-
“Ny andron’ny faniriana mihoa-pampana”Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Mey
-
-
Tonga hatraiza ny fitarany?
Tsy zava-baovao eo amin’ny taranak’olombelona ny faniriana mihoa-pampana, nefa azo antoka fa nihanitombo be izy io noho ny faneren’ny fiainana amin’izao taonjato faharoapolo izao. Nihaniitatra aoka izany ny faniriana mihoa-pampana hany ka omen’ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazety Ny taonjato kristiana (anglisy) anarana izay heveriny fa mifanentana tsara aminy ireo taona 1980, toy ny nifanentanan’ny anarana hoe “Ny andron’ny fitebitebena” tamin’ireo taona 1950 na ny anarana hoe “Ny andron’ny izaho aloha” tamin’ireo taona 1970. Nomeny ny anarana hoe “Ny andron’ny faniriana mihoa-pampana” ireo taona 1980!
Ankehitriny dia hita ao amin’ny toerana rehetra misy olona tafavory ny faniriana mihoa-pampana — ny toeram-piasana, ny sekoly, ary ao amin’ny fitambaran’olona rehetra amin’ny ankapobeny. Tafiditra ao amin’ny raharaham-barotra, ny raharaha ara-politika ary ao amin’ireo fivavahana lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao mihitsy aza ny fitaomany manimba.
Matetika tokoa dia mampitombo ny fandraisana kolikoly na ny famitahana ny faniriana mihoa-pampana. Ny gazety The Canberra Times, ohatra, dia nanome an’i Aostralia ny laharam-boninahitra mampisalasala voalohany eo amin’ny fanambakana raha ny amin’ny fiantohana fiarakodia. Toa manohana izany ilay gazety aostraliana hoe Law Society Journal raha nilaza izy io hoe: “Ny filazana na fanambarana mamitaka ataon’ireo olona iantohan’ireo raharaham-piantohana dia andanian’izy ireo, ary avy eo ny olona iantohana, an-tapitrisany dôlara isan-taona.” Nanampy io gazety io fa “izany dia zava-manahirana miharatsy hatrany, indrindra fa eo amin’ny fandoroan-javatra iniana atao, ny fandrobana entambarotra, ny fiantohana ny fiarakodia sy ny entana ao an-trano.”
Mora àry ny mahatakatra ny antony ihomehezan’ny olona maro, rehefa resahina fa hofoanana tsy hisy mandrakizay ny faniriana mihoa-pampana. Eny, mihevitra izy ireo fa ho eto amintsika foana ny faniriana mihoa-pampana ary koa fa nofinofy tsy ho azo tanterahina tsotra izao ny izao tontolo izao iray tsy hisy faniriana mihoa-pampana.
Hofoanana ny faniriana mihoa-pampana
Mifototra amin’ny inona no ahafahana manao io fanambarana toa tsy ho azo tanterahina io? Amin’ny fisian’ny fomba fiaina tsy misy faniriana mihoa-pampana sahady. Na dia tsy tanteraka aza izany fomba fiaina izany, izy io kosa dia efa mampiseho izay azo atao noho ny fampianarana sy antony manosika mety. Ny lahatsoratra manaraka dia hampiseho hoe ahoana no mety hisian’ny izao tontolo izao manontolo tsy hahitana faniriana mihoa-pampana.
-
-
Alao sary an-tsaina ny izao tontolo izao iray tsy misy faniriana mihoa-pampanaNy Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Mey
-
-
Alao sary an-tsaina ny izao tontolo izao iray tsy misy faniriana mihoa-pampana
AZONAO alaina sary an-tsaina ve ny izao tontolo izao iray misy olona miara-miasa fa tsy mifaninana? Misy olombelona mandray ny hafa toy ny itiavany handraisan’ny hafa azy? Izany no toetra mampiavaka ny izao tontolo izao iray tsy misy faniriana mihoa-pampana. Ho toy inona moa izany izao tontolo izao izany! Hisy ve izany indray andro any? Eny tokoa. Amin’ny fomba ahoana anefa no ahafahana manafoana ny faniriana mihoa-pampana, izay latsa-paka ao amin’ny olona aoka izany?
Mba hahazoana valiny, dia tsy maintsy takatsika aloha ny niandohan’ny faniriana mihoa-pampana. Manambara ny Baiboly fa tsy toetra nampiavaka ny taranak’olombelona foana akory izany. Mampahatsiahy antsika i Mosesy mpaminany fa tany am-piandohana dia tsy nisy kileman-toetra toy ny faniriana mihoa-pampana velively hita tao amin’ny lehilahy voalohany, zavaboary tanterak’ilay Mpamorona tsy manam-paniriana mihoa-pampana: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” Avy aiza àry izany ny faniriana mihoa-pampana? Navelan’ny mpivady voalohany hitombo tao aminy izany — i Eva, tamin’ny fanantenana feno faniriana mihoa-pampana ny hahazo izay ho vokatry ny fihinanana voankazo nandraran’Andriamanitra tsy hohaniny, ary i Adama, tamin’ny faniriana mihoa-pampana ny tsy hamoy ilay vadiny tsara tarehy. Nanampy izao teny izao i Mosesy, teny izay marina koa raha ny amin’i Adama sy Eva: “Efa nasian-dratsy izy; tsy zanany ireny — tsininy izany.” — Deoteronomia 32:4, 5; 1 Timoty 2:14.
Mandra-pahatongan’ny safodrano naneran-tany tamin’ny andron’i Noa, dia nihanitombo aoka izany ny faniriana mihoa-pampana sy ny filan-dratsy hany ka “be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.” — Genesisy 6:5.
Nitohy hatramin’izao io toetra manjaka ao amin’ny olona io, ka toa nahatratra ny fara tampony ao amin’ny fitambaran’olona tsy mahay mankasitraka sy feno faniriana mihoa-pampana misy antsika ankehitriny.
Foana noho ny fianarana ny faniriana mihoa-pampana
Toy ny nitomboan’ny faniriana mihoa-pampana teo amin’ny olombelona, dia mety hisy koa ny mifamadika amin’izany. Azo atao ny mandresy ny faniriana mihoa-pampana. Mba hahafahana manao izany anefa dia ilaina ny fianarana sy fiofanana mety, ary ny fanarahana torolalana na lalàna hentitra momba ny fitondrantena. Toa ho azo ampiharina ihany izany, kanefa iza no ho afaka hanome izany karazam-pampianarana izany ary hanao izay hahazoana antoka ny amin’ny fampiharana azy — an-tery mihitsy aza raha ilaina izany?
Tsy maintsy ho avy amin’ny loharano tsy misy faniriana mihoa-pampana velively ny fampianarana toy izany. Tsy tokony hisy antony manosika miafina na fanantenan-javatra ho valin’ny fampiofanana omena. Fanampin’izany, dia tsy maintsy ampianarina sy aseho fa sarobidy sy azo ampiharina tsara ny tsy fitiavan-tena. Ilain’ilay mianatra ny mino tanteraka fa tsy vitan’ny hoe azo atao ny manaraka izany fomba fiaina izany, fa izany koa no fomba fiaina tsara indrindra, satria handray soa avy amin’izany ny tenany sy ireo manodidina azy.
Ilay Andriamanitry ny lanitra irery ihany no afaka manome izany karazam-pampianarana izany, satria olona iza moa na fandaminana inona eto an-tany no mahafeno ireo fepetra takina ho amin’izany? Mifototra amin’ity fahamarinana ao amin’ny Baiboly ity, dia tsy mahafeno fepetra ny olona rehetra: “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.” — Romana 3:23.
Soa ihany i Jehovah, ilay Andriamanitry ny lanitra, fa nanome antsika izany fampianarana izany tao anatin’ny boky fianarana nosoratany, dia ny Baiboly Masina. Ny Zanany, Jesosy Kristy, dia niaro tamin-kery io karazam-pampianarana io fony izy olombelona tetỳ an-tany. Rehefa tonga teo afovoan’ilay Toriteniny malaza teo an-tendrombohitra i Jesosy dia niresaka ny amin’ny fomba fiaina izay toa hafahafa tamin’ny ankamaroan’ireo mpihaino azy, satria nahafaoka ny fanehoana tsy fitiavan-tena na dia tamin’ireo fahavalon’ny tena aza. Hoy i Jesosy: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, — mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandro amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina. Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?” — Matio 5:44-46.
Anisan’ny nanirahana an’i Jesosy teto an-tany ny fampiofanana mpampianatra tsy tia tena mba hahafahan’izy ireo kosa hampianatra ny hafa io fomba fiaina tsy misy faniriana mihoa-pampana io. Fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty, ny apostoly Paoly dia tonga ny iray tamin’ireo mpampianatra ireo. Ao amin’ny maromaro amin’ireo taratasiny azo tamin’ny tsindrimandry, i Paoly dia namporisika ny fanafoanana ny faniriana mihoa-pampana. Nanoratra toy izao ho an’ireo Efesiana izy, ohatra: “Ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana [faniriana mihoa-pampana, MN ], dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany.” — Efesiana 5:3.
Toy izany koa ankehitriny, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampianatra lehilahy sy vehivavy mba handresy izay fironana rehetra ho amin’ny faniriana mihoa-pampana. Araka ny fandehan’ny fotoana, ireo koa dia mahafeno fepetra mba handeha ka hampianatra ny hafa ny amin’ireo lalana araka an’Andriamanitra ireo.
Miasa ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly
Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Azon’ny olona tsy tanteraka, feno faniriana mihoa-pampana lalim-paka, atao ve ny mamongotra izany amin’ny toetrany?’ Eny tokoa. Tsy amin’ny fomba tanteraka aloha, kanefa mahatalanjona ihany ny fahafahany manao izany. Aoka isika haka ohatra iray.
Nisy mpangalatra mafy hatoka izay tany Espaina. Feno zavatra nangalarina ny tranony. Tatỳ aoriana izy dia nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho vokatr’izany, dia nanomboka nanelingelina azy ny feon’ny fieritreretany, hany ka nanapa-kevitra ny hamerina ireo zavatra nangalariny tany amin’ny tompony avy izy. Nanatona ny mpampiasa azy taloha izy ary nitsotra taminy fa nangalatra milina fanasan-damba vaovao taminy. Tohina mafy noho ny fiovany toetra ny fon’ilay mpampiasa azy, ka nanapa-kevitra ny tsy hilaza tany amin’ny pôlisy izy fa nampandoa azy fotsiny ny vidin’ilay milina fanasan-damba.
Nanaraka izany, io mpangalatra nanavao toetra io dia nanapa-kevitra ny hitsidika ireo olona rehetra tsaroany fa nangalarana zavatra ary ny hamerina izany taminy avy. Nampiseho hagagana avokoa izay rehetra notsidihiny, noho izy nanova tanteraka ny fihetsiny toy izany vokatry ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly.
Izao anefa dia nisy zava-nanahirana tena lehibe nitranga teo anatrehany. Tsy fantany ny tompon’ny entana maro mbola teo aminy. Koa nivavaka tamin’i Jehovah àry izy, ka nankany amin’ny foibem-pitondran’ny pôlisy ary nanolotra azy ireo “radio stéréo” enina nangalariny tamin’ny fiarakodian’olona. Gaga ireo pôlisy satria tsy fantatr’izy ireo ho toy ny mpangalatra izy. Nanapa-kevitra izy ireo fa tokony handoa sazy vola sy hampidirina ao am-ponja vetivety fotsiny izy.
Nadio amin’izay izao ny feon’ny fieritreretan’io mpangalatra teo aloha io, noho izy nandao ny fomba fiainany feno fanaovana heloka sy faniriana mihoa-pampana mba hahatongavana ho anisan’ny kongregasiona maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Afaka manonona mora foana ohatra toy izany an’arivony maro izahay. Na dia tsy mahaforona afa-tsy ny ankavitsian’ny isan’ny mponin’ny tany aza ireo izay nitondra fiovana toy izany teo amin’ny fiainany, ny nanaovan’izy ireo izany dia efa manaporofo fa afaka manosika ho amin’ny tsara ny fahalalana sy ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly.
Isan-taona, dia mihamaro ireo olona manaraka io fomba fiaina io. Misy fampianarana ara-baiboly omena ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 60000 maneran-tany. Amin’izao fotoana izao, ny Vavolombelona akory tsy manantena ny hanova izao tontolo izao amin’ny ankapobeny, ka hanafoana ny faniriana mihoa-pampana eo amin’ireo olona an-davitrisany maro velona ankehitriny. Kanefa ny faminanian’ny Baiboly dia manambara fa tsy ho ela intsony izao, dia hanjaka maneran-tany ny fomba fiaina tsy hisy faniriana mihoa-pampana velively!
Izao tontolo izao iray tsy hisy faniriana mihoa-pampana
Tsy hisy toerana ho an’ny fitiavan-tena sy ny faniriana mihoa-pampana ao amin’izao tontolo izao vaovao ho avy. Nanome toky antsika ny apostoly Petera fa ny fahamarinana dia hanamarika, tsy ny “lanitra vaovao” ihany fa ny “tany vaovao” koa. (2 Petera 3:13.) Ho anisan’ireo “zavatra taloha” izay ho efa lasa ny faniriana mihoa-pampana, miaraka amin’ny aretina, ny alahelo, ary na dia ny fahafatesana aza. — Apokalypsy 21:4.
Noho izany, raha mampahory anao ny fitomboan’ny fomba fiaina feno faniriana mihoa-pampana sy fitiavan-tena manodidina antsika ankehitriny, dia mahereza! Dieny izao dia manomboha miaina ho amin’ilay izao tontolo izao vaovao ho tonga tena izy tsy ho ela intsony. Miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra, dia manaova fiezahana mba hanalana ny faniriana mihoa-pampana eo amin’ny fiainanao manokana. Mandraisa koa anjara amin’ny asa fanampiana ny hafa hahita ny soa azo dieny izao avy amin’ny fomba fiaina kristiana. Manàna finoana ary matokia an’i Jehovah Andriamanitra izay mampanantena fa tsy ho ela intsony izao dia ho anisan’ireo zava-dratsy maro dia maro izay ‘tsy hotsarovana intsony na ho mby ao an-tsaina akory aza’ ny faniriana mihoa-pampana. — Isaia 65:17.
[Sary, pejy 5]
Niresaka ny amin’ny fomba fiaina mampirisika tsy ho tia tena fa tsy hanana faniriana mihoa-pampana i Jesosy.
[Sary, pejy 7]
Tsy ho ela intsony — ny izao tontolo izao iray tsy hisy faniriana mihoa-pampana.
-
-
Nahoana i Jehovah no nanambara ny anarany?Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Mey
-
-
Nahoana i Jehovah no nanambara ny anarany?
Misy fanazavana momba ny “Testamenta Taloha” iray natonta tany Polonina tamin’ny 1964 izay namaly io fanontaniana io tamin’ny fomba mampieritreritra tokoa. Nanoratra toy izao ny Dokotera Stanislaw Lach, profesora ao amin’ny oniversiten’i Lublin, izay nahazo lalana hanonta avy tamin’ny Eglizy katolika romana:
“Ireo voavotra dia tompon’andraikitra ny amin’ny anaran’Andriamanitra eo anoloan’ny olombelona rehetra.” Andraikitr’ireo Isiraelita ny nanao fiezahana mba “hahafahan’ny Jentilisa hitahy ny anaran’i Iahve [Jehovah] ary tsy hiteny ratsy” izany. “Misy dikany ny hoe Iahve. (...) Izao tontolo izao dia hotsaraina arakaraka ny fandraisany ireo izay mitory izany anarana izany.” Nanambara io profesora io fa “ho lehibe eo amin’ireo firenena ny anarana hoe Iahve. (...) Hiely maneran-tany izy io. Araka ny filazan’i Mosesy, dia izany no hitranga (...) amin’io anarana io.”
Izany tokoa no ho izy araka ny faminanian’i Malakia 1:11 manao hoe: “Lehibe any amin’ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” Ary iza moa ankehitriny no manambara izany anarana izany maneran-tany, mba hahatonga ‘na zovy na zovy hiantso ny anaran’i Jehovah hovonjena’? Ny Vavolombelon’i Jehovah! Raharaha mahakasika ny ain’ny olona ny fomba fandraisany ireo ‘olona hankalazana ny anarany’, eny “ireo izay mitory izany anarana izany”. Manao ahoana ny fandraisanao an’i Jehovah sy ny Vavolombelony? — Asan’ny apostoly 2:21; 15:14; ampitahao amin’ny Malakia 3:16-18.
-