FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w16 Aogositra p. 30
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomban-drazana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Lalàna Talohan’i Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Inona no Tena Mandoto ny Olona?
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Fanasana Tanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
w16 Aogositra p. 30
Fariseo manasa tanana ary hafahafa ny fijeriny lehilahy iray tonga dia misakafo

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana no sarotiny be tamin’ilay hoe manasa tanana ny fahavalon’i Jesosy?

Anisan’ireo antony maro nanakianan’ny fahavalon’i Jesosy azy sy ny mpianany izany. Nilaza ny Lalàn’i Mosesy hoe maloto ny olona iray raha misy tsiranoka mivoaka avy aminy, na boka izy, na nikasika fatin’olona na fatim-biby. Voalaza tao koa izay tokony hatao raha te hadio indray ilay olona. Nila nanao sorona izy, na nisasa, na nofafazana rano.—Lev., toko 11-15; Nom., toko 19.

Nampian’ny mpitondra fivavahana jiosy anefa ireo lalàna ireo. Misy boky milaza hoe namorona fitsipika momba an’ireto izy ireo: Inona no mandoto ny olona? Ahoana avy no mety hahatonga azy handoto olon-kafa? Inona ny fitaovana sy zavatra mety haloto na tsy mety maloto? Ary inona ny fombafomba tsy maintsy hatao raha te hadio indray?

Hoy ny fahavalon’i Jesosy: “Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fomban-drazana, fa mihinana amin’ny tanana maloto?” (Mar. 7:5) Tsy te hilaza ry zareo hoe mahasalama ny manasa tanana alohan’ny hisakafo. Tiany harahin’ny mpianatr’i Jesosy fotsiny ilay fombafomba hoe tsy maintsy tondrahana rano ny tanana vao misakafo. Nilaza koa ilay boky fa nofaritan’izy ireo hatramin’ny hoe “inona no fitaovana anondrahana an’ilay rano, inona no rano mety, iza no tokony hanondraka an’ilay izy, ary hatraiza no tondrahana sy atsoboka ao anaty rano.”

Hoy i Jesosy tamin’ireny mpitondra fivavahana ireny: “Marina ny naminanian’i Isaia momba anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: ‘Manaja ahy an-tendro-molotra fotsiny ity vahoaka ity, fa ny fony kosa lavitra ahy [Jehovah]. Koa very maina ny mbola ivavahany foana amiko, satria didin’olombelona no ampianariny.’ Ataonareo tsinontsinona ny didin’Andriamanitra fa ny fomban-drazana no ifikiranareo.”​—Mar. 7:6-8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara