An’ny Rehetra

      Mitory no tena ahalalan’ny olona anay Vavolombelon’i Jehovah. Fantatrao ve anefa fa mampianatra Baiboly maneran-tany koa izahay?

      Lehilahy mianatra Baiboly any am-piasany

      Misy Vavolombelona any amin’ny tany 240, ary 8 000 000 mahery izahay, tamin’ny 2014. Nitarika fampianarana Baiboly efa ho 9 500 000 isam-bolana izahay tamin’io taona io.a Eritrereto ange e! Firenena 140 eo ho eo no manana mponina vitsy kokoa noho ny isan’ny olona mianatra Baiboly.

      Ahoana no nahavitanay Vavolombelon’i Jehovah an’izany? Efa ho 1 500 tapitrisa isan-taona ny Baiboly, boky, gazety, ary zavatra hafa avoakanay, amin’ny fiteny 700 eo ho eo. Tena miavaka ilay izy! Natao izany rehetra izany mba hahafahan’ny olona hifidy hoe amin’ny fiteny inona izy no hianatra.

      “Tsy tia nianatra mihitsy aho tany am-pianarana. Tiako be anefa ny nianatra Baiboly, sady nampahery ahy ilay izy!”—Katlego, any Afrika Atsimo.

      “Voavaly daholo ny fanontaniako rehefa nianatra Baiboly aho. Betsaka koa ny zavatra lasa haiko.”—Bertha, any Meksika.

      “Tany an-tranoko aho no nianatra, dia tamin’izay fotoana nety tamiko. Aiza indray aho no hahita hoatr’izany?”—Eziquiel, any Brezila.

      “Naharitra 15 na 30 minitra indraindray ny fianaranay, na lava kokoa, arakaraka izay nety tamiko.”—Viniana, any Aostralia.

      “Gaga be aho hoe maimaim-poana ilay izy!”—Aimé, any Bénin.

      “Nanam-paharetana be ilay mpampianatra Baiboly ahy sady tsara fanahy. Lasa mpinamana be izahay.”—Karen, any Irlandy Avaratra.

      “Be dia be no mianatra Baiboly fa tsy lasa Vavolombelon’i Jehovah.”—Denton, any Angletera.

      FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA MOMBA AN’ILAY FIANARANA

      Ahoana no fizotran’ilay fianarana?

      Misy foto-kevitra maro azo ianarana, ary jerena ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly mifandray amin’ilay izy. Voavaly ao amin’ny Baiboly, ohatra, hoe iza Andriamanitra, hoatran’ny ahoana izy, iza no anarany, aiza izy no mipetraka, afaka mifandray aminy ve isika, sy ny sisa. Aiza ho aiza ao anefa ny valin’ireo?

      Mba hahitan’ny olona ny valiny, dia matetika izahay no mampiasa an’ilay boky 224 pejy hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?b Natao hanampiana ny olona hahalala an’izay tena ampianarin’ny Baiboly izy io. Maro ny foto-kevitra ao, ohatra hoe momba an’Andriamanitra, Jesosy Kristy, ny fijaliana, ny fitsanganana amin’ny maty, ary ny vavaka.

      Ary ahoana ny fotoana sy ny toerana ianarana?

      Ianao no mifidy ny fotoana sy toerana mety aminao.

      Adiny firy no ilaina isaky ny mianatra?

      Betsaka ny olona mianatra adiny iray eo ho eo isan-kerinandro. Azo ovaovana anefa ilay izy, arakaraka ny fotoananao. Misy, ohatra, mianatra 10 na 15 minitra monja isan-kerinandro.

      Ohatrinona ny saram-pianarana?

      Maimaim-poana ilay fianarana sy ny boky ampiasaina. Hoy mantsy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.”—Matio 10:8.

      Maharitra hafiriana ilay fianarana?

      Miankina aminao ihany ilay izy. Misy lesona 19 ao amin’ilay boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Azo vitaina haingana ilay izy nefa azo atao miadana koa arakaraka izay mety aminao, na inona na inona lesona tianao hianarana.

      Tsy maintsy lasa Vavolombelon’i Jehovah ve aho rehefa mianatra Baiboly?

      Tsia. Manan-jo hino an’izay tianao hinoana ianao, ary hajainay izany. Rehefa mahafantatra ny zavatra ampianarin’ny Baiboly anefa ianao, dia hahay hanapa-kevitra tsara.

      Ahoana raha misy zavatra hafa tiako hanontaniana?

      Misy fanazavana marina momba ny zavatra inoanay sy ataonay Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny tranonkala jw.org/mg.

      Ary ahoana no hataoko raha te hianatra Baiboly aho?

      Olona mangataka hianatra Baiboly: Ao amin’ny Internet, manoratra taratasy, mitady ny nomeraon’ny Vavolombelon’i Jehovah
      • Mandefasa fangatahana ao amin’ny www.pr2711.com/mg.

      • Na jereo ny adiresy any amin’ny pejy 2, ary manorata any amin’izay akaiky anao indrindra.

      • Na miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo.

      a Olona iray no ampianarina, na olona maromaro indray miaraka.

      b Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa mihoatra ny 230 tapitrisa no natao pirinty tamin’ny fiteny 260 mahery.

      NATAO HO AN’NY MPIANAKAVY

      Eziquiel

      “Niova be ny vadiko rehefa nianatra Baiboly. Lasa nahafinaritra ny fiainanay tao an-trano. Tiako ho fantatra àry hoe inona no nianarany, ka nianatra koa aho ary nihatsara ny toetrako. Lasa nifankatia izahay mianakavy noho ny fianarana Baiboly.”—Eziquiel.

      Karen

      “Afaka tamin’ny zava-mahadomelina sy ny toaka aho rehefa nianatra Baiboly. Tsy dia mora tezitra intsony koa aho. Madio sy milamina kokoa izao ny tranonay. Lasa tiako kokoa ny vady aman-janako, dia lasa tia manao zavatra mampifaly an-dry zareo aho. Izay aho vao tena sambatra.”—Karen.

      Viniana

      “Nokianin’ny olona aho tamin’izaho nianatra Baiboly, fa ny vadiko indray niteny hoe: ‘Tsy miraharaha an’izay lazain’ny olona any aho. Ianao aza hitako hoe tena niova. Tohizo fa tsara!’ Izao ny fiainanay ao an-trano vao tena mahafinaritra.”—Viniana.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara