FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/1 p. 27-29
  • ‘Raha tsy Jehovah no manao ny trano . . .’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Raha tsy Jehovah no manao ny trano . . .’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fanaovana ny trano
  • Fanorenana fiainam-pianakaviana amim-pahombiazana
  • Fampiofanana azo ampiharina
  • Ataovy zava-kendrena ny firaisan’ny fianakaviana
  • Manorena Fianakaviana Matanjaka Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fiantsorohana ny Andraikitra Hikarakara Ankohonana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Manao Zavatra Miaraka ny Fianakaviana Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Fianakaviana Maro Anaka Tafaray ao Amin’ny Fanompoana An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/1 p. 27-29

‘Raha tsy Jehovah no manao ny trano . . .’

NA AIZA NA AIZA onenanao, dia misy toerana antsoinao hoe ‘any an-tranoko’. Samihafa dia samihafa ny bikan’ny trano rehetra sy ny fomba nanorenana azy. Misy ireo trano bongo natao tamin’ny feta sy bozaka, ireo trano bongo natao tamin’ny hazo, ireo trano rihibato izay voavoatra mialoha ny tapany rehetra aminy. Tian’ny sasany ny mitoetra ao amin’ny trano bozaka toy ny itiavan’ny hafa mipetraka ao amin’ny trano mafy kokoa. Nahoana no izany no izy?

Miankina be dia be amin’ireo olona iarahantsika ny fahatsiarovantsika tena ho sambatra sy miadana. (Ohabolana 18:24) Na dia eo aza ireo zavatra mamirapiratra sy manintona atolotr’izao tontolo izao, dia ny hody any amintsika no tadiavintsika avy hatrany mba hahitana fiadanana sy fampiononana. Kanefa, raha dinihina ireo tatitra momba ny fiainam-pianakaviana amin’izao fotoana izao, dia tsy mahazo antoka ny tena fa hahita fiadanana sy fampiononana foana any an-trano. Amin’ny lafiny lehibe, ireo miara-mipetraka amintsika — ny fianakaviantsika — dia afaka na hampiadana antsika na hanimba ny fiadanantsika. Inona àry no tsiambaratelon’ny fanorenana tokantrano sambatra sy miadana?

Ny fanaovana ny trano

“Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy”, hoy ny andininy voalohany ao amin’ny Salamo faha-127. Ireo izay mandray anjara amin’ny fanaovana trano ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, dia mahita fa marina izany. Na dia mampiasa maimaimpoana ny fotoanany sy ny heriny aza ny mpiasa mahay maro mba hananganana haingana Efitrano Fanjakana tsara tarehy, dia ny fitahian’i Jehovah no manome antoka ny fahavitan’izany tsara. Na dia ireo mpijery aza mazàna dia mahita fa misy zavatra tsy araka ny mahazatra mitranga eo. Ny gazety iray niresaka ny amin’ny fandaharam-panorenana toy izany tany Colchester, any Angletera, ohatra, dia nampiasa ny lohateny hoe: “Nanorina tamin’ny fomba manetriketrika i Jehovah.”

Misy asa fanorenana hafa koa anefa izay miankina amin’i Jehovah ihany koa ny fahombiazany. Diniho ireto tenin’i Solomona eo amin’ny andininy fahatelo ao amin’ny Salamo faha-127 ireto: “Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo.” Raha ny amin’ny fiainam-pianakaviana, dia i Jehovah no Mpanorina tonga lafatra indrindra, ary manana tombontsoa mahafinaritra ny ho mpiara-miasa aminy ireo ray aman-dreny.a (Hebreo 11:10) Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny kristiana manararaotra io fiaraha-miasa feno tombontsoa io, ka hanorina amim-pahombiazana fiainam-pianakaviana sambatra sy miadana, izay hanome voninahitra ny Mpanao azy, dia i Jehovah Andriamanitra?

Fanorenana fiainam-pianakaviana amim-pahombiazana

Ny zavatra tena ilaina iray mba hahombiazana amin’ny fanaovana trano dia ny fanaovana mari-trano na planina azo antoka iray. Mba hanorenana ankizy ho tonga mpidera an’i Jehovah, dia tsy misy planina tsara kokoa noho ny Baiboly, ny Teny nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16, 17) “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany”, hoy ny nosoratan’i Solomona. (Ohabolana 22:6) Ny “lalana tokony halehany” dia ny lalan’i Jehovah, ary rehefa manaraka izany ireo ray aman-dreny, dia manolotra ho an’ireo zanany ny fahatsinjovana ny ho tonga mpanompon’Andriamanitra mahatoky.

Mba hanaovana trano mafy iray dia ilaina ny mampiasa fitaovana azo antoka. Sarotra tamin’ny mpitsidika an’i Eoropa avy any Afrika iray ny nino fa efa an-jatony taona maro ny sasany tamin’ireo trano hitany tany. Zava-baovao taminy ny nahita fa fitaovana maharitra no nampiasaina mba hanaovana ireny trano ireny. Etsy an-daniny kosa anefa, rehefa mahihitra amin’ny fampiasana fitaovana ireo mpanao trano, dia hiharihary fa hitera-doza ny vokatra azo, eny, hahafaty olona mihitsy aza. Mety ho marina koa izany amin’ny fitaizana ankizy.

Raha vao torontoronina ny zaza dia mandova toetra avy amin’ny ray aman-dreniny izay voamariky ny tsy fahatanterahana azo avy tamin’ny ota. (Salamo 51:5) Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe misy tsiny izy ireo raha vao eo am-piandohany. Tsy maintsy manohitra izany ireo ray aman-dreny kristiana ary miezaka mba hanorina toetra maharitra araka an’Andriamanitra ao amin’ireo zanany. (1 Korintiana 3:10-15) Raha tsy manao izany ireo ray aman-dreny, na miasa mafy toy inona aza izy amin’ny lafiny hafa, toy ny fanomezana ny sakafo, ny fitafiana sy ny fonenana tsara indrindra ho an’ireo zanany, dia ho foana ny ezaka ataony amin’ny fanorenana fianakaviana.

Izany no antony nanomezan’Andriamanitra izao fananarana izao ho an’ireo ray aman-dreny, indrindra fa ireo raim-pianakaviana: “Tezao [hatrany, MN ] amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah, MN ] izy [ny zanakareo].” (Efesiana 6:4) Ny planina tsara indrindra sy ny fitaovana tsara indrindra no tafiditra amin’izany famaizana sy fananarana avy amin’i Jehovah izany. Ny fampiharana azy dia hitondra soa mandrakizay ho an’ny fianakaviana manontolo.

Fampiofanana azo ampiharina

Na dia eo aza ireo planina tsara indrindra, dia tsy maintsy misy zavatra manahirana mitranga eo am-panaovana ilay trano. Toy izany koa, ireo ray aman-dreny dia tsy maintsy mianatra ny hanampo fa hisy zava-manahirana tampoka hipoitra eo amin’ny fiainana andavanandron’ireo mpianakaviny ary ho vonona ny hiatrika izany. Amin’ny fomba ahoana no ahafahany manao izany?

Zava-dehibe ny hisian’ny fifandraisana tsara eo amin’ireo ray aman-dreny. Rehefa miara-midinika amim-bavaka ny fandrosoana nataon’ireo zanany izy ireo, dia hahita fa hisy faritra sasany tokony hiderana azy, ary faritra hafa izay ilàna “fanorenana” betsaka kokoa. Raha vao fantatra ireo fahalemena ireo, dia afaka miara-miasa ireo ray aman-dreny ary hanao dingana mety mba hanamboarana azy.

Mety ho lehibe anefa ny fianakavianareo, ary mety hanontany tena ianareo hoe: ‘Ahoana no ahafahanay mampifanaraka ny fiezahanay amin’izay ilain’ireo ankizy tsirairay avy?’ Nahoana àry raha omena fampiofanana azo ampiharina izy ireo mba hahafahany mifanampy? Ireo olona vao mianatra asa iray dia miara-miasa an-taonany maro eo anilan’ireo mpiasa mahay efa za-draharaha. Mandritra ny fianaram-pianakavianareo dia azonareo andramana angamba ny mangataka ireo ankizy efa lehibe kokoa mba hanazava lafin-javatra sasany amin’ireo mbola kelikely kokoa. Ny fahamarinana, ny fifidianana namana, ny fanoherana fitaoman-dratsy any an-tsekoly, sy ny hafa koa, dia samy foto-kevitra fantatry ny ankizy rehetra, na lehibe na kely. Raha mampiandraikitra raharaha misy ifandraisana mivantana amin’ny fiainana toy izany an’ireo ankizy efa lehibe kokoa ianareo, dia sady afaka manampy azy ireo hamboly fahaiza-manavaka sy fahaiza-mampianatra, no mampianatra an’ireo mbola kely kokoa izay zavatra tokony ho fantany. (Hebreo 5:14) Ambonin’izany, dia hahasoa koa izany satria hampifanatona ireo ankizy akaiky kokoa amin’ny maha-mpianakavy azy.

Angamba kely kokoa ny fianakavianareo ary iray ihany ny zanakareo. Raha izany no izy, dia manana fahafahana ny hahafantatra sy hahatakatra ny fiheveran’ny zanakareo tsara tokoa ianareo. Mitandrema anefa mba tsy hampihanta ny zanakareo amin’ny fampisehoana fiheverana be loatra azy. Telo ianareo ao amin’ny fianakavianareo, sa tsy izany? Manaova zavatra miaraka àry. Hampianatra azy hifandray amin’ny hafa izany sy hampiseho fiheverana ireo any ivelan’ny fianakavianareo, ka hanakana azy tsy hihevitra afa-tsy ny tenany ihany.

Ataovy zava-kendrena ny firaisan’ny fianakaviana

Marina fa misy zavatra hafa ankoatra ny fitarihana fampianarana Baiboly sy fanomezana torohevitra ary famaizana, tafiditra amin’ny fanorenana fianakaviana iray. Hoy i Solomona: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany.” (Mpitoriteny 2:24) Tsy isalasalana fa mankafỳ ny sakafo voaomana tsara ny fianakavianareo. Manao fandaharana ve ianareo mba hiarahan’ny fianakavianareo misakafo? Mety tsy hety foana izany noho ireo mpikambana samy hafa mandeha any am-piasana, any am-pianarana, na mikarakara asa aman-draharaha hafa. Mazàna anefa, dia misy sakafo iray farafaharatsiny ao anatin’ny andro iray azon’ny fianakaviana iaraha-mihinana. Inona no afaka hanampy ny fianakaviana mba hisian’ny rivo-pianana mahasoa eo am-pisakafoana?

Manararaotra io fotoana io ny rahalahy iray mba hanontaniana zavatra ara-baiboly iray mba hahafahan’ny rehetra miresaka azy. Miharihary fa manao izay tsy hahasanganehana ireo izay mety tsy hahafantatra ny valiny izy. Ny hafa kosa dia mitantara zavatra hita teny am-pitoriana. Raha mihaino tsara ireny resaka ara-panahy ireny isika, ny fiaraha-misakafo dia hampandroso ny fianakaviana rehetra. (Jereo Romana 14:19) Marina aloha fa, any amin’ny tany sasany, dia tsy fanao ny miresaka be loatra mandritra ny sakafo. Kanefa zava-dehibe ny fanaovana fiezahana mba hihazonana rivo-piainana mahafinaritra. Hoy ny Ohabolana 15:17: “Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asian-dromoromo.”

Anisan’ny fiainam-pianakaviana kristiana ihany koa ny fotoam-pialan-tsasatra sy ny fiatoana eo amin’ny asa aman-draharaha. Ny ray aman-dreny feno fahendrena dia mampiasa ny fotoana toy izany mba hanorenana fifandraisana teokratika mafy eo amin’ny fianakaviany. Amin’ny fomba ahoana?

Na dia mora aza ny mamela ireo tanora handeha hanao zavatra izay tiany, dia mampidi-doza izany. Tsy fampisehoana fahendrena velively, ohatra, ny mamela tanora handray anjara be loatra amin’ny fanatanjahan-tena izay hampidi-doza ny vatany ary na ny fiainany mihitsy aza! (1 Timoty 4:8) Araka izay azo atao, dia mifidiana zavatra atao izay ahafahan’ny mpikambana rehetra ao amin’ny fianakaviana mandray anjara. Afaka manontany ny hevitry ny tsirairay avy ny raim-pianakaviana ary mangataka azy hanao zavatra manokana iray ho fanomanana izay hatao.

Afaka ny hihamalalaka eo amin’ny fitiavany ve ny fianakavianareo ary hanasa mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona mba hiara-hifaly amin’ny fianakavianareo? Mankaf? ny fiarahana amin’ny fianakaviana matetika ireo efa zokiolona ao amin’ny kongregasiona, indrindra raha mipetraka any amin’ny tanàna hafa ny fianakavian’ny tenany manokana na tsy miaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika kristiana. (Jakoba 1:27) Ao amin’ny kongregasiona maro, dia misy fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny ao aminy. Raha manaja ny fandaharana teokratika ny amin’ny loham-pianakaviana sy ny fomba tsara kristiana ny loholona sy ny hafa koa, dia afaka manolotra fialofana ara-panahy ho an’ireo anisan’ny fianakaviana toy izany. (Isaia 32:1) Ankizilahy “kamboty ray” maromaro no tonga raim-pianakaviana mahay mandanjalanja tsara noho ny fampisehoana fiheverana sy fitiavana avy tamin’ny kristiana efa lehibe sy matotra iray. — Salamo 82:3, MN.

Sarotra ny manorina fiainam-pianakaviana kristiana. Noho ny fanampian’i Jehovah anefa, dia ho hitanao tokoa fa “lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo.” (Salamo 127:1, 3) Afaka ny hitondra fiderana tsy ho an’ny ray aman-dreniny kristiana ihany ny ankizy, fa ho an’ny Mpamorona azy koa, dia i Jehovah Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha ny marina, ny teny hebreo nadika hoe “mpanao trano” (andininy voalohany) sy “zanaka” (andininy faha-telo) dia heverina fa samy avy amin’ny fototeny midika hoe “manorina”. Ambonin’izany, amin’ny teny hebreo ny teny hoe “trano” dia afaka manondro na “toerana ipetrahana” na “fianakaviana”. (2 Samoela 7:11, 16; Mika 1:5, MN ) Araka izany, ny fanaovana trano dia mifandray amin’ny fanorenana fiainam-pianakaviana. Tena ilaina ny fitahian’i Jehovah amin’ireo asa roa ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara