Afaka mahita fifaliana ianao ao anatin’izao tontolo izao mahaketraka!
MANANA toetra sariaka sy falifaly i Marie. Sarotra ny mino fa taona vitsivitsy monja talohan’izao, dia nilaza ny tenany ho maty tao anaty io vehivavy 32 taona io. Voan’ny fahaketrahana mafy i Marie tamin’izay. “Toy ny hoe nisava tsikelikely ny rahona mainty be iray”, hoy ny fanazavany. Eny, sitrana soa aman-tsara izy ary nahita ny fifaliany indray.
Isan-taona dia olona an-jato tapitrisany maro maneran-tany no tratran’ny fahaketrahana! Io fikorontanana eo amin’ny fahasalamana io dia tsy fahatsiarovana alahelo mandalo fotsiny ihany akory, zavatra izay tsapan’ny ankamaroantsika indraindray. Rehefa voan’ny fahaketrahana mafy ny tena dia mahatsapa fahalahelovana tsy mety miala. Tsy liana amin’ny fiainana intsony ilay olona voan’ny fahaketrahana, tsy mahita fifaliana na amin’inona na amin’inona, ary mahatsiaro ho kivy sy tsy misy vidiny amin’izay rehetra ataony. Nilaza izao manaraka izao ny Fandaminana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana, tamin’ny 1983: “Tsy misy isalasalana fa hita any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany ny fahaketrahana ankehitriny.”
Tsy mahagaga ireo mianatra ny Baiboly amim-pitandremana izany filazana izany. Antsoin’ny Baiboly hoe “am-parany [andro farany, MN ]” voamariky ny “andro mahory” izao andro iainantsika izao. (2 Timoty 3:1-5) Nihasimba ny firafitry ny fiaraha-monina izay, tamin’ny lasa, dia nanohana ny tsirairay nandritra ireo fotoana nisian’ny fahasahiranana ara-pihetseham-po. Ao amin’ny lahatsoratra hoe “Ny andron’ny alahelo ve?”, dia nilaza ny Dr. Gerald Klerman fa io fiovana io no tompon’andraikitra amin’ny fitomboan’ny fahaketrahana miseho ankehitriny. Nanazava toy izao izy: “Ny fianakaviana, ny fiangonana, ary ny mpifanolo-bodirindrina no nahaforona ireo rafitra telo nahazatra indrindra teo amin’ny fiaraha-monina izay afaka nanome ny fanohanany. (. . .) Ny zavatra iray mampiavaka ny andro ankehitriny anefa, dia ny fikorontanana, amin’ny ambaratonga samihafa, misy ao amin’ireo rafitra telo eo amin’ny fiaraha-monina ireo.”
Ny faharavan’ny fianakavian’i Marie no nitarika azy ho amin’ny famoizam-po. “Rehefa nandeha tsy an-kiteny ny renikeliko, dia nahatsiaro tena ho voafitaka sy nanirery aho. Roa ambin’ny folo taona aho tamin’izay, ary toa nitsimbadika ambony ambany tampoka ny fiainako”, hoy ny tsaroan’i Marie. Fotoana fohy taorian’izay, dia voatery nandao ny tokantranony izy satria nitady hanana fitondrantena maloto taminy ny rainy, ary niaiky toy izao izy: “Nahatsiaro tena ho tsy nitovy tamin’iza na iza aho, ary tsy natoky ny tenako intsony.” Tamin’izay izy no nanomboka nilentika tao anatin’ny fahaketrahana mafy.
Indray andro, raha ketraka aoka izany i Marie dia tonga nitsidika azy tao an-tranony ny Vavolombelon’i Jehovah roa. Teo no ho eo izy dia nampiseho fahalianana ny hafatra mahafalin’ny Baiboly. “Teo aloha aho dia tsy nahita afa-tsy ny naha-zava-poana ny fiainana ary zava-dratsy maro be aoka izany, fa izao aho dia nanjary niaiky fa afaka ny hiaina ao amin’ny izao tontolo izao vaovao iray izay hanitsian’Andriamanitra ireo tsy rariny rehetra ireo. Noho ny fanampian’Andriamanitra, dia tonga mendrika ny handray izany fitahiana izany aho; tamin’izay no tonga tena nisy vidiny tokoa ny fiainako.” Tamin’ny fanatrehany ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nahita ny tena fitiavana marina sy fanohanana nilainy teo amin’ny ara-pihetseham-po izy. (Jaona 13:34, 35) Ny torohevitra feno fahendrena nomen’ireo loholona tao amin’ny kongregasiona koa dia nanampy azy hanova ny fomba fihevitra tsy nanorina nananany. (Jakoba 5:14) Nanomboka nihanisinda àry ny fahaketrahany. Olona hafa maro be tahaka an’i Marie izay ketraka noho ny toe-javatra mitranga eo amin’izao tontolo izao, no nahita “ny fifaliana avy amin’i Jehovah” noho ny nahazoany ny fahalalana marina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. — Nehemia 8:10; 1 Timoty 2:4.
Kanefa, moa ve nisava teo no ho eo ny fahaketrahan’i Marie? Moa ve isika tokony hihevitra fa tsy ho tratran’ny fahaketrahana mihitsy ny kristiana? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia ilaina ny mijery izay ao ambadik’io fikorontanana ara-pahasalamana io sy ireo antony sarotra mahatonga azy. Raha mahafantatra ny tena antony mahatonga ny fahaketrahana ianao, dia ho afaka ny hahomby kokoa rehefa hiady amin’izany ny tenanao, na rehefa manampy olona iray voan’izany.
Ireo antony mahatonga ny fahaketrahana mafy
Amin’ny toe-javatra sasany, ny fahaketrahana dia manana fototra eo amin’ny zava-mitranga ao amin’ny vatana, toy ny aretina, ny tsy fahampian-tsakafo, ary ny zava-manahirana eo amin’ny fiasan’ireo hôrmônina. Mety ho fomba famalin’ny vatana amin’ny fiasan’ny “toxines”, ny zavatra mandoto, ny fanafody na ny zavatra tsy zakan’ny vatana, koa izany.a Ny Baiboly anefa dia manambara fa ny ‘ahiahy ao anatin’ny tena’ koa dia mety ho antony mahatonga izany. — Salamo 94:19.
Ny ankamaroan’ireo olona voan’ny fahaketrahana, tahaka an’i Marie, dia nahita fanandraman-javatra tsy mahafinaritra sy mampijaly maro na toe-javatra mitsapa azy mafy. Maro amin’izy ireo no mahatsapa ny fihetseham-pon’ilay mpanao salamo nanao hoe: “Diboka ny fahoriana ny fanahiko. (...) Miara-manodidina ahy izy. Efa nampanalavirinao [Jehovah] ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; ireo nahazatra ahy — dia fahamaizinana”. (Salamo 88:3, 17, 18) Koa, toa an’ilay mpanao salamo àry, dia toa mahatsiaro ho voatototry ny zava-manahirana na ny famoizana olona izy ireny ka mihevitra fa tsy misy fanantenana mihitsy ny fiainany manontolo. Mety hihevitra izy fa nilaozan’ny rehetra ao amin’ny haizina ary koa fa Andriamanitra mihitsy aza dia namoy azy.
Nahoana izy ireo no tonga amin’izany fanatsoahan-kevitra manakivy izany, ka manao izay hahaketraka ny tenany kokoa ihany? Tsy noho ny zava-manahirana mianjady aminy avy any ivelany ihany no mahatonga izany, fa noho ny fihetseham-po mampijaly tsapany koa, na ny fisalasalana momba ny tenany. Mihevitra izy fa tsy ampy hery na fahaizana hiatrika ilay zava-manahirana na ilay famoizana olona. “Ny alahelon’ny fo [dia] mahareraka ny fanahy”, hoy ny Ohabolana 15:13. Izany alahelon’ny fo izany dia hahafaoka ny fiheveran’ilay olona fa tsy mahomby amin’izay ataony izy, na koa hoe izany no heverin’ny hafa momba azy. Na dia i Epafrodito, kristiana iray niaina tamin’ny taonjato voalohany, aza dia “difotra alahelo, satria efa renareo [ny kongregasiona] fa narary izy.” — Filipiana 2:25-30.
Koa satria “ny fanahy kivy mahamaina ny taolana”, na manimba tsikelikely ny maha-olona ilay olona manontolo, dia mazàna ny tsy fananana fiheverana ambony ny amin’ny tenany no antony mahatonga ny fahaketrahana mafy. (Ohabolana 17:22) Mety ho avy amin’ny fiheverana tafahoatra ny amin’izay heverin’ny hafa momba antsika koa ny alahelon’ny fo, na avy amin’ny faniriana tafahoatra ny fahatanterahana amin’izay rehetra ataontsika, ny fahatezerana tsy mety afaka, ny lolompo, ny fifanoherana tsy voalamina, na ny fahatsiarovana ho meloka (na marina izany na nampitomboina).
Hita àry fa maro be ireo antony mahatonga ny fahaketrahana. Nahita fifaliana marina anefa i Marie rehefa tonga kristiana. “Nahazo fanantenana indray àry aho”, hoy izy. Tsy maintsy mbola niaritra ny fahaketrahana nandritra ny fotoana lavalava ihany anefa izy. Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ny olona toa azy handresy ny fahaketrahana amin’ny farany?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo “La dépression: Tout se passe-t-il dans la tête?” ao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 Oktobra 1987.