FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Misy Vokany eo Amin’ny Fiainanao ny Siansa
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Jona
    • Fandrosoan’ny siansa, ohatra hoe fiara, GPS, zanabolana, fiaramanidina, fitarafana atidoha

      MATOAN-DAHATSORATRA | TSY ILAINA INTSONY VE NY BAIBOLY FA EFA EO NY SIANSA?

      Tena Mahasoa ny Siansa

      Araka ny diksionera iray, ny siansa dia “ny fianarana momba ny toetoetran’ireo zavatra eo amin’izao rehetra izao, amin’ny alalan’ny fandinihana, fanaovana andrana, ary fandrefesana.” Sarotra ny manao an’izany ary matetika no mampiady saina. Maharitra herinandro maro, amam-bolana, na aman-taona mihitsy ny fikarohana ataon’ny mpahay siansa. Tsy misy vokany izy ireny indraindray, nefa imbetsaka no mahomby ka mahasoa ny olona. Ireto misy ohatra:

      Nanamboatra fitaovana fanadiovana rano ny orinasa iray any Eoropa. Karazana plastika sy zavatra fanatantavanana rano no natambatr’izy ireo. Lasa tsy mankarary àry ny rano tsy azo antoka rehefa ampandalovina ao. Ampiasaina ny fitaovana hoatran’io rehefa misy loza voajanahary, ohatra hoe ilay horohoron-tany tamin’ny 2010 tany Haïti.

      Misy zanabolana maromaro mifandray eny amin’ny habakabaka, ary antsoina hoe GPS (Global Positioning System) ny fitambaran’izy ireo. Natao ho an’ny miaramila izy io tamin’ny voalohany, nefa lasa ampiasain’ny mpitondra fiara, fiaramanidina, sambo, ary na dia ny mpihaza sy ny mpihanika tendrombohitra aza. Noho ireo manam-pahaizana namorona ny GPS, dia lasa mora kokoa ny mankany amin’izay toerana tiana haleha.

      Mampiasa finday na ordinatera na Internet ve ianao? Nihasalama kokoa ve ianao na sitrana mihitsy, satria mandroso be ny fitsaboana? Mampiasa fiara ve ianao? Raha izany no izy, dia mandray soa avy amin’ny fandrosoan’ny siansa ianao.

      MISY FETRANY NY ZAVA-BITAN’NY SIANSA

      Te hampitombo ny fahalalany ny manam-pahaizana ka mikaroka lavitra kokoa. Misy mandinika ny any anatin’ny ataoma. Misy koa miezaka mikaroka an’izay nitranga tamin’ny an’arivony tapitrisa taona lasa mba hahalalana ny niandohan’izao rehetra izao. Tonga hatrany amin’ny zavatra tsy hita maso sy tsy azo tsapain-tanana ny fikarohana ataon’izy ireo. Mihevitra àry ny mpahay siansa hoe raha tena misy ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly dia tokony ho hitan’izy ireo.

      Tsy mianina amin’izany anefa ny mpahay siansa sy filozofa malaza sasany. Araka ny tenin’i Amir Aczel, mpanoratra boky momba ny siansa, dia manao fikarohana izy ireo mba “hanaporofoana hoe tsy misy Andriamanitra.” Hoy, ohatra, ny mpahay fizika malaza iray: “Tsy misy porofo mihitsy mampiseho hoe misy Andriamanitra mampandeha tsara an’izao rehetra izao, ka azontsika antoka fa tsy misy izany andriamanitra izany.” Misy kosa toa te hilaza hoe “mazia” na “hery hafahafa tsy mazava”, hono, no nampiasain’ilay Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.a

      Tena mahalala tsara ny momba an’izao rehetra izao ve anefa ny mpahay siansa ka afaka manatsoaka hevitra marina tsara? Tsia. Marina fa nahavita zavatra niavaka ny siansa. Betsaka anefa ny manam-pahaizana miaiky hoe be dia be ny zavatra tsy haintsika, ary mety hisy zavatra tsy ho fantatsika mihitsy aza. Hoy i Steven Weinberg, mpahay fizika nahazo loka Nobel, momba ny natiora: “Tsy ho fantatsika amin’ny an-tsipiriany daholo ny zava-drehetra.” Hoy koa ny Profesora Martin Rees, astronoma to teny sady manam-pahefana any Grande-Bretagne: “Mety hisy zavatra tsy ho takatry ny sain’ny olona mihitsy.” Betsaka àry ny zavatra tsy fantatry ny mpahay siansa, manomboka amin’ny sela bitika indrindra ka hatramin’izao rehetra izao midadasika. Ohatra:

      ADN
      • Tsy mahafantatra tsara ny zava-mitranga ao anaty sela ny mpikaroka momba ny zavamananaina. Tsy hain’izy ireo, ohatra, hoe ahoana no fampiasany angovo sy famokarany proteinina ary ny fomba fizarany.

      • Tsapantsika isan’andro ny hery misinton’ny tany. Tsy tena fantatry ny mpahay fizika anefa izy io. Tsy hainy tsara hoe nahoana io hery io no mahatonga antsika hiverina eo amin’ny tany rehefa mitsambikina, ary nahoana izy io no mahatonga ny volana hihodinkodina manodidina ny tany.

      • Manombantombana ny mpandinika ny any ambony tsy taka-maso hoe ny 95 isan-jato eo ho eo amin’ny zavatra eo amin’izao rehetra izao no tsy hitan’ny fitaovana ampiasain’izy ireo. Antsoiny hoe angovo tsy fantatra sy zavatra tsy fantatra izy ireny, satria tsy hay mihitsy hoe inona.

      Mbola betsaka no tsy fantatry ny mpahay siansa ka manahiran-tsaina azy ireo. Nahoana izany no mahaliana? Hoy ny lehilahy iray mpanoratra boky momba ny siansa: “Tena kely ny zavatra fantatsika raha oharina amin’ny zavatra tsy fantatsika. Rehefa mianatra siansa ny olona iray dia tokony ho talanjona ary te hianatra bebe kokoa, fa tsy hoe lasa tery saina.”

      Raha mihevitra àry ianao fa tsy tokony hino an’Andriamanitra sy tsy tokony hampiasa Baiboly intsony isika satria efa eo ny siansa, dia diniho aloha izao: Marani-tsaina be ny mpahay siansa sady manana fitaovana arifomba, nefa kely ny zavatra fantany momba an’izao rehetra izao. Tsy afaka milaza àry isika hoe izay zavatra tsy hitan’ny siansa dia tsy misy. Marina mihitsy ny voalazan’ny lahatsoratra iray momba ny tantaran’ny astronomia ao amin’ny Rakipahalalana Britannica (anglisy). Izao no eo amin’ny teny famaranana: “Efa ho 4 000 taona izay no nianarana astronomia. Rehefa dinihina anefa izao rehetra izao dia tsy mifankaiza loatra amin’ny fahitan’ny Babylonianina azy.”

      Ny tsirairay no manapa-kevitra amin’izay hinoany. Manaja an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah sady miezaka manaraka an’ilay toro lalan’ny Baiboly hoe: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.” (Filipianina 4:5) Asainay àry ianao hahay handanjalanja ka handinika hoe tena mifanaraka sy mifameno ny Baiboly sy ny siansa.

      a Tsy mino ny Baiboly ny olona sasany noho ny fampianaran’ny fiangonana taloha sy ankehitriny, anisan’izany ilay hoe ny tany no eo afovoan’izao rehetra izao, sy ilay hoe noforonin’Andriamanitra tao anatin’ny enina andro misy 24 ora ny tany.—Jereo ilay efajoro hoe “Voaporofon’ny Siansa hoe Marina Izay Lazain’ny Baiboly.”

      Voaporofon’ny Siansa hoe Marina Izay Lazain’ny Baiboly

      Tsy boky momba ny siansa ny Baiboly. Marina anefa ny zavatra lazain’ny mpanoratra azy io sady mahaliana an’ireo mpahay siansa. Ireto misy ohatra:

      Izao rehetra izao
      • Taonan’ny tany sy taonan’izao rehetra izao

        Milaza ny mpahay siansa fa mety ho 4 arivo tapitrisa taona teo ho eo izay no nisian’ny tany, ary 13 000 tapitrisa na 14 000 tapitrisa taona teo ho eo kosa izao rehetra izao. Tsy manome ny daty namoronana an’izao rehetra izao ny Baiboly. Tsy milaza mihitsy izy io hoe vao an’arivony taona izay no nisian’ny tany. Hoy fotsiny ny andininy voalohany ao: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Genesisy 1:1) Afaka mikaroka tsara àry ny mpahay siansa hoe mety ho firy taona izay no nisian’izao rehetra izao.

      • Fanomanana ny tany mba honenana

        “Andro” no iantsoan’ny Genesisy toko voalohany an’ireo dingana samihafa nanomanana ny tany, mba hiainan’ireo zavamananaina isan-karazany. Efa teo ny zavamananaina rehetra rehefa nisy ny olona. Tsy resahin’ny Baiboly koa ny faharetan’ireo enina “andro” famoronana. Azon’ny mpahay siansa atao tsara àry ny manadihady momba azy ireo sy ny faharetany. Efa fantatsika fa tsy 24 ora fotsiny ireo “andro” famoronana.

      • Mihantona ny tany

        Milaza ny Baiboly fa mihantona “eo amin’ny tsy misy ny tany.” (Joba 26:7) Tsy voalaza eo mihitsy hoe misy olona goavana be manohana ny tany, na koa hoe mipetraka eo ambonin’ny elefanta mitaingina sokatra ny tany. Izany mantsy no noresahin’ny angano sasany fahiny. Afaka mikaroka avy amin’io fanazavan’ny Baiboly io ny manam-pahaizana. Nanazava tokoa i Nicolas Copernic sy Johannes Kepler hoe hery tsy hita maso no mahatonga ny planeta hihodinkodina manodidina ny masoandro. Hitan’i Isaac Newton, tatỳ aoriana, fa ny hery misintona no mifehy an’ireo zavatra mihetsika eny amin’ny lanitra.

      • Fitandremana fahasalamana sy fahadiovana

        Misy toromarika nomena ny Israelita ao amin’ny bokin’ny Levitikosy mba hiarovana amin’ny areti-mifindra, anisan’izany ny hoe atokan-toerana ny marary. Misy lalàna momba ny fahadiovana koa ao amin’ny Deoteronomia 23:12, 13. Voalaza ao fa tokony hataon’ny Israelita any ivelan’ny toby ny malotony ary tokony ‘hototofany.’ Vao 200 taona monja anefa izay no nahitan’ny mpahay siansa sy ny dokotera hoe tena mahasoa ny manao an’izany.

      Efa taonjato maro lasa izay no nanoratana an’ireo fanazavana ireo tao amin’ny Baiboly. Ahoana anefa no nahafantaran’ireo mpanoratra ny Baiboly an’izany? Na dia ireo olona tena nahay be tamin’ny andron’izy ireo aza mantsy tsy nahalala momba an’izany akory. Hoy ilay nampanoratra ny Baiboly: “Toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tany, ny haavon’ny lalako raha oharina amin’ny lalanareo, sy ny hevitro raha oharina amin’ny hevitrareo.”—Isaia 55:9.

  • Voafetra ny Zava-bitan’ny Siansa
    Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Jona
    • Manam-pahaizana miasa ao amin’ny laboratoara

      MATOAN-DAHATSORATRA | TSY ILAINA INTSONY VE NY BAIBOLY FA EFA EO NY SIANSA?

      Voafetra ny Zava-bitan’ny Siansa

      Betsaka tato ho ato ny boky miresaka momba ny hevitr’ireo antokon’olona vaovao tsy mino an’Andriamanitra. Nahaliana olona maro izy ireny, sady niteraka adihevitra sy resa-be. Hoy i David Eagleman, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra: ‘Mihevitra ny mpamaky sasany an’ireny boky ireny fa mahay ny zava-drehetra ny mpahay siansa. Malala-tsaina anefa ny tena mpahay siansa, ary mahita zava-baovao sy tsy ampoizina foana izy ireo.’

      Astronoma mampiasa teleskaopy

      Nahita zava-baovao be dia be tsy nampoizina tokoa ny manam-pahaizana hatramin’izay, rehefa nanao fikarohana mba hamaliana ny fanontanian’ny olona momba ny zavaboary. Nanao fahadisoana koa anefa ny sasany tamin’izy ireny. Mpahay siansa tena niavaka, ohatra, i Isaac Newton. Izy no nanazava hoe ahoana no ahafahan’ny hery misintona mifehy ny planeta sy ny kintana ary ny vahindanitra eo amin’izao rehetra izao. Izy koa no namorona an’ilay taranja amin’ny matematika, izay nahafahana nanamboatra ordinatera sy nandeha any ambony tsy taka-maso any ary nandalina momba ny fizika niokleary. Nampiasa astrolojia sy mazia koa anefa i Newton ka nanandrana nanova ny metaly sasany, toy ny firamainty, ho lasa volamena.

