-
Hifankatia Kokoa ve Izahay Raha Manao Firaisana?Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
-
-
Toko 24
Hifankatia Kokoa ve Izahay Raha Manao Firaisana?
Vao roa volana no niarahan’i Sandra sy Michel, nefa hoatran’ny efa ela no nifankahalalany. Tsy tapitra akory ny tenin’ny iray, dia efa hain’ny iray ny tohiny. Mifandefa SMS foana koa ry zareo, ary mifampiantso ela be. Ao anaty fiara izy roa izao, ary diavolana ny andro. Tsy resaka intsony no tadiavin’i Michel fa zavatra hafa.
Nifampitantana sy nifanoroka kely fotsiny ry zareo talohan’izao, ary mbola tsy te hanao zavatra hafa i Sandra. Matahotra anefa izy sao hisarahan’i Michel. Izy irery mantsy no mba miteny aminy hoe tsara tarehy be izy sady tsy misy hoatr’azy. Mieritreritra àry izy hoe: ‘Koa inona moa ny olana e? Izahay tsinona mifankatia!’
FANTATRAO ve ny tohiny? Nanao firaisana angamba izy roa. Mety tsy ho noeritreretinao anefa fa misy vokany ratsy ilay izy.
Mila misotro rano ianao, satria izay no lalàn’ny natiora. Raha tsy mankatò an’io lalàna io ianao, dia hisy vokany ratsy eo aminao izany. Toy izany koa ilay lalàna hoe: ‘Fadio ny fijangajangana.’ (1 Tesalonianina 4:3) Inona no ho vokany raha tsy mankatò azy io ianao? Hoy ny 1 Korintianina 6:18: ‘Manota amin’ny vatany ihany ny mpijangajanga.’ Misy vokany ratsy tokoa ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Afaka mitanisa vokany telo ve ianao?
1 ․․․․․
2 ․․․․․
3 ․․․․․
Nanoratra angamba ianao hoe: Bevohoka, voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Ratsy tokoa àry ny vokany, rehefa tsy ankatoavina ny lalàn’Andriamanitra momba ny fijangajangana.
Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Izaho indray dia tsy ho voan’izany!’ Sady ny olona rehetra no manao firaisana. Faly erỳ ny mpiara-mianatra aminao mitantara an’ilay izy, sady toa tsy maninona akory ry zareo. Tsy tianao koa ilay adalain’ny ankizy hoe mbola tsy nanao firaisana. Mety hihevitra toa an’i Sandra mihitsy aza ianao hoe hifankatia kokoa ianao sy ny olon-tianao raha manao an’izany.
Aza maika anefa! Diso ilay hoe ny ankizy rehetra no manao firaisana. Marina fa maro be ny tanora manao an’izany, araka ny hita tamin’ny fanadihadiana. Tanora amerikanina 2 ao anatin’ny 3, ohatra, no manao firaisana, nefa mbola mpianatra eny amin’ny lise. Midika koa anefa izany fa tanora 1 ao anatin’ny 3 no mbola virjiny, ary betsaka izany. Inona kosa no zavatra tsapan’ireo efa nanao firaisana? Hitan’ny mpikaroka fa maro no...
VOALOHANY MANENINA. Ny ankamaroany mihitsy no milaza hoe manenina.
FAHAROA MIFAMPIAHIAHY. Samy mieritreritra izy roa hoe: ‘Sao dia efa nisy olon-kafa koa nanaovany firaisana?’
FAHATELO DISO FANANTENANA. Maro ny ankizivavy diso fanantenana any anatiny any, satria ilay ankizilahy nantenainy hiaro indray no nanararaotra azy. Matetika koa no tsy tena tian’ny ankizilahy intsony izay ankizivavy nanaiky hanao firaisana taminy.
Tsy vitan’izay fa ankizilahy maro no milaza fa tsy hanambady ankizivavy efa nanaovany firaisana. Aleony, hono, ankizivavy virjiny!
Raha ankizivavy ianao, gaga ve ianao mahare an’izany, na tezitra mihitsy aza? Aseho amin’ny filma sy tele fa hoatran’ny hoe tsara sy tsy mampaninona ny firaisana alohan’ny fanambadiana, ary tena tia an’ilay olon-tianao ianao matoa manao azy io. Tsy izany mihitsy anefa no tena zava-misy. Aza manaiky hambakaina àry! Tia tena ny olona mampirisika anao hanao firaisana aminy. (1 Korintianina 13:4, 5) Raha tena tia anao ve izy, dia hanimba ny vatanao sy hanao izay hampalahelo anao? (Ohabolana 5:3, 4) Raha tena tia anao ve izy, dia hanao izay hahatonga an’Andriamanitra ho tezitra aminao?—Hebreo 13:4.
Raha ankizilahy kosa ianao, dia azo inoana fa nampieritreritra anao ireo voalaza ireo. Diniho, ohatra, hoe: ‘Tena tia an’ilay ankizivavy iarahako ve aho? Raha izany, inona no tena tokony hataoko?’ Asehoy azy fa vitanao ny mankatò ny lalàn’Andriamanitra. Asehoy koa fa hendry ianao ka tsy manao izay hampisy fakam-panahy eo aminareo, sady tia azy ka tsy manao izay mahafinaritra anao fotsiny. Hirehareha ilay olon-tianao amin’izay, ka hiteny toa an’ilay Solemita tena hendry hoe: “Ahy ny malalako, ary azy aho.”—Tononkiran’i Solomona 2:16.
Tadidio izao na ankizilahy ianao na ankizivavy: Tsy asianao vidiny ny vatanao, raha manaiky hanao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao. (Romanina 1:24) Tsy mahagaga raha kivy sy mahatsapa ho tsy misy dikany izay nanao izany. Toy ny hoe nisy zava-tsarobidy tamin’ny vatany navelany hangalarin’olona. Aza manaiky ho voan’izany! Rehefa misy manambitamby anao hoe tokony mba hanao firaisana aminy ianao raha tia azy, dia valio hoe: “Raha tena tia ahy koa ianao, dia aza misisika amin’izany!”
Tena sarobidy ny vatanao ka aza omemena olona fotsiny. Asehoy fa vitanao ny mankatò ilay didin’Andriamanitra hoe fadio ny fijangajangana. Mbola ho afaka hanao firaisana ihany ianao rehefa manambady. Tsy hanenina na hikorontan-tsaina toa an’ireo nanao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao, fa mba tena hankafy an’ilay izy.—Ohabolana 7:22, 23; 1 Korintianina 7:3.
JEREO NY MANONTANY NY TANORA, BOKY FAHA-2, TOKO 4 SY 5, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Zatra mikasikasika ny filahianao na ny fivavianao ve ianao? Tena ratsy ve izany?
ANDININ-TENY MAHASOA
‘Andosiro ny fijangajangana, fa ny mpijangajanga manota amin’ny vatany ihany.’—1 Korintianina 6:18.
SOSO-KEVITRA
Ataovy hoatran’ny hoe mahita anao foana ny ray aman-dreninao, rehefa miaraka amin’ny ankizilahy na ankizivavy ianao. Tsy ho sahy hanaonao foana ianao amin’izay.
FANTATRAO VE... ?
Matetika ny ankizilahy no misaraka amin’ny ankizivavy nanaovany firaisana, ary mitady olon-kafa indray.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Ireto avy no tsy hataoko rehefa miaraka amin’ny ankizilahy (na ankizivavy) aho: ․․․․․
Izao no hoteneniko aminy raha te hiaraka amiko any amin’ny toerana tsy misy olona izy: ․․․․․
Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Nahoana ianao no tsy tokony hanao firaisana alohan’ny fanambadiana, na dia hoatran’ny mahafinaritra aza ilay izy?
● Inona no hataonao raha misy manambitamby anao hanao firaisana?
[Teny notsongaina, pejy 176]
‘‘Mitandrema tsara satria mety hahataratara ny ankizy ianao. Ianao tsinona Kristianina, dia manana toetra tsara. Aza mety raha misy mampanao zava-dratsy anao. Ianao ve dia hanaiky, nefa mba ankizy hendry ihany? Ho voa mafy ianao!’’—Josia
[Sary, pejy 176, 177]
Tsy asianao vidiny ny vatanao raha manao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao. Toy ny sary hoso-doko lafo vidy ilay izy, nefa amafanao tongotra
-
-
Inona no Hataoko fa Lasa Zatra Mikasikasika Filahiana Aho?Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
-
-
Toko 25
Inona no Hataoko fa Lasa Zatra Mikasikasika Filahiana Aho?
“Valo taona aho dia efa nikasikasika ny filahiako. Fantatro tatỳ aoriana hoe tsy tian’Andriamanitra ilay izy. Nanenina be aho isaky ny tsy nahafehy tena. Nieritreritra aho hoe: ‘Izaho ve dia mbola ho tiany?’ ”—Liva.
TENA te hanao firaisana ny olona rehefa tanora, ka misy lasa zatra mikasikasika ny filahiany.a Maro no miteny hoe tsy misy vokany ratsy ilay izy, ka tsy mampaninona. Diso anefa izany. Milaza ny apostoly Paoly fa tokony ‘hovonoina’ na hofehezina ny faniriana hanao firaisana raha tafahoatra. (Kolosianina 3:5) Tsy hahafehy an’io faniriana io anefa ny olona iray raha mikasikasika filahiana, fa vao mainka aza hampitombo an’ilay izy. Diniho koa ireto:
● Lasa tia tena ny olona zatra mikasikasika filahiana. Izay hahazoany fahafinaretana fotsiny mantsy no tadiaviny.
● Lasa mieritreritra izy hoe fitaovana hahazoana fahafinaretana fotsiny ny vehivavy.
● Rehefa manao firaisana amin’ny vadiny izy any aoriana any, dia samy tsy ho afa-po na izy na ny vadiny, satria efa lasa tia tena be izy.
Aza mikasikasika ny filahianao, na dia te hanao firaisana aza ianao. Miezaha kosa hifehy tena. (1 Tesalonianina 4:4, 5) Ahoana no hahavitanao izany? Manoro hevitra antsika ny Baiboly, mba tsy hanao zavatra mampisy fakam-panahy. (Ohabolana 5:8, 9) Ahoana anefa raha efa tena zatra mikasikasika ny filahianao ianao? Mety ho efa niezaka nifehy tena ianao fa tsy nahavita. Mieritreritra ianao hoe tsy hahavita hankatò ny fitsipik’Andriamanitra intsony. Izany no tsapan’i Hery. Hoy izy: “Nanenina be aho isaky ny tsy nahafehy tena. Nieritreritra aho hoe tsy hamela ny fahadisoako intsony Andriamanitra. Lasa menatra aho hivavaka.”
Aza kivy raha izany koa no tsapanao. Be dia be ny tanora sy olon-dehibe nahavita tsy nikasikasika intsony ny filahiany. Hahavita izany koa ianao!
‘Tena diso aho’
Matetika no miteny an’izany ny olona zatra mikasikasika filahiana. Tsara raha ‘malahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra’ izy, izany hoe tena malahelo, satria handrisika azy hiova izany. (2 Korintianina 7:11) Tsy mety anefa raha malahelo be loatra izy, satria mety ho kivy be, ka tsy te hiezaka intsony.—Ohabolana 24:10.
Aza miteny hoe: ‘Tsy misy antenaina intsony ny amiko.’ Marina fa ratsy ny mikasikasika filahiana, satria anisan’ilay antsoin’ny Baiboly hoe fahalotoana izany. Mety ho lasa ratsy toe-tsaina ny olona manao azy io, ary ‘handevozin’ny fanirian-dratsy sy ny fahafinaretana maro samihafa.’ (Titosy 3:3) Tsy fahotana lehibe hoatran’ny mijangajanga anefa izy io. (Joda 7) Aza mieritreritra àry hoe tsy ho voavela intsony ny fahadisoanao. Miezaha hifehy tena, ary aza manaiky ho resy mihitsy!
Marina fa kivy be ianao rehefa tsy mahafehy tena. Tadidio anefa amin’izay ny Ohabolana 24:16 hoe: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany, fa ny ratsy fanahy kosa ho solafaka noho ny loza manjo azy.” Tsy anisan’ireo “ratsy fanahy” voaresaka eo ianao, na dia resy aza indraindray. Aza kivy àry, fa jereo hoe inona no nahatonga an’ilay izy, ary miezaha tsy hamerina intsony.
Miezaha hisaintsaina hoe tia anao Andriamanitra sady mamindra fo. Hoy i Davida mpanao salamo, izay efa nanao fahadisoana koa: “Toy ny iantran’ny ray ny zanany no iantran’i Jehovah an’izay matahotra azy. Fa fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Salamo 103:13, 14) Fantatr’i Jehovah fa tsy lavorary isika, ka “vonona hamela heloka” izy. (Salamo 86:5) Tiany koa anefa raha miezaka miova isika. Inona àry no azonao atao?
Jereo sao mila ovana ny fialam-bolinao. Sao dia zavatra mampieritreri-dratsy, ohatra, no jerenao ao amin’ny tele na Internet? “Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy” àry ny masonao, araka ny vavaka nataon’ny mpanao salamo.b—Salamo 119:37.
Miezaha hieritreritra zavatra tsara. Hoy i William: ‘Mamakia boky ara-baiboly alohan’ny hatory, amin’izay zavatra tsara no ao an-tsainao. Tena manampy izany!’—Filipianina 4:8.
Resaho amin’ny olona atokisanao ilay izy. Mahamenatra izany nefa tena hanampy anao. Hoy i Dina: ‘Niresaka tamin’ny dadanay aho. Tsy hadinoko mihitsy ny teniny. Fantany hoe natahotra aho, dia nitsiky izy sady niteny hoe: “Tsara mihitsy hoe niresaka ialahy! Tena mety izany!” Izay mihitsy no nilaiko! Vao mainka aho te hiezaka taorian’izay!
‘Nisy andinin-teny maromaro koa novakiny tamiko, mba hahitako hoe tsy ankizy ratsy saina aho, nefa koa tsy hoe zavatra tsara ilay nataoko. Niteny tamiko izy avy eo hoe: “Aleo ho any izay efa vita any, fa miezaha mafy ato ho ato, dia avy eo isika miresaka indray. Raha sendra resy, dia aza kivy fa miezaha hifehy tena elaela kokoa amin’ny manaraka.” Soa ihany fa nisy olona nahafantatra an’ilay nahazo ahy sy nanoro hevitra ahy. Tena nilaiko izany!’c
Mety ve ny manao firaisana, nefa tsy mieritreritra ny hiaraka akory?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Natao ho an’ny vehivavy zatra mikasikasika ny fivaviany koa ity toko ity. Fantaro koa fa tsy fanahy inian’ny tanora indraindray ilay te hanao firaisana. Mitranga amin’ny ankizilahy, ohatra, izany ka misy tsirinaina mivoaka eo amin’ny filahiany amin’ny alina, na koa tafafoha tampoka izy rehefa matory. Misy koa ankizivavy te hanao firaisana, indrindra alohan’ny fadimbolany na aorian’izay. Tsy diso izy ireo, satria tsy fanahy iniany izany. Izay mikasikasika filahiana na fivaviana kosa tena manao fanahy iniana.
b Jereo ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, Toko 33.
c Jereo ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, pejy 239-241.
ANDININ-TENY MAHASOA
“Andosiro ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora, fa miezaha kosa hikatsaka ny fahamarinana, ny finoana, ny fitiavana, ny fihavanana, miaraka amin’ireo miantso ny Tompo amin’ny fo madio.”—2 Timoty 2:22.
SOSO-KEVITRA
Amin’ilay ianao mbola tsy miady mafy iny, dia efa mivavaha. Iangavio i Jehovah Andriamanitra hanome anao “hery fanampiny.”—2 Korintianina 4:7.
FANTATRAO VE... ?
Raha tena tapa-kevitra ny hifehy tena ianao, dia ho vitanao ny tsy hikasikasika ny filahianao na hanao firaisana, na dia tsy misy mahita aza. Mety tsy hahafehy tena kosa ianao, raha mbola tsy tena tapa-kevitra.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hataoko mba tsy hieritreri-dratsy aho: ․․․․․
Izao no hataoko rehefa mitady hikasikasika ny filahiako aho: ․․․․․
Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Nahoana ianao no tena mila mitadidy hoe “vonona hamela heloka” i Jehovah?—Salamo 86:5.
● Inona no fantany fa ho vitanao matoa izy mampirisika anao hifehy tena, na dia nataony haniry hanao firaisana aza isika olombelona?
[Teny notsongaina, pejy 182]
‘‘Tsy mikasikasika ny fivaviako intsony aho izao, dia efa milamina ny saiko. Fantatro hoe tsy tezitra amiko intsony i Jehovah. Tsisy atakaloko an’izany mihitsy!’’—Sarah
[Sary, pejy 180]
Aza mieritreritra hoe tsy misy dikany ny ezaka efa nataonao, raha sendra tsy mahafehy tena ianao. Toy ny hoe nihazakazaka ianao ary nianjera. Tsy very maina ny ezaka efa vitanao fa tohizo
-
-
“Hanao” ve Aho sa Tsia?Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
-
-
Toko 26
“Hanao” ve Aho sa Tsia?
“Misy ankizy te hanao firaisana fotsiny, dia miarakaraka eny. Tiany ho hita hoe mahavita manao firaisana amin’ny ankizy firy izy, dia hoatran’ny ahoana ny zavatra vitany.”—Jenny.
“Tsy menatra mihitsy ny ankizilahy sasany. Faly erỳ ry zareo mitantara hoe efa manana sipa, nefa mbola manao firaisana amin’ny ankizivavy be dia be.”—Dera.
BETSAKA ny tanora tsy mifankatia akory, nefa manao firaisana. Faly erỳ ry zareo mitantara an’ilay izy. Misy aza mahafantatra namana azo antsoina rehefa te hanao firaisana, ary samy miala avy eo fa tsy misy arakaraka.
Te hanao hoatr’izany koa ve ianao? Mety hitranga tokoa izany. (Jeremia 17:9) Hoy i Dera, ilay ankizilahy kristianina tetsy aloha: ‘Be dia be ny ankizivavy miteny hoe te hanao firaisana amiko. Sarotra be ilay mandà! Mbola tsisy zavatra mafy tamiko hoatr’izany.’ Inona àry ny torohevitry ny Baiboly tokony hotadidinao raha tratran’izany koa ianao?
Tadidio fa ratsy ilay izy
Tena fahotana lehibe ny mijangajanga, ka “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” izay manao azy io, na mpifankatia na tsia. (1 Korintianina 6:9, 10) Halan’i Jehovah ny fijangajangana, ka tsy tokony ho tianao koa. Tsy ho resin’ny fakam-panahy ianao amin’izay.
“Tena tsisy tsara hoatran’ny manaraka izay lazain’i Jehovah.”—Karen, Kanada.
“Tadidio hoe raha manaonao foana ianao, dia halahelo daholo na ny dadanao sy mamanao, na ny namanao, na ny mpiray finoana aminao!”—Peter, Grande-Bretagne.
Miezaha àry hitovy hevitra amin’i Jehovah, dia hahavita ‘hankahala’ ny fijangajangana ianao, na dia hoatran’ny mahafinaritra aza ilay izy.—Salamo 97:10.
Vakio ny Genesisy 39:7-9. Voamarikao ve fa nahavita nandresy fakam-panahy i Josefa? Nahoana?
Aza menatra miteny
Matetika ny tanora no tsy menatra miaro ny heviny. Aza menatra koa àry miteny hoe halanao ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Asehoy fa tianao ny fitsipik’Andriamanitra. Voninahitra izany!
“Aza miandriandry fa resaho hoe manaraka izay lazain’ny Baiboly ianao.”—Allen, Alemaina.
“Fantatry ny ankizilahy teny amin’ny lise fa ho vizana eo fotsiny ry zareo, fa izaho tsy hanaiky azy mihitsy.”—Vicky, Etazonia.
Asehoy àry fa mankatò izay lazain’ny Baiboly ianao. Porofo mantsy izany fa efa mihamatotra ianao.—1 Korintianina 14:20.
Vakio ny Ohabolana 27:11. Voalaza ao fa faly i Jehovah raha hendry ianao.
Ataovy hita hoe tsy hanaiky mihitsy ianao!
Tsara ny miteny hoe: ‘Tsy hanao an’izany aho!’ Tsy ampy anefa izay, satria mety hoheveriny hoe mampifilafila ianao.
“Asehoy hoe tsy hanaiky mihitsy ianao. Tandremo tsara, ohatra, ny fomba firesakao, ny akanjonao, ny fihetsikao, ary fidio koa ny namanao.”—Joy, Nizeria.
“Ataovy mazava tsara hoe tsy hanaiky mihitsy ianao. Aza mandray raha omeny zavatra, sao tsy hamelany intsony ianao raha tsy miaraka aminy.”—Lara, Grande-Bretagne.
Hitan’i Davida mpanao salamo, fa ‘ny olona tsy mivadika no tsy hivadihan’i Jehovah.’ (Salamo 18:25) Hanampy anao àry i Jehovah raha hentitra ianao.
Vakio ny 2 Tantara 16:9. Mariho fa vonona hanampy an’izay te hanao ny tsara i Jehovah.
Miezaha hitandrina tsara
Hoy ny Ohabolana 22:3: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” Araho io torohevitra io, ka mitandrema tsara.
“Aza miaraka be amin’ny olona tia miresaka firaisana.”—Naomi, Japon.
“Aza omemena olona ny adiresy, na ny nomeraon-telefaonina, na ny zavatra hafa momba anao.”—Diana, Grande-Bretagne.
Diniho ny fomba fiteninao, ny fihetsikao, ny toerana falehanao, ary hoe iza ny namanao. Mieritrereta hoe: ‘Sao dia mba ny fihetsiko na ny zavatra ataoko no mahatonga ny ankizy ho sahisahy amiko?’
Vakio ny Genesisy 34:1, 2. Nankany amin’ny toerana tsy tokony ho nalehany i Dina, ka nampalahelo ny vokany.
Tadidio fa tena tsy tian’i Jehovah ny hoe manao firaisana nefa tsy mpivady. Tsy tokony ho tia an’izany koa àry ianao. Ankatoavy izay lazain’Andriamanitra, dia hilamina ny sainao ary hahatsapa ianao hoe manana ny hajanao. Hoy i Carole: “Ianao ve dia hanaiky hohararaotin’ny olona hahazoany fahafinaretana vetivety fotsiny? Aza manaiky, fa ianao aza efa niezaka nitandrina be hatramin’izay!”
Hoatran’ny ahoana ny ankizivavy tena tian’ny ankizilahy?
ANDININ-TENY MAHASOA
‘Ataovy izay rehetra azonao atao mba ho hitan’Andriamanitra ho tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana ianao, amin’ny farany.’—2 Petera 3:14.
SOSO-KEVITRA
Miezaha ho tsara toetra, dia tsy hazoto hiaraka aminao ny ankizy maditra.—1 Petera 3:3, 4.
FANTATRAO VE... ?
Nataon’i Jehovah hahafinaritra ny firaisana. Rehefa manambady anefa ianao vao tiany hanao azy io, amin’izay tsy hanenina na hikorontan-tsaina. Izany mantsy matetika no manjo ny olona mijangajanga.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hataoko, amin’izay aho mahavita mifehy tena hoatran’i Josefa: ․․․․․
Izao no hataoko mba tsy ho voa hoatran’i Dina aho: ․․․․․
Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Nahoana ianao no tsy tokony hanao firaisana alohan’ny fanambadiana, na dia hoatran’ny mahafinaritra aza ilay izy?
● Inona no hataonao raha misy manambitamby anao hanao firaisana?
[Teny notsongaina, pejy 185]
‘Aza manaiky hadalaina mihitsy! Nisy ankizilahy nanadala ahy sady nitazontazona ahy, dia nataoko hoe: “Mbay tany!” Nasehoko hoe tezitra aho, sady lasa aho nandeha.’—Ellen
[Sary, pejy 187]
Lasa toy ny hoe zavatra lafo vidy omena fotsiny ianao, raha manaiky hasain’ny ankizy hanao firaisana aminy
-