-
Mankaiza Isika Rehefa Maty?Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Aogositra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | METY HO VELONA INDRAY VE NY MATY?
Mankaiza Isika Rehefa Maty?
“Nieritreritra aho hoe mankany an-danitra ny maty, na mankany amin’ny afobe, na any amin’ny afofandiovana. Izaho aloha tsy mendrika ny ho any an-danitra, nefa koa tsy ho lasa any amin’ny afobe. Tsy tena haiko anefa hoe inona ny afofandiovana. Tsy hitako tao amin’ny Baiboly daholo izany fa tenenin’ny olona fotsiny.”—Lionel.
“Nampianarina ahy hoe mankany an-danitra daholo ny maty nefa tsy resy lahatra tamin’izany aho. Amiko, rehefa maty ny olona dia vita hatreo ny aminy.”—Fernando.
Mankaiza marina ny maty? Mijaly any ho any ve izy ireny? Mbola hihaona amin’izy ireny ve isika? Inona marina no lazain’ny Baiboly? Andao aloha hodinihintsika hoe manao ahoana ny maty, araka ny Baiboly. Hojerentsika avy eo ny fampanantenana omeny momba ny maty.
Manao ahoana ny maty?
VALINY ARA-BAIBOLY: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona, sady tsy mahazo valin-kasasarana intsony, satria hadino izay nahatsiarovana azy. Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo, fa tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana, izay toerana halehanao.”a—Mpitoriteny 9:5, 10.
Ny hoe Fasana dia manondro ny toerana misy ny olona rehefa maty. Toerana an’ohatra ilay izy ary tsy mahatsiaro tena sady tsy afaka manao na inona na inona izay lasa any. Jereo, ohatra, i Joba mpanompon’Andriamanitra. Fongana ny fananany, maty daholo ny zanany, ary feno vay ny vatany. Inona no nangatahiny tamin’Andriamanitra? “Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana [“helo”, Dikan-tenin’i Douay, katolika] mantsy ianao.” (Joba 1:13-19; 2:7; 14:13) Tsy afobe àry no niheveran’i Joba ny Fasana satria vao mainka hitombo ny fijaliany raha mankany izy. Fantany kosa fa tsy misy fijaliana any.
Ho haintsika koa hoe manao ahoana ny maty raha jerentsika izay lazain’ny Baiboly momba ny olona valo nitsangana tamin’ny maty.—Jereo ny efajoro hoe “Olona Valo Nitsangana Tamin’ny Maty.”
Tsy niteny izy valo hoe nijaly na hoe sambatra be, tamin’izy ireo maty. Tsy maintsy ho nitantara an’izay tsapany izy ireo raha nahita an’izany. Tsy maintsy ho nosoratana tao amin’ny Baiboly koa izany mba ho fantatry ny rehetra. Tsy misy an’izany anefa ao. Nahoana izy valo no tsy nitantara momba an’izany? Satria tsy nahatsiaro tena izy ireo, toy ny hoe natory be. Oharin’ny Baiboly amin’ny torimaso tokoa ny fahafatesana indraindray. Nolazaina, ohatra, hoe “natory ao amin’ny fahafatesana” i Davida sy Stefana, olo-marina.—Asan’ny Apostoly 7:60; 13:36, fanamarihana ambany pejy.
Misy antenaina àry ve ny maty? Mbola hitsangana ve izy ireo?
a “Fasana” no nandikana an’ilay teny hebreo hoe “Sheôl” sy ilay teny grika hoe “Haides”, ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Misy Baiboly sasany mampiasa an’ilay teny hoe “helo.” Tsy mampianatra anefa ny Baiboly hoe hampijalijalina any amin’ny afobe ny maty.
-
-
Mbola Misy Antenaina ve ny Amin’ireo Maty?Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Aogositra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | METY HO VELONA INDRAY VE NY MATY?
Mbola Misy Antenaina ve ny Amin’ireo Maty?
Mbola ho velona indray ve izy ireny?
VALINY ARA-BAIBOLY: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.”—Jaona 5:28, 29.
Izany no tenin’i Jesosy mba hilazana hoe ho foana ny Fasana rehefa hanjaka izy. Hoy i Fernando, ilay voaresaka teo aloha: “Gaga be aho tamin’izaho namaky voalohany ny Jaona 5:28, 29. Lasa falifaly aho izao rehefa mieritreritra ny hoavy.”
Nanantena i Joba, olo-marina fahiny, hoe raha maty izy dia mbola hatsangan’Andriamanitra. Nanontany izy hoe: “Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy?” Feno toky izy namaly hoe: “Hiandry aho mandritra ny andro rehetra anerena ahy hiandry [izany hoe, fotoana ahafatesana], mandra-pahatongan’ny fanafahana ahy. Hiantso ianao, dia hamaly anao aho.”—Joba 14:14, 15.
Mahavelom-panantenana antsika ny nananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty
Tsy vaovao tamin’i Marta anabavin’i Lazarosy ny momba ny fananganana amin’ny maty. Hoy i Jesosy taminy, rehefa maty i Lazarosy: “Hitsangana ny anadahinao.” Namaly i Marta hoe: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany.” Hoy àry i Jesosy taminy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” (Jaona 11:23-25) Natsangan’i Jesosy i Lazarosy avy eo. Santatra am-bava rano ihany anefa izany. Eritrereto ange rehefa hisy fitsanganana amin’ny maty eran-tany e!
Hisy hatsangana ho any an-danitra ve?
VALINY ARA-BAIBOLY: Asehon’ny Baiboly fa tsy mitovy amin’ny fananganana an’ireo olona valo ireo ny an’i Jesosy. Rehefa natsangana izy ireo dia nijanona teto an-tany ihany. Hoy kosa ny Baiboly momba ny fananganana an’i Jesosy: “Eo ankavanan’Andriamanitra izy, satria nankany an-danitra.” (1 Petera 3:21, 22) I Jesosy irery ve no nankany an-danitra rehefa nitsangana? Efa niteny tamin’ny apostoliny izy hoe: “Rehefa handeha aho ka hanomana toerana ho anareo, dia ho avy indray ary handray anareo any amiko, ka izay misy ahy no hisy anareo koa.”—Jaona 14:3.
Nankany an-danitra i Kristy ary nanomana ny hahatongavan’ny mpianany sasany. Miisa 144 000 ireo hatsangana ho any an-danitra. (Apokalypsy 14:1, 3) Inona no hataon’izy ireo any?
Ho be atao izy ireo. Hoy ny Baiboly: “Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany. Tsy manam-pahefana amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.” (Apokalypsy 20:6) Ho mpisorona sy ho mpanjaka amin’ny tany miaraka amin’i Kristy ireo hatsangana amin’ny maty mba ho any an-danitra.
Iza no hatsangana amin’ny maty aorian’izy ireo?
VALINY ARA-BAIBOLY: Voarakitra ao amin’ny Baiboly ity tenin’ny apostoly Paoly ity: “Manantena amin’Andriamanitra aho, araka izay antenain’izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—Asan’ny Apostoly 24:15.
Manome toky antsika ny Baiboly hoe olona maty an’arivony tapitrisa no mbola ho velona indray
Iza ireo olona “marina” noresahin’i Paoly ireo? Anisan’izy ireo i Daniela, izay nanam-pinoana. Izao no nolazaina taminy, talohan’ny nahafatesany: “Hiala sasatra ianao, nefa hitsangana any am-parany mba hahazo ny anjaranao.” (Daniela 12:13) Rehefa hitsangana izy dia ho aiza? “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Salamo 37:29) Efa niteny koa i Jesosy hoe: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5) Hatsangana mba hiaina mandrakizay eto an-tany i Daniela sy ny olo-marina hafa.
Iza kosa ireo antsoin’i Paoly hoe “tsy marina”? Olona an’arivony tapitrisa, izay efa maty nefa tsy afaka nianatra Baiboly ary tsy afaka nampihatra an’izay voalaza ao. Rehefa hatsangana izy ireo, dia ho afaka hianatra sy hahalala an’i Jehovaha sy Jesosy. (Jaona 17:3) Izay mifidy ny hanompo an’Andriamanitra, dia ho velona foana raha mbola velona koa i Jehovah, izany hoe mandrakizay.
Izay mifidy ny hanompo an’Andriamanitra dia ho salama sy ho sambatra mandrakizay
Hanao ahoana ny fiainana amin’izay?
VALINY ARA-BAIBOLY: Hofafan’Andriamanitra “ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:4) “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany.”—Isaia 65:21.
Alao sary an-tsaina ange hoe hoatr’izany ny fiainanao miaraka amin’ny havanao natsangana amin’ny maty e! Izao anefa: Ahoana no hahazoanao antoka hoe tena hitsangana tokoa ny maty?
a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.
-
-
Azonao Antoka ve hoe Mbola ho Velona ny Maty?Ny Tilikambo Fiambenana—2015 | 1 Aogositra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | METY HO VELONA INDRAY VE NY MATY?
Azonao Antoka ve hoe Mbola ho Velona ny Maty?
Tsy misaina tsara ve izay mieritreritra hoe hitsangana ny maty? Tsy izany mihitsy. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia isika no mampahonena indrindra amin’ny olona rehetra. Efa natsangana tamin’ny maty tokoa anefa i Kristy, izay voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry.” (1 Korintianina 15:19, 20) Nino i Paoly fa hatsangana ny maty, ary azo antoka izany noho ny nananganana an’i Jesosy.a (Asan’ny Apostoly 17:31) Nantsoiny hoe “voaloham-bokatra” i Jesosy satria izy no natsangana voalohany mba hiaina mandrakizay. Raha misy ny voalohany dia tsy maintsy misy koa ny manaraka azy.
Hoy i Joba tamin’Andriamanitra: “Haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.”—Joba 14:14, 15
Nahoana koa no azo antoka hoe hitsangana ny maty? Milaza ny marina foana i Jehovah, ilay Andriamanitra “tsy mahay mandainga.” (Titosy 1:2) Mbola tsy nandainga izy ary tsy handainga mihitsy. Izy ve dia hampanantena hoe hatsangany ny maty, sady asehony mihitsy hoe vitany izany, nefa avy eo tsy hotanterahiny akory?
Nahoana i Jehovah no hanangana ny maty? Satria be fitiavana izy. Hoy i Joba: “Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy? ... Hiantso ianao, dia hamaly anao aho, satria haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.” (Joba 14:14, 15) Fantatr’i Joba fa tsy ho andrin’ilay Rainy any an-danitra ny hanangana azy. Niova ve Andriamanitra? Tsia. Hoy izy: “Izaho no Jehovah ary tsy miova aho.” (Malakia 3:6) Mbola maniry mafy hahita ny olona efa maty izy, ary tiany ho salama sy ho sambatra izy ireo. Toy izany koa ny fanirian’ny ray aman-dreny namoy zanaka. Tsy afaka manatanteraka ny faniriany anefa izy ireo, fa Andriamanitra kosa mahavita manatanteraka ny azy.—Salamo 135:6.
Tena ratsy ny fahafatesana nefa mbola hofoanan’Andriamanitra
Homen’i Jehovah hery ny Zanany mba hampifaliana an’ireo maty havana. Ary inona no tsapan’i Jesosy rehefa misy maty? Talohan’ny nananganany an’i Lazarosy, dia ‘nirotsaka ny ranomasony’, rehefa nahita ny anabavin’i Lazarosy sy ny namany nalahelo mafy izy. (Jaona 11:35) Indray mandeha koa izy nahita mpitondratena iray avy tao Naina. Maty ny zanaka lahitokan’io vehivavy io. “Nangoraka azy” i Jesosy “ka nanao taminy hoe: ‘Aza mitomany intsony.’ ” Tonga dia natsangany ilay zazalahy. (Lioka 7:13) Malahelo be àry izy rehefa misy maty na nidonam-pahoriana. Faly i Jesosy rehefa hataony falifaly daholo ny olona nisaona!
Efa nidonam-pahoriana ve ianao? Mety ho nahatsiaro ho tsy afa-nanoatra ianao tamin’izay. Soa ihany fa manome vahaolana Andriamanitra. Hampiasainy hanangana ny maty ny Zanany. Tadidio fa tian’Andriamanitra hahita an’izany ianao. Tiany hihaona amin’ny havanao hatsangana amin’ny maty ianao. Alao sary an-tsaina hoe hiaraka foana ianareo ary tsy hisaraka intsony mihitsy.
Hoy i Lionel, ilay voaresaka tany aloha: “Nianatra momba ny fitsanganan’ny maty aho, tatỳ aoriana. Tsy nety nino aho tamin’ny voalohany sady tsy natoky an’ilay olona niteny an’izany tamiko. Nohamariniko tao amin’ny Baiboly anefa ilay izy ary hitako hoe tena marina. Lasa tsy andriko indray izay hahitana an’i Dadabe.”
Mila fanazavana fanampiny ve ianao? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hampiseho anao ao amin’ny Baibolinao hoe nahoana izy ireo no resy lahatra fa tena hitsangana ny maty.b
a Misy porofon’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty ao amin’ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, pejy 78-86, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
b Jereo ny toko 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io ary azo .
-