FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/11 p. 2
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampio “Tsy ho Voahozongozona Amin’ny Finoana” Izy Ireo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 2)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 1)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Andao Hifarimbona Hanampy ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
km 4/11 p. 2

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Mbola tokony hampianarina hafiriana ny mpianatra iray efa mandroso?

Tokony hotohizina ny fianaran’ny mpianatra iray efa mandroso, mandra-pahavitan’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? sy “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra.” Mila vitaina foana ireo, na dia efa vita batisa aza izy. Mbola afaka manisa ora sy fiverenana mitsidika ary fampianarana ilay mampianatra azy, na dia efa vita batisa aza ilay mpianatra. Afaka manisa ora koa izay mpitory miaraka aminy, ka mandray anjara amin’ilay fampianarana.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 2009, pejy 2.

Tokony ho efa miorina tsara amin’ny fahamarinana ilay mpianatra, vao tsy ampianarina intsony. Tsy maintsy hiatrika fitsapana izy, ka tokony “hamaka tsara” ao amin’i Kristy sy “tsy ho voahozongozona amin’ny finoana.” (Kol. 2:6, 7; 2 Tim. 3:12; 1 Pet. 5:8, 9) Mila ‘manana fahalalana marina tsara ny fahamarinana’ koa izy, mba hahaizany hampianatra ny hafa. (1 Tim. 2:4) Hanampy azy tsy hiala amin’ilay “lalana mankany amin’ny fiainana” isika, raha mamita ireo boky roa voalaza teo.—Mat. 7:14.

Tokony ho azon’ny anti-panahy antoka hoe mahatakatra tsara an’ireo fampianarana fototra ny mpianatra iray, sady miaina mifanaraka amin’izany, alohan’ny hanekena azy hatao batisa. Tokony ho mailo kokoa ny anti-panahy, raha mbola tsy nahavita ny boky Ampianarina ilay mpianatra. Raha hita hoe mbola tsy mahafeno fepetra izy, dia hanao fandaharana hanampiana azy ny anti-panahy mba ho azo atao batisa izy amin’ny hoavy.—Jereo ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 217-218.

[Teny notsongaina, pejy 2]

Tokony hiorina tsara amin’ny fahamarinana ireo vaovao

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara