FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ny tahotra: manimba foana ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1989 | 1 Septambra
    • Izay no fotoana tokony hampitomboana ny fitandremana. Raha mbola manaraka ny fiolahana tsirairay misy fanala mandry amim-pitandremana ianao dia miteny anakampo fa kely foana ny tsy nahaverezan’ny fifehezanao ny fiara teo amin’io lalana malama io ka tsy nianjeranao tany amin’ny lohasaha terỳ ambany. Ambonin’izany dia tsy fantatrao mihitsy izay loza hafa miandry anao ao amin’ny haizina. Koa satria tonga ao an-tsainao ny karazana hevitra toy izany, dia mihamaina ny molotrao ary mitepo haingana kokoa ny fonao. Mailo daholo ny vavahadin-tsainao rehetra. Tsy mampaninona anao izay vao nosaintsaininao teo, izao dia variana tanteraka amin’ny zava-manahirana mipoitra amin’io fotoana io ianao: ny tsy hialana amin’ny lalana sy ny hisorohana ny loza.

      Amin’ny farany, dia mihena ny haabon’ny lalana. Izao dia voazava izany, ary tsy misy intsony ny fanala mandry. Mihatony tsikelikely ny tenanao ary misento ianao fa nohamaivanina. Tahotra tsy amin’antony re izany!

      Tsy amin’antony hoe? Tsy dia izany loatra. Ara-dalàna raha mahatsapa fihenjanana sasany ny tena amin’ny tarehin-javatra tahaka izany. Manosika hiambina sy hitandrina izany. Ny tahotra mahasoa dia mihazona antsika tsy hanao zavatra tsy amim-piheverana, ary, vokatr’izany, dia tsy hitondra fahavoazana ho antsika. Tsy voatery tsy maintsy hampikorontana ny saina àry io fihetseham-po io na ho poizina ho an’ny saina. Amin’ny tarehin-javatra sasany dia mety hahasoa mihitsy aza izy io.

      Ny Baiboly dia mampiharihary karazana tahotra roa: raha mahaforona poizina ho an’ny saina tokoa ilay voalohany, ilay faharoa kosa dia tsy hoe ara-dalàna sy mahasoa fotsiny fa tena ilaina ho amin’ny famonjena koa. Inona avy izy ireo? Ambonin’izany, ahoana no hampitomboana ny anankiray sady hanalavirana ilay hafa? Ny lahatsoratra manaraka no hamaly ireo fanontaniana ireo.

  • Nahoana no Andriamanitra no atahorana fa tsy ny olona?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1989 | 1 Septambra
    • Nahoana no Andriamanitra no atahorana fa tsy ny olona?

      “MAMANDRIKA ny tahotra olona; fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena.” (Ohabolana 29:25). Io ohabolana Fahizay io dia mampitandrina antsika amin’ilay karazana tahotra izay poizina ho an’ny saina tokoa: ny tahotra olona. Nahoana izy io no oharina amin’ny fandrika? Satria ny biby madinika iray, ny bitro ohatra, dia tsy afaka manao na inona na inona rehefa voafandrika. Mitady handositra izy nefa mihazona azy amin-kalozana ilay fandrika. Raha ny marina dia tsy mahahetsika izy.

      Izay voagejan’ny tahotra olona dia mitovy be dia be amin’io bitro io. Angamba fantany izay tokony hataony ary maniry hanao zavatra amin’izany lafiny izany mihitsy izy, nefa manapaka azy ny tahotra. Koa satria tsy afa-mihetsika izy dia tsy afaka manao zavatra.

      Ny tahotra olona — fandrika

      Azo atao ny mitadidy ny ohatry ny olona sasany izay, tamin’ny andron’ny Baiboly, dia voafandriky ny tahotra. Tamin’ny andron’i Josoa, dia nirahina ny lehilahy roa ambin’ny folo mba hisafo ny tany Kanana alohan’ny hanafihan’ny Isiraelita azy, araka ny nandaminana izany. Tamin’ny fiverenany dia nilaza ireo mpisafo tany fa lonaka sy mahavokatra ilay faritra, dia tena araka ny nilazan’Andriamanitra azy. Ny folo tamin’izy ireo anefa dia natahotra ny herin’ny mponina tao amin’ilay tany. Nofehezin’ny tahotra olona ireo mpisafo tany ireo ka namindrany fihetseham-po mitovy amin’izany ny firenen’Isiraely iray manontolo, tamin’ny fanaovana filazalazana nampitomboina ny amin’ny herin’ny olona tao amin’ilay toerana. Ny Isiraelita dia nandà ny hanaraka ny baikon’Andriamanitra nandidy azy ireo hiakatra hamely an’i Kanana sy haka ny tany. Inona no vokany? Ny lehilahy rehetra efa olon-dehibe tamin’io fotoana io, afa-tsy vitsivitsy monja, dia maty tany an’efitra nandritra ireo 40 taona nanaraka. — Nomery 13:21 ka hatramin’ny 14:38.

      Jona koa dia azon’ny tahotra olona. Rehefa nirahina hitory tany Ninive, tanàna lehibe izy dia “nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan’i Jehovah”. (Jona 1:3.) Inona no antony? Nalaza ho olona nahery setra sy lozabe ny mponina tao Ninive ary azo antoka fa fantatr’i Jona izany. Ny tahotra olona dia nanosika azy handositra lavitra an’i Ninive. Marina fa tamin’ny farany dia nanaiky ny fanirahana azy izy, izany anefa dia taorian’ny nanitsian’i Jehovah azy tamin’ny fomba manokana. — Jona 1:4, 17.

      Na dia ny mpanjaka aza dia mety ho azon’ny tahotra olona. Nisy fotoana nandikan’i Saoly mpanjaka tamin’ny fomba niharihary ny baiko mazava iray avy amin’Andriamanitra. Fialan-tsiny inona no nolazainy? “Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin’i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.” (1 Samoela 15:24). Taonjato vitsivitsy tatỳ aoriana, raha niharan’ny famelezan’ny Babyloniana i Jerosalema, dia nanoro hevitra an’i Zedekia mpanjaka ny mpaminany nahatoky iray nantsoina hoe Jeremia, mba hitolo-batana amin’ny fahavalo mba tsy hanolorana ny tanàna ho amin’ny famonoana. Nolavin’i Zedekia anefa izany. Inona no antony? Niaiky tamin’i Jeremia izy hoe: “Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tanany aho ka hataony fihomehezana.” — Jeremia 38:19.

      Ary farany, ny tenan’ireo apostoly aza dia tsy voaro tamin’ny tahotra. Tamin’ny andro nahafatesany, dia nampandre ny mpianany Jesosy fa handao azy daholo izy rehetra. Petera anefa dia nanambara tamin-kasahiana hoe: “Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho any amin’ny fahafatesana aza.” (Lioka 22:33; Matio 26:31, 33). Diso hevitra tokoa anefa izy! Ora vitsivitsy monja taorian’izay, noho ny tahotra, Petera dia nandà ny ho naman’i Jesosy ka nilaza ho tsy nahalala azy akory aza. Resin’ny tahotra olona izy! Tsy azo lavina fa tena poizina ho an’ny saina io fihetseham-po io.

      Iza no tokony hatahorana?

      Ahoana no azo andresena ny tahotra olona? Amin’ny fanoloana azy amin’ny tahotra mahasoa lavitra, tahotra izay nanoroan’ny tenan’ny apostoly Petera hevitra mba harahina rehefa nanambara izy hoe: “Matahora an’Andriamanitra.” (1 Petera 2:17). Ilay anjely hitan’i Jaona tao amin’ny fahitan’ny Fanambarana na Apokalypsy dia nandefa izao famporisihana izao tamin’ny olombelona: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy.” (Apokalypsy 14:7). Solomona mpanjaka hendry dia namporisika ny hafa koa mba hampiseho tahotra tahaka izany tamin’ny filazana hoe: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” (Mpitoriteny 12:13). Ny fahatahorana an’Andriamanitra tokoa dia adidy.

      Ny fahatahorana an’Andriamanitra dia loharanon-tsoa, araka ny anamarinan’ireto tenin’ny mpanao salamo iray fahizay ireto azy: “Eny tokoa, akaikin’izay matahotra Azy [an’i Jehovah] ny famonjeny [famonjena omen’i Jehovah].” (Salamo 85:9). Manome izao antoka izao koa ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no mahela velona.” (Ohabolana 10:27). Ny fahatahorana an’i Jehovah tokoa dia mahasoa sady tsara. ‘Kanefa, hisy angamba hilaza hoe Jehovah dia Andriamanitra tia. Koa nahoana no hatahotra Andriamanitra fitiavana iray?’

      Nahoana no matahotra ny Andriamanitra fitiavana iray?

      Satria ny fahatahorana an’Andriamanitra dia tsy ny tahotra mankarary, izay tsy ahafahana mihetsika amin’ny tarehin-javatra sasany. Izany dia tahotra azo oharina amin’izay tsapan’ny ankizy iray amin’ny rainy, na dia tiany aza izy sady fantany fa mifamaly izany fihetseham-po izany.

      Raha ny marina, ny fahatahorana an’Andriamanitra dia fanehoana fanajana lalina ny Mpamorona, satria tsapa fa izy dia fampisehoana tanteraka ny fahitsiana sy ny rariny ary ny fahendrena sy ny fitiavana. Avy amin’izany dia misy tahotra mahasoa, tahotra sao tsy mahazo sitraka aminy, satria Mpitsara fara tampony izy sady manana fahefana hanome valisoa na hanafay. Momba izany dia nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tànan’Andriamanitra velona.” (Hebreo 10:31). Tsy tokony hoheverina ho zavatra tsy maintsy omen’Andriamanitra antsika ny fitiavany. Tsy hety ihany koa ny hanamaivanana ny halehiben’ny fitsarany. Izany no antony ampahatsiahivan’ny Baiboly hoe: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena.” — Ohabolana 9:10.

      Tokony hotadidina anefa fa raha manana fahefana hanafay ireo izay tsy mankatò azy Jehovah, tahaka izay nataony matetika, dia tsy lozabe na lian-dra velively izy. Tena Andriamanitra fitiavana tokoa izy na dia tahaka ireo ray aman-dreny tia aza, dia mety ho tezitra amin’ny fomba ara-drariny izy indraindray (1 Jaona 4:8). Tombontsoa ho antsika àry ny matahotra azy: izany dia mitarika antsika hanaiky ireo lalàny, izay navoaka mba hahasoa antsika. Ny fankatoavana ireo didin’Andriamanitra dia mitondra fahasambarana; ny tsy fankatoavana kosa dia mitondra vokany ratsy foana (Galatiana 6:7, 8). Nanambara toy izao teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra ny mpanao salamo: “Matahora an’i Jehovah, hianareo olony masina; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.” — Salamo 34:9.

      Iza no atahorantsika?

      Ahoana no hanampian’ny tahotra an’Andriamanitra handresy ny tahotra olona? Mety hanamavo na hanenjika olona iray noho ny fahitsiany ny olombelona sasany ka amin’izany dia hampihatra fanerena aminy. Kanefa ny tahotra feno fanajana ananany amin’Andriamanitra dia hahaforona antony manosika mahery ho azy mba tsy hialany amin’izay marina, satria tsy maniry hampahalahelo azy izy. Ny fitiavany an’Andriamanitra, fanampin’izany, dia hanosika an’izany olona izany hampifaly ny Fony. Ho tadidiny koa etsy an-daniny fa Andriamanitra dia mamaly soa amim-pahalalan-tanana ireo izay manao ny mahitsy; vao mainka ho tia azy bebe kokoa izy ka haniry hanao ny sitrapony. Araka izany, dia azo resena ny tahotra rehetra avy amin’ny olona amin’ny fananana fahitana voalanjalanja ny amin’Andriamanitra.

      Ohatra, maro no alaim-panahy hanao ratsy noho ny fahatahorana izay heverin’ny manodidina ny aminy. Mety hisy zatovo mifoka sigara any an-tsekoly, mampiasa fiteny kivalavala, mihambo ho nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy (tena nisy na noforonina) ary manendry zava-pisotro misy alkôla na zava-mahadomelina mihitsy aza. Nahoana izy ireny no mitondra tena toy izany? Tsy hoe tsy maintsy mahafinaritra azy ireo ireny fanao ireny, fa matahotra izay ho fihetsiky ny namany izy raha manao zavatra miavaka. Ho an’ny zatovo iray angamba ny esoeso sy ny famazivaziana dia mety ho sarotra zakaina tahaka ny fanenjehana ara-batana.

      Tahaka izany koa, dia mety ho voatosika hanao zava-dratsy ny olon-dehibe iray. Mety hangataka amin’ny mpiasany ny lehibe iray mba hampitombo ny vola aloa ao amin’ny lazam-bidin’ny (facture) mpividy iray na hanao hosoka amin’ny taratasin-ketran’ny orinasa mba hampihena ny vola takina aminy. Hihevitra angamba ny kristiana iray fa mety hamoizany ny asany ny fandavany hankatò. Noho izany dia mety hanosika azy hanao ratsy ny tahotra olona.

      Amin’ireo toe-javatra roa ireo dia hanakana ny kristiana tsy ho voagejan’ny tahotra olona ny tahotra mahasoa ananany amin’Andriamanitra sy ny fanajany ny didiny. Ny fitiavany an’Andriamanitra dia hihazona azy tsy hanao zavatra melohiny (Ohabolana 8:13). Fanampin’izany, ny finoany an’Andriamanitra dia hanome antoka azy, na inona na inona ho fiafarany, fa hanohana azy izy raha toa manao zavatra mifanaraka amin’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly ny tenany. Ny apostoly Paoly dia nampiseho ny finoany rehefa nanambara hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” — Filipiana 4:13.

      Ny Baiboly dia mirakitra ohatra ny amin’ny lehilahy sy vehivavy maro izay nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah tao anatin’ny zava-tsarotra ratsy indrindra. Izy ireny dia “niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa; notoraham-bato izy, (...) nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra”. (Hebreo 11:36, 37.) Tsy namela ny tahotra olona hanapaka ny sainy anefa izy. Nanaraka kosa ny fitsipi-pitondrantena mampiseho fahendrena nosoritan’i Jesosy tatỳ aoriana ho an’ny mpianany izy: “Ary aza matahotra izay mamono ny tena nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ny helo.” — Matio 10:28.

      Tamin’ny nanarahany an’io torohevitr’i Jesosy io nilaza fa Andriamanitra no tokony hatahorana fa tsy ny olona, dia afaka niaritra ireo karazana fahasahiranana rehetra sy fisedrana ary fanenjehana “noho ny filazantsara” koa ireo kristiana voalohany. (Filemona 13.) Ohatra miavaka ny apostoly Paoly amin’io lafiny io. Ao amin’ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintiana, dia nanazava izy hoe tamin’ny fomba ahoana ny fahatahorana an’i Jehovah no nanome herim-po azy hiaretana ny fanaovana an-tranomaizina, ny kapoka, ny fitoraham-bato, ny fahavakian-tsambo, loza samihafa teny an-dalana, ny tsy fahitan-tory, ny hanoanana, ny hetaheta, ny hatsiaka sy ny fitanjahana. — 2 Korintiana 11:23-27.

      Ny tahotra an’Andriamanitra dia nanome hery an’ireo kristiana voalohany koa mba hiaritra ny fanenjehana mavaivay nahazo azy ireo teo ambany fitondran’ny empiran’i Roma. Tamin’izany fotoana izany, ny sasany aza dia natsipy tao amin’ny kianja misy biby dia. Tamin’ny vanim-potoana nantsoina hoe “Moyen Age”, dia nisy mpino be herim-po maty ampahibemaso, nodorana teo ambonin’ny antontan-kitay noho ny fandavany ny hamoy ny finoany. Nandritra ny ady lehibe farany dia naleon’ny kristiana sasany nijaly sy maty tany amin’ireo toby fitanana toy izay tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Hery matanjaka tokoa re ny tahotra an’Andriamanitra! Tsy misy isalasalana fa raha nanatanjaka ny kristiana izay naharesy ny tahotra olona izany tao anatin’ireny tarehin-javatra sarotra ireny, dia hampiorina mafy antsika koa izany na inona na inona toe-javatra mitranga.

      Amin’izao androntsika izao, dia manao izay rehetra azony atao Satana Devoly mba hanosika antsika hanao izay tsy sitrak’Andriamanitra. Ny fahatapahan-kevitry ny kristiana marina àry dia tokony ho izay nolazain’i Paoly tamin’ireto teny ireto: “Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.” (Hebreo 10:39). Azo atao tokoa ny manovo hery ao amin’ny fahatahorana an’i Jehovah. Enga anie isika noho izy io ‘ho sahy hanao hoe (...): Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko?’ — Hebreo 13:6.

      [Sary, pejy 7]

      Ny tahotra an’Andriamanitra dia nanome hery an’i Paoly mba hiaritra ny zava-drehetra, anisan’izany ny kapoka, ny fanaovana an-tranomaizina ary na dia ny fahavakian-tsambo aza. — 2 Korintiana 11:23-27.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara