FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/10 p. 4-7
  • Abrahama — Mpaminany sady sakaizan’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Abrahama — Mpaminany sady sakaizan’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny hevitry ny mpitondra fivavahana
  • Oran’ny Kaldeana
  • Ny fanafihana an’i Kedorlaomera
  • Ny fanambarana azo antoka indrindra
  • Abrahama: Sakaizan’Andriamanitra
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Iza moa i Abrahama?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Nantsoin’i Jehovah hoe ‘Namany’ Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Nankatò An’Andriamanitra i Abrahama sy Saraha
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/10 p. 4-7

Abrahama — Mpaminany sady sakaizan’Andriamanitra

NITA an’i Eofrata ny tafika mitambatry ny mpanjaka efatra tany Atsinanana. Nanaraka ny arabem-panjakana izy ireo, tany atsinanan’ny lohasahan’i Jordana. Teny am-pandalovana izy ireo dia nandresy ny Refaima, ny Zozima, ny Emima sy ny Horita. Avy eo, dia niverina izy ireo ka nanao fahirano ny atsimon’i Negeba manontolo.

Inona no zava-nokendrena tamin’io fanafihan’ny tafika io? Ny nalaina ho babo, ny Distrikan’i Jordana, dia lohasaha teo anelanelan’ny faritra notafihina tao Transjordania sy Negeba (Genesisy 13:10). Tao, ny mponin’ny Tanàna Fanjakana dimy, Sodoma, Gomora, Adma, Zeboima sy Bela, dia nanana fiainana tsy nisy fanahiana sy niroborobo (Ezekiela 16:49, 50). Rehefa resin’ilay toa nibaiko ireo tafika nitambatra, dia Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, izy ireo dia nikomy. Rehefa tsy nahazo ny fanohanan’ireo manodidina azy izy ireo izao, dia tsy maintsy hampamoahiny. Nandresy tamin’ny ady nanaraka izany i Kedorlaomera sy ireo mpiandany taminy ary niverina nody nivesatra zavatra azo babo be dia be.

Anisan’ireo babo ny lehilahy marina iray natao hoe Lota. Zana-drahalahin’i Abrahama, izay nipetraka tsy lavitra teo, tao amin’ny faritra be tendrombohitr’i Hebrona, izy io. Raha vao nandre ny vaovao ratsy i Abrahama, dia namory 318 tamin’ireo namany. Tamin-kerim-po, nampian’ny olona vitsivitsy teny amin’ny manodidina, dia nimaona nanenjika ireo mpanjaka efatra izy ary nahatratra ny tafiny tamin’ny alina. Nandositra ireo mpanafika. Afaka Lota sy ny ankohonany mbamin’ny babo hafa, ary azo indray ireo fananana.

Moa ve isika manana antony tokony hinoana io fitantarana voasoratra ao amin’ny toko faha-14 amin’ny Genesisy io? Notefitefena fotsiny ve io tantara io mba hanaovana ilay razamben’ny firenena maro, anisan’izany ny Jiosy, ho olo-malazam-pirenena? Inona no holazaina ny amin’ny fisehoan-javatra hafa izay nanamarika ny fiainan’i Abrahama?

Ny hevitry ny mpitondra fivavahana

Teo am-piandohan’ny taonjato faha-19, ilay teolojiana loteriana atao hoe Peter von Bohlen dia nanambara fa olon’ny angano i Abrahama ary tsy nisy fototra ara-tantara mihitsy ny fitantarana ny fanafihana nataon’i Kedorlaomera. Tetsy an-daniny koa, dia nanoratra toy izao ilay profesora atao hoe Julius Wellhausen: “Tsy manana fanazavana ara-tantara momba ireo patriarka mihitsy izahay.” Namoaka izao hevitra izao izy: “Ho tsara kokoa angamba ny hiheverana [an’i Abrahama] ho vokatry ny fahaiza-manao sary an-tsaina.”

Nanaraka ny dian’ireo rahalahiny alemana ny teolojiana anglisy. “Lany andro ireo angano lehibe ao amin’ny Genesisy natokana ho an’ireo patriarka ary tsy ara-tantara toy ny anganon’i (...) Arthur mpanjaka”, hoy ny nosoratan’i Stopford Brooke ao amin’ny bokiny Ny Testamenta Taloha sy ny fiainana ankehitriny (anglisy). “Tsy manome antsika afa-tsy fahitana tsy feno sy novana ny amin’ny fiainana sy ny maha-izy ireo patriarka (...) ny Genesisy”, hoy ny nambaran’i John Colenso, eveka anglikana ao Natal, zanatany britanika taloha. “Tsy azo atao, hoy ny teny nanampiny, ny hino an-jamba ny anankiray amin’ireny fitantarana ireny.”

Niitatra toy ny fery mihady izany karazam-panakianana izany (2 Timoty 2:17). Amin’izao androntsika izao, dia mpiangona an-tapitrisany maro no tsy mihevitra ho zava-dehibe intsony ny fitantarana ny fiainan’ireo patriarka. Henatra lehibe ho an’ireo teolojiana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana anefa, fa misy tsy mpino ny fisian’Andriamanitra izao manamafy fa lasa lavitra loatra ny fanakianana ny Baiboly. Ohatra, izao no vakina ao amin’ny Bol’shaia Sovetskaia Entsiklopediia (Firaketana sovietika lehibe): “Nodinihina indray tato ho ato ny foto-kevitra maro momba ny fanakianana ny Baiboly, araka ny fahazavan’ny fahitan-javatra vaovao, indrindra fa avy amin’ny fanazavana nomen’ny ‘arkeolojia momba ny Baiboly’. Ny lovantsofina araka ny Baiboly sasany izay noheverina ho angano (...) dia toa misy fototra ara-tantara.” Aoka hojerentsika ny fomba nanazavan’ny arkeolojia ny fitantarana ny fiainan’i Abrahama.

Oran’ny Kaldeana

Araka ny filazan’ny Baiboly, dia tany “Oran’ny Kaldeana” no nahabe an’i Abrahama. (Genesisy 11:27-31; 15:7.) Nandritra ny taonjato maro, dia tsy fantatra hatrany ny toerana nisy an’i Ora. Nieritreritra ireo mpanakiana fa tsy maintsy ho toerana tsy dia nanao ahoana sy lavitra izany raha nisy aza. Sakodiavatra anefa izy ireo rehefa fantatra tsy nety hisy fisalasalana mihitsy ho ny an’i Ora ireo sisan-javatra rava teo anelanelan’i Babylona sy ny hoala Persika. Takelaka tanimanga an’arivony maro nofongarina tao amin’io toerana io no nampiharihary fa Ora dia fihaonan-dalam-barotra be mponina samy hafa fiaviana. Tamin’ny andron’i Abrahama, ilay tanàna aza dia nanana sekoly nampianarana ny ankizy nanoratra sy nanisa.

Afa-tsy izany koa, dia nisy fikarohana natao tany Ora nampiharihary fa ireo mpanao maritranony dia efa nahafantatra ny andry, andohalambo, tatao ary tafo boribory. Ireo mpanao asa tanana tany Ora dia nanamboatra firavaka kanto, harpa voakaly tsara sy sabatra nanana lela volamena tsara. Tao amin’ny trano maro, ireo arkeology dia nahita lakan-drano vita tamin’ny tanimanga masaka tany amin’ny lavaka lehibe hatramin’ny 12 metatra ny halaliny.

Ireny fahitan-javatra ireny dia nitarika mpivaofy teny maro hihevitra an’i Abrahama tamin’ny fomba vaovao. “Noheverinay fa Abrahama dia lehilahy nonina an-day fotsiny, ary tsikaritray fa angamba izy nonina tao amin’ny trano biriky ampy fitaovana tsara tao amin’ny tanàna iray”, hoy ny nosoratan’i Sir Leonard Woolley tao amin’ny bokiny hoe Famongarana ny taloha (anglisy). “Abrahama, hoy ilay arkeology atao hoe Alan Millard tao amin’ny bokiny hoe Harenan’ny andron’ny Baiboly (anglisy), dia nandao tanàna ampy fitaovana tsara, nisy zavatra nampiadana sy tsy nampanana ahiahy, mba hahatongavana ho mpifindrafindra monina nohamavoina!”

Ny fanafihana an’i Kedorlaomera

Inona no holazaina ny amin’ny nandresen’i Abrahama an’i Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama? Teo am-piandohan’ny taonjato faha-19, dia kely monja ny zavatra fantatra momba ny Elamita. Tsy nety nino ireo mpanakiana ny Baiboly fa hoe nanan-kery tao Babylonia, indrindra ka hoe tany Palestina, i Elama. Amin’ny endriny hafa anefa izao no ahitana ny Elamita. Ahariharin’ny arkeolojia fa fanjakana mpiady mahery izy ireo. Milaza toy izao momba izany ny boky fakan-kevitra iray (Funk & Wagnalls Standard Reference Encyclopedia): “Nandrava ny tanànan’i Ora ny Elamita tany amin’ny 1950 alohan’ny fanisan-taona iraisana. (...) Taorian’izany izy ireo dia nanan-kery lehibe teo amin’ireo filohan’i Babylonia.”

Afa-tsy izany koa, dia hita teo amin’ny soratra tranainy ny anarana mpanjaka elamita. Ny sasany manomboka amin’ny teny hoe “Kudur”, izay mampahatsiahy ny hoe “Kedoro”. Ny andriamani-bavy elamita nalaza iray dia nantsoina hoe Lagamara, anarana mitovy amin’ny hoe “laomera”. Misy mpanoratra tantara mihevitra àry izao fa filoha tena nisy tokoa Kedorlaomera, ka ny dikan’ny anarany angamba dia hoe “mpanompon’i Lagamara”. Soratra babyloniana maromaro no mitondra anarana mitovitovy amin’ny an’ireo mpanjaka nitambatra: Tudhula (Tidala), Eri-aku (Arioka) sy Kudur-lahmil (Kedorlaomera) (Genesisy 14:1). Ao amin’ilay boky hoe Tsiambaratelon’ny fanambaran’Andriamanitra (anglisy), dia izao no nanampin’i A. Custance: “Afa-tsy ireo anarana ireo, dia misy andinindininy toa mifandray amin’ireo fisehoan-javatra nitranga tany Babylonia fony nanorina ny fanapahany tao ny Elamita (...). Manamarina tsara tokoa ny Soratra masina ireo takelaka ireo, hany ka nanao avy hatrany izay rehetra azony natao ireo mpanohana ny fanakianana ambony mba hiniavana hanaisotra aminy ny maha-zava-dehibe azy rehetra.”

Ary ny fanafihan’ireo mpanjaka efatra? Manamafy izany ve ireo zavatra fantatra noho ny arkeolojia avy any Transjordania sy Negeba? Eny. Tao amin’ny bokiny hoe Ny arkeolojia any Isiraely (anglisy), ilay profesora atao hoe Yohanan Aharoni dia miresaka ny amin’ny fanjavonan’ny haifomba talohan’ny an’ny Isiraely izay nisy fitambara-mponina “maro” tany Transjordania sy Negeba “tany amin’ny taona 2000 alohan’ny fanisan-taona iraisana”. Ny arkeology hafa dia manondro ny nahafoanany tany amin’ny 1900 alohan’ny fanisan-taona iraisana tany. “Ireo zavatra vita tamin’ny tanimanga tamin’izay vanim-potoana izay ka nofongarina tao Negeba sy Transjordania dia mitovy ary manaporofo fiafaran’ny haifomba tampoka sy mampangitakitaka”, hoy i Harold Stigers ao amin’ny Famoaboasan-kevitra momba ny Genesisy (anglisy) nataony: “Ny fanontaniana mbola tsy voavaly dia ny hahafantarana hoe nankaiza ireny olona ireny, tena lasa any ho any tokoa ve izy ireny, teo amin’ny faran’io vanim-potoana io.”

Manome fanazavana angamba ny toko faha-14 amin’ny Genesisy. Araka ny fandaharan-taonan’ny Baiboly, dia tonga tao Kanana i Abrahama tamin’ny 1943 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Tsy maintsy nitranga taoriana kelin’izay ny fandrobana notarihin’i Kedorlaomera. Tatỳ aoriana kokoa, tao anatin’io taonjato io ihany, dia noravan’Andriamanitra tamin’ny afo ny tanàna ratsy fitondrantenan’i Sodoma sy Gomora, ka izany dia nanova tanteraka ny toetoetry ny tany lemak’i Jordana lonaka fahiny (Genesisy 13:10-13; 19:24, 25). Tsy nitsiriritra azy intsony ny mpanafika avy any an-tany hafa.

Ho azo atao koa ny manonona ohatra maro hafa mampiseho fa manamafy ny Soratra masina ny arkeolojia amin’ny fanazavana fisehoan-javatra sasany teo amin’ny fiainan’i Abrahama. Misy fetrany anefa ny arkeolojia. Matetika ny famantarana omeny no tsy mivantana ary olona tsy tanteraka no milaza ny heviny.

Ny fanambarana azo antoka indrindra

Ny fanambaran’ny mpamorona ny olombelona, dia Jehovah Andriamanitra, no porofo mafy orina indrindra fa tena nisy tokoa Abrahama. Ao amin’ny Salamo 105:9-15, Andriamanitra dia miresaka an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ho ‘mpaminaniny’. Arivo taona mahery tatỳ aorian’ny nahafatesan’i Abrahama, Jehovah Andriamanitra dia nanisy fitenenana ny amin’io patriarka io tamin’ny alalan’ny mpaminany telo fara fahakeliny, ka niantso azy hoe ‘sakaizany’ aza. (Isaia 41:8; 51:2; Jeremia 33:26; Ezekiela 33:24.) Toy izany koa, Jesosy Kristy dia nanonona an’i Abrahama ho ohatra. Nandritra ny nahavelomany talohan’ny naha-olombelona azy tany an-danitra, ny tenan’ilay Zanak’Andriamanitra dia vavolombelon’ny fifandraisana notanan’ny rainy tamin’ilay patriarka. Afaka nilaza tamin’ny Jiosy toy izao àry izy:

“Raha zanak’i Abrahama hianareo, dia ny asan’i Abrahama no hataonareo. Fa ankehitriny hianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin’Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama. Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an’i Abrahama va? Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.” — Jaona 8:39, 40, 56-58.

Ny fanambaran’ny Olona roa malaza indrindra eo amin’izao rehetra izao dia manome antsika ny antony tsara indrindra tokony hanekena izay rehetra lazain’ny Baiboly momba an’i Abrahama (Jaona 17:5, 17). Na dia manonona an’i Abrahama ho ohatra aza ny Baiboly, dia tsy manandratra azy tsy amin’ny antony ho eo amin’ny laharan’ny olo-malazam-pirenena. Izany no miharihary amin’ny fitantarana ny fandreseny ireo mpanjaka efatra nitambatra. Rehefa niverina avy any an’ady Abrahama, dia niarahaba azy Melkizedeka, mpanjakan’i Salema, ka nilaza taminy hoe: “Isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tànanao!” Jehovah no noderainy noho izany fanafahana izany. — Genesisy 14:18-20.

Isika kosa anefa dia hanatrika tsy ho ela fandresena hanakoako lavitra: izay ho azon’io Andriamanitra be voninahitra io ihany amin’ireo “mpanjaka amin’izao tontolo izao” amin’ny ady haneran-tany antsoina hoe Haramagedona (Apokalypsy 16:14, 16). Ho tanteraka amin’ny fomba feno amin’izay ity fampanantenana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama, mpaminaniny sady sakaizany, ity: “Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” Olona an-tapitrisany maro no efa misantatra sahady izany soa izany. Mety ho anisan’izy ireny koa ianao, araka ny hazavain’ny lahatsoratra ao amin’ny pejy faha-18 ka hatramin’ny faha-28 amin’ity gazety ity. — Genesisy 22:18.

[Sarintany/Sary, pejy 7]

(Jereo ny gazety)

Ranomasina Lehibe

NEGEBA

Damaskosy

Harana

Eofrata

Tigra

Ora

ELAMA

Hoala Persika

[Sarintany]

Damaskosy

Dana

REFAIMA

ZOZIMA

Sekema

Betela

Distrikan’i Jordana

Ranomasin-tsira

Hebrona

NEGEBA

Lala-mpanjaka

EMIMA

Gomora

Sodoma

HORITA

[Sary]

Nankatò i Abrahama tamin’ny fandaozana an’i Ora, tanàna niroborobo tokoa.

Ny sasantsasany amin’ireo zavatra hita tany Ora:

1. Lefompohy sy tranony volamena

2. Ny ‘fanevan’i’ Ora

3. Lohan’ombilahy volamena teo amin’ny vatana harpa

4. Firavaka

5. Satroka voaravaka vatosoa

[Sary nahazoan-dalana]

Sary: Nahazoan-dalana noho ny fahamoram-panahy avy amin’ny British Museum

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara