Toko 32
Inona no Hataoko mba Tsy Hisy Hanolana Aho?
Olona an-tapitrisany isan-taona no misy manolana, ary hita tamin’ny fanadihadiana fa ankizy sy tanora ny ankamaroany. Ny antsasany eo ho eo amin’ny olona nisy nanolana no latsaka ny 18 taona, any Etazonia. Be dia be àry izao ny mpametaveta ankizy, ka tena mila mandinika tsara an’ity toko ity ianao.
‘Nobatainy aho sady nazerany tamin’ny tany. Teo aho vao tonga saina hoe hay hanolana ahy izy. Nataoko daholo izay azoko natao. Niezaka nikiakiaka aho fa tsy nahavoaka feo. Natosiko izy, nodakako, nasiako totohondry, dia norangotiko. Notsindroniny tamin’ny antsy anefa aho. Tonga aho dia nalemy.’—Volana.
LASA be dia be izao ny mpanolana, ary ny ankizy sy ny tanora no tena voany. Olona tsy fantatr’ilay ankizy indraindray no manolana azy, toy ilay nahazo an’i Volana.a Misy indray mpiray tanàna aminy ihany. Izany no nanjo an’i Ony, tamin’izy vao folo taona. Ankizilahy teny an-tanànany ihany no nanolana azy. Hoy izy taorian’izay: ‘Natahotra be aho sady menatra, dia tsy sahy niteniteny mihitsy.’
Maro koa ny ankizy vetavetain’ny fianakaviany. Hoy i Carmen: ‘Novetavetain’ny dadanay aho tamin’izaho 5 taona ka hatramin’ny 12 taona. Tamin’izaho 20 taona vao sahy niteny taminy hoe tsy nety mihitsy ny nataony. Mody nifona izy nefa noroahiny aho taoriana kelin’izay.’
Mety ho mpiray tanàna na namana na fianakaviana àry ilay manolana.b Tsy vao izao anefa no misy zavatra mampahatahotra sy mahatsiravina toy izany, fa efa nisy koa taloha. (Joela 3:3; Matio 2:16) Miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika izao. Be dia be no ‘tsy tia ny mpianakaviny’, ka tsy mahagaga raha maro ny ankizivavy (sy ankizilahy) misy manolana. (2 Timoty 3:1-3) Marina fa mety mbola ho voa ihany ianao na mitandrina aza. Maro anefa ny zavatra azonao atao. Anisan’izany ireto:
Mitandrema foana. Jerijereo tsara ny manodidina anao rehefa eny an-dalana ianao. Misy koa toerana efa malaza hoe mampahatahotra, indrindra amin’ny alina. Aza mankany mihitsy, na miaraha amin’olona raha tsy maintsy mandeha any.—Ohabolana 27:12.
Aza manadaladala ankizilahy na manao akanjo tsy maotina. Mety hisy hieritreritra mantsy hoe tsy mampaninona anao raha misy te hanao firaisana aminao, na hoe ianao mihitsy no te hanao izany.—1 Timoty 2:9, 10.
Resaho mialoha ilay ankizilahy miaraka aminao. Mifanaraha aminy hoe inona ihany no azonareo atao rehefa miaraka ianareo.c Mitandrema foana avy eo, mba tsy halaim-panahy hanolana anao izy.—Ohabolana 13:10.
Aza matahotra miteny. Tsy diso ianao raha miteny an’ilay ankizilahy miaraka aminao hoe: “E! Aza mikitikitika!”, na hoe: “Esory any ny tananao!” Matahotra hisarahany angamba ianao, nefa mitenena ihany! Raha misaraka aminao mantsy izy, dia tsy mety aminao izy izany! Tsy ankizilahy hoatr’izany no mety aminao, fa ankizilahy manaja anao sy ny fitsipika arahinao.
Mitandrema rehefa mampiasa Internet. Aza mametraka sary ao na milaza ny momba anao, raha tsy efa azonao antoka hoe tsy hiparitaka ilay izy. Ho mora amin’ny olona ratsy fanahy mantsy ny hahita hoe aiza ianao.d Aza mamaly mihitsy raha mahazo hafatra vetaveta. Tsy hisisika intsony ilay olona amin’izay.
Tsy dia atahorana hisy hanolana ianao, raha manao an’ireo. (Ohabolana 22:3) Tsy voatery ho afa-miala foana anefa ianao. Angamba ianao tsy maintsy mandeha irery na mandalo amin’ny toerana mampahatahotra. Mety hoe mipetraka any mihitsy aza ianao.
Ahoana àry raha nisy nanolana ianao, na dia efa nitandrina aza? Tampoka be angamba ilay izy sady tsy nahatohitra an’ilay olona ianao, hoatran’i Volana, ilay voaresaka terỳ aloha. Na koa nitovy tamin’ilay an’i Carmen no nahazo anao. Mbola kely ianao tamin’izay, ka tsy nahay niaro tena, na tsy azonao akory hoe inona no nataon’ilay olona taminao. Mieritreritra angamba ianao hoe ianao no diso. Inona àry no azonao atao?
Tadidio hoe tsy diso ianao
Mbola mihevitra i Volana hatramin’izao hoe izy no diso. Hoy izy: ‘Miverimberina ato an-tsaiko foana ilay izy. Mieritreritra aho hoe tokony ho niady mafy kokoa. Fa izaho aloha tonga dia natahotra be vao notsindroniny tamin’ny antsy e! Tsy nahahetsika intsony aho! Fa na izany aza, tokony ho nasiako mafimafy kokoa izy.’
Hoy koa i Ony: “Tsy mba mailomailo aho, dia izay no nahavoa ahy. Efa niteny ry dadanay hoe mila miaraka foana izahay sy zandrinay rehefa milalao, nefa izaho mbola nandeha irery ihany. Dia aiza moa aho no tsy ho voan’ilay ankizilahy! Tena tsy tantin-dry zareo tao an-trano ilay nahazo ahy, dia manenina be aho. Izay no tena tsy zakako!”
Izany koa ve no tsapanao? Tadidio foana hoe noterena ianao, fa tsy sitraponao ilay izy. Tsy mahataitra ny olona anefa indraindray ny fanolanana. Misy miteny hoe: “Ny lehilahy ange efa hoatr’izany foana e!”, na hoe: “Ny hadalan’ilay ankizivavy matoa izy voa!” Aza mino an’izany! Zavatra maharikoriko ny fametavetana, ka tsy misy an’izany olona azo vetavetaina izany! Tsy ianao mihitsy àry no diso!
Sarotra aminao angamba ny mino an’izany. Mihevitra foana ianao hoe ianao no diso, sady lasa mieritreritra zavatra mahakivy foana ianao. Afeninao koa ilay nahazo anao. Iza anefa no ho voa amin’izany? Ianao sa ilay nanolana anao? Mitenena àry fa zonao izany sady hahasoa anao.
Resaho izay nahazo anao
Tantarain’ny Baiboly fa nijaly be ilay olo-marina atao hoe Joba. Niteny izy hoe: “Hamoaka ny fitarainako aho, ary hiteny ao anatin’ny fahoriam-poko.” (Joba 10:1) Manaova àry toa azy koa. Miresaha amin’ny olona atokisanao, dia tsy hijaly be intsony ianao rehefa mandeha ny fotoana, sady ho maivamaivana.
Tena mila miresaka amin’ny anti-panahy koa ianao, raha Vavolombelon’i Jehovah. Tena tia anao izy ireo, ka hampahery anao sy hanome toky anao hoe tsy ianao no nanota fa ilay olona. Hoy i Volana: ‘Noresahiko tamin’ny namako ilay izy, dia nampirisihiny aho hiresaka tamin’ny anti-panahy. Soa ihany aho fa niresaka tamin-dry zareo. Nampahery ahy foana ry zareo sady naverimberiny tamiko hoe tsy diso mihitsy aho, na kely aza.’
Resaho àry izay nahazo anao sy izay ao am-ponao. Tsy hitana lolompo na ho tezitra foana ianao amin’izay. (Salamo 37:8) Ho maivamaivana koa ianao, na dia efa an-taonany maro aza no nijaly. Izany mihitsy no tsapan’i Ony. Niresaka tamin’ny ray aman-dreniny mantsy izy. Hoy izy: “Tena nanampy ahy ry zareo, sady nampirisika ahy hiresaka foana. Lasa tsy tezitra firy intsony aho sady tsy dia nalahelo.” Nivavaka koa i Ony, dia tsy kivy loatra. Hoy izy: “Niresaka tamin’Andriamanitra aho, dia tena nanampy ahy ilay izy, indrindra rehefa ilay tsy te hiresaka amin’olona iny aho. Mahavita milaza tsara izay any am-poko aho rehefa mivavaka, dia lasa milamina ny saiko.”e
Matokia fa mbola ho ‘sitrana’ ianao. (Mpitoriteny 3:3) Miresaha amin’ny namana mampahery. Toy ny “fierena amin’ny rivotra, sy fialofana amin’ny oram-baratra” mantsy izy ireny, tsy misy hafa amin’ireo anti-panahy resahin’ny Isaia 32:2. Amboary ny fo, aza manao vizana be, ary miezaha ho salama. Aza hadinoina mihitsy koa ny mivavaka amin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fampiononana rehetra. Tsy ho ela mantsy dia ‘horinganiny ny mpanao ratsy, fa izay manantena azy no handova ny tany.’—Salamo 37:9.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Natao ho an’ny ankizilahy koa ity toko ity, na dia ankizivavy aza no resahina matetika ato.
b Misy ankizilahy koa manolana ny ankizivavy miaraka aminy. Tereny fotsiny izao ilay ankizivavy na omeny rongony aloha.
c Jereo ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, Toko 4.
d Jereo ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, Toko 11.
e Lasa aretina mihitsy anefa ilay hakiviana indraindray. Tsara àry raha manatona dokotera ianao raha tratran’izany. Vakio koa ny Toko 13 sy 14 fa hanampy anao.
ANDININ-TENY MAHASOA
‘Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara.’—2 Timoty 3:1-3.
SOSO-KEVITRA
Nisy nanolana ve ianao? Ataovy lisitra ny andinin-teny mampahery anao, ary vakio rehefa kivy ianao. Ohatra: Salamo 37:28; 46:1; 118:5-9; Ohabolana 17:17; ary Filipianina 4:6, 7.
FANTATRAO VE... ?
Ny 90 isan-jato maherin’ny ankizy amerikanina nisy nanolana no novetavetain’ny olom-pantany ihany.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hataoko rehefa mieritreritra aho hoe izaho no diso: ․․․․․
Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Inona no soa ho azonao raha tsy afeninao hoe nisy nanolana ianao?
● Inona kosa no mety hanjo anao sy ny olon-kafa, raha tsy tantarainao izay nahazo anao?
[Teny notsongaina, pejy 232]
‘‘Tsy mora ny mitantara an’ilay izy sy mitory any amin’ny polisy, nefa izay no tena mety. Tsy ho kivy be sy tsy ho tezitra intsony ianao amin’izay, sady hatanjaka tsara indray.’’ —Ony
[Efajoro, pejy 230]
“Raha Tia Ahy Ianao, dia...”
Fetsifetsy ny lehilahy sasany satria tsy tereny hanao firaisana aminy ilay ankizivavy, fa reseny lahatra aloha. Teneniny, ohatra, izy hoe: “Manao firaisana daholo ange ny olona rehetra e!”, na hoe: “Tsisy hahita ange isika e!” Hitantsika tao amin’ny Toko 24 koa fa misy miteny hoe: “Raha tia ahy ianao, dia tokony hanao firaisana amiko.” Aza mino an’izany anefa. Tia tena ny olona miteny an’izany. Tsy mieritreritra anao sy izay mahasoa anao izy. Tsy hoatr’izany kosa ny lehilahy tsara toetra, fa izay hahasoa anao no eritreretiny. Ankatoaviny foana koa ny fitsipik’Andriamanitra. (1 Korintianina 10:24) Tsy ataony fitaovana hahazoana fahafinaretana ny ankizivavy, fa entiny “toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka.”—1 Timoty 5:1, 2.
[Sary, pejy 233]
Toy ny hoe mitondra enta-mavesatra ianao, satria mafy be aminao ilay nahazo anao. Aza tazonina ho anao irery àry ilay izy, fa zarao