Manomeza voninahitra an’i Jehovah — Nahoana ary amin’ny fomba ahoana?
“Izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no hatao tsinontsinona.” — 1 SAMOELA 2:30, MN.
1. Iza avy no omena ireo loka Nobel, inona avy ireo loka ireo, ary ahoana no fiheveran’ny maro izany valisoa izany?
ISAN-TAONA dia misy fikambanana skandinavianina efatra manome loka Nobel an’ireo izay ‘nanolotra ny soa lehibe indrindra ho an’ny taranak’olombelona nandritra ilay taona teo aloha’. Ireo loka dia omena noho ny zava-bita teo amin’ny lafin-javatra enina samy hafa nanaovana fiezahana. Ny loka Nobel dia heverin’ny maro ho ny fanomezam-boninahitra lehibe indrindra azo atolotra olombelona iray.
2. Iza no hadinon’ireo mpanome loka Nobel, ary nahoana Izy io no mendrika indrindra ny homem-boninahitra?
2 Na dia tsy misy maha-ratsy azy aza ny manome voninahitra olona izay mendrika izany, moa ve ireo izay manolotra izany mba efa nieritreritra ny hanome voninahitra ilay Mpanao soa ho an’ny taranak’olombelona lehibe indrindra? Io Mpanao soa io dia ilay nanolotra soa tsy hita isa ho an’ny taranak’olombelona hatramin’ny namoronany ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany, 6 000 taona lasa teo ho eo izay. Ny tsy fahaizana nanome voninahitra azy hita matetika dia mety hampahatsiahy antsika ny tenin’i Eliho, sakaizan’i Joba fahizay, izay nanao izao fanamarihana izao: “Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ny alina (...)?” (Joba 35:10). Ilay Mpanao soa ho antsika lehibe dia mbola manohy manao izany ka ‘mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana’. (Asan’ny apostoly 14:16, 17; Matio 5:45). Marina tokoa fa i Jehovah dia ilay Mpanome “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. — Jakoba 1:17.
Ny hevitry ny hoe manome voninahitra
3. Inona avy ireo teny hebreo sy grika lehibe indrindra adika hoe “voninahitra”, ary inona avy no heviny?
3 Ny teny hebreo lehibe indrindra nadika hoe voninahitra, ka·vohdhʹ, dia midika ara-bakiteny hoe “havesarana”. Ny olona iray omena voninahitra àry izany dia heverina ho toy ny manan-danja, mampiaiky volana na manam-bidy. Ilaina ny manamarika fa io teny hebreo hoe ka·vohdhʹ io dia nadika matetika koa ao amin’ny Soratra masina hoe “laza”, ka izany dia manondro ny maha-mampiaiky volana na maha-lehibe ilay olona omem-boninahitra. Ny teny hebreo hafa iray, ny hoe yeqarʹ, nadika hoe “voninahitra” ao amin’ny Soratra masina, dia nadika koa hoe “sarobidy” sy “zava-tsarobidy”. Ao amin’ny Soratra hebreo àry, ny teny hoe voninahitra dia mifandray amin’ny laza sy ny hasarobidy. Ny teny grika nadika hoe “voninahitra” ao amin’ny Baiboly dia ny hoe ti·meʹ, ary izy io koa dia mampita ny hevitra hoe fiheverana ambony, vidiny, hasarobidy.
4, 5. a) Inona no hevitry ny hoe manome voninahitra olona iray? b) Tarehin-javatra inona voatantara ao amin’ny Estera 6:1-9 no mampiseho izay tafiditra amin’ny hoe manome voninahitra?
4 Araka izany, ny olona iray dia manome voninahitra ny olona hafa iray amin’ny fanehoana aminy fanajana sy fiheverana lalina. Ho ohatra iray ny amin’izany, dia diniho ilay tarehin-javatra voatantara ao amin’ny Baiboly momba ilay Jiosy nahatoky atao hoe Mordekay. Indray mandeha i Mordekay dia nanala sarona ny fiokoana natao hamonoana an’i Ahasoerosy mpanjakan’i Persia fahiny. Tatỳ aoriana, tamin’ny alina iray tsy nahitany tory, dia tonga tao an-tsain’ilay mpanjaka ny asa nataon’i Mordekay. Nanontany ny mpanompony izy hoe: “Inona moa no fisandratana [voninahitra, MN] sy voninahitra [zava-dehibe, MN] mba efa nomena an’i Mordekay noho izany?” Namaly ireo hoe: “Tsy mbola nisy nomena azy.” Nahavelom-pisainana azy indrindra izany! Namonjy ny ain’ny mpanjaka i Mordekay, kanefa ny mpanjaka tsy nahay naneho fankasitrahana. — Estera 6:1-3.
5 Noho izany, tamin’ny fotoana nety, dia nanontany an’i Hamana praiminisiny i Ahasoerosy ny amin’ny fomba tsara indrindra hanomezam-boninahitra olona iray tian’ny mpanjaka. Avy hatrany i Hamana dia nanjohy hevitra anakampo hoe: “Koa iza indray moa no ho tian’ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?” Koa nilaza àry i Hamana fa tokony hampanaovina “akanjo fiandrianana” sy hampitaingenina “soavaly izay efa nitaingenan’ny mpanjaka” izany olona izany. Namarana toy izao izy: “[Aoka izy] ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra.” (Estera 6:4-9).
Nahoana i Jehovah no mendrika ny homem-boninahitra
6. a) Iza, ambonin’ny hafa rehetra, no mendrika ny homentsika voninahitra? b) Nahoana ny teny hoe “lehibe” no milazalaza tsara an’i Jehovah?
6 Nandritra ny tantara manontolo, dia nisy olombelona nomem-boninahitra, matetika na dia tsy mendrika izany akory aza izy ireny. (Asan’ny apostoly 12:21-23). Kanefa iza, ambonin’ny hafa rehetra, no mendrika ny homem-boninahitra? Mazava ho azy fa i Jehovah Andriamanitra! Mendrika ny homentsika voninahitra izy noho ny fahalehibeazany tsotra izao. Ampiharina aminy matetika ny teny hoe “lehibe”. Izy no ilay Lehibe, ilay Mpanao lehibe, ilay Mpamorona lehibe, ilay Mpanjaka lehibe, ilay Mpampianatra lehibe, ilay Tompo lehibe. (Salamo 48:2; Mpitoriteny 12:1, MN; Isaia 30:20, MN; 42:5, MN; 54:5, MN; Hosea 12:15 [14, MN]). Izay lehibe dia heni-kaja noho ny fiamboniany, feno voninahitra, misandratra, manana toetra ambony, miavaka noho ny fahambonian-toetra ary mahatahotra. Tsy azo ampitahaina amin’ny hafa i Jehovah, tsy misy mitovy aminy mihitsy ary ambony noho ny hafa rehetra izy. Nanamarina izany ny tenany tamin’ny filazana hoe: “Hampitovinareo amin’iza moa Aho, sy amin’iza no hanoharanareo Ahy, ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?” — Isaia 46:5.
7. Firy fara fahakeliny ireo fomba azo ilazana fa tsy manam-paharoa i Jehovah, ary nahoana no azo lazaina fa tsy manana ny mitovy aminy izy raha ny amin’ny fahefana?
7 Tsy manana ny mitovy aminy mihitsy i Jehovah Andriamanitra amin’ny lafiny miavaka tsara fito fara fahakeliny, ka izany dia manome antony voafaritra tsara tokony hanomezam-boninahitra azy. Voalohany indrindra, i Jehovah Andriamanitra dia mendrika ny voninahitra lehibe indrindra satria tsy manan-tsahala raha ny amin’ny fahefana izy. Ilay Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao i Jehovah Tompo — fara tampony izy. Mpitsara antsika izy, Mpanome lalàna antsika ary Mpanjakantsika. Izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany dia ampamoahina eo anatrehany avokoa; kanefa izy dia tsy ampamoahina eo anatrehan’iza na iza. Mety mihitsy ny ilazalazana azy ho toy ny “lehibe sy mahery ary mahatahotra”. — Deoteronomia 10:17; Isaia 33:22; Daniela 4:32 [4:35, MN].
8. Nahoana no azo lazaina fa tsy manan-tsahala i Jehovah a) raha ny amin’ny toerana tanany? b) raha ny amin’ny fisiany mandrakizay?
8 Faharoa manaraka izany, i Jehovah Andriamanitra dia mendrika ny voninahitra lehibe indrindra satria tsy manan-tsahala raha ny amin’ny toerana tanany izy. Ilay “Iray avo sy manerinerina” izy, “Ilay Avo Indrindra”. Tsy takatry ny saina mihitsy ny fisandratany ambony lavitra noho ny zavaboariny rehetra eto an-tany! (Isaia 40: 15; 57:15; Salamo 83:18). Fahatelo, i Jehovah Andriamanitra dia tsy maintsy homena voninahitra ambonin’ny rehetra satria tsy misy tahaka azy raha ny amin’ny fisiany mandrakizay. Izy irery no tsy nanam-piandohana mihitsy satria misy mandrakizay ka ho mandrakizay izy. — Salamo 90:2; 1 Timoty 1:17.
9. Amin’ny ahoana i Jehovah no tsy manana ny mitovy aminy a) raha ny amin’ny lazany? b) raha ny amin’ny toetrany fototra?
9 Fahefatra, i Jehovah Andriamanitra dia mendrika ny voninahitra lehibe indrindra noho ny halehiben’ny lazany manokana. “Rain’ny fanazavana any an-danitra” izy. Mamirapiratra aoka izany ny tenany ka tsy misy olona afaka hahita azy ka mbola ho velona. Tena mahatonga tahotra miharo fanajana marina tokoa izy. (Jakoba 1:17; Eksodosy 33:22; Salamo 24:10). Fahadimy, isika dia tsy maintsy manome ny voninahitra lehibe indrindra ho an’i Jehovah Andriamanitra noho ireo toetrany mahatalanjona. Manana ny hery rehetra izy, hany ka tsy misy fetra ny heriny; manana ny fahendrena rehetra izy, hany ka tsy misy fetra ny fahendreny; tanteraka izy raha ny amin’ny rariny; ary izy no fisehoan’ny fitiavana mihitsy. — Joba 37:23; Ohabolana 3:19; Daniela 4:34 [4:37, MN]; 1 Jaona 4:8.
10. Amin’ny ahoana no tsy misy tahaka an’i Jehovah a) raha ny amin’ny asa famoronana sy fananana? b) raha ny amin’ny anarany sy ny lazany?
10 Fahenina, i Jehovah Andriamanitra dia mendrika ny voninahitra lehibe indrindra azo omena noho ireo asa famoronana lehibe nataony. Amin’ny maha-Mpamorona ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany azy, dia izy koa no Tompo lehiben’ny zavatra rehetra. Mamaky toy izao isika ao amin’ny Salamo 89:11: “Anao ny lanitra, Anao koa ny tany”. Fahafito, i Jehovah Andriamanitsika dia mendrika ny voninahitra ambonin’ny hafa rehetra satria tsy misy mitovy aminy mihitsy, tsy manan-tsahala izy, raha ny amin’ny anarany sy ny lazany. Izy irery no mitondra ny anarana hoe Jehovah, izay midika hoe “Manao izay hisiana Izy”. — Jereo Genesisy 2:4, MN, fanamarihana ambany pejy.
Ny fomba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah
11. a) Inona avy ireo fomba hahafahantsika manome voninahitra an’i Jehovah? b) Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa manome voninahitra an’i Jehovah tokoa isika amin’ny fatokiana azy?
11 Noho ireo toetra tsaran’i Jehovah rehetra, amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika manome voninahitra azy? Araka ny ho hitantsika izao, dia afaka manome voninahitra azy isika amin’ny fanehoana tahotra sy fanajana fatratra azy, amin’ny fankatoavana azy, amin’ny fanekena azy amin’ny lalantsika rehetra, amin’ny fanaovana fanomezana, amin’ny fanahafana azy, amin’ny fanaovana fangatahana aminy. Azontsika atao koa ny manome voninahitra azy amin’ny finoana azy, amin’ny fatokiana azy na inona na inona mitranga. “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra”, hoy ny fampirisihana omena antsika. Manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra àry isika raha mandray azy amin’ny teniny. Ohatra, izy dia nanao hoe: “Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana [noho ny tahotra], fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy [manampy, MN] anao”. (Ohabolana 3:5; Isaia 41:10). Ny tsy fatokiana azy amin’ny fomba feno dia ho toy ny tsy fanomezam-boninahitra azy.
