-
‘Mitadiava fihavanana ka araho izany’Ny Tilikambo Fiambenana—1984 | 15 Janoary
-
-
12 Araka ny lazain’ny Romana 13:1, 4, ny “fahefana lehibe” eo amin’izao tontolo izao ankehitriny angamba dia nametraka hery sasany ho fitandroana ny filaminana, ohatra ny polisy izay mitam-piadiana ara-dalàna mba hiarovana ny olom-pirenena sy ny fananan’izy ireo. Koa satria ireny fahefana leferin’Andriamanitra ireny aseho ho toy ny ‘mpanompon’Andriamanitra, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy’, dia azon’ny kristiana atao ara-dalàna ny mangataka na mandray fiarovan’ireny hery natao ho an’ny vahoaka ireny. Na dia heveriny fa ilaina aza ny miaro tena sy miaro ny ankohonan’ny tena amin’ny fampiasana izay rehetra ho azony raisina, dia tsy tokony hampiasa fiadiana fitifirana ny kristiana. Tsy hitady izay hamaliana hahazoana ny rariny irery koa izy. Any amin’ny tany maro aza, ny lalàna dia mandrara ny fananana fiadiana fitifirana ho fiarovan-tena. — Matio 22:21; jereo Eksodosy 22:1.
13 Nefa moa ve ny kristiana anefa tsy ho afaka hanao fanazaran-tena amin’ny fahaizana miady toy ny kung-fu sinoa mba hahaizana miaro tena? Aoka homarihintsika aloha fa io fahaizana tatsinanana io, ny mahafaty indrindra amin’ny rehetra, dia ny moanina bodista “zen” avy ao amin’ny monasiteran’i Shaolin, any amin’ny fidinana amin’i Songstan, anankiray amin’ireo tendrombohitra masina any Shina, no nanitatra azy. Ny fahaiza-miady any Japon — ny dikan’ny teny hoe Bushidô ara-bakiteny dia hoe “Ny lalan’ilay mpiady” — dia nanam-piandohana ara-pivavahana koa. Manam-pahaizana manokana maro amin’ny judo, ny kendo sy ny karaté no mbola manovo ihany amin’izao andro izao ny fakany hevitra avy amin’ny fisaintsainana ara-pivavahana.
-
-
“Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa”Ny Tilikambo Fiambenana—1984 | 15 Martsa
-
-
ho mpanapaka ny fananany rehetra” izy. (Lioka 12:42-44.) Asehon’ny zava-misy fa nanomboka tamin’io daty io, izany “mpitandrin-draharaha” izany dia nikarakara tamim-pahatokiana an’io ‘fananana’ io.
20. a) Araka ny Isaia 65:11, 13, inona no tsy itovian’ny olon’Andriamanitra sy ireo mpivadi-pinoana? b) Inona no nandray anjara be dia be tamin’ny fisian’ny firaisan-tsain’ny olon’i Jehovah?
20 Ny klerjy ao amin’ny Fiangonana sy antokom-pivavahana maro ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana dia tsy hita teo am-pizarana ny “anjara hanina” ara-panahy nety tamin’ny ‘antokon’olona’ an’i Kristy. Noho izany antony izany, ireny mpitondra fivavahana ireny sy ireo ondriny dia “mosarena”. (Isaia 65:11, 13.) Ny “mpitandrin-draharaha mahatoky” kosa anefa dia nanao izay hananana “anjara hanina amin’ny fotoana” be dia be ho an’ireo kristiana voahosotra ary, nanomboka tamin’ny 1935, ho an’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” izay tsy mitsahatra ny mitombo isa (Apokalypsy 7:9, 10; Jaona 10:16). Na inona na inona fiteniny sy toerana iainany, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia manaraka fandaharam-pianarana iray ihany mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izany dia nanampy be dia be tamin’ny fanorenana sy ny fitanana ny firaisan-tsain’izy ireo.
Ny firaisan-tsaina hafa dia hafa eo amin’ny vahoakan’i Jehovah
21. Ahoana amin’izao andro izao no iarovana ny firaisan-tsaina eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary inona no fampitahana azo atao amin’ny fandaminan’ny kongregasiona tamin’ny andron’ny apostoly?
21 Ny firaisan-tsain’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny 45 000 miely any amin’ny tany 200 dia voaro koa noho ny fomba fandaminany mifototra amin’ny Soratra masina. ‘Ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema’ dia nahaforona kolejy foibe ho an’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany (Asa. 15:2). Io kolejy io sy ireo solontenany dia nanendry “mpiandraikitra” sy “mpikarakara momba ny asa” tao amin’ireo kongregasiona ary nanao fanapahan-kevitra hafa mba hitarihana izany (Filipiana 1:1; Titosy 1:5; Asa. 14:23; 16:4). Toy izany koa amin’izao andro izao; misy antokon’olona kristiana voahosotra, loholona, mahaforona ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ary, toy ny tamin’ny taonjato voalohany, ireo toromariky ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah dia ampitaina amin’ireo kongregasiona izay tsidihin’ny mpiandraikitra mpitety faritany (Asa. 15:22, 23, 30). Toy izany koa, ‘ireo kongregasiona dia mihamatanjaka amin’ny finoana sy mihamaro isan’andro’. — Asa. 16:5, MN.
22. Velom-pankasitrahana ny amin’inona indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah, ary hanohy hanao inona izy ireo?
22 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanafa-tena tamin’ny fizarazarana ho antokom-pivavahana mampiavaka ny finoana lazaina fa kristiana. Eo ambany fitarihan’ny ‘Tompony iray ihany’, dia Jesosy Kristy, sy ny ‘mpitandrin-draharahany’, izy ireny dia manohy mitory ao anatin’ny firaisan-tsaina “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity”. (Matio 24:14, MN.) Miezaka amim-pahatsorana izy ireny mba ‘hitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana’. ‘Maharitra amin’ny fanahy iray ihany izy ireny ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara’. — Efesiana 4:3; Filipiana 1:27.
Tadidinao ve?
□ Karazam-panompoam-pivavahana inona no nisy teo amin’ny Isiraely tamin’ny voalohany?
□ Inona no nitranga teo amin’ireo Jiosy nivadika nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra talohan’ny fanisan-taona iraisana?
□ Inona avy no andinin-teny ao amin’ny Baiboly mampiseho fa ny kristianisma dia tsy natao hozarazaraina ho antokom-pivavahana samy hafa?
□ Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa tsy misy toerana ho an’ny fampianarana hevitra samy hafa eo anivon’ny kongregasiona kristiana?
□ Inona avy no anton-javatra mitondra firaisan-tsaina ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah raha ny amin’ny fahalalana ny Soratra masina sy ny asa tontosain’izy ireo?
-