Valin’ireo fanontanianareo
*Nahoana isika no tokony haneho fiheverana manokana ny fomba fitafintsika sy ny taovolontsika rehefa mitsidika ny Betela na ny toeran’ny sampana hafa maneran-tany?
Antenaina ny hananan’ny kristiana fitafiana mendrika foana. Tokony hampiseho fahadiovam-pitondrantena sy fahamendrehana mifanentana amin’ny mpanompon’i Jehovah Andriamanitra foana ny fomba fitafintsika sy ny taovolontsika. Izany indrindra no izy rehefa mitsidika ny Betela sy ny toeran’ny sampana hafa maneran-tany isika. Ny boky Voalamina mba hanatanteraka tsara ny fanompoantsika, dia manoritra ny maha-zava-dehibe ny ho madio sy ny hananana fitafiana sy taovolo maotina rehefa mandray anjara amin’ny asa fitoriana sy rehefa manatrika ireo fivoriana kristiana isika. Ao amin’ny pejy faha-131 amin’io boky io, eo amin’ny fehintsoratra voalohany dia izao no azontsika vakina: “Toy izany koa rehefa mitsidika ny Betela isika, na any Brooklyn na any amin’ny tany hafa rehetra misy sampan’ny Fikambanana. Aza hadinoina fa ny dikan’ny teny hoe Betela dia ‘Tranon’Andriamanitra’. Antenaina àry fa raha ny amin’ny taovolo, ny fisehoana ivelany sy ny fitondrantena, ny fihetsika harahintsika dia ho sahala amin’ny rehefa manatrika ireo fivoriana ho amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Efitrano Fanjakana”.
Nanambara ny apostoly Paoly fa isika dia “fizàhan’izao rehetra izao, na anjely na olona”. (1 Kor. 4:9.) Noho izany, dia tokony hampihatra fitaomana tsara eo amin’ny fomba fihevitry ny hafa ny fivavahana marina amin’i Jehovah ny fomba fitafintsika sy ny taovolontsika. Kanefa, voamarika fa ny rahalahy sy anabavy sasany dia mirona hanana fomba fitafy tena tsy voakaly rehefa mitsidika ny sampan’ny Fikambanana izy ireo. Tsy mety ny fomba fihetsika toy izany. Amin’io lafiny io sy amin’ny endriny hafa rehetra amin’ny fiainantsika kristiana dia ho tiantsika ny hanaja ireo fari-pitondrantena ambony izay mampiavaka ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao tontolo izao, amin’ny fanaovana ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra (Rom. 12:2; 1 Kor. 10:31). Ho tsara koa ny hiresahana ny amin’io raharaha io amin’ireo olona izay mianatra ny Baiboly miaraka amintsika, sy ireo izay hitsidika ny Betela sy ny toeran’ny Fikambanana hafa rehetra, mba hampahatsiahivana azy ireo ny maha-zava-dehibe ny hananana fomba fitafy sy taovolo mendrika.
Araka izany, rehefa mitsidika ny toeran’ny Fikambanana ianao dia manontania tena hoe: ‘Maotina ve ny fomba fitafy sy taovoloko (Mika 6:8)? Manome taratra tsaran’ilay Andriamanitra izay tompoiko ve izany? Mety hisarika ny saina na hanafintohina ve ny fisehoako ivelany? Ohatra tsara ho an’izay vao voalohany no mitsidika ny Betela ve aho?’ Enga anie ho afaka “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamorona antsika, amin’ny zavatra rehetra” hatrany isika amin’ny fomba fitafy sy taovolontsika!—Titosy 2:10.