12. Inona no anjara asa tanan’ny fankatoavana sy ny tahotra eo amin’ny fanomezam-boninahitra an’i Jehovah?
12 Ny fomba iray hanomezam-boninahitra an’i Jehovah Andriamanitra mifandray akaiky amin’izany dia amin’ny fankatoavana azy. Ary ny tena zava-dehibe amin’ny fankatoavana azy dia ny tahotra araka an’Andriamanitra, eny, tahotra ny hanao izay tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Mampiseho ny fifandraisana misy eo amin’ny fahatahorana sy ny fankatoavana ireo teny nolazain’i Jehovah tamin’i Abrahama taorian’ny nanandraman’i Abrahama tamim-pankatoavana hanolotra an’i Isaka zanany ho sorona. “Hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra hianao”, hoy i Jehovah. (Genesisy 22:12). Rehefa niresaka ny amin’izay tsy maintsy aloan’ny zanaka amin’ny ray aman-dreniny ny apostoly Paoly, dia nampiseho koa fa miaraka foana ny fankatoavana sy ny fanomezam-boninahitra olona. (Efesiana 6:1-3). Amin’ny fankatoavantsika ireo didin’Andriamanitra, izay tsy mavesatra, àry dia manome voninahitra an’i Jehovah isika. Tsy misy hiadian-kevitra fa ny tsy fankatoavana an’i Jehovah Andriamanitra dia ho toy ny tsy fanomezam-boninahitra azy. — 1 Jaona 5:3.
13. Hanosika antsika hanana toe-tsaina manao ahoana momba ireo asantsika sy fikasantsika ny fanomezantsika voninahitra an’Andriamanitra?
13 Fanampin’izany, afaka manome ny voninahitra mendrika an’i Jehovah Andriamanitra isika amin’ny fanarahana ny torohevitra ao amin’ny Ohabolana 3:6 manao hoe: “Maneke Azy [eny, mahatsiarova azy] amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao”. Manome ho antsika torohevitra tsara mitovy amin’izany i Jakoba mpianatra. Tsy tokony hizotra amin’ny fiainana amim-patokian-tena isan’andro isika, ka hatoky ny fahaizan’ny tenantsika manokana, fa tokony hilaza kosa hoe: “Raha sitrapon’i Jehovah, dia ho velona izahay ary hataonay izao na izany.” (Jakoba 4:15, MN). Taona maro lasa izay, dia fanaon’ny Mpianatra ny Baiboly iraisam-pirenena ny nanampy ilay fanafohezan-teny hoe D.V., avy amin’ny hoe Deo volente, izay midika hoe “Andriamanitra maniry”, tamin’izay fanambarana rehetra nataony momba ny hoavy.
14. a) Fihetsika manao ahoana momba ny fiezahantsika no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny hanome voninahitra an’Andriamanitra? b) Fihetsika inona no miharihary, mifandray amin’ny famoahana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower?
14 Manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra koa isika amin’ny fanehoana fihetsika manetry tena, ka milaza fa avy aminy izay fahombiazana rehetra mety ho azontsika. Nanao izao fanamarihana mety izao momba ny fanompoany ny apostoly Paoly: “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.” (1 Korintiana 3:6, 7). Marina tokoa fa niahy ny amin’ny hanomezana ny voninahitra mendrika an’Andriamanitra fa tsy ny tenany na olombelona hafa i Paoly. Araka izany, amin’izao andro izao, ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower dia tsy mampahafantatra ireo izay nanoratra azy ireo, ary ireo mpanoratra dia mitandrina mba tsy hahafantaran’ny hafa izay nosoratany tao amin’izy ireny. Amin’izany fomba izany, dia mifantoka amin’ilay fanazavana, izay natao mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, ny saina fa tsy amin’olombelona na iza izany na iza.
15. Fisehoan-javatra inona no mampiseho fa sarotra amin’ny olona sasany ny mahatakatra ny fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah tena araka ny izy?
15 Io fomba fanaovan-javatra amin’ny fampifantohana ny saina amin’i Jehovah, ka noho izany dia amin’ny fanomezam-boninahitra azy io, dia mahagaga ny sasany. Taona vitsivitsy lasa izay, rehefa nametaka ny fanamafisam-peo ho an’ny lahateny ampahibemaso iray hatao tao amin’ny Central Park any New York ireo Vavolombelona dia nandefa ireo “cassettes” Mélodies du Royaume ho fanandramana. Nisy mpivady niakanjo tsara nandalo nanontany ny iray tamin’ireo Vavolombelona teo hoe inona ilay mozika nandeha. Noheveriny fa Vavolombelona koa ilay mpivady ka hoy izy hoe: “Ilay Mélodies du Royaume fahefatra izany.” “Eny, fa iza no nanao ilay mozika?”, hoy ny fanontanian’izy ireo. Namaly ilay Vavolombelona hoe: “Tsy fantatra anarana ilay nanao azy.” Namaly ilay mpivady hoe: “Tsy misy izany hoe mpanao mozika karazan’izany ka tsy fantatra anarana.” Hoy kosa ilay Vavolombelona hoe: “Misy izany eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Eny, manao izany izy ireo mba hanomezana ny voninahitra rehetra an’i Jehovah Andriamanitra!
16. Amin’ny fomba samihafa inona avy no ahafahantsika mampiasa ny feontsika mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah Andriamanitra?
16 Ny fomba hafa iray hanomezana voninahitra an’i Jehovah dia ny fampiasana ny molotsika mba hanaovana fanambarana momba azy. Raha tena miahy marina ny amin’ny fanomezana voninahitra azy isika, dia ho malina tsara hizara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Afaka manao izany isika amin’ny fandehanana isan-trano sy amin’izay fomba hafa rehetra azontsika atao, ary tsy hohadinointsika koa ny fahafahana hanao fanambarana tsy ara-potoana. (Jaona 4:6-26; Asan’ny apostoly 5:42, MN; 20:20). Ambonin’izany, dia manana fahafahana maro hanomezana voninahitra ny Andriamanitsika isika amin’ny alalan’ny vavantsika any amin’ny fivorian’ny kongregasionantsika, amin’ny fanomezana fanazavana sy amin’ny fiaraha-mihira amim-pahatsorana ireo hiran’ilay Fanjakana. (Hebreo 2:12; 10:24, 25). Eo amin’ny resaka ifanaovantsika isan’andro, dia afaka manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny molotsika koa isika. Amin’ny fanaovana fiezahana kely fotsiny, dia azontsika atao ny manodina ny resaka ho tonga fitaovana mampahatanjaka ara-panahy, ary izany dia hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra. — Salamo 145:2.
17. a) Amin’ny ahoana no ifandraisan’ny fitondrantena tsara sy ny fanomezantsika voninahitra an’i Jehovah? b) Inona no vokatra entin’ny fitondrantena ratsy?
17 Na dia tsara dia tsara aza ny manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny molotsika, dia ilaina koa ny manome voninahitra azy amin’ny alalan’ny fitondrantenantsika. I Jesosy dia nanameloka ireo izay nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny molony, kanefa ny fony dia lavitra aoka izany Azy. (Marka 7:6, MN). Tsy maintsy mitondra fanalam-baraka an’i Jehovah Andriamanitra ny fitondrantena ratsy. Ohatra, ao amin’ny Romana 2:23, 24, isika dia mamaky hoe: “Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’Andriamanitra ihany va hianao amin’ny andikanao ny lalàna? Fa araka ny voasoratra, dia hianareo no itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny jentilisa.” Tao anatin’ireo taona faramparany dia nisy an’arivony maro ireo voaroaka avy tao amin’ny kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah. Azo inoana fa nisy betsaka kokoa noho izany aza ireo izay nanaraka fitondrantena mahafa-boninahitra tsy voaroaka satria nampiseho fihetsika nibebaka marina tokoa. Ireo rehetra ireo dia nanome voninahitra an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny molony, fa tsy nanao izany kosa tamin’ny alalan’ny fitondrantenany.
18. a) Tsy maintsy miahy ny amin’inona ny sasany amin’ireo nahazo tombontsoa lehibe dia lehibe raha tiany ny hanome voninahitra mendrika an’i Jehovah? b) Amin’ny ahoana no ampisehoan’ny tarehin-javatra nitranga tamin’ny mpisorona sasany tamin’ny andron’i Malakia ny ilàna haneho fiahiana ny amin’izany?
18 Ireo izay mandany ny fotoanany amin’ny lafiny samy hafa amin’ny fanompoana manontolo andro — na any amin’ny Betela izany, na eo amin’ny asan’ny mpitety faritany na misionera, na amin’ny maha-mpitory maharitra — dia manana tombontsoa lehibe dia lehibe raha ny amin’ny fahafahana hanome voninahitra an’i Jehovah. Tsy maintsy manao izay asa nanendrena azy hataony amin’ny fomba tsara indrindra araka izay azony atao izy ireo, amin’ny fisehoana ho ‘mahatoky amin’ny kely indrindra sy amin’ny be’. (Lioka 16:10). Amin’ny fomba sasany, ny toerana mendri-kaja tanan’izy ireo dia nasehon’ny an’ireo mpisorona sy Levita teo amin’ny Isiraely fahiny tsara an’ohatra fa tsy tandindona akory. Kanefa, noho ny fanaovana tsirambina nasehon’ny mpisorona sasany tamin’ny andron’i Malakia, dia hoy i Jehovah tamin’izy ireo: “Raha Ray Aho, aiza ary izay hajako [voninahitra ho ahy, MN]? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy?” (Malakia 1:6). Nanamavo ny anaran’Andriamanitra ireo mpisorona ireo tamin’ny fanolorana biby jamba, nandringa ary narary ho sorona. Raha tsy miezaka mafy mba hanao amin’ny fomba tsara indrindra araka izay azony atao ireo izay manana tombontsoam-panompoana manokana, dia izy ireo indrindra no mety hiharan’ny fanamelohana nomen’i Jehovah Andriamanitra ireny mpisorona ireny. Tsy hanome voninahitra an’Andriamanitra araka ny tokony hataony izy ireo amin’izany.
19. a) Araka ny marihina ao amin’ny Ohabolana 3:9, inona koa no fomba fanampiny iray hanomezam-boninahitra an’i Jehovah? b) Inona no fomba lehibe dia lehibe hafa iray hanomezam-boninahitra an’i Jehovah?
19 Ny fomba hafa iray hahafahantsika manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra dia amin’ny fanaovana fanomezana ara-bola ho an’ny asa fitoriana maneran-tany izay nahazoan-dalana avy aminy. “Mankalazà [manomeza voninahitra, MN] an’i Jehovah amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra”, hoy ny fampirisihana omena antsika. (Ohabolana 3:9). Fahafahana iray hanomezam-boninahitra an’i Jehovah Andriamanitra izay tsy tokony hataontsika tsirambina ny tombontsoa hanao fanomezana toy izany. Afaka manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra koa isika amin’ny vavaka ataontsika amin’ny fiderana sy fisaorana azy. (1 Tantara 29:10-13). Raha ny tena izy, satria isika manatona azy amim-panetren-tena sy amim-panajana lalina, ny fanatonantsika an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka mihitsy dia efa fanomezam-boninahitra azy.
20. a) Iza no fahita fa omen’ny olona voninahitra eo amin’izao tontolo izao, ary amin’ny fomba ahoana no anaovany izany? b) Amin’ny fanarahana baiko inona no mbola hahafahantsika manome voninahitra an’i Jehovah koa?
20 Amin’izao andro izao, dia manome voninahitra ireo izay derainy ny olona maro be, ny tanora indrindra indrindra, amin’ny fanahafana azy ireny — amin’ny fitenenana tahaka azy sy amin’ny fanaovan-javatra tahaka azy. Matetika dia olo-malaza eo amin’ny fanatanjahan-tena na eo amin’ny sehatry ny fialam-boly ireo olona tahafiny. Mifanohitra amin’izany anefa, amin’ny maha-kristiana antsika, isika dia tokony hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fiezahana hanahaka azy. Nampirisika antsika hanao izany ny apostoly Paoly, tamin’ny fanoratana hoe: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala; ary mandehana amin’ny fitiavana”. (Efesiana 5:1, 2). Eny, amin’ny fiezahana mafy mba hanahaka an’i Jehovah, dia manome voninahitra azy isika.
21. a) Inona no hahatonga antsika ho ampy fitaovana mba hanomezana dera sy voninahitra an’i Jehovah? b) Inona avy ireo valisoa omen’i Jehovah an’ireo izay manome voninahitra azy?
21 Marina tokoa fa misy fomba maro hahafahantsika sy tokony hanomezantsika dera sy voninahitra an’Andriamanitra. Aoka tsy hohadinointsika na oviana na oviana fa amin’ny fandraisana sakafo tsy tapaka avy amin’ny Teniny ary amin’ny fahafantarana azy tsara kokoa hatrany, dia ho afaka kokoa ny hankalaza azy isika. Inona avy ireo valisoa ho azontsika avy amin’izany? “Izay manome voninahitra Ahy”, hoy i Jehovah, “no homeko voninahitra.” (1 Samoela 2:30, MN). Amin’ny farany i Jehovah dia hanome voninahitra ireo mpanompony amin’ny fanomezana azy ireo fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana, na any an-danitra ho mpiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy Zanany, na eto an-tany Paradisa.
Tadidinao ve?
◻ Iza no omen’ny olona olombelona voninahitra, ary iza no fahita fa hadinon’izy ireo ny manome voninahitra azy?
◻ Inona no hevitry ny hoe manome voninahitra olona iray, ary inona avy ireo fomba hahafahana manao izany?
◻ Inona avy no sasany amin’ireo antony fototra mahatonga an’i Jehovah Andriamanitra ho mendrika ny homena voninahitra?
◻ Inona avy no sasany amin’ireo fomba hahafahantsika manome voninahitra an’i Jehovah?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no anomezan’i Jehovah valisoa ireo izay manome voninahitra azy?