Ny kristiana sy ny harena
MOA VE IANAO vao namaky tsy ela ny taratasin’i Paoly voalohany ho an’i Timoty, ary indrindra ireo andininy faha-6 ka hatramin’ny faha-19 ao amin’ny toko faha-6? Ao amin’io andalan-teny io ilay apostoly dia namaritra amim-pahaiza-mandanjalanja ny toerana tokony hotanan’ny harena eo amin’ny fiainan’ireo mpanompon’Andriamanitra. Rehefa naharay io taratasy io Timoty dia tany Efesosy, tanàna izay fanta-daza amin’ny harena be dia be. Ny kristiana nonina tao amin’io foibe lehibe ara-barotra io dia voatery niady tamin’ny fironana hihevitra ireo fananana eo amin’izao tontolo izao ho toy ny zava-dehibe indrindra misy. Raha fintinina dia ireto ny torohevitra nomen’ireo andininy vitsivitsy ireo ho azy ireo: Mianìna amin’izay anananao ary aza mitady ny hanan-karena. Fa raha ny amin’ireo efa manan-karena, dia aoka izy tsy hametraka ny fitokisany amin’ny fananana ara-nofo. Aoka ny rehetra hiseho ho manan-karena kosa amin’ny asa soa sy feno fahalalahan-tànana.
Ny fomba fijery ratsy ny harena dia tsy maintsy hahatonga ny kristiana hirona ho amin’ny fitsiriritana. Tsikelikely nefa azo antoka, izany dia hanjary ho mafy loatra aminy ka hahatonga azy higoragora avy eo, mba hitarika azy hitsahatra tsy hifikitra amin’ireo fampianaran’i Kristy tsara dia tsara. Raha vao niala tamin’ny fanjohin-kevitra mazavan’ny fahamarinana izy dia ho latsaka ao amin’ny fifandirana misesy amin’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona toy ny amin’ny any ivelany. Marina tokoa fa io làlana io dia tsy miteraka afa-tsy “fifandirana, fialonana, fifanaratsiana, fiahiahian-dratsy sy tsy marina. Eny, izany dia tsy mitondra afa-tsy fifandirana amin’ny olona diso hevitra, namoy ny hevitry ny fahamarinana. Tsy mahita ny fivavahana afa-tsy toy ny raharaham-bola izy ireny ary mino fa afaka mampiasa ny fitiavam-pivavahana mba hananan-karena.” — I Timoty 6:3-5, Kuen.
Araka izany dia misy olona mitady ny ‘hanan-karena’ amin’ny alalan’ny fifandraisany kristiana. Izy ireny dia diso ireo tena harena izay ny fitiavam-pivavahana ihany no afaka hanome azy dia “ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa”. Noho izany Paoly dia nanoro hevitra ny rehetra ‘hianina’ amin’ny ‘hanina sy fitafiana’. — I Timoty 4:8; 6:8.
Ho tianao ve ny hanan-karena?
Rehefa misehoseho ireo mpanan-karena, ny olona manodidina azy dia mahatsiaro tena ho ambany amin’ny ankapobeny, ka izany dia mety hiseho amin’ny fitsiriritana aloha, avy eo dia amin’ny faniriana mafy sy amim-pitsiriritana ny vola, na fara faharatsiny ny fananana izay azon’ny vola omena. Mety hitarika azy ireo hanao fanatsoahan-kevitra, amim-pahadisoana koa ny fialonana fa zon’izy ireo ny mahazo tombony amin’ireo mpanan-karena sy ny hareny amin’ny fanenjehana azy ireo ahazoana vola aminy, ary avy eo dia amin’ny fanaovana izay tsy handoavana izany. Soa ihany fa ao amin’ny I Timoty 6:6-16 Paoly dia manazava amintsika hoe nahoana ary amin’ny fomba ahoana no tokony hanalavirantsika fanirian-dratsy loatra toy izany.
◻ 6:6-8 — Mahalana ny harena no manome fianinana. Mifanohitra amin’izany kosa, izy io dia vokatry ny fitiavam-pivavahana mivantana foana. Ankoatr’izany, nahoana moa no hitsiriritra ny fananan’ny hafa? Mihelina ihany izy ireny, satria tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika ary tsy afaka hahatondra na inona na inona hiala.
◻ 6:9 — Tsy dia voatery ho ireo manan-karena indrindra ihany fa kosa “ireo izay ta-hanan-karena”, toy ny biby tsy manan-tsaina, mandrombaka ny jono maka fanahy, no latsaka ao amin’ny fandrika ary manjary voafatotry ny faniriana “mandratra” izay “mandetika” azy ireo ao amin’ny fahaverezana [ara-bakiteny “izay misintona azy ireny hatrany amin’ny farany”].
◻ 6:10 — Ny “fototry ny ratsy rehetra” dia avy amin’ny “fitiavam-bola”. Mba hahazoam-bola dia nanimba ny fahamarinana ny olona, nanaram-po tamin’ny fivarotan-tena, nangalatra, namono, namadika, ary namboamboatra ny fahamarinana ho enti-mamitaka. Tsy misy na inona na inona tsara mety ho avy amin’ny karazam-pitiavana toy izany. Nahoana? Satria mamaka ao amin’ny ratsy mihitsy izany. Koa satria ny ankamaroan’ny faka miavaka amin’ny fiafenany ao ambanin’ny tany, dia tsy mahagaga raha misy kristiana tsy malina manamavo ny hery ratsy rendremana ao amin’ny “fitiavam-bola”. ‘Amin’ny fitadiavana izany fatratra’, fa tsy hoe fotsiny noho ny fananana harena no nahatonga ny sasany ho “voavily niala tamin’ny finoana”. Ireny olona ireny dia ‘nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo’ ara-pihetseham-po, ara-batana ary ara-panahy tamin’ny fanandramana hahazo na hiaro ny fananana. Raha ny vola fotsiny ihany dia tsy mitondra fahasambarana velively.
◻ 6:11-16 — Tsy mikatsaka harena ny kristiana malina fa mandositra kosa ny fitsiriritana toy ny areti-mifindra. Tsy hoe ho lavitra izany loatra velively izy ireo. Mampiasa ny heriny izy hitadiavana toetra tsara toy ny “fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy”, mba hihazonana “ny fiainana mandrakizay” ary hiseho “tsy hanan-tsiny amam-pondro” eo anatrehan’i Jehovah, Jesosy Kristy ary ireo rahalahiny ao amin’ny finoana.
Manankarena ve ianao?
Ny kristiana sasany tamin’ny taonjato voalohany dia niaina tao amin’ny fahatondrahana. Nandova fananana izy ireny na nahazo izany tamin’ny fanaovana ny raharahany tamim-pahamarinana. Ohatra, tany Filipy, Lydia dia nivarotra na loko na lamba niloko. Koa satria ny lamba volomparasy na ireo akanjo niloko lafobe dia tsy isalasalana fa nanan-karena i Lydia. Nefa ahoana no nampiasany ny fananany? Tsy nampideradera izany izy fa nampiasa izany tamim-panetre-tena mba hanaporofoana ny tena fahalalahan-tànany kristiana sy hanasoavana ny fampielezana ny vaovao tsara. Soa ihany fa mbola misy sasany mampiseho izany toe-tsaina izany ihany. — Asa. 16:14, 15, 40.
Ao amin’ny I Timoty 6:17-19 Paoly dia manome torohevitra tsara an’ireo izay maniry hanaraka ny ohatr’i Lydia.
◻ 6:17 — Tsy hirehareha ny amin’ny harem-beny ireo mpanan-karena fa amporisihina kosa haneho fanetren-tena, tsy hihevi-tena ho ambony noho ireo tsy manana kokoa. Ny fomba fiainany dia tokony hanaporofo amin’ny rehetra fa nametraka ny fitokisany amin’Andriamanitra izy ireo fa tsy tamin’ny fananany. Raha toy izany no ataony dia tsy hisy na iza na iza afaka hilaza ara-drariny fa vato mahatafintohina ho an’ireo mahantra kokoa izy ireo. Tsy hamporisika ny fitsiriritana izy amin’ny famelomana faniriana. Ary ambonin’izany, tsy tokony hohadinoin’izy ireo fa kinangananga ny fananany ara-nofo ka mety ho levona haingana kokoa noho ny ranomandry tratry ny masoandro.
◻ 6:18, 19 — Ampiasao ny volanao mba hanompoana an’i Jehovah sy hanampiana ny hafa hanao izany. Paoly no milaza izany aminao. Amin’ny lafiny rehetra, ny kristiana dia amporisihina hiasa ho amin’izay rehetra tsara ara-panahy, hanampy an-tsitra-po ireo izay tena sahirana sy hankamamy ny fiarahana amin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona, anisan’izany ny mahantra sy tsotra indrindra.
Tokony hanatsoaka hevitra avy amin’izany ve fa ireo kristiana izay tsy manan-karena dia manana zo hangataka ny fiantran’ireo rahalahiny manana kokoa? Tsy izany velively. Araka ireo fotopoto-pitsipika voalaza ao amin’ny II Tesaloniana 3:10-12 sy ao amin’ny I Timoty 5:8, ny kristiana rehetra matanjaka dia manana andraikitra hamelona ny ankohonany. Araka izany raha misy olona tsy mety miasa dia tsy ilaina velively ny hanomezana vola azy. Azo atao ny milaza toy izany ny amin’izay mandanilany tsy amim-piheverana ny fananany. Tsy ilaina ny hanomezana azy bebe kokoa. Mifanohitra amin’izany kosa dia tsara ny manampy amin-katsaram-po, eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo, ireo kristiana mahatoky izay tena sahirana. Ireo mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona dia hanao am-po ny fanangonana any an-danitra harena izay hitondra tombony sarobidy ho azy ireo, dia valisoa ara-panahy avy amin’i Jehovah.
Mety ny hieritreretantsika rehetra ny toerantsika eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’i Kristy. Ao amin’ny Ohabolana 11:4 dia ahitantsika ity fampitandremana ity: “Ny harena dia tsy mahasoa amin’ny andro fahatezerana; fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ny fahafatesana.” Araka izany, nahoana no haniry hampiasa amin’ny fomba feno ity izao tontolo izao tsy maharitra sy madiva ho faty ity (I Korintiana 7:29-31)? Tsara lavitra kokoa ny mandositra ny fitsiriritana sy ireo vokany mampalahelo. Tsy manana ny mandrakizay isika mba hampahafantarana ny tenantsika amin’ny asa tsarantsika. Enga anie isika rehetra ho anisan’ireo izay manana harena tsy lany lanina any an-danitra! — Matio 6:20.
[Sary, pejy 29]
Lydia dia nampiasa ny fananany mba hampisehoana ny fahalalahan-tànany sy hampielezana ny vaovao tsara.