      Efa 1 500 taona mahery talohan’izay i Ptolémée, astronoma grika, no nandinika ny zavatra teny amin’ny lanitra. Arahiny maso ny lalan’ny planeta, rehefa alina, ary nahay nanao sarintany koa izy. Nino koa anefa izy hoe mihodina manodidina ny tany ny zava-drehetra. Nanoratra toy izao momba an’i Ptolémée i Carl Sagan, manam-pahaizana momba ny zavatra eny amin’ny lanitra: “Nekena nandritra ny 1 500 taona ilay heviny hoe ny tany no eo afovoan’izao rehetra izao, nefa diso izany. Mety ho diso hevitra àry na dia ny olona mahay be aza.”

      Manam-pahaizana mamaky Baiboly

      Toy izany koa ny mpahay siansa ankehitriny. Mety ho vitan’izy ireo ihany ve ny hanome fanazavana feno momba an’izao rehetra izao? Ekena aloha fa tena nahavita zavatra niavaka ny siansa sady mitondra soa ho antsika izy ireny. Tadidio anefa fa voafetra ihany ny zava-bitan’ny siansa. Hoy i Paul Davies, mpahay fizika: “Na dia hitady fanazavana feno sy mitombina tsara momba an’izao rehetra izao aza isika, dia tsy hahita mihitsy.” Tena marina izany. Tsy ho hain’ny olombelona amin’ny an-tsipiriany mihitsy ny momba an’izao rehetra izao. Rehefa misy milaza àry hoe ny siansa no mahavita manazava ny zava-drehetra, dia ara-dalàna isika raha tsy manaiky an’izany avy hatrany.

      Tsy vitan’ny siansa ny manome antsika ny zavatra omen’ny Baiboly

      Tena mahatalanjona ny zavaboary. Hoy ny Baiboly: “Vao ampahany kely amin’ny zava-bitany [Andriamanitra] izany, ary vao bitsibitsika ihany no mba rentsika momba azy!” (Joba 26:14) Mbola be dia be ny zavatra tsy fantatry ny olombelona sady tsy takatry ny sainy. Marina ny tenin’ny apostoly Paoly, izay nosoratany efa ho 2 000 taona lasa izay. Hoy izy: “Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany!”—Romanina 11:33.

      Torohevitra Tsy Azo Amin’ny Alalan’ny Siansa

      Mampahafantatra antsika momba ny zavaboary ny siansa. Ny Baiboly kosa manome torohevitra manampy antsika mba hifandray tsara amin’ny olona sy ho sambatra ary ho afa-po amin’ny fiainana. Ireto misy ohatra:

      Sarin-tanana mampiseho hoe manakana
      • Fisorohana heloka bevava

        Hajao ny aina

        “Aza mamono olona.”—Eksodosy 20:13.

        “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona.”—1 Jaona 3:15.

        Tandrovy ny fihavanana

        “Mialà amin’ny ratsy ka manaova ny tsara. Mitadiava fihavanana ka tandrovy izany.”—Salamo 34:14.

        “Afafin’ny mpampihavana ny voan’ny fahamarinana, ary ao anatin’ny toe-tsaina tia fihavanana no anaovany izany.”—Jakoba 3:18.

        Aza mahery setra

        “Samy dinihin’i Jehovah na ny olo-marina na ny ratsy fanahy, ary tena halany ny olona tia herisetra.”—Salamo 11:5.

        “Aza mitsiriritra olona tia herisetra, na mifidy ny lalany. Maharikoriko an’i Jehovah ny olona fetsifetsy.”—Ohabolana 3:31, 32.

      • Torohevitra ho an’ny fianakaviana

        Manajà ray aman-dreny

        “Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo araka ny sitrapon’ny Tompo, fa marina eo imasony izany. ‘Hajao ny rainao sy ny reninao.’ Izany no didy voalohany mirakitra an’izao fampanantenana izao: ‘Mba hahita soa ianao, ary mba ho ela velona eto ambonin’ny tany.’ ”—Efesianina 6:1-3.

        Ampianaro tsara ny zanakao

        “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.”—Efesianina 6:4.

        “Aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”—Kolosianina 3:21.

        Hajao sy tiavo ny vadinao

        “Aoka koa ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka kosa ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.”—Efesianina 5:33.

      • Fiarovana ny tontolo iainana

        Hoy ny Baiboly momba an’ireo nandoto ny tanin’ny Israely fahiny tamin’ny fomba isan-karazany: “Nandoto ny tany ny mponina eo aminy ... ary meloka ny mponina ao.” (Isaia 24:5, 6) Hampamoahin’Andriamanitra ny olona manimbanimba fahatany ny tontolo iainana. Mbola horinganiny “izay manimba ny tany.” (Apokalypsy 11:18) Tsy ho afa-maina izy ireo.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara