Ny fahafinaretana avy amin’ny mozika — Ahoana no hanandramana izany?
IZAO TONTOLO IZAO fahiny dia sehatry ny fanao tena maloto ara-pitondran-tena sy feno fanompoan-tsampy. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hihevitra fa ilaina ny hanoroana hevitra ireo kristiana amin’ny fomba hentitra. Nanoratra ho an’ny kongregasiona tany Efesosy izy nanao hoe: “Koa izao no lazaiko sady ambarako amin’ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy; fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ao anatiny, noho ny hamafin’ny fony.” — Efesiana 4:17, 18.
Moa ve izany tsy filazalazana tsara ny amin’ny toe-javatra manjaka ankehitriny koa? Eny tokoa, ary tafiditra amin’izany ny lafin’ny mozika. Maneho taratry ny fomba fiainan’ireo izay tonga ‘olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra’ ny ankamaroan’ny mozika sy ny hira amin’izao andro izao. Mampiseho matetika ny ‘hamafin’ny fo’ tsy misy hatsaram-po sy fiantrana ny tonony.
Lasa lavitra kokoa anefa i Paoly tamin’ny filazana hoe: “Dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana.” — Efesiana 4:19.
Hita indray ao amin’ny hira araka ny toetr’andro maro io ‘fanaovana izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana’ io. Ny feony sy ny tonony dia mandoka ny filana ambany izay ananan’ny taranaka iray milentika ao anatin’ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny herisetra, ny zavatra mahadomelina sy ny fahafinaretana. Ahoana no tokony hiheveran’ny kristiana ireo fahazaran-dratsy ireo? Aoka homarihintsika ireto tenin’i Paoly ireto: “Fa hianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy.” — Efesiana 4:20, 21.
“Fiovana ara-panahy” tsy maintsy atao
Ahoana no hahafahantsika manaraka an’io fananarana io eo amin’ny fihetsitsika manoloana ny mozika izay mampiseho taratry ny toe-tsain’izao tontolo izao? Amin’io lafiny io, raha manana ny “sain’i Kristy” isika, izany hoe ny fomba fisainany, dia handa tsy hihaino mozika “araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ny demonia”. — 1 Korintiana 2:16; Jakoba 3:15.
Nefa, angamba ianao hanontany hoe: ‘Ahoana no hahafahako manova ny fitiavako manokana eo amin’ny lafin’ny mozika?’ Mbola milaza amintsika ny valiny indray i Paoly. Nilaza izy hoe: “Mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka; fa mba hohavaozina kosa hianareo amin’ny fanahin’ny sainareo [amin’ny fiovana ara-panahy, Jerosalema].” — Efesiana 4:22, 23.
Izao no tsiambaratelony: fanavaozana ny saina amin’ny alalan’ny fiovana ara-panahy. Tsy mahakasika fotsiny izay tiantsika manokana eo amin’ny lafiny mozika akory izany fiovana izany. Mitaky fampiofanana vaovao izany, fanomezana vidiny lehibe kokoa an’ireo fotopoto-pitsipika ananantsika, fanovana ny fomba fisainantsika sy izay heverintsika ho sarobidy indrindra. Mahatonga antsika hijery ny zavatra toy izay ahitan’Andriamanitra sy Kristy azy io fiovana io. Izany no nasehon’i Paoly mazava tsara tamin’ireto teny ireto: “Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany. — 1 Korintiana 10:31.
Tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny mozika sy ny hira ankehitriny. Mifanohitra amin’izany, fa manevateva ireo zava-tsarobidy izay arovan’ny kristiana sy naneken’ny maro taminy ho faty tany an-tranomaizina na tany amin’ny toby fitanana izany. Raha tokony hanova ny fitiavantsika manokana momba ny mozika àry isika, mba tsy ‘hitiavana izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao’, moa ve isika tokony hihevitra fa izany dia sorona lehibe loatra? — 1 Jaona 2:15-17.
Ny toetra mampiavaka ny mozika tsara
Raha noho ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly no andavantsika ny mozika mampietry, inona no hanoloantsika izany? Nahoana moa raha mitodika any amin’ny karazana mozika hafa? Mety hahafinaritra sy hampandroso lavitra angamba izany noho ireo nankafizintsika taloha. Izao ohatra no nambaran’ny mpahay mozika “rock” taloha mikasika ny fiovana nataony:
“Sarotra tamiko ny niala tamin’ny fanenon’ny mozika “rock” izay tsotra, ho amin’ny mozika tiam-bahoaka azo ekena sy ho amin’ny mozika klasika, izay nasiana fanamboarana kokoa. Rehefa tsapako anefa fa sarobidy kokoa ireo, ary tsy afaka hanaiky intsony ny toe-tsaina mazàna ahariharin’ny mozika araka ny toetr’andro ny tenako, dia hitako fa mora sady nahafa-po ahy kokoa ny fiovana. Tsapako tampoka teo fa mahasoa ireny karazana mozika ireny. Takatro hoe inona no soa tsy noraisiko hatramin’izay noho ny fandraisako an-tendrony ireny mozika karazany hafa ireny.”
Hira maro amin’ny mozika klasika sy vakodrazana ary hira araka ny toetr’andro sasany no manana feony mahafinaritra sy tonony madio ary tsy milaza filôzôfia mifanohitra amin’ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Ny ilaina dia ny hahitana sy hankafizana mozika tsy manana hery ratsy eo amin’ny saintsika, mozika izay mampahatsiaro zavatra ‘mahitsy, madio, mahate-ho-tia, misy hatsaram-panahy sy dera’. — Filipiana 4:8.
Ny toeran’ny mozika eo amin’ny fiainan’ny kristiana
Manandrana fahafinaretana avy amin’ny mozika tsara ny sasany, amin’ny fihirana na amin’ny fianarana mitendry zava-maneno. Ahitana fahafinaretana betsaka ny fitendrena zava-maneno irery na miaraka amin’ny mpikambana amin’ny fianakavian’ny tena sy ny namana. Nefa, toy ny amin’ny zava-drehetra, dia ilaina ny fandanjalanjana. Tsy tokony haka toerana tafahoatra eo amin’ny fiainan’ny kristiana ny fialam-boly na fanalana andro. Raha mitranga izany, na dia ny mozika mahasoa aza dia hanana vokany ratsy. Mety ho ‘tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra’ àry ilay kristiana amin’izay. — 2 Timoty 3:4.
Anisan’ny tapany tsy misaraka amin’ny fanompoam-pivavahana ataontsika amin’i Jehovah koa ny mozika. Teo amin’ny Isiraely fahiny, Asafa sy ny rahalahiny dia nanambara tao amin’ny hira iray hoe: “Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany; ampahafantaro ny firenena ny asany. Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; saintsaino ny fahagagana rehetra nataony.” Eny, mety hidera an’Andriamanitra sy hahafaly azy ny mozika. — 1 Tantara 16:8, 9.
Miorina amin’ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly sy salamo, vavaka ary fampianarana avy ao amin’ny Baiboly ireo fihiranan’ny Fanjakana izay hirain’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Efitrano Fanjakanany. Moa ve tsy ankasitrahantsika betsaka koa io mozika masina io? Ary moa ve tsy tokony hasehontsika ny fifaliantsika amin’ny fihirana amim-pihetseham-po sy firehetana ireo fihirana ireo? Nahoana moa raha miala voly amin’ny fihainoana ny “Mélodies du Royaume” izay fanamboarana mahafinaritra an’ireo fihirana ireo, na dia amin’ny toe-javatra hafa ankoatra ireo fivoriana aza?
Vavolombelon’i Jehovah daholo no mahaforona ny rodoben-javamaneno amin’ireny fanamboarana atao amin’ny mozika ireny. Ny sasany dia za-draharaha satria mpitendry zavamaneno ao amin’ny ôrkesitra mpanao rodobe. Ny hafa kosa, toa an’ilay mpahay mozika “rock” taloha voalaza etsy ambony, dia tanora manan-talenta izay tia karazana mozika mendrika maro. Tsy mahatsiaro fatiantoka izy ireo rehefa nanda mozika mampiseho taratry ny toe-tsain’ny etỳ an-tany, avy amin’ny demonia. Asehon’ny ohatra tsara navelan’izy ireo fa, raha avelantsika hamaritra ny safidintsika amin’io lafiny io ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, dia mety hitondra fifaliana lalina sy mahasoa antsika koa ny mozika, na tsy ara-pivavahana izany na mozika masina. — Efesiana 5:18-20.
[Efajoro, pejy 28]
“Tsy manaitra afa-tsy ny filàna eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy amin’ny fomba baribariana ny mozika “rock”, — tsy ny fitiavana, ny “eros” akory, fa filàna eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy ambany sady tsy voafefy. (...) Fantatry ny tanora fa mitovy paika amin’ny fizotran’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ny “rock”.” — Ny fikatonan’ny saina amerikana (anglisy), nosoratan’i Allan Bloom.