Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amin’ny fanolorana famandrihana amim-pahasahiana
1 Tsy azo iadian-kevitra fa Ny Tilikambo Fiambenana no gazety fianarana Baiboly tsara indrindra maneran-tany! Miaiky toy izany ve ianao? Raha eny, moa ve tsy tokony homentsika ny olona rehetra ny fahafahana hanao famandrihana amin’izany?
2 Inona no tombontsoa manokana entin’ny famakiana Ny Tilikambo Fiambenana ho anao? Tokony samy ho afaka hitantara lafin-javatra mahasoa azy ao amin’io gazety io ny tsirairay avy amintsika. Ny sasany hilaza fa io gazety io indrindra no mahatonga antsika hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny vanim-potoana iainantsika; mampianatra antsika ny tena dikan’ireo “famantarana ny andro” izay manahirana ny olombelona amin’izao androntsika izao izy io (Matio 16:3). Ny hafa indray hilaza ny tenany ho nohatanjahin’ny vaovao tsara manambara fa tsy ho ela dia handringana ireo izay mampijaly ny mpiara-belona aminy ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany no hevitra asongadin’ny Ny Tilikambo Fiambenana hatramin’ny nivoahany, efa maherin’ny 110 taona izao. Tsy isalasalana mihitsy fa miaiky avokoa isika rehetra fa io gazety momba ny Baiboly miavaka io dia manampy antsika hampitombo ny finoantsika ny avotra, izay noho ny aminy no ahafahan’ny olombelona tsy tanteraka mahazo ny fiainana mandrakizay. Maro be no mbola mila mianatra izany fahamarinana izany.
AOKA ISIKA HAFANA FO
3 Ny fahendren’Andriamanitra no asongadin’ny Ny Tilikambo Fiambenana fa tsy ny fiheveran’olombelona (Isaia 55:8, 9). Ilain’ireo mpiara-belona amintsika aoka izany io fahendrena io. Mahatonga hanana fiainana tsaratsara kokoa sy hampitombo antony manosika tsara, izay ilaina mba ‘hahavelona’ izy io. (Ohab. 9:1-6.) Noho isika nahazo antoka avy amin’io finoana io, dia hanolotra ny famandrihana amin-kafanam-po isika, amin’ny fahafantarana fa manana izay ilain’ny hafa. Aoka isika hamaky amim-pitandremana ny nomerao tsirairay avy mba hahitana hevitra mety hahasoa ny olona. Ny fiomanana toy izany no hanampy antsika hafana fo rehefa mampiseho ireo gazety amin’ny fanompoana.
4 Misalasala ny sasany indraindray hanolotra famandrihana. Mampidi-dresaka izy, mamelabelatra ny foto-dresaka, ary mampiseho gazety roa amin’ny fandraisana anjara 300 Fmg avy eo fa tsy manolotra famandrihana. Nahoana? Noho ny sarany ve? Raha eny, dia tsy mijery ny zava-misy ny fomba fiheviny. Tsy vitan’ny hoe ambany ny saran’ny famandrihana ireo gazetintsika raha ampitahaina amin’ny an’ny famandrihana amin’ireo revio hafa, fa tena faran’izay kely izany raha oharina amin’izay rehetra entiny ho an’ny mpamaky. Aoka àry isika hafana fo ka hanolotra ny famandrihana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny sarany 14 650 Fmg monja, na Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous! miaraka amin’ny sarany 29 300 Fmg.
5 Misy mpitory iray tapa-kevitra ny hampanao famandrihana, nametra ho zava-kendrena ny hahazo 50 amin’izany ao anatin’ny roa volana. Nahazo 31 tamin’izany izy tamin’ny volana voalohany, ary 50 ny fitambarany nandritra ny roa volana. Nilaza izy fa rehefa naniry hanao famandrihana ny olona iray, nefa tsy nanam-bola dia niverina nitsidika azy intelo na inefatra izy talohan’ny hahangonany ilay vola (yb89, pp. 60, 61; jereo koa ny Annuaire 1990, pejy 47-49). Tany Japon, izay 29 300 Fmg eo ho eo ny saran’ny famandrihana herintaona, dia nahazo famandrihana maherin’ny 71 600 ny Vavolombelona tamin’ny oktobra, ka izany dia nahaforona tampon’isa vaovao sy fitomboana 57% oharina amin’ny tamin’ny oktobra tamin’ny taon-dasa.
AOKA ISIKA HAHARITRA AMIM-PAHASAHIANA
6 Manana ny fahafahana rehetra haneho fahasahiana isika eo amin’ny fanompoantsika, satria manohana antsika i Jehovah (Asa. 14:3). Ny Tilikambo Fiambenana no anankiray amin’ireo fitaovana lehibe indrindra ampiasainy mba hampielezana ny vaovao tsara amin’izao androntsika izao. Raha mahapetraka famandrihana isika ka mampirisika ireo nahazo izany hamaky ireo gazety, dia angamba hamonjy aina ny fiezahantsika amim-pahazotoana. Aoka àry isika hanolotra famandrihana amin-kafanam-po sy amim-pahasahiana, amin’ny olom-pantatsika rehetra sy ireo olona hitantsika eny am-pitoriana.