Aoka Isika hanohy handeha ao amin’ny fahazavana sy ny fitiavana
Hevi-dehibe ao amin’ny Jaona voalohany
JEHOVAH no Loharanon’ny fahazavana sy ny fitiavana. Tsy maintsy miantehitra amin’Andriamanitra isika mba hahazoana fahazavana ara-panahy. (Salamo 43:3). Ary ny fitiavana dia anisan’ireo vokatry ny fanahiny masina. — Galatiana 5:22, 23.
Fahazavana, fitiavana ary lafin-javatra maro hafa no resahina ao amin’ny taratasy ara-tsindrimandry voalohan’ny apostoly Jaona, izay azo inoana fa nosoratana tany Efesosy na tany akaikiny, tany amin’ny 98 am.fan.ir. tany ho any. Antony iray lehibe nanoratana azy io ny mba hiarovana ny kristiana amin’ny mpivadi-pinoana sy hanampiana azy ireo hanohy handeha amin’ny fahazavana. Koa satria isika miatrika fihaikana ny fitiavantsika, ny finoantsika, ary ny tsy fivadihantsika amin’ny fahamarinana, dia azo antoka fa hahasoa antsika ny fandinihana an’io taratasy io.
‘Mandehana ao amin’ny mazava’
Nampahafantatra i Jaona fa ny kristiana mahatoky dia tsy maintsy mandeha ao amin’ny fahazavana ara-panahy. (1 Jn 1:1–2:29). Hoy izy: “Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina [tsy misy zavatra ratsy, vetaveta, tsy marina, na tsy masina] akory ao aminy.” Satria ireo kristiana voahosotry ny fanahy ‘mandeha ao amin’ny mazava’, dia ‘tafaray’ amin’Andriamanitra sy Kristy ary amin’izy samy izy, izy ireo. Nodiovin’ny ran’i Jesosy ho afaka tamin’ny ota koa izy ireo.
Na kristiana voahosotra manana fanantenana ho any an-danitra isika na manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, dia hanohy handray soa avy amin’ny soron’i Jesosy irery ihany, raha tia ireo rahalahintsika isika fa tsy izao tontolo izao. Tsy maintsy mitandrina koa isika mba tsy ho voataonan’ny mpivadi-pinoana, toy ny “antikristy”, izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. Ary aoka isika tsy hanadino na oviana na oviana fa ho an’ireo izay mifikitra amin’ny fahamarinana sy manao ny marina ihany ny fiainana mandrakizay.
Maneho fitiavana ireo zanak’Andriamanitra
Manaraka izany, dia nampahafantatra izay zanak’Andriamanitra i Jaona. (3:1–4:21). Voalohany aloha, dia manao izay marina izy ireo. Mankatò ny didin’i Jehovah Andriamanitra koa izy ireo, ka ‘mino ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany, sy mifankatia’.
Ny olona iray manana ‘ny fahalalana an’Andriamanitra’ dia mahafantatra ny amin’ireo fikasan’i Jehovah sy ny fomba isehoan’ny Fitiavany. Izany dia tokony hanampy ilay olona haneho fitiavana. Raha ny marina, “izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.” Niseho ny fitiavan’Andriamanitra rehefa “nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika”. Raha tia antsika hatramin’ny fanaovana toy izany i Jehovah, dia tsy maintsy mifankatia isika. Eny, na iza na iza milaza fa tia an’Andriamanitra, dia tsy maintsy tia ny rahalahiny ara-panahy koa.
“Maharesy izao tontolo izao” ny finoana
Ny fitiavana dia manosika ireo zanak’Andriamanitra hitandrina ny didiny, nefa ny finoana no entin’izy ireo “mandresy izao tontolo izao”. (5:1-21). Ny finoantsika an’Andriamanitra, ny Teniny, ary ny Zanany dia mahatonga antsika ho afaka ‘handresy izao tontolo izao’, amin’ny fanariana ny fiheverana sy lalan-disony ary amin’ny fitandremana ny didin’i Jehovah. Nanome ho an’ireo ‘mpandresy izao tontolo izao’ ny fanantenana fiainana mandrakizay Andriamanitra ary mihaino ny vavaka ataon’izy ireo mifanaraka amin’ny sitrapony. Satria izay rehetra “naterak’Andriamanitra” tsy zatra manota, dia tsy mangeja ny olona toy izany i Satana. Nefa ny kristiana voahosotra sy ireo mpanompon’i Jehovah manana fanantenana ny hiaina eto an-tany dia samy tokony hitadidy fa ‘izao tontolo izao dia mipetraka eo ambany fahefan’ilay ratsy io avokoa’.
[Efajoro/Sary, pejy 23]
Sorom-panavotana: I Jesosy dia “sorom-panavotana noho ny fahotantsika [ireo anisan’ny mpanara-dia azy voahosotra], nefa tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao manontolo koa’, ny sisa amin’ny taranak’olombelona. (1 Jaona 2:2, MN). Ny fahafatesany dia “fanavotana” (Grika: hi·la·smosʹ, midika hoe “fitaovana fampitonena”, “fanavotana”), kanefa tsy amin’ny heviny hoe fampitonena fanaintainana avy amin’Andriamanitra. Ny soron’i Jesosy kosa dia nampitony, na nanonitra izay notakin’ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny lavorary. Ahoana izany? Tamin’ny fanomezana ny fototra marina sy ara-drariny ho an’ny famelana fahotana, mba “ho marina Izy [Andriamanitra] sady hanamarina izay [olona nandova ota] manana finoana an’i Jesosy”. (Romana 3:23-26; 5:12). Tamin’ny fanomezana ny fitaovana hanaovana fanonerana tanteraka ny fahotan’ny olombelona, ny soron’i Jesosy dia nahatonga izany ho voaonitra, na hety ho an’ny olombelona mba hitadiavana sy hahazoana famerenana fifandraisana ara-dalàna amin’i Jehovah. (Efesiana 1:7; Hebreo 2:17). Tokony ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika rehetra noho izany!