FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mbola Ilaina ve ny Manao ny Marina?
    Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2016 | No. 1
    • Mpampiasa mandrahona mpiasa, sady manondrotondro azy

      MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA ISIKA NO TOKONY HANAO NY MARINA?

      Mbola Ilaina ve ny Manao ny Marina?

      Mpanao kaonty tao amin’ny orinasa iray mpanao tolotr’asa any Japon i Hitoshi. Nanamarina kaonty niaraka tamin’ny lehibeny izy indray mandeha. Bedy izy satria tokony ho novany kely, hono, ilay tatitra momba ny kaonty. Nilaza anefa i Hitoshi fa tsy mety amin’ny eritreriny izany. Nandrahona ny handroaka azy àry ilay lehibeny, ary tena voaroaka tokoa izy.

      Kivy be i Hitoshi taorian’izay hoe mbola hahita asa ihany ve izy. Nitady asa tao amin’ny orinasa iray, ohatra, izy indray mandeha, ka nadinadinina. Nilaza izy fa tsy mety aminy ny manao ny tsy marina. Hoy anefa ilay olona nanadinadina azy: “Hafahafa koa ianao izany!” Nampirisika an’i Hitoshi hanao ny marina foana kosa ny fianakaviany sy ny namany. Nanomboka nisalasala anefa izy, ka nisy fotoana izy niteny hoe: “Tsy haiko raha mbola ilaina ihany ny manao ny marina!”

      Hitantsika tamin’izay nanjo an’i Hitoshi fa tsy ny olon-drehetra no tia manao ny marina. Misy aza angamba mieritreritra mihitsy hoe mahafaty antoka izany, indrindra amin’ny resaka varotra. Hoy ny vehivavy iray atsy Afrika Atsimo: “Tsy manao ny marina daholo ny mpiara-miasa amiko, ka sarotra be indraindray ny tsy hanao hoatran-dry zareo.”

      Anisan’ny fanaovana ny tsy marina koa ny mandainga, ary izy io no tena be mpanao. Nanao fanadihadiana i Robert Feldman, psikology ao amin’ny Oniversiten’i Massachusetts any Amherst, taona vitsivitsy lasa izay. Hita tamin’izany fa ny 60 isan-jaton’ny olon-dehibe no mandainga, fara fahakeliny indray mandeha, ao anatin’ny resaka ataony mandritra ny folo minitra. Hoy i Feldman: “Gaga be izahay! Tsy nampoizinay hoe lasa fanaon’ny olona ny mandainga.” Mahagaga fa tsy tian’ny olona mihitsy ny hoe handaingana nefa be dia be ny olona mandainga.

      Nahoana àry no be dia be ny olona mandainga sy mangalatra ary manao zavatra ratsy hafa? Inona no vokatr’izany eo amin’ny fiaraha-monina? Inona no hanampy antsika hanao ny marina foana?

  • Inona no ho Vokany Raha Manao ny Tsy Marina Isika?
    Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2016 | No. 1
    • Vehivavy roa miresaka

      MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA ISIKA NO TOKONY HANAO NY MARINA?

      Inona no ho Vokany Raha Manao ny Tsy Marina Isika?

      “Ho voavaha foana na dia ny olana tena lehibe aza, raha manao ny tsy marina kely fotsiny ianao.”—Samantha, any Afrika Atsimo.

      Mitovy hevitra amin’izany ve ianao? Efa nanana olana lehibe hoatran’i Samantha daholo isika rehetra. Mety halaim-panahy hanao ny tsy marina isika indraindray. Izay ataontsika amin’ireny fotoana ireny anefa no ahitana hoe inona no zava-dehibe amintsika. Raha tsy te ho afa-baraka, ohatra, isika, dia mety hieritreritra hoe tsy maninona na manao ny tsy marina aza. Ratsy be anefa matetika ny vokany rehefa mipoitra amin’izay ny tena marina. Ireto ny sasany amin’izany:

      LASA TSY ATOKISAN’NY OLONA INTSONY

      Mifandray tsara ny olona mifampatoky, ka mahatsiaro ho milamin-tsaina izy ireo. Mila fotoana anefa izany. Lasa mifampatoky ny olona rehefa miaraka matetika, mifampilaza ny marina foana, ary tsy tia tena. Raha manao ny tsy marina indray mandeha fotsiny anefa ny olona iray, dia mety tsy hatoky azy intsony ny olona. Tena sarotra be ny mamerina an’izany.

      Efa nisy olona noeritreretinao hoe namanao be ve nefa namitaka anao? Inona no tsapanao tamin’izay? Azo antoka fa nalahelo be ianao, ary mety ho nahatsiaro mihitsy aza hoe namadika anao izy. Ara-dalàna izany! Tsy ho mpinamana be intsony ny olona roa raha manao ny tsy marina ny iray.

      MAMINDRA AMIN’NY HAFA ILAY IZY

      “Mamindra ilay toe-tsaina hoe tsy tia manao ny marina”, araka ny fanadihadiana nataon’i Robert Innes, mpampianatra toe-karena ao amin’ny Oniversiten’i Kalifornia. Hoatran’ny virosy izy io. Raha mifanerasera matetika amin’ny olona mpamitaka ianao, dia azo antoka fa “hifindra” aminao ny toetra ratsiny.

      Inona àry no azonao atao mba tsy ho tratran’izany? Afaka manampy anao ny Baiboly. Handinika toro lalana vitsivitsy avy ao àry isika izao.

      Manao ny Tsy Marina ny Olona...

      Mandainga

      Lehilahy manala ny peratra mariaziny

      AHOANA IZANY? Milaza zavatra diso amin’ny olona manan-jo hahalala ny marina. Mety ho anisan’izany ny hoe manova na manamboamboatra ny tena marina, tsy milaza ny zavatra tena tokony hampahafantarina, ary manita-dresaka mba hamitahana olona.

      INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Maharikoriko an’i Jehovah ny olona fetsifetsy, fa ny olo-mahitsy kosa no manana fifandraisana akaiky aminy.” (Ohabolana 3:32) ‘Satria efa narianareo ny lainga, dia milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay, fa rantsambatana mifampiankina isika.’—Efesianina 4:25.

      Manendrikendrika

      Lehilahy roa mifosa lehilahy iray miditra ny varavarana

      AHOANA IZANY? Manaratsy sy manoso-potaka olona, ka lasa manimba ny lazany.

      INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Mampisy fifandirana ny olona manao teti-dratsy, ary ny mpanendrikendrika mampisaraka ny tena mpinamana.” (Ohabolana 16:28) “Maty ny afo rehefa tsy misy kitay, ary mitsahatra ny fifandirana rehefa tsy misy mpanendrikendrika.”—Ohabolana 26:20.

      Manambaka

      Lehilahy manondro famantaranandro afeniny ao anaty akanjony

      AHOANA IZANY? Mamitaka sy mametsifetsy olona mba hahazoana vola na fananana.

      INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Aza ambakaina ny mpikarama izay tra-pahasahiranana sady mahantra.” (Deoteronomia 24:14, 15) “Izay manambaka ny tsy manana dia manala baraka ny Mpanao azy, fa izay miantra ny mahantra kosa manome voninahitra Azy.”—Ohabolana 14:31.

      Mangalatra

      Olona mangalatra poketra ao anaty kitapo

      AHOANA IZANY? Maka zavatr’olona nefa tsy nahazo alalana.

      INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy, ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara, mba hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.” (Efesianina 4:28) ‘Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpangalatra, na olona manana faniriana tsy mety afa-po, na mpimamo, na mpanevateva, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.’—1 Korintianina 6:9, 10.

  • Mahasoa ny Manao ny Marina Foana
    Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2016 | No. 1
    • Lehilahy nahita poketra dia manome an’ilay izy an’ny tompony

      MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA ISIKA NO TOKONY HANAO NY MARINA?

      Mahasoa ny Manao ny Marina Foana

      ‘Matoky izahay fa manana feon’ny fieritreretana tsara, satria te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.’—Hebreo 13:18.

      Midika ara-bakiteny hoe “zavatra tena tsara” indraindray ilay teny grika nadika hoe “manao ny marina” ao amin’ny Baiboly. Azo adika hoe toetra tsara sy mahafinaritra koa izy io.

      Tena zava-dehibe amin’ny Kristianina ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe: ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’ Inona no dikan’izany?

      MILA MIEZAKA MAFY IANAO

      Tia mijery fitaratra ny ankamaroan’ny olona isa-maraina, alohan’ny hivoaka ny trano, satria mba te hanao metimety. Ny toetrantsika anefa no zava-dehibe kokoa noho ny hoe manao taovolo sy akanjo manara-damaody. Raha tsara toetra isika, dia vao mainka hahafinaritra ny olona. Raha ratsy toetra kosa isika, dia tsy ho tian’ny olona na dia tsara be aza ny paozintsika.

      Milaza ny Baiboly fa mora manao ratsy isika. Hoy ny Genesisy 8:21: ‘Zava-dratsy foana no irin’ny fon’ny olona, efa hatramin’ny fahazazany.’ Raha te hanao ny marina foana àry isika, dia tsy maintsy manohitra an’izany faniriantsika hanota izany. Noresahin’ny apostoly Paoly fa nila niezaka mafy izy mba tsy hanao ratsy. Hoy izy: “Tena mahafinaritra ahy ny lalàn’Andriamanitra, araka ny toetra maha izy ahy, nefa ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako.”—Romanina 7:22, 23.

      Ahoana, ohatra, raha mitaona antsika hanao ratsy ny fontsika ka te hanao ny tsy marina isika? Manan-tsafidy isika fa tsy voatery hanao izay irin’ny fontsika. Raha manala ny eritreri-dratsy ao amintsika isika, dia hahavita hanao ny marina foana na dia tsy manao an’izany aza ny olona manodidina antsika.

      AFAKA NY HANDRESY IANAO

      Mila toro lalana hanampy antsika hahalala ny mety sy ny tsy mety isika, raha te hanao ny marina foana. Tsy miraharaha an’izany anefa ny ankamaroan’ny olona, fa aleony mandany fotoana hieritreretana be an’izay akanjo mety aminy. Mihevitra àry izy ireo fa azo atao ny manao ny tsy marina rehefa ahazoana tombony izany. Hoy ilay boky hoe Ny (Tena) Marina Momba ny Fanaovana ny Tsy Marina (anglisy): “Tsy maninona na manao ny tsy marina aza isika raha mbola ekentsika hoe mety ny ataontsika.” Soa ihany fa misy toro lalana afaka manampy antsika hamantatra hoe tsy mampaninona tokoa ve ny manao ny tsy marina indraindray.

      Olona an-tapitrisany eran-tany no nahita fa tena afaka manampy ny Baiboly. Misy toro lalana tena miavaka ao. (Salamo 19:7) Misy torohevitra azo ampiharina momba an’ireto, ohatra, ao: Ny tokantrano, asa, fitondran-tena, ary ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Tsy mety lany andro ireny toro lalana ireny, sady azon’ny olon-drehetra ampiharina na inona na inona fiaviany. Hanampy ny fontsika ho zatra hanao ny marina isika, raha mianatra Baiboly sy misaintsaina azy io ary mampihatra ny torohevitra ao.

      Tsy ampy anefa ny mianatra Baiboly raha tiantsika ny hanao ny marina foana. Tsy tia manao ny marina mantsy ny ankamaroan’ny olona, ka tereny hanao hoatr’izany koa isika. Tena ilaina àry ny mivavaka mba hanampian’Andriamanitra antsika. (Filipianina 4:6, 7, 13) Raha manao an’izany isika, dia ho vitantsika ny hanao ny marina foana amin’ny zava-drehetra.

      NY SOA AZO REHEFA MANAO NY MARINA

      Tsy matiantoka i Hitoshi, ilay noresahina tao amin’ny lahatsoratra tany aloha, satria nalaza ho mpiasa manao ny marina. Efa nahita asa izy, ary tena tian’ny mpampiasa azy amin’ilay izy tia manao ny marina. Hoy i Hitoshi: “Faly be aho fa nahita asa mahatonga ahy hanana feon’ny fieritreretana madio foana.”

      Nisy olon-kafa koa nandray soa rehefa nampihatra an’ilay toro lalan’ny Baiboly hoe ‘manao ny marina amin’ny zava-drehetra.’ Ireto misy ohatra amin’izany:

      • Manana feon’ny fieritreretana madio

        Cheryl

        “Tsy nianatra intsony aho tamin’izaho 13 taona, satria te hangalatra niaraka tamin’ny namako. Halatra daholo ny ankamaroan’ny vola azoko. Nanambady aho tatỳ aoriana, ary nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay mivady. Nianaranay fa tsy tian’i Jehovaha Andriamanitra ny olona manao ny tsy marina, ka tapa-kevitra ny hiova izahay. Nanokana ny fiainanay ho an’i Jehovah izahay tamin’ny 1990, dia natao batisa ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.”—Ohabolana 6:16-19.

        “Feno entana halatra ny tranoko taloha, nefa tsisy an’izany intsony amin’izao ka lasa madio ny eritreritro. Rehefa mieritreritra ny zavatra tsy nety nataoko nandritra ny taona maro aho, dia tena misaotra an’i Jehovah satria namindra fo tamiko izy. Faly erỳ aho izao isaky ny handeha hatory, satria fantatro fa mahafaly an’i Jehovah ny zavatra ataoko.”—Cheryl, any Irlandy.

        Sonny

        “Nisy olona saika hividy entana tao aminay, nanome tsolotra an’ahy. Rehefa fantatry ny mpampiasa anay hoe tsy nety nandray an’ilay izy aho, dia hoy izy: ‘Ny Andriamanitrao mihitsy no nahatonga anao ho azo atokisana hoatr’izao! Tena faly izahay hoe miasa ato aminay ianao.’ Lasa madio ny eritreritro eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra, satria manao ny marina amin’ny zava-drehetra aho. Afaka mampirisika ny fianakaviako sy ny olon-kafa hanao hoatr’izany koa aho.”—Sonny, any Hong-Kong.

      • Milamin-tsaina

        Tom

        “Tale lefitra ao amin’ny banky iraisam-pirenena iray aho. Ny hanan-karena no tanjon’ny olona rehefa miasa amin’ny banky, dia matetika izy ireo no tsy mieritreritra ny hanao ny marina izany mihitsy. Izao no toe-tsain-dry zareo: ‘Inona moa no maha ratsy ny manao ny tsy marina kely fotsiny raha hahazoana tombony be ilay izy?’ Milamin-tsaina anefa aho satria manao ny marina. Tapa-kevitra ny hanao an’izany foana aho, na inon-kidona na inon-kihatra. Fantatry ny mpampiasa ahy hoe tsy handainga amin-dry zareo mihitsy aho, sady tsy hanaiky raha asaina manao an’izany.”—Tom, any Etazonia.

      • Hajain’ny olona

        Kaori

        “Nisy entana very tao am-piasana, ka nasain’ny lehibeko handainga momba an’izany aho. Tsy nanaiky anefa aho. Rehefa tratra avy eo ny olona nangalatra an’ilay izy, dia nisaotra an’ahy ny mpampiasa anay satria nanao ny marina aho. Mila herim-po ilay hoe manao ny marina foana, satria tsy tia an’izany ny ankamaroan’ny olona. Lasa atokisan’ny olona sy hajainy anefa ianao raha manao an’izany.”—Kaori, any Japon.

      Lasa madio ny eritreritrao, milamin-tsaina koa ianao, ary hajain’ny olona rehefa manao ny marina. Tsy hitanao amin’izany ve fa mahasoa ny manao ny marina?

      a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara