Ny fomba hahatongavana ho minisitra mahomby
“Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty (...) ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin’i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin’ny fiangonana [kongregasiona, MN]”. — I KORINTIANA 4:17.
1, 2.Inona moa no fepetra voalohany tsy maintsy fenoina mba hahatonga ny olona iray ho voasintona ho amin’ny fahamarinana (Asan’ny apostoly 8:12)?
TAORIAN’NY nandatsahana ny fanahy masina tamin’ny andro Pentekosta taona 33, dia nitombo haingana ny kongregasiona kristiana (Asa. 2:40-42; 4:4; 6:7; 11:19-21). Inona àry no fanalahidin’ny fahombiazany? Nahoana no nisy Jiosy be dia be toy izany, avy eo dia Samaritana sy Jentilisa be dia be toy izany nanaiky an’i Kristy sy ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra? — Asa 8:4-8; 10:44-48.
2 Misy fepetra maromaro tsy maintsy fenoina alohan’ny haneken’ny olona iray ny vaovao tsara kristiana. Voalohany indrindra, dia tsy maintsy ankasitrahany ny fahasoavan’Andriamanitra tamin’ny nanapahany hevitra haniraka ny zanany ho eto an-tany mba hanolo-tena ho fanati-panavotana. Izany indrindra no nampahafantarin’i Jaona, anankiray tamin’ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly rehefa nanoratra izy hoe: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.” — I Jaona 4:9, 10.
3. Nahoana moa no ilaina ny hahatsapana izay ilain’ny tena ara-panahy?
3 Ny fepetra hafa iray tena lehibe dia ny fihetsik’ilay olona eo anoloan’ny zava-tsarobidy ara-panahy. Hoy Jesosy: “Sambatra izay mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana.” (Matio 5:3, 6, MN). Ny olona mizahozaho iray izay mihambo ho marina, dia mandrakariva tsy mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy ary vao mainka tsy mora mandray ny fahamarinana. Rehefa misy Vavolombelon’i Jehovah mampahafantatra azy ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia matetika tokoa ny olona toy izany no mamaly hoe: ‘Tsy mahaliana ahy izany. Manana ny fivavahako aho.’ Toy izany koa, izay voatana tanteraka amin’ny raharahany ara-nofo dia tsy hanam-potoana hatokana amin’ny raharaha ara-panahy. — Matio 6:33, 34; 7:7, 8; Lioka 12:16-21.
4. Inona avy no fanontaniana hojerentsika?
4 Fa ahoana ny amin’ny olona izay “mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy” ka vonona ny hitady an’Andriamanitra sy ny Fanjakany? Ahoana no mety hahitana azy ireny sy hahafantarana azy? Misy zavatra azontsika atao ve, dia isika izay minisitry ny Tenin’Andriamanitra, mba hahatonga ny hafatra entintsika hazava kokoa? Ahoana no mety hahatonga antsika ho minisitra mahomby kokoa?
Inona avy no fomba hampiasaina?
5. Araka ny filazan’i Paoly, inona no hampianarin’i Timoty ny Korintiana?
5 Tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny kristiana tany Korinto, ny apostoly Paoly dia nilaza tamin’izy ireo fa nirahiny ho any aminy Timoty ka izy io dia ‘hampahatsiaro azy ireo ny fanaony [ny an’i Paoly] raha ny amin’i Kristy Jesosy’. Tsy ‘fanao’ no resahin’ny fandikan-teny sasany fa “lalana”, “fitsipi-pitondrantena”, fotopoto-pitsipi-piainana”. Ny profesora Thayer anefa (ao amin’ny Greek-English Lexicon of the New Testament nosoratany) dia manome izao filazana hevitr’io soratra resahina io izao: “Ireo fomba arahiko amin’ny maha-minisitra sy apostolin’i Kristy eo amin’ny fanaovana ny raharahako.” Koa satria namarana ny fehezanteniny i Paoly tamin’ny filazana hoe: “Tahaka ny ampianariko ao amin’ny kongregasiona”, dia mety ny hanatsoahana hevitra fa ny fanamarihany dia mahakasika koa ny asa fanompoany fa tsy ny fitondrantenany manokana amin’ny maha-kristiana fotsiny. — I Korintiana 4:17.
6. Nahoana moa no nandaitra ny fanompoan’i Jesosy?
6 Tsy nataotaon’i Jesosy fotsiny akory ny fanompoany. Nisy fomba fitoriana narahiny koa. Araka izany dia nampianariny tsara an’ireo apostoliny, ary taty aoriana dia an’ireo mpitory ny filazantsara 70 ny fomba fitoriana ahitam-bokatra. Nanome ohatra ho azy ireo izy tamin’ny fampiasana mandrakariva, fanoharana, fanontaniana sy teny ao amin’ny Soratra masina. Mbola izany ihany no fomba tsara indrindra amin’izao andro izao. — Lioka 9:1-6; 10:1-11.
7. Ahoana no azontsika ampahafantarana ny vaovao tsara amin’ny olona faran’izay betsaka?
7 Koa satria miankina amin’ny fanompoana kristiana ny fiainana na ny fahafatesan’ny olona mandrakizay, ahoana no azontsika ampitana ny vaovao tsara amin’ny olona faran’izay betsaka. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ahoana no mety hahatonga antsika ho ‘afaka amin’ny ran’ny olona rehetra’? Amin’ny fampiasana ny fahafahana hanompo rehetra, anisan’izany indrindra, raha raisina ny tenin’i Paoly, ny fanompoana “isan-trano”. Manambara toy izao ny famoaboasan-kevitra espaniola iray momba ny Asan’ny Apostoly 20:20: “Izany no fomba fitoriana nampiasain’i Paoly tany Efesosy.” — Asan’ny Apostoly 20:20-27.
Ny vato misakana voalohany
8, 9. a) Inona moa matetika tokoa no vato misakana voalohany tokony horesena eo amin’ny fanompoana? b) Nahoana moa Jesosy no afaka niresaka tamim-pahasahiana?
8 Matetika tokoa ny vato misakana tokony horesena voalohany eo amin’ny fanompoana dia ny tenantsika ihany. Ny kristiana sasany tokoa dia mirona hahatsiaro ho sakodiavatra, hieritreritra fa tsy vitany izany na tsy ampy fahaizana izy mba hiresahana amin’ireo olona hitany. Fa nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jesosy? Moa ve izy nampianarina tany amin’ireo sekolin’ny raby? Nahita fianarana ambony ve izy? Nanao ahoana ny fandraisan’ny olona ny fitoriany? Mamaly antsika toy izao i Matio: “Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan’Ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?” Marina fa tanteraka Jesosy, fa Zanak’Andriamanitra izy, nefa ireo mpianany izay tokony hanahaka azy ka ny ankamaroany dia “tsy mba mpahay lalàna”, dia afaka nampiasa ny fanaony. Ahoana tokoa no nandraisan’ireo fahavalony ara-pivavahana izany fanao izany? “Ary nony nahita ny fahasahisahian’i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy.” — Matio 13:54; Asan’ny Apostoly 4:13.
9 Fa avy taiza no nandraisan’i Jesosy izany zavatra rehetra nampianariny izany? Inona no nahatonga ny fanompoany hahavokatra toy izany? Sahala amin’ny ataon’ireo mpitory teny hita ao amin’ny televiziona, moa ve izy mampiasa loatra ny fihetseham-pon’ny mpihaino azy mba hananan-kery kokoa eo amin’izy ireny? Tsy izany velively. Nampiseho ny fahatsorana mihitsy ny tenan’i Jesosy. Nampiasa ny fitenim-bahoaka izy, ary nahatsapa ny nilainy ara-panahy ary indrindra, nahafantatra fa nandray soa tamin’ny fanohanan’ny Rainy izy. Nanantitrantitra mazava izany izy tao amin’ny synagogan’i Nazareta any Galilia, tanàna nonenany, rehefa nanambara fa nandray asa nanirahana, fanompoana, izy. Tamin’io andro io, dia namaky izao teny izao izy tao amin’ny horonambokin’Isaia mpaminany: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina, hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah. (...) Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra rehetra izany.” — Lioka 4:16-21.
10, 11. a) Tokony hanao ahoana ny fihetseham-pontsika eo anoloan’ny fanompoantsika? b) Nanao ahoana ny an’i Paoly?
10 Amin’izao androntsika izao, dia mandray soa amin’ny fanohanana sahala amin’izany isika eo amin’ny fanatanterahana ny fanompoantsika, dia ny an’i Jehovah Andriamanitra, Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Ny hafatra avy aminy, ny fahendreny, no torintsika. Miankina amin’ny teniny isika ary mampiasa izany be dia be eo amin’ny resaka ataontsika. Raha izany no izy, moa ve tokony hahatsiaro tena ho ambany isika rehefa hoe hitory amin’olona nahita fianarana kokoa na manan-karena kokoa noho isika?
11 Izao no avalin’i Paoly: “Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao? (...) Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.” — I Korintiana 1:18-29.
12. Miankina amin’inona ny fahombiazan’ny fanompoantsika (Jakoba 4:8)?
12 Ny fahombiazana amin’ny fanompoantsika dia tsy miankina na amin’ny nahitantsika fianarana na amin’ny niandohantsika ara-pianakaviana. Izany dia ateraky ny hafatra momba ilay Fanjakana mihitsy, dia hafatra mahatohina ny fon’ny olona mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy. Ny fahamoram-panahy asehon’i Jehovah amin’ireny olona ireny dia anton-javatra hafa iray miteraka fahombiazana. Izao tokoa no nolazain’i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy.” — Jaona 6:44.
13. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Paoly sy Barnabasy teo anoloan’ny fanoherana? b) Ahoana no azontsika itanana ny fifaliantsika eo amin’ny fanompoana?
13 Noho izany, raha miantehitra amin’ny fanohanan’i Jehovah isika, dia hahay hanao ny fanompoantsika amim-piaikena, toy ny nataon’i Paoly sy Barnabasy tamin’ny taonjato voalohany. Raha mbola nitory tany Ikonioma izy ireo, dia niteraka fisarahan-kevitra lehibe sy fanoherana sasany ny fanompoany. Nampihemotra azy ireo ve izany? Izao no tantarain’i Lioka: “Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin’ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin’ny fahasoavany ka nampanao azy roa lahy famantarana sy fahagagana.” Raha manaraka fihetsika tsy misalasala isika eo anoloan’ny olona monina ao amin’ny faritanintsika, ka mametraka amin’i Jehovah ny vokatry ny fanompoantsika, dia ho fifaliana ho antsika foana izany fa tsy ho enta-mavesatra. — Asan’ny apostoly 14:1-3; Jakoba 1:2, 3.
Ny fihetsiky ny olona
14. Ahoana no nandraisan’ny olona ny hafatra notorin’i Paoly?
14 Rehefa nitory Jesosy sy Paoly dia tsy nandray tsara azy foana akory ny mpihaino azy. Araka izany, nanao ahoana ny fihetsik’ireo Ateniana rehefa niteny tamin’izy ireo i Paoly? Izao no vakintsika: “Ary ny olon-kendry sasany tamin’ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian’io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan’ny maty no notoriny. Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay? Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray hianao”. — Asan’ny apostoly 17:18-20.
15. Ahoana no fandraisan’ny olona ny fanompoantsika? Inona no tsy tokony hohadinoina?
15 Tena tsy maintsy ekentsika fa ny hafatra entintsika sy ny fandikan’ireo fiasana fampitana hevitra azy mbamin’ny fahavalontsika, dia mety ho hafahafa faneno ao an-tsofin’ny olona. Amin’izany ny maro amin’izy ireny, voataonan’izay reny, dia mitompo teny fantatra ka mandefa antsika tsy mihaino akory. Ny hafa koa, toy ny nataon’ny Ateniana, dia manaiky hahafantatra bebe kokoa alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra. Mazava ho azy fa rehefa nihaino izy ireo, dia mbola mety hanamavo ihany ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana ho toy ny zavatra tsy azo inoana. Eritrereto anefa fa ny laviny dia tsy ianao fa Kristy sy ny hafatra entiny. — Asan’ny apostoly 17:32-34; Matio 12:30.
Vahiny, avy eo dia sakaiza
16. a) Ahoana no ho fandraisantsika raha misy vahiny tonga ao am-baravarantsika? b) Inona moa no tokony ho vokatry ny fampidiran-dresaka ataontsika?
16 Manao ahoana ny fihetsikao rehefa tonga ao am-baravaranao ny vahiny iray? Inona avy no fanontaniana tonga ao an-tsainao? Izao angamba: Iza io? Inona no tadiaviny? Hiteraka fahasahiranana ho ahy ve izy? Tadidio izany fony isika tonga tao am-baravaran’olona tamin’ny naha-mpitory. Tokony hanome toky ilay olona ny teny fampidiran-dresaka ataontsika. Ahoana anefa no hanaovana izany? Inona no natoron’i Jesosy mba hatao fampidiran-dresaka? Izao no nolazainy? “Ary raha vao miditra ao amin’ny trano hianareo, dia miarahabà ny ao. Koa raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy mendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.” — Matio 10:12, 13.
17. Amin’ny ahoana ny fampidiran-dresaka ataontsika no mety tsy hahasakodiavatra ny olona iresahantsika?
17 “Aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo.” Ahoana no tokony handraisana izany? Rehefa manao fanompoana isika dia mirary ny hahatongavan’ny fiadanantsika eo amin’ny olona tsirairay avy sy ny isan-tokantrano. Ireo tenintsika voalohany àry dia tokony hampiharihary fa minisitr’Andriamanitra tia fihavanana isika. Amin’izao andro izao ny Jiosy sy ny miozilimana dia mbola mampiasa izao fitenenana izao: “Ho aminareo anie ny fiadanana” na: “Fiadanana” (“Shalom ‘alékhem” na “Shalom” amin’ny teny hebreo; “Assalam ‘alaïkoum” na “Salam” amin’ny teny arabo). Mazava ho azy fa ny fomba fiarahabantsika ny olona dia ho arakaraka ny fanao eo an-toerana, noho izany dia ho hafa arakaraka ny tany. Mitovy anefa ny zava-kendrena: manao izay tsy hahasakodiavatra an’ilay olona mba hihainoany ny hafatra momba ilay Fanjakana. Amin’izany, dia hahasoa angamba ny hilazana ny anaranao sy ny hilazana mazava mihitsy aza ny hoe aiza no monina ianao. Hasehonao amin’izany fa tsy misy na inona na inona tokony hafeninao. Hiharihary amin’ny rehetra amin’izay ny anton’ny fitsidihanao sy ny fanaovanao ny marina. Amin’izany ianao dia hanaraka izao torohevitr’i Paoly izao: “Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” — Romana 12:17, 18.
18. Inona no fitsipika tokony harahintsika foana eo amin’ny fanaovana ny fanompoantsika?
18 Na isan-trano no anaovantsika ny fanompoantsika na eny amin’ny arabe dia jeren’ny rehetra isika. Tsy tokony hisy hokianina na hanafintohina na iza na iza foana àry ny fihetsika asehontsika sy ny tenintsika. Nefa, na dia tokony hampahafantatra ny tenantsika amim-pahalemem-panahy sy amim-pihavanana aza isika, dia tsy mety ny miala tsiny be. Tsy menatra ny ho minisitr’Andriamanitra ampahibemaso isika. — Marka 8:38.
19, 20. a) Ahoana no azo anatonana eny amin’ny arabe olona vitsy teny? b) Nahoana moa Jesosy no nahomby tsara tamin’ny fanombohan-dresaka tamin’ny olona?
19 Any amin’ny tany sasany dia vitsy teny ny olona. Misy sakodiavatra rehefa manatona azy ny tena eny amin’ny arabe mba hanipy hevitra aminy hamaky gazety. Raha izany no izy, nahoana raha mampiasa fomba tsy misehoseho kokoa mba hitenenana aminy? Amin’ny fanehoana fahaiza-mandanjalanja dia azo atao ny mampidi-dresaka amin’ny olona iray toa tsy maika ka rehefa avy eo vao mampiseho aminy ireo boky momba ny Baiboly amin’ny fomba tsotra.
20 Tsy isalasalana fa havanana tokoa Jesosy tamin’io karazam-pitoriana io. Koa satria tamin’ny ankapobeny dia nanamavo ny Samaritana sy ny vehivavy ny Jiosy, dia nampiasa fahaiza-manavaka be dia be i Jesosy rehefa niresaka tamin’ny vehivavy Samaritana iray nanana fitondrantena tsy ara-dalàna teo am-pantsakan’i Jakoba. Ny resaka nanaraka izany dia ohatra faka tahaka raha ny amin’ny fanaovana fanambarana tampotampoka na eny amin’ny arabe. Izany koa dia ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fampianarana voamariky ny fangoraham-po sy manorina. — Jaona 4:5-30.
21. Fepetra tena lehibe hafa inona no misongadina tsara amin’ny fanompoan’i Paoly?
21 Misy anton-javatra anankiray hafa tena lehibe koa izay tokony hoheverina rehefa manomboka miresaka ny vaovao tsaran’ny Fanjakana isika. Kinga tamin’io lafiny io i Paoly. Aoka hojerentsika raha voamarikao io anton-javatra io tao amin’ny sasantsasany amin’ireo fampidiran-dresaka nataon’i Paoly hita ao amin’ny Asan’ny apostoly 13:16-20; 17:22 sy As 22:1-3. Mariho fa tamin’ny toe-javatra tsirairay avy dia nitady izay hifanarahana tamin’ny mpihaino azy izy aloha. Nipetraka teo amin’ny toeran’izy ireo izy ary nihevitra ny nisy azy na ny fiainany ara-pivavahana teo aloha, hany ka nihaino azy ireo na dia tsy niray hevitra taminy aza. Amin’izany fomba izany koa, dia azonao atao ny manorina fifandraisana amin’ny olona iresahanao, ny milazalaza hevitra iombonanareo. Misy ankizy ve ao an-trano? Amin’izay, raha ray na renim-pianakaviana ianao, dia misy zavatra iombonanao amin’ilay olona, ka angamba izany ho fiandohan’ny resaka amim-pisakaizana hahafahanareo miresaka ny hafatra momba ilay Fanjakana. — Matio 18:1-6.
22. Fanontaniana inona avy no tokony hovaliana izao?
22 Fiaingana fotsiny anefa ireo fanipazan-kevitra ireo. Inona moa ireo dingana hafa tokony hatao mba hamokarana mpianatra vaovao amin’ny farany? Eny, inona koa no mbola ilaina mba hanampiana olona hampifamatotra fifandraisana manokana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy? Inona avy no toetra hahatonga ny fanompoanao hisy vokany kokoa?
Ahoana no havalinao?
◻ Inona moa no sasantsasany amin’ireo fepetra tsy maintsy fenoina alohan’ny haneken’ny olona iray ny hafatra momba ilay Fanjakana?
◻ Ahoana no azo andresena ny hasarotan-kenatra na ny fahatahoran’ny tena eo amin’ny fanaovana ny fanompoana?
◻ Inona no tokony ho zava-kendrentsika amin’ny fampidiran-dresaka ataontsika rehefa mitory ilay Fanjakana isika?
◻ Amin’ny ahoana ny ohatra nomen’i Jesosy sy Paoly no mety hanampy antsika hanatona ny olona?
[Sary, pejy 17]
Nampianarin’i Jesosy an’ireo mpianany ny fomba mandaitra mba hanaovana ny fanompoany.
[Sary, pejy 19]
Inona avy no fanontaniana tonga ao an-tsainao rehefa tonga ao am-baravaranao ny vahiny iray?