FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/8 p. 20-27
  • ‘Nanisy soa ahy Jehovah’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Nanisy soa ahy Jehovah’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanomboka nandeha tao amin’ny fahamarinana izahay
  • Nosedraina ny fitiavanay ny rahalahy
  • “Hijanona ao amin’ny Betela aho”
  • “Tandremo, ry Karl!”
  • Tafaverina teto Brooklyn
  • Fiovana asa
  • Nathan Knorr: zoky lahy iray
  • Tsy hoe mandeha tsy misy fifandonana akory ny zavatra rehetra
  • Ny fiainako tao anatin’ny fandaminana tarihin’ny fanahin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Tsy Mitsahatra Mitory ny Vaovao Tsara (1942-1975)
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Nandray Fitahiana Aho fa Nanompo Manontolo Andro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Manankarena Amin’ny Fanompoana an’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/8 p. 20-27

‘Nanisy soa ahy Jehovah’

Nataon’i Karl Klein

TOY inona moa ny fifaliana tsapa rehefa mahalala sy manompo an’i Jehovah! Rehefa mieritreritra indray ireo taona lasa aho, dia tsy maintsy manambara toy izao miaraka amin’i Davida: “Hihira ho an’i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy.” (Salamo 13:6). Tena nanao toy izany tokoa izy raha ny amiko. Ohatra, navelany ho anisan’ny fianakaviana kristiana miasa ao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho ka hahita an’io fianakaviana io izay teo amin’ny 150 teo ho eo ho tafakatra maherin’ny 3 000. Loharanon-tsoa lehibe ho ahy izany.

Talohan’ny nahitako ny fahamarinana mihitsy, dia efa nanisy soa ahy Andriamanitra. Vehivavy nanaiky sy be fandavan-tena ny reniko. Nanonona andinin-teny ao amin’ny Baiboly ho anay foana izy rehefa naniry hiteny na hanitsy anay. Ho tiako tokoa ny hitantara aminareo toe-javatra nitranga nandritra ny fahazazako.

Nanomboka nandeha tao amin’ny fahamarinana izahay

Ny nahalalako voalohany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia tamin’ny lohataonan’ny 1917, rehefa nahita taratasy fanasana amin’ny lahateny iray momba ny afobe aho. Nahakasika ahy akaiky io raharaha io, satria nanao fahadalana be dia be aho ary natahotra aoka izany ny ho any amin’ny afobe rehefa maty. Rehefa niresaka ny amin’izany tamin’ny reniko aho, dia namporisihiny ho any amin’ny lahateny tamin’ny filazana hoe: “Na ahoana na ahoana, dia tsy hanimba anao izany ary iza no mahalala? Angamba aza hahasoa anao izany.”

Niaraka tamiko i Ted, anankiray tamin’ireo zandriko lahy, tany amin’io fivoriana nalamin’ny Mpianatra ny Baiboly io (toy izany no niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany). Niankina tamin’ny fandrindran-kevitra sy tamin’ny Soratra masina ilay mpandahateny ka nampiseho tamin’ny fomba hentitra fa tsy nampianatra ny amin’ny afobe mirehitra ny Baiboly. Hitako ho nazava dia nazava izany rehetra izany ka rehefa nody tany an-trano aho dia nihiaka hoe: “Neny a, tsy misy ny afobe, fantatro izao!” Nanaiky izy tamin’ny filazana fa ny hany tena “afobe” dia teto an-tany, satria nijaly mafy izy.

Ny lahateny hafa iray dia nambara fa hatao ny alahady tolakandro nanaraka, nefa tsy nisy nihevitra anay. Ilaina ny milaza fa 11 sy 10 taona izahay tamin’izany fotoana izany. Rehefa tonga ny fotoana, taorian’ny nanatrehana ny sekoly alahady sy ny fotoam-pivavahana ny maraina, dia lasa nilalao niaraka tamin’ny ankizilahy hafa tao amin’ilay faritany izahay. Ratsy anefa ny fandehan’ny zavatra rehetra tamin’io tolakandro io. Rehefa nahatsiaro ny fahasambarana tsapako tamin’ny herinandro teo aloha aho, dia niteny anakampo hoe: “Karl a, manandrana manao izay hahatakaranao Andriamanitra fa tsy fotoana tokony hilalaovana izao. Tokony hiverina hihaino ny anankiray amin’ireny lahateny momba ny Baiboly ireny ianao.” Nankany amin’ny efitrano indray àry izahay sy Ted. Tamin’io indray mandeha io dia nahamarika anay ireo mpianatra ny Baiboly ka namporisika anay hiverina ny alahady manaraka. Nanaiky izahay, ary hatramin’izay dia tsy nitsahatra mihitsy nanatrika ireo fivoriana kristiana izahay. Rehefa mieritreritra izany aho, dia tsapako fa matetika Jehovah no “nikapoka” ahy rehefa niditra tamin’ny lalan-dratsy iray aho. Nianarako tamin’izany fa eo amin’ny fiainana dia tsy azo atao daholo ny zavatra rehetra fa tokony ho hay ny mifidy.

Izany rehetra izany dia nitranga tany Blue Island, any ambanivohitr’i Chicago, any Etazonia. (Teraka farofy aoka izany aho tany atsimo andrefan’i Alemaina, ary dimy taona aho fony nifindra fonenana ho any Etazonia ny fianakaviako. Taty aoriana izahay vao niorim-ponenana tao amin’io tanàna io.) Tao, ireo Mpianatra ny Baiboly dia nanao fivoriana andavanandro koa mba hianarana ny boky Les figures du Tabernacle. Avy hatrany aho dia nanomboka nanatrika ireny fianarana ireny, ka hitako ho nahaliana tokoa izany, ankoatra ny zavatra hafa dia satria ilay nanafana izany nampiasa ambangovangon-tsarin’ny tabernakely mba hanaovana ireo fanazavany. Nila fotoana elaela anefa aho mba hahatakarana ny ilàna handao ny Fiangonana metodista vao avy nanaovana konfirmasiona ahy.

Koa satria aho mbola kely ary tsy nanam-bola be izahay, ny Mpianatra ny Baiboly dia nanome ahy tamim-pahalalahan-tanana ho fanomezana, ny boky fianarana rehetra nilaiko. Faly aoka izany aho nianatra ny fahamarinana momba ny fanahy, ny Trinite, ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy sy foto-kevitra maro hafa koa. Tsy ela aho dia nahita fahafinaretana nandray anjara tamin’ny fampielezana ny L’Etudiant de la Bible sy ny Nouvelles du Royaume. Tamin’ny lohataonan’ny 1918, dia azoko natao ny “nanokan-tena” ho an’i Jehovah (toy izany no nilazana ny fanoloran-tena tamin’izay fotoana izay) sy natao batisa. Tsy nanohitra izany ny fianakaviako, satria nahaliana ny reniko izany nianarako. Fa raha ny amin’ny raiko, izy io dia mpitory teny metodista hatramin’ny 20 taona ary nandeha foana. Intelo na inefatra isan-taona izy vao nody tao an-trano, ary tsy nijanona tao afa-tsy andro vitsivitsy izy.

Nosedraina ny fitiavanay ny rahalahy

Tamin’izany fotoana izany, dia izao no nolazaina taminay: “Raha tianareo ny hijanona ao amin’ny fahamarinana, dia avereno vakio isan-taona ny boky fito amin’ny Etudes des Ecritures.” Mazava ho azy fa naniry haharitra tao amin’ny fahamarinana aho, ka noraisiko ho adidy ny namaky haingana ireo boky ireo indray mandeha isan-taona mandra-piditro tao amin’ny Betela. Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy namaky pejy folo isan’andro aho, nefa nahita fahafinaretana be dia be tamin’izany aho, satria tsy nety afapo ny hetahetako hanana fahalalana.

Fotoana fohy taorian’ny batisako, tamin’ny 1918, dia nosedraina ny tsy fivadihako tamin’ny Mpianatra ny Baiboly. Nirehitra ny Ady Lehibe Voalohany ary, na dia nampidirina an-tranomaizina tsy ara-drariny aza ireo rahalahy fanta-bahoaka indrindra noho ny toerany teo anoloan’ny ady, ireo nitarika tamin’ny fotoana tsy naha-teo azy ireo dia tsy nahatakatra ny tena maha-zava-dehibe ny fialanalanana kristiana. Ny hafa, izay nanana fiheverana tsara ny amin’io raharaha io dia sosotra noho izany ka nisaraka tamin’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny fandraisana ny anarana hoe Standfasters (“ireo izay miorina mafy”). Nilaza tamiko izy ireo fa raha mijanona ho anisan’ny Mpianatra ny Baiboly aho dia tsy ho afaka ny ho anisan’ny “ondry vitsy” amin’ny mpianatr’i Jesosy voahosotra intsony (Lioka 12:32). Na dia mbola tsy nanolo-tena ho an’Andriamanitra aza ny reniko dia nanampy ahy hanao fanapahan-kevitra tsara. Tena tsy azoko natao ny nanapa-kevitra ny handao an’ireo nampianatra ahy zavatra be dia be. Nanapa-kevitra àry aho ny hitovy anjara amin’ny Mpianatra ny Baiboly. Nosedraina mafy ny tsy fivadihako tamin’izany fotoana izany, araka ny tsy maintsy nisedrana azy imbetsaka taty aoriana. Rehefa misy fahadisoan-kevitra, ireo izay tsy tena mahatoky dia toa manararaotra izany mba hialana amin’ny fahamarinana. — Jereo Salamo 119:165.

Ilay fivoriambe nalamin’ny Mpianatra ny Baiboly tany Cedar Point tamin’ny 1922 dia namporisika ahy be dia be haharitra amin’ny asan’i Jehovah. Renay tao i J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower nandefa izao antso mandodona izao: “Ambarao, ambarao, ambarao ny Mpanjaka sy ny fanjakany!” Nanomboka hatramin’ny voalohany aho dia nandray anjara tamin’ny karazam- pitoriana samihafa, nefa tamin’io fivoriambe io aho no nandeha isam-baravarana mba hanolotra boky momba ny Baiboly misy takalony. Hitako ho sarotra dia sarotra anefa izany.

Marina tokoa fa tsy nandray anjara tamin’io asa io aho mandra-pahatongan’ny fivoriambe nalamina tany Columbus tamin’ny 1924. Nanomboka tamin’io daty io anefa dia nisy foana mpikambana anankiray tao amin’ny kongregasionanay fara faharatsiny nitory tsy tapaka isan-trano. Takatro tsikelikely fa tena nilaina io lafiny amin’ny fanompoana io, tsy hoe mba hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana fotsiny, fa mba hahafahantsika manamafy orina ny finoan’ny tenantsika koa sy mamboly ny vokatry ny fanahy hafa rehetra (Galatiana 5:22, 23). Tsy misy tokony hisalasalana ny amin’ny hoe: Mahasoa amin’ny lafiny maro ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana.

“Hijanona ao amin’ny Betela aho”

Hafa noho ny amin’izao andro izao ny fandehan-javatra tao amin’ny kongregasiona. Raha mbola zatovo aho, dia voatendry ho loholona. Nitarika ny fianarana ny boky aho, nanafatra mpandahateny avy any Chicago ary nanao izay hanambarana ny lahateniny tamin’ny alalan’ny filazam-baovao teo an-toerana sy tamin’ny alalan’ny taratasy fanasana. Taorian’ny fivoriambe tamin’ny 1924, dia nomena ahy rehefa ela ny ela ny fahafahana hiasa tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny olon’i Jehovah. Hatramin’ny ela be aho no nikasa ny hiasa tao amin’ny Betela, nefa nisy zava-nanahirana ara-pianakaviana tsy nampoizina nahatonga ahy hieritreritra fa tsy izany no sitrapon’Andriamanitra. Raha ny marina dia fisehoan-javatra kely teny an-dalana fotsiny izany, satria tena tafiditra tao amin’ny Betela aho tamin’ny 23 martsa 1925.

Faly aoka izany aho hany ka tao amin’ny taratasy iray ho an’ny fianakaviako dia naka hevitra avy amin’ny hirahira fanaon’ny olona aho mba hanoratana hoe: “Hijanona ao amin’ny Betela aho, hiaina ao sy ho faty ao.” Rehefa afaka sivy amby dimampolo taona, dia tsy niova ny fihetseham-poko teo anoloan’ny Betela. Ho tiako aloha ny hanipika ny fomba nampiharin’i Jehovah tamiko imbetsaka dia imbetsaka. Rehefa nanaiky aho fa tsy hanana zavatra niriko mafy raha toa tsy tafiditra tao amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany, vao azoko ilay izy tamin’ny farany.Izany karazana tarehin-javatra izany dia nampahatsiahy ahy matetika ny fomba nitsapan’Andriamanitra an’i Abrahama mba hahitana raha vonona ny hamoy ny zanany lahy ‘izay tiany’ aoka izany izy. Genesisy 22:2.

Rehefa tonga tao amin’ny Betela aho dia voatendry tao amin’ny fanaovana pirinty aloha, tany amin’ny 18 Concord Street, Brooklyn. Fotoana fohy taorian’izany, dia nafindra tao amin’ny ambany tany amin’io trano io ihany aho mba hiasa tamin’ny “mifono vy tranainy” — araka ny anaram-bositra mampiseho firaiketam-po nomenay ilay hany “rotative” nananan’ny Fikambanana tamin’izany fotoana izany. Nampiasainay izy io mba hanontana pirinty trakitra an-tapitrisany maro. Tamin’izany fotoana izany, ny indray nivoaka tamin’ny tsirairay avy tamin’ireo gazetintsika dia 30 000. Amin’izao andro izao, Ny Tilikambo Fiambenana dia 11 150 000 ny indray mivoaka aminy ary 9 800 000 ny indray mivoaka amin’ny Réveillez-vous!.

Fony aho mbola ankizy dia nanaraka fianarana mitendry “violon” nandritra ny roa taona aho. Rehefa niditra tao amin’ny Betela aho, dia nilatsaka an-tsitrapo mba ho anisan’ny orikesitra izay nanao famerenana indroa takariva isan-kerinandro ka nitendry ny alahady maraina ho an’ny WBBR, dia ny foibe fandefasam-peon’ny Fikambanana. Rehefa reko fa nila mpitendry “violon” iray ilay orikesitra, dia nividy “violoncelle” aho ary nianatra mozikaa. Tamin’ny 1927, ny folo taminay dia nasaina hitendry tamin’ny fotoana feno ho an’ny foiben’ny Fikambanana tany Staten Island. Io no voalohany tamin’ireo tombontsoa ara-mozika nananako rehefa nandeha ireo taona.

“Tandremo, ry Karl!”

Tiako aoka izany ny mozika, ary sambatra aoka izany aho nanokan-tena manontolo andro tamin’izany. Fony niasa tany Staten Island aho, dia nanana tombontsoa tsy fahita firy nifankahalala bebe kokoa tamin’i J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower. Izy io tokoa dia nandany ny antsasak’ireo herinandrony tao amin’io toerana nilamina sy nety tamin’ny fampifantohana ny saina io, satria nanoratra be dia be izy.

Tena ray ho ahy ny rahalahy Rutherford. Niseho foana ho nahatakatra ny fihevitro sy be fitiavana ahy izy, na dia nanana fahafahana matetika aza izy niteny ahy noho ny nandikako fitsipika toy izao na izao. Tsaroako indrindra ny toe-javatra iray nitenenany ahy mafy. Kanefa, raha vao nahita ahy voalohany indray izy taorian’io fisehoan-javatra io dia nilaza hoe “manao ahoana Karl” tamim-pifaliana tamiko. Noho izaho mbola tafintohina tamin’ny fanamarihana nataony, dia ningonongonona niarahaba fotsiny aho. Avy hatrany dia nihiaka toy izao izy: “Tandremo, ry Karl! Manenjika anao ny Devoly!” Sakodiavatra aho ka namaly azy hoe: “An an, tsy misy inona akory, ry rahalahy Rutherford.” Fantany tsara tokoa anefa ny amin’izany ka naveriny indray ny fampitandremany: “Vao mainka tsara. Nefa mitandrema ihany. Eo am-pikarakarana anao ny Devoly.” Marina tsy nisy toy izany ny azy. Rehefa mitahiry lolompo amin’ny anankiray amin’ireo rahalahintsika isika, indrindra raha toa nilaza zavatra tamintsika izay zony ny hilaza azy amin’ny fanaovana ny raharahany izy, amin’izay dia mitolo-batana ho amin’ny famelezan’ny Devoly isika. — Efesiana 4:25-27.

Indray andro, noho ny fifandisoan-dresaka, dia notantaraina tamin’ny fomba diso tamin’ny rahalahy Rutherford fa nanao fanakianana azy mafy aho. Tsy tezitra tamin’izany anefa izy fa izao no nambarany: “Na ahoana na ahoana dia be resaka i Karl ka tsy mieritreritra foana izay lazainy.” Tsy ohatra tsara ve izany? Hahasoa antsika rehetra ny hanahafana azy rehefa mandre olona manao fanamarihana mahasosotra ny amintsika isika. Eny, tsara fo ny rahalahy Rutherford, ary tena mahay mahatakatra ny fihevitry ny hafa izy. Nasehony tamiko matetika izany, tetsy andaniny, tamin’ny tsy fisalasalana nanao zavatra naningana ho ahy rehefa toa nanamarina izany ny toe-javatra niseho tsy fahita, tetsy ankilany, tamin’ny fialana tsiny foana rehefa nanafintohina ahy tsy tamim-piheverana izyb. Tsy foiko koa ny rahalahy Rutherford noho ny vavaka notononiny tamin’ny fanompoam-pivavahana maraina. Avo feo be izy, nefa rehefa niresaka tamin’Andriamanitra dia toy ny zazalahikely miresaka amin-drainy. Izany dia nampiseho ny halalin’ny fifandraisana notanany tamin’i Jehovah. Ny fahitana lehilahy nanana hery ara-panahy toy izany nitondra, dia nanamafy aoka izany ny finoako. Nino mafy aho fa tokony ho izany no izy ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah.

Tafaverina teto Brooklyn

Tsy naharitra afa-tsy roa taona sy tapany ny fivahinian’ny orikesitra tany Staten Island. Taorian’izany dia nafindra teto Brooklyn izahay, satria naorina tao ny toerana fakana feo haely vaovao. Mbola nitendry tao amin’ny orikesitra aho nandritra ny folo taona teo ho eo, avy eo dia nofoanana izy io. Dia niverina tany amin’ny fanontam-pirinty aho. Niasa tao amin’ny fanaovana fonom-boky aho aloha, avy eo dia tao amin’ny fanaovana pirinty. Tsy ela anefa dia nafindra tany amin’ny sampan-draharaha miandraikitra ny fanaraha-maso ireo kongregasiona aho. Nandritra ny taona maromaro dia nanana tombontsoa aho nikarakara ireo mpitory maharitra manokana 1 250 tamin’izany fotoana izany; izaho no nanendry azy ho any amin’ny faritany iray, namaly ny taratasiny sy ny sisa. Isam-bolana dia nanana tombontsoa koa aho nanao rapaoron’ny fitoriana ho an’i Etazonia sy ireo tany hafa. Anisan’ny soa lehibe indrindra azoko tamin’io karazana asa io, dia tokony hotononiko ireo fifandraisana tsara dia tsara notanako tamin’i T. Sullivan, izay tompon’andraikitra tamin’io sampan-draharaha io tamin’izay. Nandritra ny fotoana niarahako niasa taminy, ny isan’ny mpitory izay 100 000 dia tafakatra teo amin’ny 375 000 maneran-tany. Toy inona moa ny fifaliako mahita fa hatramin’izay io tarehi-marika io dia mbola nampitomboina fito mahery, mba hahatratra efa ho telo tapitrisa amin’izao andro izao!

Tamin’ny fanombohan’ny nanaovan’i N. Knorr ny asan’ny prezidà, dia faly aho nahita fa namporisihina bebe kokoa hatramin’izao ny Vavolombelona tsirairay avy hahay hampiseho toriteny isam-baravarana. Tamin’izany fotoana izany koa no nanombohana nampiofana rahalahy mba hahafahany manao lahateny ampahibemaso. Nahaliana ahy indrindra ny fampiofanana tao Galaad, Fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, satria i Ted rahalahiko, izay niaraka tamiko tamin’ny fivoriana natrehiko voalohany ary mpitory maharitra hatramin’ny 1931, dia anisan’ny kilasy voalohany.

Fiovana asa

Indray andro, tamin’ny lohataonan’ny 1950, dia nampiantso ahy tao amin’ny biraony niaraka tamin’ny rahalahy hafa iray ny rahalahy Knorr mba hanontany anay raha ho tianay ny hiasa amin’ny sampan-draharaha momba ny fanoratana. Namaly azy fotsiny aho fa na ahoana na ahoana dia vonona aho ny hiasa na aiza na aiza. Niteny ahy anefa izy tamin’ny filazana fa raha tolorana tombontsoam-panompoana amboniny ny olona iray dia tokony ho faly hanaiky izany. Raha ny marina, ny tsy fisian’ny hafanam-poko dia noho ny fahasalamako tsy netinety izay nanery ahy foana hihevitra ho zava-dehibe ny sakafo sy ny fampiasan-tena. Raha ny marina, dia tsy nisy nety kokoa tamiko toy ny fanokanana ny fotoanako rehetra hanaovana fikarohana sy hanoratana lahatsoratra momba ny hevitra araka ny Baiboly. Fantatro anefa fa tsy ho mora akory io asa io. Ny amin’ny fanoratana koa, dia nilaza tamiko toy izao indray andro ny rahalahy Knorr: “Ao no atao ny asa lehibe indrindra sy sarotra indrindra.”

Tamin’ny 1951, niaraka tamin’ny mpikambana maro hafa eto amin’ny Betelan’i Brooklyn, dia afaka nandray soa tamin’ny fanasana ara-panahy nampitombo fahalalana tany Londres aho tamin’ny fivoriambe “Ny fivavahana madio”. Rehefa avy nanatrika ny fivoriambe tany Paris ny maromaro taminay dia lasa nitsidika sampan’ny Fikambanana hafa, anisan’izany ny an’i Wiesbaden. Tao no nifankahalalako tamin’i Gretel Naggert izay, rehefa afaka 12 taona taty aoriana, dia nanaiky ho tonga ny anabavy Klein. Rehefa avy nanompo 38 taona tao amin’ny Betela tamin’ny naha-mpitovo tokoa aho, dia nihevitra fa hanatsara ny asako raha maka vady. Hatramin’ny nanambadiako, dia afaka nanao fanamarihana sahala amin’ny an’i Solomona aho manao hoe: “Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa sady mahita sitraka amin’i Jehovah.” (Ohabolana 18:22). Teo koa dia nanisy soa ahy Jehovah, satria sarobidy tamiko i Gretel tamin’ny lafiny maroc.

Nathan Knorr: zoky lahy iray

Ny fifandraisako tamin’ny rahalahy Rutherford dia ny nampiray ny zanakalahy iray tamin-drainy be fitiavana. Nefa izao, noho ny rahalahy Knorr zokiko volana vitsivitsy monja, ny fifandraisanay kosa dia ny an’ny mpirahalahy... ka matetika ilay zoky lahy no mirona tsy hahandry noho ny kileman-toetran’ilay zandry. Nampiseho fahendrena tokoa i Gretel tamin’io lafiny io. ‘Rehefa dinihina, hoy izy, dia tsy azo atao loatra ny hanantena fa ny mpitantan-draharaha mahery iray dia hifanaraka foana amin’ny mpahay mozika tia zavatra feno nofinofy iray!’ Nefa mba tsy handraisana amin’ny fomba diso ny hevitr’io fanamarihana io, dia hampiako fa ny rahalahy Knorr no mpandahateny tiako indrindra. Indray andro tokoa izy dia nilaza ahy ho ‘alony’, satria teo amin’izay nanaovany lahateny foana aho. Tia mozika tahaka ahy koa izy, satria izy no nitarika ireo hira tamin’ny fandaharana amin’ny fivorianay. Nanintona ny sainy akaiky tokoa ny famoahana ireo fitambaran-kirantsika. — Efesiana 5:18-20.

Tamin’izany koa, araka ny azoko notsapaina, dia nataon’i Jehovah izay hahatonga ny asany teto an-tany hotarihin’ny lehilahy mahay ny andraikiny. Mpahay mandamin-javatra tsara dia tsara tokoa ny rahalahy Knorr. Niaiky indrindra ny amin’ny ilàna hananana fahalalana tsara izy. Ny porofo dia ny nanorenany ny Sekolin’ny fanompoana teokratika, ny Sekolin’i Galaad, ny Sekolin’ny fanompoana ilay Fanjakana sy ny Sekoly ho an’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Betela.

Izany rehetra izany dia mampahatsiahy ahy ny fanamarihana iray nataon’ny mpandaha-draharaha ao amin’ny sampana anglisy. Voamarik’izy io fa tsy nanaiky ho voatariky ny zava-manahirana momba ny toetra mihitsy ny rahalahy Knorr rehefa nanao fanendrena. Porofo velona ny amin’izany ny tenako, satria raha niditra tamin’ny fiheverana toy izany izy dia tsy ho nahazo mihitsy ireo tombontsoa nomena ahy aho, na tao amin’ireo fivoriambe na tamin’ny lafin’ny mozika sy ny fanoratana, raha ireo fotsiny aza no tononina. Tamin’izany lafiny izany ny rahalahy Knorr dia nanahaka an’i Jesosy Kristy. Niraiki-po indrindra tamin’ny apostoly Jaona tokoa i Jesosy. Iza anefa no nanankinany ‘ny fanalahidin’ny fanjakana’? Petera, na dia tao aza ny toetrany nirehitra. — Matio 16:18, 19; Jaona 21:20.

Tsy isalasalana fa nanisy soa ahy Jehovah na dia tao aza ny fahalemeko sy ny kileman-toetrako. Ary, na dia efa nomena tombontsoa maro aza aho nandritra ny 50 taona teo ho eo, dia mbola vao ho avy ny tombontsoa lehibe indrindra. Marina tokoa fa tamin’ny novambra 1974 dia nasaina ho tonga anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Sakodiavatra aoka izany aho tamin’io fanolorana io, hany ka nilaina ny hisian’olona namporisika ahy hanaiky. Reko tamin’izay fa nisy maromaro hafa nahazo fanasana toy izany, ka nahatonga ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Kolejy foibe izay 11 ho tafakatra ho 18.

Ny namporisika ahy hanaiky an’io andraikitra io dia tsy iza fa i Frederick Franz izay, tamin’ny 1977, dia tsy maintsy nandimby ny rahalahy Knorr tamin’ny naha-prezidàn’ny Fikambanana. Raha vao niditra tao amin’ny Betela aho, ny fahalalany araka ny Baiboly sy ny fahamoram-panahiny dia nanintona ahy ho aminy. Tamin’ny voalohany izahay dia niara-nanatrika ireo fivoriana fanaovana vavaka ary fiderana sy fanambarana tamin’ny teny alemana. Hatramin’izay, dia nifamatotra taminy ny ankamaroan’ny marika fiaingana tamin’ny fiainako teokratika. Nanana tombontsoa indrindra aho niaraka taminy sy ny rahalahiko ary ny zaobaviko tamin’ny fitsidihana ireo kristiana tany amin’ny repoblika Dominikana rehefa norarana ny asa tao amin’io tany io. Tsy mbola nahazo fanehoam-pitiavana kristiana nafana sy nampiseho fahatsorana toy ny tamin’izay fotoana izay mihitsy aho. Voatohina lalina ny fon’ireo rahalahinay noho izahay nanao vy very ny ainay nisetra ny fitondran’i Trujillo mba hankanesana tany amin’izy ireny.

Taty aoriana, ny rahalahy Franz, ny vadiko sy ny tenako, niaraka tamin’olon-kafa vitsivitsy, anisan’izany A. Shroeder, dia nitsidika ireo tany resahin’ny Baiboly sy sasany amin’ireo tany any Amerika Atsimo, indrindra fa i Bolivie izay niasan’i Gretel tamin’ny naha-misionera nandritra ny sivy taona mahery. Ireny fandehanana niaraka tamin’ny rahalahy Franz ireny dia tsy maintsy narahin’ny tombontsoam-panompoana fanampiny, satria nanantitrantitra foana izy mba hampandray fitenenana an-dampihazo an’ireo niaraka taminy. Vao haingana kokoa, dia niara-nandray anjara tamin’ireo fivoriambe tany Eoropa sy tany Amerika afovoany izahay. Rehefa mitodika ny lasa aho dia mahatsapa fa ny rahalahy Franz dia nitarika ahy hahay handanjalanja foana. Ohatra, tamin’ny dianay tany amin’ny tany resahin’ny Baiboly, dia nahita ady mafy tamin’ny polisy ny rahalahy iray satria naka sary tao amin’ny toerana nandrarana izany, ka nanjary tratra aoriana ny rehetra noho izany. Nanomboka nampiseho ny fahatezerako aho, nefa nianina tamin’ny fitsikiana ny rahalahy Franz ka nilaza hoe: “Heveriko fa eo am-pandraisana fianarana izy.” Rehefa dinihina dia marina izany! Tsy misy isalasalana mihitsy fa ireo fifampikasohako tamin’ny rahalahy Franz dia fomba hafa iray nanasian’i Jehovah soa ahy.

Tsy hoe mandeha tsy misy fifandonana akory ny zavatra rehetra

Tokony hiaiky koa aho fa nanisy soa ahy Jehovah tamin’ny asa nanendrena ahy. Tsy indray mandeha ny volavolan-kevitra iray no nandeha tsara indrindra noho ny anton-javatra tsy niankina tanteraka tamin’ny sitrapoko (jereo Salamo 127:1; I Korintiana 3:7). Matetika aho no nahatsapa izany zavatra izany teo amin’ny ambaratongan’ny kongregasiona. Ohatra, efapolo taona teo ho eo izay, ny Fikambanana dia nividy trano nataony garazy hatramin’ny ela be. Raha tsy nanana ny tany niorenany anefa izahay dia tsy ho afaka nanamboatra mihitsy tionelina iray hanakambanana ny trano avo Towers amin’ny sisa amin’ny Betela. Rehefa nila toerana honenana lehibe kokoa izahay, dia afaka nahazo ny hotely Towers. Rehefa nanjary nilaina ny hanitarana ireo birao, dia afaka nividy ny fitambaran-trano Squibb izahay. Ary nifanakaikikaiky daholo ireo trano rehetra ireo ka azo naleha an-tongotra. Nisy zava-nitranga maro sahala amin’izany tany amin’ny tany samy hafa mba hahasoa ny fandaminan’i Jehovah.

Noho ny fahalemena raikitra amiko sy noho izaho mora manao zavatra tsy amim-piheverana, dia nahita fisedrana sy fahoriana aho, anisan’izany ny “dépression nerveuse” rehefa sivy taona no niasako teto amin’ny Betela. Tamin’izany fotoana izany, ny Salamo 103 sy ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny Romana 7:15-25 dia loharanom-pampaherezana ho ahy. Nisy loza nanjo ahy koa: fahatapahan’ny taolan-dohalika, ny taolana amin’ny hazondamosina, ets... Noho ny kileman-toetrako sy ny an’ny hafa, dia tsy hoe tsy nisy fifandonana akory teo amin’ny fiainako. Nampian’i Jehovah anefa aho hahatakatra fa ho haiko ny hizaka izay rehetra havelany hisy, araka ny anazavan’i Paoly azy ao amin’ny I Korintiana 10:13, ka ‘arakaraka ny fahakelezan’ny fanararaotako ny fiainana no hahafahako manome betsaka kokoa.’ Ankoatra ny zavatra hafa, izany dia nampianatra ahy “hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy” sy hitondra tena an-tsitrapo toy ny “kely indrindra”. — Mika 7:7; Lioka 9:48.

Imbetsaka aho no nanana antony nahatsapana fihetseham-po sahala amin’i Davida tamin’ny tsy fifanarahany tamin’i Nabala (I Samoela 25:2-34). Velom-pankasitrahana an’i Jehovah sy Abigaila tokoa i Davida noho ny nisakanany azy tsy hivesatra trosan-dra tamin’ny fanafoanana ny fianakavian’i Nabala. Fa raha ny amiko, dia nitana ahy koa Jehovah tsy hanao fahadisoana lehibe. Nanao izany izy tamin’ny alalan’ireo anjeliny, tamin’ny fitondrany sy tamin’ny fanampiana azoko, tsy avy amin’ireo rahalahy matotra ihany, fa avy amin’ireo “Abigaila” kristiana maro koa. Misaotra an’i Jehovah koa aho satria rehefa osa ara-panahy aho, dia tsy nanana fahafahana ho resin’ny fakam-panahy, ary rehefa nitranga izany fahafahana izany, dia ampy fahatanjahana indray aho mba hahatohitra izany. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fironana hanao ratsy sy ny fahafahana hanao izany dia tsy nifanindry mihitsy, satria fantatr’i Jehovah fa tao am-poko lalina dia niriko ny hanohy hanaraka ny tsara. Sambatra aoka izany aho noho Jehovah tsy mitsikilo fahadisoana! — Salamo 130:3.

Nanisy soa ahy toy ny tamin’ny maro hafa koa Jehovah tamin’ny fanomezana anay sakafo ara-panahy tsara dia tsara tondraka araka ny fandehan’ireo taona (Matio 24:45-47). Tsy isalasalana fa ny fahazavana dia mamirapiratra mihamanjelanjelatra hatrany ho an’ny marina (Salamo 97:11). Hatramin’ny nanombohako nandray ny ‘rononon’ny teny’, ireo mpanompon’i Jehovah dia nahita fahamarinana ara-panahy sarobidy maro be. Ohatra, tsapany ny hantsana mampisaraka ny fandaminan’Andriamanitra sy ny an’ny Devoly. Takatr’izy ireo fa ny fanamarinana an’i Jehovah dia lehibe kokoa noho ny famonjena an’ireo zavaboariny, fa ireo faminaniana ny amin’ny fampodiana dia mihatra amin’ny Isiraely ara-panahy, fa ny fitondrantena kristiana dia lehibe toy ny fitoriana ary ny zavaboary malemy sy tsy tanteraka toa antsika dia afaka mampifaly ny fon’Andriamanitra izay ny anarany tsy manam-paharoa no entintsika amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika. — I Petera 2:2, MN; Ohabolana 27:11; Isaia 43:10-12.

Taorian’izany rehetra izany, ahoana no mety hahavoatana ahy tsy hihira ho an’i Jehovah izay nanisy soa ahy?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Carey Barber dia mpitendry “violon” faharoa tao amin’io orikesitra io. Tsy noeritreretinay akory tamin’izany fotoana izany fa rehefa afaka 58 taona atỳ aoriana izahay mirahalahy dia ho tafaraka ao amin’ny “orikesitra” iray ihany, saingy mba hitendrena karaza-mozika hafa tanteraka! Nitantara ny fiainany i C. Barber ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 febroary 1983.

b Ny amin’ny fanambarana tsy nety nataony ny amin’izay tokony ho nampoizinay momba ny taona 1925, dia niaiky toy izao teo anatrehan’ny fianakavian’ny Betela manontolo ny rahalahy Rutherford: “Nitondra tena toy ny adala aho.”

c Jereo Annuaire des Temoins de Jéhovah 1974, pejy faha-130 sy 131.

[Sary, pejy 22]

K. Klein sy C. Barber tamin’ny 1926, ao amin’ny orikesitry ny WBBR.

[Sary, pejy 23]

J. Rutherford: ray iray.

[Sary, pejy 24]

Miaraka amin’i Grétel vadiko — nanisy soa ahy tamin’ny alalany koa Jehovah.

[Sary, pejy 25]

N. Knorr: zoky lahy iray.

[Sary, pejy 26]

F. Franz: namana iray mitarika hahay handanjalanja.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara