Aoka isika hanome voninahitra an’i Jesosy Kristy, ilay fototra iorenan’ny finoantsika
1 Zava-dehibe ny hahatakarana ny anjara asan’i Jesosy Kristy eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah. Nanome ny ainy i Jesosy ho avotra ho an’ireo olombelona mpankato (Matio 20:28). Raha tsy nisy ireo fandaharana noraisin’Andriamanitra tamim-pitiavana tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, dia ho meloka ho faty hatrany isika ary tsy ho nanana fanantenana momba ny hoavy mihitsy.
2 Ny fotoan’ny Fahatsiarovana dia mitarika antsika manokana hieritreritra ny amin’ny fiainan’i Jesosy sy ny fampianarany ary ny sorona nataony (Lioka 22:19). Noho ny fahatakarana fa “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy”, dia voatosika isika hanome voninahitra an’Andriamanitra sy Kristy, amin’ny fampahafantarana ny vaovao tsara amin-kafanam-po. Ahoana no hanaovantsika izany?—Romana 5:8, 10.
AOKA ISIKA HANEHO NY FANKASITRAHANTSIKA
3 Ekentsika fa miasa eo ambany fitarihan’i Jesosy ny fandaminan’i Jehovah hita maso. Ety an-tany, dia manome antsika ny sakafo ara-panahy ilaintsika ny kilasin’ny mpanompo mahatoky. Hatramin’ny fahatanorany i Jesosy no efa nampiseho fankasitrahana lalina ny Tenin’ny Rainy; isika kosa dia maniry hanaraka ny ohatra nomeny amin’ny fianarana sy amin’ny fihinanana ny sakafo ara-panahy raisintsika, noho ny fikendrena ny hampianatra ny hafa amim-pahombiazana (Matio 24:45, 46; Lioka 2:46-50). Mampiseho ny fankasitrahantsika ny fandaminana sy ireo soa ara-panahy omeny antsika raha manaraka ireo toromarika omeny sy miara-miasa amin’ireo loholona.
4 Afaka manome voninahitra an’i Kristy sy manandratra ny fanompoantsika koa isika amin’ny fampiharana izay ianarantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Niseho ho toy ny Mpisoronabe tsy manan-tsiny, “voasaraka amin’ny mpanota” i Jesosy. (Heb. 7:26.) Tsy nisy afaka nanakiana azy ho nanao zavatra nifanohitra tamin’izay nolazainy. Koa satria isika mpanompony, dia tokony hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika ambony narahiny. Koa isika izay miresaka amin’ny hafa ny amin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina nampanantenain’i Jehovah, dia ho tiantsika dieny izao ny hanana fiainana, izay ahafantarana antsika ho ireo izay hahita izao tontolo izao vaovao.—Matio 7:21; 1 Jaona 2:17.
AOKA ISIKA HITORY EO AMBANY FITARIHAN’I KRISTY
5 Hanolotra ny famandrihana Ny Tilikambo Fiambenana isika amin’ny aprily sy may. Afaka manome voninahitra an’i Jesosy isika amin’ny fampisehoana amin’ireo mpamaky fa ny zava-kendren’ny Ny Tilikambo Fiambenana, aseho ao amin’ny pejy faha-2 isaky ny nomerao, dia ny hampirisihana ireo mpamaky azy mba “hino an’ilay mpanjaka efa nandray fiandrianana, dia Jesosy Kristy, ilay, tamin’ny nandatsahany ny rany, dia namoha ho an’ny olombelona ny lalan’ny fiainana mandrakizay”. Manolora famandrihana avy hatrany isaky ny azo atao izany. Raha toa ka lavina izany famandrihana izany, dia mampisehoa gazety roa sy bokikely iray, mba hamafazana voan’ny fahamarinana vitsivitsy, na dia eo aza izany rehetra izany.
6 Olona maro be tokoa, izay tsy mbola Vavolombelona no mampiseho fanajana an’i Jesosy amin’ny fanatrehana ny Fahatsiarovana. Tsy ho azontsika atao ve ny hanampy azy ireny handroso amin’ny lafiny ara-panahy amin’ny fianarana Baiboly miaraka aminy? ho tsara ny hahazoana antoka ny amin’ny hisian’ny olona iray hitsidika azy sy hanolotra ho azy izay fanampiana ilainy. Raha ampiana amim-pitiavana izy ireny dia angamba handroso ny sasany ka efa handray anjara amin’ny fanompoana alohan’ny fankalazana ny Sakafo harivan’ny Tompo manaraka.
7 Tena velom-pankasitrahana tokoa isika noho ny sorona natolotr’i Jesosy, ilay Mpanavotra antsika, tamim-pitiavana! Nanome antsika fanantenana azo antoka izy. Mahaforona ohatra tanteraka harahintsika ny fomba fiainany sy ny tantaran’ny fanompoany.