Aelezo amin-kasahiana ny fanasana hoe: “Avia!”
1 Ireo fisehoan-javatra mirimorimo manerantany dia mampahafantatra izao fotoana izao ho ny “andro farany”. (2 Tim. 3:1-5). Ny fitomboana eo amin’ny heloka bevava, ny fiovaovan’ny toekarena, ary ireo aretina mahatandindomin-doza ny aina, dia nanampy trotraka ny fanerena eo amin’ny fiainana. Nefa soa ihany fa, manoloana ny loza toy izany, dia ampielezana fanasana iray izay hisy akony eo aminy mandrakizay ny olona. Ny fanahy sy ny ampakarina manohy milaza hoe: “Avia!” Ary izao dia misy “olona betsaka” nanaraka azy ireo amin’ny fampielezana fanasana mivelatra amin’ny olona ombieny ombieny mba ho tonga ka hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina. — Apokalypsy 7:9; 22:17, MN.
2 Amin’izao andro izao, dia mamaly an’io fanasana io ireo mangetaheta ny fahamarinana maro be. An-tapitrisany maro tamin’ny taon-dasa no nanatrika ireo fivoriamben’ny distrika natao naneran-tany, ary efa ho folo tapitrisa no nanatrika ny Fahatsiarovana. An-tapitrisany maro hafa no maneho ny fankasitrahany ny fandaharana nataon’i Jehovah amin’ny fihainoana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tena zava-dehibe àry ny hampiasantsika amim-pahendrena ny fotoanantsika amin’ny fampielezana an’io fanasana io ampahibemaso sy isan-trano! — Asan’ny apostoly 5:42; Efes. 5:15, 16.
MANDRAISA ANJARA AMIN-KASAHIANA
3 Nenjehina ireo kristiana voalohany noho ny fitoriany tamin-jotom-po. (Asan’ny apostoly 16:19-21; 17:2-8). Na izany aza dia tsy nitsahatra tamin’ny fiezahany tamin-kasahiana hanambara ny vaovao tsara izy ireo. Tsy maintsy sahy sy vonona toy izany koa isika eo amin’ny fiezahantsika hanao izay hitoriana ny vaovao tsara.
4 Na dia any amin’ireo tany andrarana ny asa aza, dia mandray anjara amin’ny fo manontolo ireo rahalahy amin’ny asa fitoriana, na dia eo aza ny fanenjehana mafy, tafiditra amin’izany ny mety hamoizan’izy ireo ny asany, ny fonenany, ary ny fahafahany mihitsy aza. Ny ohatra tsara omen’izy ireny dia natao hampirisihana antsika hanohy hanasa ny hafa hoe: “Avia!”. — 2 Tes. 3:9.
5 Nandritra ny 35 taona mahery taorian’ny nahafantarana ny fahamarinana, dia namelona faniriana niredareda ny hanao ny asan’ny mpitory maharitra ny anabavy iray. Niova ny toerana nisy azy manokana rehefa feno 70 taona izy, ka tonga mpitory maharitra mandavantaona izy. Na dia vitsy aza ny olona eo amin’ny taona toy izany no maniry hanao asa vaovao iray, dia nanao izany kosa izy. Ankehitriny, rehefa nifaly tamin’ny fanompoana manontolo andro nandritra ny taona maromaro izy, dia milaza toy izao: “Mihatsara isan’andro izany.” Nitondra famelombelomana ara-panahy ho an’ny hafa izy noho ny fanekena tsy amin-tahotra ny fanasan’i Jehovah mba hiezaka sy handray anjara amin’ny fomba feno kokoa amin’ny asan’ilay Fanjakana.
6 Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, ny olona amin’izao andro izao dia mamaly an’io fanasana io, manova ny fiheverany, miova toe-tsaina, ary miala amin’ireo fanao manala baraka an’Andriamanitra. Tonga anisan’ny mpirahalahy maneran-tanin’ny Vavolombelona nanolo-tena izy ireny, ary miaraka amin’ny fanahy sy ny ampakarina amin’ny filazana hoe: “Avia!” amin’ny olona mbola mahitsy fo hafa.
7 Ny fitomboana goavana eo amin’ny asan’ilay Fanjakana sy ny fitaran’ireo biraon’ny sampana any amin’ny tany samihafa dia manome porofon’ny fitahian’i Jehovah. Madiva hifarana anefa ny andron’ity fandehan-javatra tranainy ity. Izao no fotoana mety hampisehoana fahasahiana sy zotom-po amin’ny fampielezana ny fanasana hoe: “Avia!” mba hamalian’ny hafa haingana ka hanaovany zavatra araka izay reny. — Asan’ny apostoly 20:26, 27; Rom. 12:11.