Valin’ireo Fanontaniana Folo Momba ny Firaisana
1 Firaisana ve ilay fahotana nataon’i Adama sy Eva tao amin’ny zaridainan’i Edena?
▪ Valiny: Maro no mihevitra fa firaisana no tiana holazaina amin’ilay hoe voankazo voarara tao Edena. Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly.
Eritrereto izao: Mbola tsy nisy akory i Eva dia efa nandidy an’i Adama Andriamanitra mba tsy hihinana ny “voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 2:15-18) Tsy firaisana àry no norarany, satria irery i Adama tamin’izay. Mazava be koa ny didy nomen’Andriamanitra an’i Adama sy Eva hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” (Genesisy 1:28) Midika izany fa nila nanao firaisana izy ireo. Andriamanitra fitiavana ve dia hanome an’izany didy izany, nefa avy eo hanameloka azy mivady ho faty noho izy ireo nankatò an’izany?—1 Jaona 4:8.
Tsy teo koa i Adama tamin’i Eva ‘naka ny voan’ilay [voankazo voarara] ka nihinana an’izany. Rehefa tafaraka taminy i Adama avy eo vao nomeny, ary dia nihinana izy.’—Genesisy 3:6.
Tsy voaheloka koa i Adama sy Eva tamin’izy ireo nanao firaisana ka niteraka. (Genesisy 4:1, 2) Mazava àry fa tsy firaisana ilay voankazo nandrarana azy ireo fa tena voankazo mihitsy.
2 Mety ve ny manao firaisana mba hahazoana fahafinaretana?
▪ Valiny: Milaza ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly fa “lahy sy vavy” ny olombelona noforonin’Andriamanitra, ary “tena tsara” ny zavatra noforoniny. (Genesisy 1:27, 31) Nilaza toy izao, tatỳ aoriana, ny mpanoratra Baiboly iray: “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. ... Aoka ny nonony hahatonga anao ho mamon’ny fahafinaretana foana.” (Ohabolana 5:18, 19) Tsy raran’ny Baiboly àry ny manao firaisana mba hahazoana fahafinaretana.
Mba hahafahan’ny olona miteraka no antony namoronan’Andriamanitra ny filahiana sy ny fivaviana. Nataony koa anefa izany mba hahafahan’ny mpivady mifaneho fitiavana sy mahazo fahafinaretana. Mahazo izay ilainy eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po àry ny mpivady rehefa manao firaisana.
3 Mety ve ny manao tokantranomaso?
▪ Valiny: Milaza ny Baiboly fa “homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga.” (Hebreo 13:4) Malalaka be ny dikan’ilay teny grika nadika hoe fijangajangana (pôrneia). Midika hoe fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny filahiana na ny fivaviana izy io, ary olon-droa tsy mpivady no manao izany.a Tsy tian’Andriamanitra àry raha miray trano ny lehilahy sy vehivavy mbola tsy mpivady, na dia mikasa hisoratra aza izy ireo any aoriana any.
Na dia mifankatia be aza ny olon-droa, dia milaza Andriamanitra fa tokony hivady ara-dalàna izy ireo vao hanao firaisana. Nataon’Andriamanitra ho afaka hitia olona isika. Ny fitiavana koa no toetra tena mampiavaka azy. Misy antony tsara àry matoa izy manizingizina hoe ny mpivady ihany no tokony hanao firaisana. Hanazava izany ny lahatsoratra manaraka.
4 Mety ve ny manambady maro?
▪ Valiny: Nisy fotoana Andriamanitra namela ny lehilahy hanana vady mihoatra ny iray. (Genesisy 4:19; 16:1-4; 29:18–30:24) Tsy noforoniny hanana vady maro anefa ny olona. Iray ihany ny vady nomeny an’i Adama.
Nasain’Andriamanitra naverin’i Jesosy Kristy ilay fitsipiny tany am-boalohany hoe tokony hanambady tokana ny olona. (Jaona 8:28) Rehefa nisy nanontany momba ny fanambadiana àry i Jesosy, dia hoy izy: “Izay namorona ny olona, dia nanao azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa.’ ”—Matio 19:4, 5.
Hoy ny mpianatr’i Jesosy iray tatỳ aoriana: “Aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny avy, ary ny vehivavy samy hanana ny vadiny avy.” (1 Korintianina 7:2) Milaza koa ny Baiboly fa tokony “hanambady tokana” izay lehilahy omena andraikitra eo anivon’ny fiangonana kristianina.—1 Timoty 3:2, 12.
5 Mahazo manao fanabeazana aizana ve ny mpivady?
▪ Valiny: Tsy nodidian’i Jesosy mba hiteraka na tsy hiteraka ny mpanara-dia azy. Tsy nandidy an’izany koa ny mpianany voalohany. Tsy milaza koa ny Baiboly hoe tsy mety ny manao fandrindram-piterahana.
Afaka misafidy àry ny mpivady na hiteraka na tsia. Afaka misafidy koa izy ireo hoe rahoviana no hiteraka ary firy ny isany. Anjaran’ny mpivady ny manapa-kevitra raha hanao fanabeazana aizana izy ireo na tsia, fa tsy tokony hahafa-jaza fotsiny ilay izy.b Tsy tokony hisy hitsaratsara azy ireo amin’izany àry.—Romanina 14:4, 10-13.
6 Mety ve ny manala zaza?
▪ Valiny: Masina ny aina amin’Andriamanitra, ka na ny tsaika aza dia efa olona aminy. (Salamo 139:16) Nilaza izy fa hatao ampamoaka izay mandratra zaza mbola any am-bohoka. Aminy àry dia mamono olona izay manala zaza.—Eksodosy 20:13; 21:22, 23.
Ahoana anefa raha saro-piterahana ilay reny ka tsy maintsy misafidy izy mivady hoe ny ain’ilay zaza sa ny ain’ilay reny no hafoy? Izy mivady ihany amin’izay no tsy maintsy manapa-kevitra hoe ny ain’iza no havotana.c
7 Mety ve ny misara-panambadiana?
▪ Valiny: Mamela ny mpivady hisaraka ny Baiboly, kanefa antony iray ihany no ahafahany misaraka. Hoy i Jesosy: “Izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana [firaisana amin’ny olona tsy vadiny] ihany angaha no antony isarahany.”—Matio 19:9.
Halan’Andriamanitra ny olona fetsifetsy sy mamitaka mba hahafahana misara-panambadiana. Hataony ampamoaka izay olona mandao ny vadiny tsy amin’antony, indrindra raha hoe noho izy te hiaraka amin’olon-kafa no mahatonga azy hanao izany.—Malakia 2:13-16; Marka 10:9.
8 Eken’Andriamanitra ve ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy?
▪ Valiny: Manameloka ny fijangajangana ny Baiboly, anisan’izany ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. (Romanina 1:26, 27; Galatianina 5:19-21) Voalaza ao koa anefa fa “lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.
Marina fa tsy ankasitrahan’ny tena Kristianina ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Tsara fanahy amin’ny olona rehetra anefa izy ireo. (Matio 7:12) Tian’Andriamanitra ‘hanaja ny karazan’olona rehetra’ mantsy isika. Tsy ny lehilahy miray amin’ny lehilahy na ny vehivavy miray amin’ny vehivavy àry no halan’ny tena Kristianina fa ny fanaony.—1 Petera 2:17.
9 Ratsy ve ny mifampiresaka firaisana na mifandefa sary sy hafatra vetaveta amin’ny telefaonina na amin’ny Internet?
▪ Valiny: Olona maro ankehitriny no miresaka firaisana amin’ny fomba ratsy, na mihaino hafatra vetaveta, na mandefa sary manaitaitra sy hafatra mamoafady amin’ny alalan’ny telefaonina. Misy koa manao an’izany amin’ny alalan’ny Internet.
Tsy miresaka mivantana an’ireo fanao ireo ny Baiboly. Voalaza ao anefa hoe: “Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na izay faniriana tsy mety afa-po, fa tsy mendrika ny olona masina izany, na fitondran-tena mahamenatra na resaka adaladala na vazivazy vetaveta, izay samy tsy mety.” (Efesianina 5:3, 4) Lasa manana hevi-diso momba ny firaisana ny olona mandefa hafatra sy sary vetaveta na miresaka firaisana amin’ny telefaonina na Internet, ary mahatonga azy hanao firaisana amin’ny olona tsy vadiny izany. Lasa tsy mahafehy ny faniriany koa izy, fa lasa tia tena ka te hanao izay mahafa-po ny faniriany fotsiny.
10 Mety ve ny milalao filahiana na fivaviana?
▪ Valiny: Mikasikasika ny filahiany na ny fivaviany ny olona sasany mba hahazoana fahafinaretana toy ny amin’ny firaisana. Marina fa tsy miresaka mivantana an’io fanao io ny Baiboly. Izao anefa no didin’Andriamanitra ho an’ny Kristianina: “Vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo [tsy ara-dalàna].”—Kolosianina 3:5.
Lasa tia tena sy manana hevi-diso momba ny firaisana ny olona mikasikasika ny filahiany na ny fivaviany. Manome toky anefa ny Baiboly fa azon’Andriamanitra omena “hery fanampiny” ireo miady mafy mba hiala amin’io fahazaran-dratsy io.—2 Korintianina 4:7; Filipianina 4:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Pôrneia koa ny fampiasana ny filahiana na fivaviana tsy mifanaraka amin’ny antony namoronan’Andriamanitra azy. Anisan’izany ny fanitsakitsaham-bady sy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy ary ny firaisana amin’ny biby.
b Ahoana raha atao momba ny vehivavy na ny lehilahy iray? Manazava ny hevitry ny Soratra Masina momba izany ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 1999, pejy 27-28, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
c Hazavaina ao amin’ny Mifohaza! 8 Oktobra 1993, pejy 10-11 hoe azo atao ve ny manala zaza raha vokatry ny fametavetana ilay izy.