FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/8 p. 3-6
  • Haramagedona — Rahoviana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Haramagedona — Rahoviana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona moa ny Haramagedona?
  • Iza no ho mpandray anjara?
  • Nahoana no hatao io ady io?
  • Aiza no hitrangan’izany?
  • Rahoviana no hitranga ny Haramagedona?
  • Izay hotanterahan’ny Haramagedona
  • Hara-Magedona hafa noho ireo hevitra voaray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Inona no Atao hoe Ady Aramagedona?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fiandohan’ny Fiadanana ny Hara-magedona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Ny Haramagedona voalaza ao amin’ny baibolyNy Haramagedona voalaza ao amin’ny baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/8 p. 3-6

Haramagedona — Rahoviana?

“EO AN-TOKONAN’ny Haramagedona isika ary miady ho an’ny Tompo.” Tamin’ireo teny ireo no nampiharan’i Theodore Roosevelt, prezidàn’i Etazonia taloha, ny teny hoe “Haramagedona” tamina ady ara-politika izay nahatafiditra azy. Tokony hitady ny hevitry ny teny hoe Haramagedona eo amin’ny sehatra ara-politika ve isika?

Taona vitsivitsy lasa izay, ny gazety kanadiana Business Life, dia namoaka lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Haramagedona ara-toekarena”. Nanontany toy izao ny lohateny kely iray: “Moa ve ny tsy fandoavan’ny tany mahantra ny trosany mety hahatonga ny firodanan’ny toekarentsika?” Nefa moa ve isika tokony hihevitra ny Haramagedona ho loza ara-toekarena?

Araka ny gazety Newsweek, dia nanjary fototry ny ady hevitra ny faran’izao tontolo izao tamin’ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana ny prezidàn’i Etazonia tamin’ny 1984. Tamin’io fisehoan-javatra io, dia nanontaniana i Ronald Reagan, prezidàn’i Etazonia tamin’izay “raha mino marina izy fa mizotra ho amin’ny ‘Haramagedona noklehera’ izao tontolo izao. Niaiky i Reagan fa nanao ‘dinidinika filôzôfika’ mikasika ny fifanandrifian’ny zava-mitranga ankehitriny amin’ny famantarana ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly momba ny andro farany ny tenany; nanantitrantitra anefa io lehiben’ny mpifehy miaramila io fa tsy niteny na oviana na oviana izy hoe ‘tokony hiomana ho amin’ny Haramagedona isika’ ”. Nefa, moa ve ny fikarohana ataontsika mikasika ny dikan’ny Haramagedona tokony hifantoka amin’ny fihetsiketsehana ara-tafika izay mandrahona ny hanao fandripahana noklehera?

Mpivavaka maro no milaza fa ny Haramagedona dia ady. Teo am-piandohan’ny taonjato faha-19 anefa, dia izao no nosoratan’i Adam Clarke, mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly: “Mahatsikaiky ny vinavinan-kevitr’olombelona momba io raharaha io! Tao anatin’ireo roapolo taona faramparany, dia natao tany amin’ny toerana samihafa io ady io, araka ny filazan’ireo mpahita jamba tanteraka sy ireo milaza tena ho mpaminany nahazo tsindrimandry eo amintsika! Indray mandeha, dia i Austerlitz izany, tamin’ny fotoana iray dia i Moscou, avy eo dia i Leipzig, ary izao dia i Waterloo! Ary toy izany no nanohizany sy mbola hanohizany mampifangaro hevitra sy ho very hevitra.”

Miharihary fa mampipoitra fanontaniana iankinan’ny aina sasany ny fikarohana ny dikan’ny Haramagedona. Inona moa ny Haramagedona? Raha ady izy io, iza no handray anjara amin’izany? Inona no antony hanaovana io ady io? Aiza no hanaovana izany? Ary rahoviana no hitranga ny Haramagedona?

Inona moa ny Haramagedona?

Ny teny hoe “Haramagedona” dia avy amin’ny teny hita ao amin’ny Apokalypsy, boky ao amin’ny Baiboly izay malaza amin’ny fomba fiteniny ara-panoharana. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly tao: “Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin’ny vavan’ilay dragona sy tamin’ny vavan’ilay bibi-dia ary tamin’ny vavan’ilay mpaminany sandoka. Fa fanahin’ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ny mpanjaka amin’izao tontolo izao, mba hanangona azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha. (...) Ary nangoniny ho any amin’ny tany atao amin’ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.” — Apokalypsy 16:13-16.

Haramagedona, na Hara-Magedona, no dikan-tsoratra grika mifanitsy amin’ny teny hebreo hoe Har Meghiddôn midika hoe “Tendrombohitr’i Megido” na “Tendrombohitra fiangonan’ny andiany”. Mifamatotra amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” izany. Noho izany, Haramagedona dia tsy ady kely ara-politika, na loza ara-toekarena, na fandripahana noklehera, na ady ifanaovan’ny olombelona. Raha ny marimarina kokoa, ny Haramagedona dia adin’Andriamanitra.

Iza no ho mpandray anjara?

Ireo fanahy maloto telo tahaka ny sahona dia nivoaka avy tamin’ny vavan’ilay dragona (Satana devoly), sy ny an’ilay biby dia (ny fandaminany ara-politika eto an-tany), ary ny an’ilay mpaminany sandoka anglisy amerikana. Ireo teny ara-tsindrimandrin’ny demonia na anjely ratsy ireo no manangona ny mpanjakan’ny tany, na mpanapaka, ho ao Haramagedona. — Jereo ny toko faha-32 amin’ny boky La Révélation: le grand dénouement est proche! navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

Amin’ny ady Haramagedona dia ho eo anilan’i Jehovah ny andian-tafika lehibe dia lehibe voaforon’ny hery ara-panahy tsy hita maso tarihin’i Jesosy Kristy Mpanjaka. Nitantara toy izao ny apostoly Jaona: “Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy, dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany [Jesosy] sy iadiany. (...) Ary ny antokon’ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy (...). Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin’ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha. Ary manana anarana voasoratra amin’ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN’NY MPANJAKA SY TOMPON’NY TOMPO.” (Apokalypsy 19:11-16). Ny sabatra maranitra sady lava dia mampiseho ny fahefan’i Kristy hibaiko ny famonoana izay rehetra tsy mety manohana ny Fanjakan’Andriamanitra (Apokalypsy 1:16, 2:16). Misy hery tsy hita maso lehibe tokoa vonona ho amin’ny ady Haramagedona.

Manohitra izany i Satana sy ny demoniany sesehena ary ireo mpanjakan’ny tany onenana manontolo. Tsy tokony hieritreritra ny amin’ireo mpanapak’izao tontolo izao eo amin’ny fanjakana hita maso fotsiny isika, satria tafiditra amin’izany koa ny vahoaka entiny. Izao no nambara mialoha: “Fa Jehovah dia tezitra amin’ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ny miaramilany rehetra ny fahatezerany.” — Isaia 34:2.

Nahoana no hatao io ady io?

Hatao ny ady Haramagedona satria marina Andriamanitra ary tsy handefitra amin’ny faharatsiana ela intsony (Salamo 11:7). Noho izany dia tokony hopotehina ny fandaminan’i Satana Devoly, tafiditra amin’izany na demonia na olombelona mpikomy, izay tompon’andraikitra amin’ny faharatsiana sy ny loza hatramin’ny an’arivony taona maro (Jereo Genesisy 3:15). Hohamarinina ny fiandrianan’i Jehovah manerana izao rehetra izao ao Haramagedona, ary hanadio ny anarany amin’ny fanalam-baraka natototra azy hatramin’ny taonjato maro izany ady izany. Izao no nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminaniny: “Ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masina, ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah.” — Ezekiela 39:7.

Raha ny marina dia hanakana ny fandringanana ny taranak’olombelona manontolo ny adin’Andriamanitra ao Haramagedona. Namorona ny tany mba honenana i Jehovah fa tsy hopotehina ao amin’ny ady termônoklehera hifanaovan’ny olombelona na hanjary tsy ho azo iainana amin’ny fomba hafa (Isaia 45:18). ‘Hanimba izay manimba ny tany’ izy. (Apokalypsy 11:18.) Izao anefa no nambaran’ny mpanao salamo: “Jehovah no Mpanjaka; ary izao rehetra izao [hebreo, tévél; ny tany, sady mahavokatra no onenana, ny faritra onenana amin’ny bolantany] voaorina ka tsy hihetsika.” — Salamo 96:10.

Izay hataon’Andriamanitra ao Haramagedona dia hifanaraka tanteraka amin’ny toetrany lehibe toy ny fahamarinana, ny fahendrena, ny hery ary ny fitiavana (Deoteronomia 32:4; Joba 12:13; Isaia 40:26; 1 Jaona 4:8). Hamely ny “mpanota ratsy fanahy” izy fa tsy ny marina akory (Joda 14, 15). ‘Ny ratsy fanahy ihany no hatolony ho an’ny sabatra’. (Jeremia 25:31.) Izany dia hisava lalana ho an’ny fanorenana indray ny paradisa, ho fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany sy ny taranak’olombelona. — Lioka 23:43.

Aiza no hitrangan’izany?

Koa satria ny teny hoe “Haramagedona” dia avy amin’ny fitenenana hebreo midika hoe “Tendrombohitr’i Megido”, dia mety hanatsoaka hevitra angamba ny sasany fa hatao any amin’ny toerana avo malaza mitondra io anarana io ilay ady. Tsy nisy mihitsy anefa tendrombohitra nantsoina hoe Megido. Tany amin’ny zato kilaometatra any avaratra andrefan’i Jerosalema no nisy vohitra, na tanàna nantsoina hoe Megido, nefa havoana kely boribory eo amin’ny 20 metatra eo ho eo ny haavony sisa izao no manamarika ilay toerana. — Josoa 17:11.

Nahatsinjo ny “lohasahan’i Megido” io tanàna tranainy io. (2 Tantara 35:22.) Mety ny fampifandraisana ny Haramagedona (na Hara-magedona) amin’io faritra manodidina io satria sehatry ny ady fanapahan-javatra izy io. Teo, ohatra, no namelan’Andriamanitra an’i Baraka mpitsara hamely tamim-pandresena an’i Jabina mpanjaka kananita sy ny heriny ara-tafika notarihin’i Sisera (Mpitsara 4:12-24; 5:19, 20). Teo amin’io toerana io no nandresen’i Gideona sy ny tarika kely nananany ny Madianita ka nampandosirany azy (Mpitsara 7:1-8:35). Mbola teo koa no nahafaty an’i Ahaza sy Josia mpanjaka. — 2 Mpanjaka 9:27; 23:29, 30.

Mety anefa ny manamarika fa io lohasaha lemaka, antsoina koa hoe lemak’i Esdrelona io, dia tsy mirefy afa-tsy 32 kilaometatra ny halavany ary 29 kilaometatra ny sakany eo amin’ny tendrony atsinanana. Tsy ho omby ny mpanjakan’ny tany onenana manontolo sy ny heriny ara-tafika mihitsy ny velarana kely toy izany. Ankoatra izany, dia tsy tendrombohitra na ny havoana (ny havoana kelin’i Megido) na ny lemaka. Mazava amin’izany àry fa tsy ho voafetra any amin’ny faritra be tendrombohitra any Atsinanana Afovoany akory ny Haramagedona. Na dia nandray ny heviny sasany avy amin’i Megido sy izay zavatra nitranga tao amin’io faritra io aza ny Haramagedona (na Hara-magedona), izy io dia mampiseho ny toe-javatra maneran-tany.

Rahoviana no hitranga ny Haramagedona?

Koa satria tao amin’ny tanin’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny no nisy an’i Megido, izay hitranga ao Haramagedona dia mifandray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao “andro farany” izao (Daniela 12:4). Hara-magedona dia manondro ny “toerana” iangonan’ny mpitondra ara-politikan’ny tany izay anoherany an’i Jehovah sy ny Fanjakany tarihin’i Jesosy Kristy (Apokalypsy 16:14, 16). Milaza toe-javatra maneran-tany anefa io “toerana” (grika topos) io. Ho tonga ny Haramagedona rehefa hitombo ny toe-javatra iray izay hahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany.

Maharomotra an’i Satana Devoly ny fanambinana ara-panahin’ny Vavolombelon’i Jehovah, hany ka tsy ho ela izy dia handefa fanafihana faran’izay mafy amin’ireo kristiana toa tsy manam-piarovana. Voalazalaza ao amin’ny Ezekiela toko faha-38 sy faha-39 io fanafihana maneran-tany hataon’i Satana na Goga io. Eo ambanin’ny herin’ny Devoly, ireo firenena dia hamely ny vahoakan’i Jehovah tia fihavanana nangonina avy amin’ny firenena rehetra. Eny, ny fanoherana avy amin’i Satana dia hiseho amin’ny fihetsiketsehana mitambatra hatao hamelezana ny mpanompon’i Jehovah eto an-tany, dia ireo solontena hita maso sady mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra.

Matetika ny ady iray dia fantatra amin’ny anaran’ilay toerana nanaovana azy. Noho izany, dia azo antsoina hoe ady Haramagedona ny fiarovana mahery hataon’Andriamanitra amin’ny vahoakany. Rehefa hitsangana i Jehovah mba hiaro ny mpanompony amin’ny fanafihan’i Goga, dia ho eo am-pitrangana izay ny Haramagedona! Hirodana ny fitondran’olombelona. Ny oram-be mivatravatra, ny havandra vaventy mpanimba zavatra, ny filatsahan’ny afo sy solifara, ny areti-mifindra — izay tena ho avy amin’Andriamanitra — dia hiteraka fahatairana sy tahotra any ivelan’ny laharan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hampiasa ny fiadiany hamelezana ny namany ihany ireo fahavalo olombelona. Ary ireo izay tsy matin’izany fifamelezana famonoan-tena izany, dia hofongoran’Andriamanitra. — Ezekiela 38:18-23; Daniela 2:44.

Ao anatin’ny horohoro no hanaingan’ny ny olona tsirairay ny tanany hamely ny namany ao anatin’ny ady hatao mba hahatafita velona, ho feno firehetana nefa tsy hahavita na inona na inona (Zakaria 14:12, 13). “Ary amin’izany andro izany ny voavonon’i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa; tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.” (Jeremia 25:33). Hamoizanao ny ainao izay rehetra mety ho fanandramana hitoetra hialanalana ao Haramagedona. Ary araka izay voaporofo matetika ato amin’ity gazety ity amin’ny alalan’ny Soratra masina, dia tsy ho lany ny taranaka ankehitriny alohan’ny hahatongavan’ny Haramagedona! — Matio 24:21, 34.

Izay hotanterahan’ny Haramagedona

Hanafoana ny sisa tavela farany amin’ny fandaminan’i Satana eto an-tany ny Haramagedona. Ankoatra izany, dia hatsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa ny Devoly sy ireo demoniany (Apokalypsy 20:1-3). Fitahiana toy inona re no hirotsaka eo amin’ny vahoakan’i Jehovah, ireo ho tafita velona falifaly amin’ny adiny lehibe ao Haramagedona! Amim-pifaliana no hanaovan’izy ireo ny asa fanorenana indray izay hanova ny tany manontolo ho paradisa, tsy hisy fandotoana, fanaintainana, alahelo, ranomaso ary fahafatesana (Apokalypsy 21:3, 4). Ary afaka ny ho eo ianao raha mandatsaka am-po ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.” (Salamo 37:34). Marina tokoa fa afaka ny ho velona ianao mba hahita ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha, ary mba ho anisan’ireo ho tafita velona sambatra rehefa hipoaka ny Haramagedona!

“Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra [Jehovah, MN ].” — 2 Petera 3:11, 12.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Haramagedona dia tsy ady kely ara-politika, loza ara-toekarena, fandripahana noklehera, na adin’olombelona. Haramagedona dia ny adin’Andriamanitra.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Ny adin’Andriamanitra ao Haramagedona, dia hisakana ny fandringanana ny taranak’olombelona manontolo.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Hamoizanao ny ainao ao Haramagedona, izay rehetra mety ho fanandramanao hialanalana amin’ny adin’Andriamanitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara