FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/9 p. 25-27
  • ‘Ny fanetren-tena mialoha ny voninahitra’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Ny fanetren-tena mialoha ny voninahitra’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Olona hafa koa izay nandalo tamin’ny ‘fanetren-tena alohan’ny voninahitra’
  • Voninahitra karazany hafa
  • Inona no nanohana ireny kristiana mahatoky ireny?
  • “Tsy Andriamanitra ve no Mahalaza ny Hevitry ny Nofy?”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mosary mahafaty ao anatin’ny fotoam-pahatondrahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Natao An-tranomaizina i Josefa
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Manampy Anao Hahomby i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/9 p. 25-27

‘Ny fanetren-tena mialoha ny voninahitra’

NATSIPY tao an-tranomaizina egyptiana noho ny fiampangana tsy marina ny tovolahy. Tena naetry tokoa izy ary toa tsy nanana fanantenana ny ho afaka. Indray andro anefa, dia nampanantsoin’i Farao izy. Namoaka azy faingana ny mpiambina; niharatra sy nisolo akanjo izy ary niseho teo anatrehan’ny mpanjaka.

Nisy zavatra tsy nampoizina niandry an’io tovolahy io, dia Josefa izany. Noho ny fanampian’i Jehovah dia nilaza tamim-pahamarinana ny hevitry ny nofin’i Farao roa izy. Nilaza taminy i Farao hoe: “Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho.” (Genesisy 41:41). Fitsimbadihan-javatra re izany! Handao ny tranomaizina mba hitoetra ao an-dapa ao anatin’ny andro iray monja! Izay nitranga tamin’i Josefa dia manazava ity fanambarana ity izay nataon’i Solomona mpanjaka tatỳ aoriana, teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra: “Fa avy ao an-trano-maizina no nivoahany hanjaka.” Afa-tsy izany, dia indroa i Solomona no nanoratra ity fanambarana mety indrindra ity: “Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.” — Mpitoriteny 4:14; Ohabolana 15:33; 18:12.

Mba hahitana fianarana avy amin’io fahamarinan’Andriamanitra io, dia aoka isika hanontany tena hoe: Inona no nanohana an’i Josefa nandritra io fisedrana nampietry io? Nanao ahoana ny fihetsik’io mpanompon’i Jehovah nahatoky io teo anatrehan’ny fiampangana tsy marina nahatonga azy hatsipy tao an-tranomaizina? Voninahitra inona no nomanin’i Jehovah homena azy? Karazam-boninahitra inona no miandry ireo izay niaritra tamim-pahatokiana sy tamin-kerim-po ny fanenjehana sy ny fampietrena nandritra ireo taonjato? Ary, ambonin’izany, inona no manampy antsika hitazona ny fijoroantsika rehefa aetry ny tenantsika?

Tsy maintsy ho nisaintsaina matetika ireo nofy ara-paminaniana roa nonofisiny taloha kokoa teo amin’ny fiainany i Josefa, nofy izay nanambara fa ireo rahalahiny, ary na dia ireo ray aman-dreniny koa aza dia ‘hiankohoka’ eo anatrehany. Rehefa avy nitantara ny voalohany tamin’ireo nofy ireo tamin’ny rahalahiny izy, dia hoy ireo taminy: “Moa hanjaka aminay tokoa va ianao?” — Genesisy 37:8-10.

Noho ny fialonany, dia saika tonga hatramin’ny famonoana azy ireo rahalahin’i Josefa! Teo ambany fitarihan’i Jehovah anefa ilay tovolahy 17 taona dia namidy tamin’ny mpivaro-mandeha izay nivarotra azy indray tamin’i Potifara, mpifehy ny mpiambin’i Farao.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary mpikarakara ny tao an-tranon’i Potifara izy. Ny vadin’io mpiasam-panjakana io dia nanandrana nanangoly azy izay lehilahy bikàna, nefa tsy nivadika tamin’i Jehovah izy ka nandositra. Tamin’izay dia niampanga azy ho nitady hisavika azy io vehivavy fetsy io. Nino azy i Potifara ary natsipy tany an-tranomaizina ilay Josefa nampahonena.

Tsy nivadika hatrany tamin’i Jehovah, ilay nanao izay hisehoany teo anatrehan’i Farao mba hilaza ny hevitry ny nofy anefa i Josefa, araka izay efa voalaza etsy ambony. Nampiandraiketin’io mpanjaka io an’i Josefa avy eo ny tombontsoa be voninahitra handamina ny fanangonana sakafo tao Egypta. Rehefa namely hatrany Kanana ny mosary dia tonga niankohoka teo anatrehan’i Josefa tokoa ireo rahalahiny mba hahazoana sakafo ho an’ny fianakaviany.

Olona hafa koa izay nandalo tamin’ny ‘fanetren-tena alohan’ny voninahitra’

Mosesy dia mpanompon’i Jehovah hafa izay nanana fiainana mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra milaza fa ‘ny fanetren-tena mialoha ny voninahitra’. Noho izy nobeazina tao amin’ny lapa be rentin’i Farao dia nanana hoavy namirapiratra teo anoloany i Mosesy. Avy eo anefa, dia toa nivadika ho loza ho azy ny zava-nitranga. Rehefa avy naneho ny finoany an’i Jehovah sy ny fiheverany amim-pahatsorana ny vahoakany, i Mosesy dia voatery nandositra mba tsy ho fatin’ilay Farao tezitra. Nandeha irery tany amin’ny tanin’ny Midiana izy, ary nandritra ny 40 taona dia nasehony ny fanetren-tenany tamin’ny fananany fiainana tsotra tamin’ny naha-mpiandry ondry, teo ambany fahefan’i Jetro rafozany. Nandritra ireo taona rehetra namolavola ny toetrany ireo, dia tsy maintsy nahita fampaherezana i Mosesy tamin’ny fisaintsainana ny fomba nampietren’i Jehovah azy sy tamin’ny fieritreretana izay nety hatokan’ny hoavy ho azy.

Tonga avy eo ny voninahitra. Nataon’i Jehovah ho mpitondra ny hafany teo anatrehan’i Farao i Mosesy ka nankininy taminy ny fanafahana ny vahoakany avy ao Egypta. Tombontsoa toy inona moa no nananan’i Mosesy rehefa nanambara ny loza folo izy ary nitarika ny Isiraely nita ny ranomasina Mena! Tatỳ aoriana dia nandray ny Lalàna avy amin’i Jehovah teo amin’ny tendrombohitra Sinay izy. Rehefa nidina avy amin’io tendrombohitra io izy, dia “tsy nahabanjina ny tavan’i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany” ny zanak’Isiraely. — 2 Korintiana 3:7.

Aoka hodinihintsika koa ny amin’i Joba, ny lehibe indrindra tamin’ireo Tatsinanana. ‘Olona marina sy nahitsy sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy’ izy. (Joba 1:2, 3, 8.) Tampotampoka teo anefa, dia namoy ny zanany folo mbamin’ny biby fiompiny an’arivony maro izy — dia ondry, rameva, omby ary boriky vavy.

Tsy izany fotsiny anefa. Rakotry ny vay ratsy i Joba ary nanomboka namofona. Ny vadiny mihitsy aza no nanaraby azy tamin’izao teny izao: “Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hianao? Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” (Joba 2:9). Voasedra sy naetry mafy i Joba nefa tsy nahalala na inona na inona ny amin’ny ady hevitra nampifanohitra an’i Jehovah sy Satana, ilay mpikomy lehibe, tany an-danitra. Tsy nanatsara ny tarehin-javatra nisy an’i Joba akory ny ady hevitra lavareny izay nifanaovany tamin’ireo “namany” telo lahy. Na dia izany aza, dia nihazona ny tsy fivadihany izy ary nanaiky tamim-panetren-tena mihitsy ireo torohevitra feno fahendrena nomen’i Eliho, lehilahy tanora lavitra noho ny tenany. — Joba 32:4.

Novalian-tsoa ve i Joba? Eny; nanasitrana azy i Jehovah, nampitombo avo roa heny ny isan’ny biby fiompiny ary nanome azy zanaka fito lahy sy telo vavy, ny tsara tarehy indrindra teo amin’ilay tany! Endrey izany fiafaran-javatra be voninahitra vokatry ny fanetren-tenan’i Joba! Tamin’izay nanjo azy, dia mbola marina foana fa ‘ny fanetren-tena mialoha ny voninahitra’. — Joba 42:12-15.

Voninahitra karazany hafa

Miharihary fa misy karazany maro ny voninahitra — manomboka amin’ny voninahitry ny volon’ny vehivavy ka hatramin’ny voninahitra nananan’ny tarehin’i Mosesy rehefa nidina avy any an-tendrombohitra Sinay izy (1 Korintiana 11:15; 2 Korintiana 3:7). Manana voninahitra kanto ny filentehan’ny masoandro maha-te-hijery, ary hafa ny ananan’ny kintana. — 1 Korintiana 15:41.

Ny teny hoe “voninahitra” mbamin’ireo teny hafa avy aminy, dia hita injatony maro ao amin’ny Baiboly. Mampiseho mazava ireo andininy ireo mbamin’ny teny manodidina azy fa Jehovah no loharanon’ny voninahitra rehetra. Ny mpanompony mahatoky sy ny sangan’asa izay noforoniny dia afaka maneho taratry ny voninahiny amin’ny fomba maro loha sy amin’ny ambaratonga samy hafa.

Amin’izao taonjato faha-20 misy antsika izao, ary asehon’ny zava-mitranga izany, ireo manana fanantenana be voninahitra handova ny fiainana any an-danitra dia niharan’ny fampietrena. Nandritra ny Ady lehibe Voalohany, dia nomelohina 20 taona an-tranomaizina noho ny fiampangana tsy marina ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Fikambanana Watch Tower, izay ao Brooklyn (New York) ny foibeny. Tamin’izay fotoana izay ihany, dia nipoaka ny fanenjehana tany amin’ny toerana maro. Ohatra, J. Siebenlist dia natao an-tranomaizina tsy nisy baiko fisamborana nandritra ny telo andro. Tsy nomena hanina afa-tsy sombi-mofo katsaka efa simba telo izy. Navoakan’ny vahoaka avy tao an-tranomaizina izy, nampiboridaniny, nohosorany tara (goudron) mafana ary nokapohiny tamin’ny karavasy tariby. Nandritra ny fitsarana Mpianatra Baiboly maromaro, dia hoy ny lehiben’ny mpisolovava: “Tsy miraharaha izay Baibolinareo aho. Tokony halefa any amin’ny afobe tapa-balahana ianareo; tokony hahantona ianareo.”

Nandritra ny Ady lehibe Faharoa, dia nijaly tamin’ny fomba mahatsiravina tany amin’ireo toby fitanana nazia ny mpanompon’i Jehovah nahatoky sasany. Iray tamin’ireny i Martin Poetzinger, Vavolombelona voahosotry ny fanahy izay tsy maty tamin’ireny fisedrana ireny ary tatỳ aoriana dia tonga anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niresaka ny amin’i Dachau ho toy ny “zohy fieren’ny demonia” izy. Tany amin’ny toby fitanana any Mauthausen, hoy izy, “ny Gestapo dia nanao izay rehetra azony natao mba handavanay ny finoanay an’i Jehovah. Tao ny tsy fanomezan-kanina, ny fisakaizana feno fitaka, ny herisetra, ny fanerena hijoro mandritra ny andro maro na ny fanantonana amin’ny hatotanana mifatotra any an-damosina eo amin’ny tsato-kazo telo metatra ny haavony, ny kapoka amin’ny karavasy; izany fitondrana ratsy rehetra izany, mbamin’ny maro hafa koa (...) dia nihatra taminay”.

Inona no nanohana ireny kristiana mahatoky ireny?

Inona no nanampy ireny kristiana ireny hiaritra ireo toe-javatra mampahonena sy mampietry ireo? Ny finoany ny fiafarana nampanantenaina, indrindra ny fahatsinjovana ny hoavy be voninahitra voatokana ho an’izay tsy mivadika hatrany. Ho an’ny “ondry vitsy” voaforon’ny Vavolombelona voahosotra, izany dia lova any an-danitra (Lioka 12:32). Miandry ny olombelona mahatoky hafa ny voninahitra manokana eto an-tany. Ny sasany aminy, Josefa sy Mosesy, ohatra, dia voatonona ao amin’ny toko faha-11 amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo. Vakio aza fady ny Heb 11 andininy faha-32 ka hatramin’ny faha-40, ary saintsaino ny amin’ny fietrena niaretan’ny sasany tamin’ireny olona nahatoky ireny. Ankoatra izany dia misy “olona betsaka” manompo an’i Jehovah eto an-tany amin’izao androntsika izao (Apokalypsy 7:9, 15). Hanao ahoana ny hoaviny?

Miandry azy ireo ny hoavy mahatalanjona iray. Ny fanjakana any an-danitra tarihin’i Jesosy Kristy dia hanana solontena eto an-tany izay hampihatra ny toromarika voasoratra ao amin’ireo horonamboky voaresaka ao amin’ny Apokalypsy 20:12. Hanana tombontsoa be voninahitra ireo lehilahy ireo, tsy amin’ny maha-mpanjaka fa amin’ny maha-“mpanapaka eny amin’ny tany rehetra”. Toa azy ireo koa, dia hisy olona maro be manetry tena sy mahatoky, anisan’izany ireo hatsangana amin’ny maty, hahazo ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany be voninahitra iray tonga paradisa. — Salamo 45:16.

Amin’izao androntsika izao, dia olona an-tapitrisany maro no mampiseho ny fanetren-tenany amin’ny fialana amin’ny fivavahan-diso sy amin’ny fandraisana anjara amin-kafaliana amin’ny asa fitoriana isan-trano ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Maro amin’izy ireny no esoin’ny havany aman-tsakaizany nefa dia mifikitra amin’ny fanompoam-pivavahana marina ihany. Ny rehetra dia manaiky amim-panetren-tena ny fifehezana mba hanompoana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Ny fanantenany dia ny hiaina ao amin’ny Paradisa tafaorina indray, rehefa “ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Jehovah, toy ny fanaron’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina” ny tany. — Habakoka 2:14.

Mandalo fotoam-pitsapana ireo mpanompon’i Jehovah. Toy ny mpivahiny eo amin’izao tontolo izao izy ireo. Mihalalina sy miitatra andro aman’alina ny hantsana mampisaraka ny fanompoam-pivavahana marina amin’ny diso. Samy miaritra fampietrena be na kely daholo isika rehetra. Nefa, toy ny nahitan’i Jesosy fampiononana sy fanatanjahana avy amin’ny fifaliana napetraka teo anoloany, dia azontsika atao koa ny miaritra ireo fisedrana amin’ny fieritreretana ny ho fiafarany.

Manome antsika izao torohevitra izao ny Baiboly: “Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo [Jehovah, MN ], dia hanandratra anareo Izy.” (Jakoba 4:10). Raha sendra voasedra mafy ianao, dia tsarovy fa ‘ny fanetren-tena mialoha ny voninahitra’, ary Jehovah dia tsy mety diso.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara