FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/6 p. 30
  • Mitandrema tena amin’ny mpivadi-pinoana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitandrema tena amin’ny mpivadi-pinoana!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Manaova ady mafy”
  • Napetraka eo anoloantsika ny fampitandremana
  • Aza mitsahatra manohitra
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-65 — Joda
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Joda, Taratasy Nosoratan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • “Ry Malala, (...) tehirizo ny tenanao ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/6 p. 30

Mitandrema tena amin’ny mpivadi-pinoana!

Hevi-dehibe ao amin’ny taratasin’i Joda

NY MPANOMPON’I Jehovah dia tsy maintsy ‘mankahala ny ratsy” ary ‘mifikitra amin’ny tsara’. (Romana 12:9). Nanampy ny hafa hanao izany i Joda, mpanoratra ny Baiboly, tao amin’ny taratasiny nalefa avy tany Palestina izay azo inoana fa tany amin’ny 65 am.fan.ir. tany ho any.

Niantso ny tenany hoe “mpanompon’i Jesosy Kristy sady rahalahin’i Jakoba” i Joda. Io Jakoba io dia miharihary fa ilay fantatra ho rahalahin’i Jesosy iray reny taminy. (Marka 6:3; Asan’ny apostoly 15:13-21; Galatiana 1:19). I Joda mihitsy, araka izany, dia rahalahin’i Jesosy iray reny taminy. Kanefa, nety ho nieritreritra izy fa tsy fahendrena ny hanamarihana izany fatorana ara-nofo izany, satria Kristy tamin’izay dia efa persona ara-panahy nomem-boninahitra tany an-danitra. Tena mivantana tokoa ny taratasin’i Joda eo amin’ny fanomezana torohevitra izay afaka manampy antsika ‘hifikitra amin’ny tsara’ sy hitandrin-tena amin’ny mpivadi-pinoana.

“Manaova ady mafy”

Na dia nikasa ny hanoratra momba ny famonjena niarahan’ny kristiana nihazona aza i Joda, dia hitany fa nilaina ny hampirisihana ny mpamaky ny taratasiny ‘hanao ady mafy ho an’ny finoana [MN]’. (Andininy 1-4). Nahoana? Satria nisy olona tsy tia an’Andriamanitra niditra an-tsokosoko tao amin’ny kongregasiona ary ‘namadika ny fahasoavan’Andriamanitra ho fijejojejoana’. Nihevitra tamin’ny fomba diso izy ireny fa sady afaka nandika ny lalàn’Andriamanitra no mbola hijanona eo anivon’ny vahoakany ihany. Enga anie isika tsy hanaiky ho resin’ny fanjohian-kevitra ratsy toy izany na oviana na oviana fa hanaraka ny fahamarinana mandrakariva, ho velom-pankasitrahana noho ny nanadiovan’Andriamanitra antsika tamim-pamindrampo ho afaka amin’ny otantsika tamin’ny alalan’ny ran’i Jesosy. — 1 Korintiana 6:9-11; 1 Jaona 1:7.

Napetraka eo anoloantsika ny fampitandremana

Ilaina ny mitandrin-tena amin’ny fihetsika, fitondrantena, ary olona sasany. (Andininy faha-5-16). Noho ny Isiraelita sasany nafahana avy tany Egypta tsy nanam-pinoana, dia naringana izy ireny. Ireo anjely izay nandao ny anjara toerany dia “voahazony amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina [haizim-pito, MN] (ara-panahy) ho amin’ny andro fitsarana lehibe.” Ny fahalotoam-pitondrantena lehibe dia nitondra “fijaliana [fitsarana fanamelohana, MN] amin’ny afo maharitra mandrakizay” ho an’i Sodoma sy Gomora. Noho izany, aoka isika hanao izay ankasitrahan’i Jehovah mandrakariva ary tsy hiala amin’ny “làlan’aina” na oviana na oviana. — Salamo 16:11.

Tsy mba sahala amin’i Mikaela arikanjely, izay tsy nanao na dia ny nanameloka ny Devoly tamin’ny teny ratsy aza, ireo olona tsy tia an’Andriamanitra, fa niteny ratsy ny “manana voninahitra”, miharihary fa ireo izay manana voninahitra natolotr’Andriamanitra sy Kristy azy amin’ny maha-loholona voahosotra. Aoka isika tsy haneho tsy fahampiam-panajana ny fahefana avy amin’Andriamanitra!

Ny ohatra ratsy nomen’i Kaina, Balama, ary Kora no narahin’ireo olona tsy tia an’Andriamanitra. Nitondra fandrahonana ara-panahy azo oharina amin’ny harambato voasaron-drano izy ireo, ary sahala amin’ny rahona tsy misy rano sady maty sy sahala amin’ny hazo fararano [voaongotra] tsy misy voany, ny tenany. Ireo mpivadi-pinoana ireo koa dia mpimonomonona, mpimoimoy, ary ‘mpandoka olona mba hahazoany zavatra’.

Aza mitsahatra manohitra

Nanome torohevitra ny amin’ny hanoherana ny fitaoman-dratsy i Joda nanaraka izany. (Andininy faha-17-25). Hisy mpaniratsira amin’ny “andro farany”, ary tsy maintsy mizaka azy ireo sy ny teny fanarabiana ataony ny kristiana marina amin’izao andro izao. Mba hahatoherana ny fitaoman-dratsy toy izany, dia tokony hiorina amin’ny ‘finoana masina indrindra’ isika, hivavaka ao amin’ny fanahy masina, ary hitahiry ny tenantsika ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra raha mbola eo am-piandrasana ny hanehoana ny famindrampon’i Jesosy.

Hita fa rehefa nanao ny asan’ny mpampianatra sandoka ireo olona tsy tia an’Andriamanitra dia nitarika ny sasany hanana fisalasalana. (Ampitahao amin’ny 2 Petera 2:1-3.) Koa inona no ilain’ireo mpiroa saina? Tsy inona fa fanampiana ara-panahy mba hahavoasarika azy avy amin’ny “afo”, dia ny fandringanana mandrakizay! (Matio 18:8, 9). Nefa tsy voatery hatahotra izany fiafarana izany ny olona tia an’Andriamanitra satria hiaro azy ireo tsy ho “tafintohina [solafaka, MN]” ao amin’ny ota sy ny fandringanana miandry ny mpivadi-pinoana i Jehovah.

[Efajoro, pejy 30]

Vato voasarona: Nampitandrina ny kristiana namany tamin’ny ‘harambato voasaron-drano eo amin’ny fanasam-pifankatiavany’ i Joda. (Joda 12). Tamin’ny fisehoana ho mody tia ny mpiray finoana taminy, ny mpivadi-pinoana toy izany dia tahaka ny harambato be nifinifiny any ambany rano izay afaka nahatonga sambo ho rendrika na nanataka ny kibon’ny mpilomano sy nahafaty azy. Ny fanasam-pifankatiavana dia nety ho fisakafoana lehibe izay nanasan’ny kristiana nanana teo amin’ny ara-nofo ireo mpiray finoana taminy nahantra. Niteny toy izao i Chrysostom, Rain’ny Eglizy (347?-407 am.fan.ir.): “Nivory tao amin’ny fisakafoana lehibe niombonana izy rehetra: ny nanankarena moa nitondra sakafo ary ny nahantra sy ireo izay tsy nanana kosa nasaina; niara-nihinana ny sakafo niombonana izy rehetra.” Na toy inona na toy inona karazana fanasam-pifankatiavana tany am-boalohany, ny fampitandreman’i Joda dia nanampy ny nahatoky mba hitandrin-tena tamin’ny ‘harambato voasarona’ mpivadi-pinoana izay afaka nitarika hatramin’ny fahafatesana ara-panahy. Na dia tsy nodidiana hitana ny fanaovana fanasam-pifankatiavana aza ny kristiana, ary tsy tazonina izany amin’izao andro izao, dia mifanampy amin’ny lafiny ara-nofo kosa ny vahoakan’i Jehovah amin’ny fotoana ilàna izany ary manana fiombonana mahafinaritra izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara