FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ny fetran’ny fahafahana
    Ny Tilikambo Fiambenana—1986 | 1 Febroary
    • olombelona dia notanana an-tsoratra sy notehirizina mba hahafahantsika mahalala ny fomba tsara indrindra tokony hitondrana ny fiainantsika (II Timoty 3:16, 17). Lazalazain’ny Baiboly toy izao ny hatsaran’ireny lalàna ireny: “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso.” — Salamo 19:7, 8.

      Izay maniry ho velona amin’ny tsy firaharahana izay rehetra mety ho fetra amin’ny lafiny ara-pitondrantena dia sahala amin’ny olona iray mandeha ao amin’ny sambo tsy manana kompà na familiana intsony. Samy mivily lalana izy ireo ka tokony ho hitany indray ny lalana tsara raha tsy tiany ny hiharan’ny vokany mampidi-doza. Mametraka fanontaniana lehibe iray àry izany: afaka ho tody soa aman-tsara amin’ny fitondrana ny fiainantsika tsy miankina amin’Andriamanitra ve isika?

  • Tsy miankina amin’Andriamanitra: nahoana no tsy hety izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1986 | 1 Febroary
    • Tsy miankina amin’Andriamanitra: nahoana no tsy hety izany?

      “MILA ny milalao aho!” “Mankaleo ahy ny filazana amiko izay tokony hataoko!” “Avelao amin’izao aho!” Mety hampiseho fitiavana tsy fiankinana ny teny milaza fahatezerana toy izany. Indraindray aza ireo teny ireo dia re eo am-bavan’ny kristiana sasany.

      Ahoana no mety hahatonga azy ireo ho azon’ny fitiavana tsy fiankinana, ka tonga hatramin’ny tsy fitiavana hiankina amin’Andriamanitra intsony? Mandrakariva izy ireny dia manomboka manaraka fiheverana miolakolaka ny amin’ny didin’i Jehovah (Salamo 73:2, 13, 14). Heveriny ho vato misakana ny fiadanany ireo lalàn’Andriamanitra fa tsy fomba fiarovana ny fahasambarany. Voafitaky ny rendrarendran’izao tontolo izao ratsy izy, ka manjary mino fa tsy mba mahita fahafinaretana maro. Ary ianao? Ahoana no fiheveranao ny tsy fiankinana raha ny amin’Andriamanitra?

      Zava-manahirana nisy hatramin’ny ela

      Tsy vao omaly no nisy ny faniriana hiala amin’ny fahefan’Andriamanitra; mila ho efa niara-nisy tamin’ny olombelona izany. Niseho niaraka tamin’i Satana Devoly ny fitiavana tsy fiankinana. Namitaka an’i Eva, vehivavy voalohany, izy io ka nitarika azy hieritreritra fa azo antoka fa ho sambatra kokoa izy raha afaka tamin’ny fitarihan’ny Mpamorona azy. Nino Eva fa ny fihetsika tsy miankina toy izany dia hanokatra ny masony ho amin’izao tontolo izao feno zavatra mahatalanjona sy fifaliana nafenin’Andriamanitra taminy. — Genesisy 3:1-5; Apokalypsy 12:9.

      Jamban’ny faniriany feno fitiavan-tena vao niforona i Eva ka nanasa ny vadiny hiaraka taminy tamin’ny asa fikomiany. Nifidy ny hanjary tsy hiankina amin’Andriamanitra koa Adama. Inona anefa no vokany? Nanome toerana ho an’ny alahelo ny fahasambarana. Nanomboka nahazo, tsy an’i Adama sy Eva ihany, fa ny taranany rehetra koa, ny fahotana, ny henatra, ny aretina, ny fanaintainana sy ny fahafatesana. — Genesisy 3:6, 16-19; Romana 5:12.

      Tantarain’ny Baiboly fa nisy anjely koa tapa-kevitra ny hiditra ao amin’ny lalan’ny tsy fanekena an’Andriamanitra, tamin’ny fitadiavana fahafinaretana tsy ara-dalàna niaraka tamin’ny ‘zanakavavin’ny olona izay tsara tarehy’. Nitondra ho azy ireo ny tena fahafahampo ve izany fihetsika tsy niankina izany? Tsia. Tsy izany no hita fa onjam-pahalotoam-pitondrantena sy herisetra, hany ka tapa-kevitra Jehovah ny handrava izao tontolo izao ratsy. Ireo anjely tsy nanaiky dia tonga demonia izay mampiely ankehitriny eo amin’ny olombelona io toe-tsaina tia manohitra io ihany, dia ny fitiavana fikomiana. — Genesisy 6:1-7, 11; Efesiana 2:2; Joda 6-12.

      Mila ny fitarihan’Andriamanitra isika

      Ireo zava-nitranga vao avy nojerentsika ireo dia tokony hanampy antsika hahazo tsara ity fahamarinana tena lehibe ity: mba hahitana fiainana sambatra sy mahafapo, dia tokony hanaiky hotarihin’Andriamanitra ny olombelona. Izany no anankiray amin’ireo antony nanamafisan’ny Baiboly hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Fahizay, Solomona mpanjaka hendry dia niaiky fa mampidi-doza ny manorina fiheverana manokana mba hiainana tsy miankina amin’ny fitarihan’Andriamanitra. Izao no nosoratany: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.” — Ohabolana 14:12.

      Aoka hohazavaintsika amin’ny alalan’ny ohatra roa io hevitra io. Raha mandika ny toromarika omen’ireo seranam-piaramanidina azy ny mpamily rehetra ka mametraka ny fiaramanidiny amin’izay toerana sy fotoana tiany, hisy tsy fananana ahiahy ve amin’ny fandehanana ana habakabaka? Raha tsy miraharaha ny planina ireo mpiasa amin’ny antokon’olona mpanorin-trano iray ka manapa-kevitra ny hanao ny asany araka izay itiavany azy fotsiny ny tsirairay, karazan-trano hanao ahoana no hipoitra avy eo amin’ny tany. Misy fianarana azo tsoahina avy amin’ireo toe-javatra roa ireo: tsy mety hisy ny fifandrindrana ao anatin’ny fitambaran’olona iray raha tsy misy fanaraham-pitsipika.

      Tsy misy mihitsy tsara toerana kokoa noho Jehovah, Mpamorona ny olombelona, mba hanoro antsika ny lalana tokony harahintsika. Amin’ny maha-Mpamorona azy, fa tsy zavaboary olombelona, Jehovah Andriamanitra dia manana zo feno hametra fitsipika izay araka izany no tokony hiainan’ireo zavaboariny manan-tsaina. Mahalala ny fetran’ny mety ho vitantsika izy. Hainy tsy misy diso ny hoe aiza ny tsipika mampisaraka ny fahasambarana sy ny alahelo (Asan’ny apostoly 17:26, 27). Ireo fanandraman-javatra eo amin’ny fiainana dia mitondra porofo isan’andro fa mahomby tokoa ny lalan’Andriamanitra. Izany no lalana tsara indrindra tokony harahintsika.

      Tsy mamela antsika ho ao anatin’ny tsy fahalalana Jehovah raha ny amin’ny fiheverany; amim-pitiavana no ilazany mazava toy izao ao amin’ny Teniny, ny Baiboly: “Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina [hanao zavatra amim-pahendrena, MN ].” (Josoa 1:8). Nohazavain’ny apostoly Paoly ny hoe amin’ny ahoana ireo fitsipik’Andriamanitra no mihatra hatraiza hatraiza. Izao no lazainy ao amin’ny II Timoty 3:16 sy 17: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”

      Manasa antsika Jehovah mba hitsapa ny didiny ‘hamantarana ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina’. (Romana 12:2.) Mazava ho azy fa mba hahatratrarana izany zava-kendrena izany, dia tena ilaina ny handalinana ny Baiboly. Na vao haingana isika no nandinika ny Baiboly na hatramin’ny am-polony taona maro, dia zava-dehibe ny hikendrentsika ny hahazo fahalalana marina sy fahaiza-manavaka tsara ny sitrapon’Andriamanitra. Raha tsy ampiharintsika ny fahaizantsika hevi-javatra amin’ny fampiasana azy, dia tsy hanana fahitana mazava foana ireo didin’i Jehovah isika. — Hebreo 5:14.

      Mihazakazaka manatona ny loza aman’antambo ny olona izay manitsakitsaka ireo lalàn’Andriamanitra. Voatery misetra vato misakana betsaka loatra izy ka tsy afaka mahatratra ny zava-kendreny amin’ny fiankinana amin’ny fiheveran’ny tenany manokana. Voalohany indrindra, dia tsy maintsy mifanandrina amin’ny herin’i Satana sy ireo demonia mahery noho ny olombelona sy ankolaka izy (I Jaona 5:19; Apokalypsy 12:12). Manaraka izany, dia ao ny fandehan-javatra ankehitriny izay milomano ao anatin’ny fitiavana tsy fankatoavana sy fitiavan-tena mihoapampana (Efesiana 2:2; I Jaona 2:15-17). Farany, dia mazava ho azy fa tsy maintsy manohitra ny fahalemen’ny tenany sy ny fironana mamitaky ny fony izy (Salamo 51:3-5; Jeremia 17:9, 10). Raha fintinina, ny miaina tsy misy fitarihan’i Jehovah dia hadalana sahalahala amin’ny mamily fiarakodia tsy misy “volant”.

      Namela ny ohatra tsara indrindra Jesosy raha ny amin’ny fanekena ny fahefan’Andriamanitra. Na dia tanteraka aza izy, dia izao no nolazainy ny amin’ny tenany: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray.” (Jaona 5:19). Tsy velona mba hanao araka izay tiany i Jesosy. Indray mandeha koa izy dia nanambara hoe: “Tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany. Ary Izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.” (Jaona 8:28, 29). Irinao ve ny hanaiky an’io fotopoto-pitsipika io izay nohajain’i Jesosy? — I Petera 2:21.

      Ny vidin’ny fanekena ny fitarihan’Andriamanitra

      “Andriamanitra sambatra” Jehovah. (I Timoty 1:11, MN.) Tsy manam-pikasana ny hanaisotra amintsika ny fahasambarana na fifaliana sy fahafinaretana mahasoa izy. Saintsaino kely ny teny mazava voatantara ao amin’ny Romana 1:28-32. Asehon’ireo teny ireo fa tsy mitarika afa-tsy vokany manimba ny tsy fanekena an’Andriamanitra. Izao tokoa no vakintsika ao amin’ny Baiboly:

      “Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao, ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo, — feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otripo, — mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra; dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no mendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.”

      Etsy andaniny koa, ireo izay mifidy ny hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra dia amporisihina hiala amin’ny toetrany taloha miaraka amin’ny fitiavany tsy fiankinana, ka hanolo izany amin’ny toetra vaovao araka ny endriky ny an’i Kristy. Ny fitafiana an’io toetra vaovao io dia milaza fahatongavana ho be hatsaram-po, feno fitiavana amim-piraiketam-po, sy famelana heloka malalaka (Efesiana 4:20-32). Izany koa dia fanehoana ny vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra, dia “ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy, ny fifehezan-tena”. — Galatiana 5:22, 23, MN.

      Rehefa avy nijery ireo karazan-toetra roa ireo ianao, azonao atao ve ny milaza hoe karazan’olona manao ahoana ianao? Iza amin’ireo toetra roa ireo no ho tianao ho hita eo amin’ireo izay ifaneraseranao?

      Afa-tsy izany koa, ny Baiboly dia mampahafantatra antsika fa amin’ny ho avy akaiky dia akaiky dia hiharan’ny fandringanana avy amin’ny tanan’Andriamanitra ny ratsy fanahy rehetra (II Petera 3:7; II Tesaloniana 1:7-9). Nambaran’i Jesosy Kristy fa alohan’ny hanadiovan’Andriamanitra ny tany indrindra, ny olona amin’ny ankapobeny dia tsy hiraika amin’ny fanarahana ireo didin’Andriamanitra tsy misy hafa amin’ny tamin’ny andron’i Noa (Lioka 17:26-30). Noho izany antony izany dia ilaina maika dia maika ny hahatsapantsika amin’ny fomba feno ny hasarobidin’ny fitsipik’Andriamanitra. Mba hahatafita velona antsika, dia zavatra tena ilaina tokoa izany amin’izao andro izao, sahala amin’ny nilan’i Noa azy tamin’ny androny.

      Araka izany àry, mifanohitra amin’izay manao ny sitrapon’Andriamanitra, izay maniry ny tsy hiankina amin’ny Mpamorona dia tsy mahita ny tena fahasambarana. Ireo izay manaiky ny fitarihan’Andriamanitra dia handray ho valisoa ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany feno olona ho nitafy ny toetr’i Kristy. — Salamo 37:27-29.

      [Sary, pejy 5]

      Karazan-trano hanao ahoana no hananantsika raha tsy miraharaha ireo planina ny mpiasa tsirairay avy ka miasa araka izay tiany?

      [Sary, pejy 6]

      Afaka mandeha amin’ny fiarakodia ianao, nefa mba hanaovana izany tsy misy ahiahy tanteraka dia tokony ho ao anatin’ny fetra voatendrin’ny lalàna ihany no handehananao.

  • ‘Nampahafana ny foko izany’
    Ny Tilikambo Fiambenana—1986 | 1 Febroary
    • ‘Nampahafana ny foko izany’

      Any Angletera no monina i Burt. Nandany enina herinandro izy tany Aostralia tao an-tranon’i Eric rahalahiny sy ny vadin’io, izay Vavolombelon’i Jehovah. Noho izy hafa finoana, dia nisalasala i Burt rehefa nanasa azy ho tonga tao amin’ny fivoriana iray tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny rahalahiny. Nanaitra ny sainy aoka izany anefa ny fandraisana azy tamim-pitiavana sy hafanam-po, hany ka rehefa tafaverina tany Angletera izy dia nanoratra ho an’ilay kongregasiona izao taratasy fisaorana izao:

      “Voatery milaza aho fa tsy Vavolombelona ny tenako, satria mpikambana mafana fo ao amin’ny Fiangonana anglikana aho. Somary tamim-panahiana àry no niarahako tamin’i Eric sy Joan tany amin’ny fotoam-pivavahany ny alahady.

      “Raha ny marina, dia tena diso aho nanana ahiahy. Saika ny kongregasiona manontolo dia nandray ahy tamim-pirahalahiana sy tamim-pahatsorana aoka izany. Tetsy andaniny koa anefa dia nampahafana ny foko ny nahatsiaro fa na dia vahiny tanteraka teo aminareo aza aho, dia noraisina tsara, tsy dia toy ny mpitsidika loatra fa toy ny mpikambana tao amin’ny kongregasiona.

      “Marina fa tsy azoko daholo akory izay natao sy nolazaina. Rehefa nandeha anefa aho tamin’ny faran’ny fivoriana, dia tsapako fa nitondra zavatra be dia be ho ahy io fanandraman-javatra io. Afa-tsy izany koa, dia manontany tena aho hoe nahoana ny fitiavana sy ny fahatsorana nandritra ny fanompoana no tsy azo naely eto amin’ity izao tontolo izao misamboaravoara misy antsika ity.

      “Mihevitra anareo amim-pitiavana tokoa,

      Burt B.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara