Tandindomin-doza ny Zanakao!
Ny fanimbana ankizy dia zava-misy mampihorohoro eo amin’itỳ tontolo marary itỳ. Milaza ny gazetiboky Lear’s hoe: “Izy io dia mahakasika antsika kokoa noho ny homamiadana, mahakasika antsika kokoa noho ny aretim-po, mahakasika antsika kokoa noho ny SIDA.” ny Mifohaza!, araka izany, dia mahatsapa adidy hiezaka hampahafantatra amin’ny mpamaky azy io loza io sy izay azo atao momba azy io. — Ampitahao amin’ny Ezekiela 3:17-21; Romana 13:11-13.
TAO anatin’ireo taona faramparany dia nisy antsoantso maneran-tany momba ny fanimbana ankizy, nipoitra. Nefa ny ifantohan’ny fampahalalam-baovao, feno olo-malaza izay nanambara an-karihary ny fametavetana azy tamin’ny fahazazana, dia nitarika ho amin’ny fiheveran-diso mahazatra sasany. Ny olona sasany dia mino fa izany resaka rehetra momba ny famelezana ankizy izany dia tsy inona fa lamaody farany fotsiny. Raha ny marina anefa, dia tsy misy maha-vaovao velively ny fanimbana ankizy toy izany. Saika tranainy sahala amin’ny tantaran’ny olombelona izy io.
Zava-manahirana hatry ny fahagola
Sahabo ho 4 000 taona lasa izay, ireo tanànan’i Sodoma sy i Gomora dia nalaza tamin’ny fanao mahavoafady. Niharihary fa anisan’ireo faharatsiana maro be tao amin’ilay faritra ny fandriana tamin’ankizy. Ny Genesisy 19:4, dia milazalaza ny amin’ny vahoaka adalam-piraisana voaforon’ny Sodomita, nanomboka “hatramin’ny tanora [“ankizilahy”, NW ] ka hatramin’ny antitra”, nitady hisavika an’ireo vahiny lehilahy roa tao amin’i Lota. Hevero izao: Nahoana no mbola ankizilahy izao ka arehitry ny hevitra hisavika lehilahy? Mazava fa efa tafiditra tamin’ny fitondran-tena mahavoafady momba ny fandriana amin’ny samy lehilahy izy ireo.
Rehefa afaka taonjato maro tatỳ aoriana, dia nifindra nankao amin’ny faritr’i Kanana ny firenen’Isiraely. Io tany io dia henika aoka izany tamin’ny fandriana amin’ny havana akaiky, ny sodomia, ny fandriana amin’ny biby, ny fivarotan-tena, ary hatramin’ny fanaovana fanatitra ankizikely arahina fombafomba ho an’ireo andriamanitra demonia aza, hany ka tsy maintsy norarana mazava tao amin’ny Lalàn’i Mosesy ireo fanao maharikoriko ireo. (Levitikosy 18:6, 21-23; 19:29; Jeremia 32:35). Na dia teo aza ny fampitandreman’Andriamanitra, ireo Isiraelita mpikomy, anisan’izany ny sasany tamin’ireo mpanapaka teo aminy, dia nanaraka izany fanao mampietry izany. — Salamo 106:35-38.
Mbola ratsy lavitra noho i Isiraely i Gresy sy i Roma fahizay raha ny amin’io lafiny io. Samy fanao tao amin’ireo toerana roa ireo ny famonoana ankizy, ary tany Gresy dia fanao nekena malalaka ho an’ny lehilahy efa zokiny kokoa ny firaisana tamin’ankizilahy tanora. Feno toerana fivarotan-tena ho an’ny ankizilahy ny tanàna rehetra tany Gresy fahizay. Tao amin’ny Empira Romana indray dia nahazo vahana aoka izany ny fivarotan-tenan’ny ankizy, hany ka nasiana hetra sy fety manokana, voafaritra ho an’io fanao io. Tany amin’ireo kianja filalaovana, dia nosavihina ny ankizivavy ary noterena hanana firaisana tamin’ny biby. Nahazo vahana tany amin’ny firenena tranainy hafa maro ny habibiana sahala amin’izany.
Ahoana ny amin’izao andro maoderina izao? Moa ve efa mandroso loatra ny taranak’olombelona ka tsy ho feno fanao mahatsiravina momba ny lahy sy ny vavy toy izany amin’izao andro izao? Tsy afaka ny hanaiky izany fiheverana izany ny mpianatra ny Baiboly. Fantatr’izy ireo tsara fa ny apostoly Paoly dia nilazalaza an’izao androntsika izao ho “fotoan-tsarotra tsy mora setraina”. Nolazainy tamin’ny an-tsipiriany ny fitiavan-tena mihanaka sy ny fitiavana fahafinaretana ary ny faharavan’ny fifankatiavana voajanaharin’ny fianakaviana izay manenika ny fitambaran’olona maoderina, ary nanampy teny izy hoe: “Ny ratsy fanahy sy ny [mpisoloky, NW ] kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa”. (2 Timoty 3:1-5, 13, NW; Apokalypsy 12:7-12). Moa ve niharatsy ny fanimbana ankizy, izay matetika no ataon’ny “ratsy fanahy sy ny [mpisoloky, NW ] ” ?
Zava-manahirana ilana vonjy haingana
Afenina mangingina matetika ny fanimbana ankizy, hany ka nantsoina hoe ny heloka bevava tsy nanaovana tatitra indrindra angamba izy ireny. Na dia izany aza, ny heloka bevava toy izany dia nihanitombo an-karihary tao anatin’ireo am-polo taonany farany. Tany Etazonia, dia nisy fanadihadiana momba io foto-kevitra io notarihin’ny Los Angeles Times. Izy io dia nahitana fa ny 27 isan-jaton’ny vehivavy ary ny 16 isan-jaton’ny lehilahy dia novetavetaina fony mbola ankizy. Na dia nanaitra aza ilay antontan’isa, ireo tombantombana natao tamim-pitandremana tamin’i Etazonia dia niakatra be tokoa.
Tany Malezia, ny tatitra momba ny fanimbana ankizy dia nitombo efatra heny nandritra ny folo taona lasa. Tany Thaïlande, dia ny 75 isan-jaton’ny lehilahy tamin’ny fanadihadiana iray no niaiky fa nanao firaisana tamin’ankizy mpivaro-tena. Tany Alemaina, dia tombanan’ireo manam-pahefana fa ankizy maro be eo amin’ny 300 000 no novetavetaina isan-taona. Araka ny gazety Cape Times, atsy Afrika Atsimo, dia tafakatra ho 175 isan-jato ny tatitra momba ny fanimbana ankizy toy izany tao anatin’ny fe-potoana telo taona farany. Tany Pays-Bas sy Kanada, dia nahita ireo mpikaroka fa sahabo ho ny ampahatelon’ny vehivavy rehetra no novetavetaina fony mbola ankizy. Tany Finlande, ny 18 isan-jaton’ireo ankizivavy (15 na 16 taona) ao amin’ny kilasy fahatelo amin’ny ambaratonga faharoa, sy ny 7 isan-jaton’ny ankizilahy no nitatitra fa nanana firaisana tamin’olona iray izay zokiny dimy taona, fara fahakeliny.
Any amin’ny tany samihafa dia nisy tatitra nanelingelina nanjary fantatra momba ny antokom-pivavahana izay nametaveta ankizy tamin’ny fanao momba ny lahy sy ny vavy tsy mifaditrovana sy ny fampahoriana. Matetika ireo izay manao tatitra fa niharam-pahavoazana noho ny heloka bevava toy izany izy, no entina amin’ny fomba tsy mampiseho finoana sy tsy misy antra.
Koa ny fanimbana ankizy àry dia sady tsy vaovao no tsy hoe tsy mahazatra; zava-manahirana hatry ny ela izay miely toy ny areti-mifindra izy io amin’izao andro izao. Mety handrava ny vokany. Olona maro tafita velona tamin’izany no mijaly noho ny fahatsapana lalina tsy fahamendrehana sy fananan-danja ambany dia ambany. Ireo manam-pahaizana manokana momba io raharaha io dia nanao lisitr’ireo vokatra fahita atỳ aorian’ny fandrian’ny havana akaiky amin’ny ankizivavy, toy ny fandosirana, ny fidorohana amin’ny zava-mahadomelina sy amin’ny zava-pisotro misy alkaola, ny fahaketrahana, ny fanandramana hamono tena, ny faniasiavana, ny fahalotoam-pitondran-tena, ny torimaso tsy ara-dalàna, sy ny fahavotsan’ny saina. Ireo vokany maharitra dia mety hahafaoka tsy fahaiza-manabe zanaka, fangatsiahana eo amin’ny firaisana, tsy fatokiana lehilahy, fanambadiana olona mpandry amin’ankizy, firaisan’ny samy vehivavy, fivarotan-tena, sy fanimbana ankizy mihitsy.
Tsy hoe tsy azo ialana ireo vokany atỳ aoriana ireo ho an’ny olona iray niharam-pahavoazana; na koa hoe misy afaka ny hanala tsiny mazava ny fitondran-tena ratsy satria fotsiny hoe nisy nanimba izy taloha. Ny fametavetana dia tsy manokana mialoha an’ireo niharam-pahavoazana ho ratsy fitondran-tena na haniasia; izy io koa dia tsy manafoana izay rehetra andraikitr’izy ireo manokana momba ny safidy hataony atỳ aoriana, eo amin’ny fiainany. Tena loza tokoa anefa ny fiafarana mahazatra ho an’ireo niharam-pahavoazana. Izany dia manampy fahadodonana amin’ilay fanontaniana hoe: Ahoana no ahafahantsika miaro ny zanatsika amin’ny fanimbana ankizy?