Hanao zavatra hanoherana ny tsy rariny ve Andriamanitra indray andro any?
“TSY RARINY izany.” Nisafoaka ilay zazavavy mpianatra; vao avy niharan’ny endrika tsy fahamarinana izy ary nirehitra ny fahatezerany. “Raha tena misy Andriamanitra iray, hoy ny nanampiny, ahoana no ahafahany mamela ny tsy rariny toy izao hisy?” Raha nifanatrika tamin’io zazavavy io ianao, nety ho niombon-kevitra taminy ve ianao? Mety ho izany. Mifanohitra amin’izany, ho afaka namaly ny fanontaniany koa ve ianao?
Fony ianao mbola ankizy angamba dia nieritreritra indraindray fa tsy mampaninona an’ireo ray aman-dreninao rehefa entina tsy ara-drariny ianao. Nefa moa ve izany toa tsy rariny avy amin’izy ireo izany manaporofo na dia kely akory aza fa tsy misy izy? Tsia, sa tsy izany? Mitovy amin’izany, ny famelan’Andriamanitra ny tsy fahamarinana hisy dia tsy manaporofo na oviana na oviana ny tsy fisiany.
Tamin’io fanaporofoan-kevitra io dia namaly ilay zazavavy mpianatra fa tsy azo nampitovina ireo toe-javatra roa ireo. Marina aloha, araka ny nasainy nomarihina, fa ny ray iray, olombelona tsy tanteraka, dia mety hiseho ho tsy marina kely. Na koa, noho ny tsy fahalalana ny toe-javatra rehetra, dia angamba izy tsy mahamarika ny tsy fahamarinana niharihary. Ambonin’izany, raha toa izy tena nahamarika tsy fahamarinana tokoa, dia mety tsy ho hainy ny nanelanelana noho ny fetran’olombelona. Araka ny voalazan’io zazavavy io anefa, dia tsy misy na dia iray aza amin’ireo toe-javatra nohakelezina ireo mety hampiharina amin’ny Andriamanitra iray marina, mahalala ny zavatra rehetra ary mahefa ny zavatra rehetra.
Ary ianao, angamba ianao koa mety hihevitra fa tsy mifanaraka tanteraka amin’ireo toetran’Andriamanitra ny famelana ny tsy rariny hisy. Nefa moa ve Andriamanitra, noho ny fahendrena tampony ananany, mety hanana antony azo inoana andeferana ny tsy rariny mandritra ny fotoana iray?
Ireo mpanoratra ny Baiboly dia nihevitra an’Andriamanitra ho Ilay “tia ny fahamarinana sy ny rariny”. “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy”, hoy i Mosesy. — Salamo 33:5; Deoteronomia 32:4; Joba 37:23.
Ankoatra ny fiheverana an’i Jehovah ho Andriamanitra iray marina izay tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana dia nilaza tamim-piraisan-tsaina ireo mpanoratra ny Baiboly fa hofoanany izy io indray andro any. Isaia, ohatra, dia nanambara hoe: “Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny. Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, ary ny fahamarinana honina ao amin’ny saha mahavokatra”. (Isaia 32:1, 16). Nefa rahoviana? Ary raha irin’Andriamanitra ny hanafoana ny tsy fahamarinana eo amin’izao tontolo izao, nahoana no navelany hisy aloha izany?
Ny tsy rariny — nahoana no navela hisy izany?
Nisy fotoana izay tsy nisian’ny tsy fahamarinana mihitsy teo amin’izao rehetra izao. Nanomboka tamin’ny fikomian’i Adama sy Eva, teo ambany fitaoman’i Satana Devoly, vao nahita tsy fahamarinana ny olombelona. Tsy naringana avy hatrany Satana taorian’ny fikomiana. Andriamanitra, araka ny nitiavany azy, dia namela tamin-kalalahana ny olombelona hanao ny tsy rariny mandritra ny fotoana iray izay hisedrana ireo mpivavaka aminy ka hisehoan’izy ireo ho mahatoky na tsia. Etsy an-danin’izany, amin’ny fifidianana ny hitoetra tsy mivadika, dia hampiseho izy ireo fa tsy mahay mampiodina ny zavaboary olombelona rehetra hiala amin’Andriamanitra i Satana. Amin’izay dia ho voamarina ny fiandrianan’Andriamanitra, ho levona ny asan’i Satana ary hofoanana izay rehetra mety ho tsy fahamarinana.
Raha tamin’izay Andriamanitra no nampiasa hery mba hanakanana ny olombelona tsy hanao ny tsy marina dia ho nanaisotra tamin’izy ireo ny safidiny malalaka. Milaza izany fa amin’ny famelana ny olombelona tsirairay hiharan’ireo vokatra tsy ara-drarin’ny asa ratsy ataon’izy samy izy dia asehony hoe hatraiza no nanaovan’i Adama sy Eva zavatra tamin-kadalana tamin’ny fikomiana hanohitra ireo fitsipik’Andriamanitra mba hanoloana izany tamin’ny hevi-dison’izy ireo manokana. Amin’ny famelana ny olombelona hijinja izay nafafiny, Andriamanitra dia manampy ireo olona tia ny fahamarinana hahatakatra fa tsara lavitra ny manao zavatra araka ny lalany. — Jeremia 10:23; Galatiana 6:7.
Ambonin’izany, ireo asa marina na tsy marina ataon’ny tsirairay dia mahaforona antony mampiharihary zavatra; izany asa izany dia manome ho an’Andriamanitra fototra marina iray mba hitsarana izay mendrika ny hiaina eto an-tany ao amin’izao tontolo izao vaovao rehefa haorina indray ny rariny tanteraka. Izany no ahariharin’ity andalan-tenin’ny Soratra Masina ity: “Fa raha ny ratsy fanahy miala amin’ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.” — Ezekiela 18:21.
Rahoviana ny faran’ny tsy rariny?
Marina mandrakariva ireo asan’i Jehovah Andriamanitra ho an’ny olombelona ary voamariky ny hatsaram-po lehibe. Noho izany, indray andro, noho ny tsy nahatakaran’i Abrahama, mpanompo mahatokin’Andriamanitra, ny antony nisehoan’ny zavatra iray dia niteny momba an’Andriamanitra izy hoe: “Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka; sanatria Anao izany! Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?” (Genesisy 18:25). Niaraka tamin’ny fahatongavan’i Kristy, dia noderaina ireo toetran’Andriamanitra roa: dia ny fahamarinany sy ny hatsaram-pony. Ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy no nahatonga ny rehetra, Jiosy na tsy Jiosy, hanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay. Izany no nahatonga an’i Petera hilaza toy izao: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — Asan’ny apostoly 10:34, 35.
Manambara amin-kery ireo Vavolombelon’i Jehovah fa nanomboka nanjaka ny Mpanjaka mesianika natsangan’Andriamanitra ary antomotra ny fotoana izay hanorenana indray ny rariny eto amin’ny planetantsika ao anatin’ny fahatanterahany rehetraa. Ho tanteraka izany rehefa handringana an’izao tontolo izao tsy marina ankehitriny io Mpanjaka io ary hanafoana ao aminy ilay andriamanitra tsy hita maso, dia Satana Devoly. Asehon’ny Baiboly fa ho tonga tsy ho ela izany fisehoan-javatra izany, amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, dia ilay ady tsy manam-paharoa antsoina hoe Haramagedona. — Apokalypsy 16:14, 16.
“Tsy marina ve Andriamanitra satria manafay antsika? (. . .) Sanatria izany!” (Romana 3:5, 6, Francais courant). Ho ady ara-drariny àry Haramagedona. Manaraka izany, Jesosy Kristy sy ireo mpanjaka lefiny, anisan’izany ireo apostoliny, dia hanjaka avy any an-danitra mandritra ny arivo taona (Apokalypsy 20:4). Olona an-tapitrisany maro niharan’ny tsy rariny tamin’ny lasa no hitsangana amin’ny maty ao anatin’ny fandehan-javatra marina eto an-tany, fonenan’ny olombelona hatrany am-boalohany, ary hahita ny rariny tanteraka voalohany eo amin’ny fiainany izy ireo.
“Tsy marina ve Andriamanitra?”
Nolazain’ny apostoly Paoly momba ny asan’Andriamanitra iray io fanontaniana io. Ny valiny? “Sanatria izany!” hoy ny nosoratany. Tamin’ny fampitahana ny olombelona amin’ny tanimanga novolavolain’ny mpanefy vilany ho zavatra iray mendrika ny fahatezerana na ny famindrampo, dia nanazava toy izao i Paoly: “Tian’Andriamanitra ny hampiseho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny. Nefa nandefitra tamim-paharetana lehibe tamin’ireo izay mendrika ny fahatezerana sy tokony horinganina izy. Ta-hampiseho koa izy fa tena lehibe ny voninahiny ho antsika izay nangorahany, dia isika izay voaomana mialoha handray ny voninahiny.” — Romana 9:14, 20-24, Français courant.
Sahala amin’ilay zazavavy mpianatra notantaraina tetsy ambony dia angamba ianao indraindray sahirana mahatakatra ny antony amelan’Andriamanitra hisy ny tsy fahamarinana amin’ny ankapobeny na ny asa ratsy manokana iray. Nefa iza moa isika — isika izay tanimanga eo an-tanany — no hiady hevitra ny amin’ny faharetana sy ny fahendrena izay nanosika azy hanao zavatra toy izany? Hoy Jehovah Andriamanitra tamin’i Joba: “Hanaisotra ny rariny amiko va hianao? Hanameloka Ahy va hianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?” — Joba 40:8.
Io no zavatra iray izay tsy ho tiantsika hahameloka antsika mihitsy. Mifanohitra amin’izany fa ny ho tiantsika dia ny hifaly noho ny fahafantarana fa, na dia tsy maintsy mbola miaritra ny tsy rariny aza isika, tsy ho ela ilay Andriamanitry ny fahamarinana dia hanaisotra izany amin’ny tany manontolo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ho hitanao ny porofo fa nanomboka nanapaka tamin’ny fomba tsy hita maso ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914, amin’ny fandinihana, ao amin’ny pejy faha-134 ka hatramin’ny faha-141, ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. Io boky io dia mirakitra toko iray koa mitondra ny lohateny hoe “Nahoana no navelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana?”.
[Sary, pejy 23]
Tsy azo atao mihitsy ny mampiasa ny famelana ny ratsy hisy ho vavolombelona hanaporofoana ny tsy fisian’Andriamanitra
Andriamanitra ve no tokony hampangaina raha toa ny mpamily mamo iray ka manao zavatra tsy misy fiheverana na dia mahay misaina aza?
Antomotra ny fotoana hiorenan’ny rariny tanteraka eto an-tany indray.