Aoka isika hanaiky an’i Jehovah amin’ny fanolorana ho azy ny tenantsika
“FANTATSIKA fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” Tamin’ireo teny ireo no nametrahan’ny apostoly Jaona fahamarinana iray tsy ankasitrahan’ny ankamaroan’olona: mipetraka eo ambany fahefan’ilay “Ratsy”, dia Satana, avokoa izao tontolo izao. Tsy “mahababo mihitsy” an’ireo izay avy amin’ilay Andriamanitra marina, dia Jehovah, anefa Satana. Ny olona rehetra àry dia, na eo ambany fanapahan’i Satana, na eo ambanin’ny an’i Jehovah. Raharaha mahakasika ny fisafidianana manokana izany. Raha ny amin’izay mahakasika anao, iza no hekenao? Satana sa Jehovah? — I Jaona 5:18-20; jereo koa MN; La Bible en français courant; Synodale.
Tena fotoana tokony hanaovana fanapahan-kevitra izao (Lioka 21:31, 32). Tsy misy afaka ny hanao boloky homam-boantseva, ka mamy ny atsy, fy ny aroa, amin’ny tsy fetezana haka toerana, porofon’izany izao tenin’i Jesosy izao: “Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka [mampihahaka, MN].” (Matio 12:30). Fa ahoana no mety hahazoantsika antoka fa miara-mamory amin’i Kristy isika? Amin’izao andro izao, ao amin’ny fivavahana maro tsy mitovy daholo, dia olona be dia be no milaza tena fa kristiana, “voavonjy” sy “nateraka indray”, hany ka very ny hasarobidin’ireo fitenenana ireo (Matio 19:16-26; Jaona 3:3; 10:9). Raha ny marina, ny fanontaniana lehibe dia izao manaraka izao: Inoantsika ve izay ninoan’i Kristy ary ambarantsika ve izay nambarany? Jesosy, izay Jiosy, dia tsy nanandrana nanandra-tena tamin’ny fampianarana ny zava-miafina ny amin’ny Trinite (Jaona 14:28; 17:1-5). Nanambara hafatra mazava momba ny Fanjakan’Andriamanitra kosa izy. Fantany fa izany no asa nanirahana azy, satria izao no nolazainy indray andro: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.” — Lioka 4:43.
“Ekeo ihany ankehitriny”
Talohan’ny hanombohana ny fanompoany ampahibemaso natao hitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra, dia nanao dingana tena lehibe i Jesosy ka tsy maintsy hanao toy izany koa izay rehetra hanaiky ny Ray sahala aminy. Ny fitantaran’i Matio dia milaza amintsika toy izao izany fisehoan-javatra izany: “Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa.” Koa satria nanda i Jaona tamin’ny filazana fa ny tenany aza no tokony hataon’i Jesosy batisa, dia izao no navalin’i Jesosy azy: “Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” — Matio 3:13-15.
Tamin’ny fanatonana hatao batisa tamin’ny fandrobohana tao Jordana, dia nanome ohatra i Jesosy raha ny amin’ny fanatanterahana “ny fahamarinana rehetra”. Koa tsara toerana izy mba hilaza toy izao taty aoriana tamin’ireo izay nanaraka azy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20). Amin’izany, ny batisa, ankoatra ny zavatra hafa, dia hampiasaina hamantarana ireo izay hifidy ny hanaiky an’ilay Andriamanitra marina, Jehovah, fa tsy Satana. Maneran-tany, tao anatin’ny taom-piasana lasa (septambra 1983 ka hatramin’ny aogositra 1984), dia olona eo amin’ny 180 000 no nampiseho fa nanao izany fisafidianana izany izy tamin’ny filatsahana hatao batisa tamin’ny rano. Noporofoin’izy ireo tamin’izany fa ho tiany kokoa noho ny an’i Satana ny fiandrianan’i Jehovah. — Ohabolana 27:11.
Fanapahan-kevitra natao tamim-pahalalana tanteraka
Amin’ity taona ity koa, dia olona an’arivony maromaro no mikasa ny hatao batisa amin’ireo fivoriambe “Ireo mpihazona tsy fivadihana”, izay hatao any amin’ny faritra maro amin’ny gilaoby. Alohan’ny hanaovana an’io dingana io, ny mpilatsaka rehetra dia tokony hijery indray amin’ny antsipiriany, miaraka amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasionany, ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly sy ireo fotopoto-pitsipika izay mifehy ny fitondrantenan’ny kristiana, mba hahazoana antoka fa fenony tsara ireo fepetra takina mba hanaovana batisa. Noho izany, dia tsy ataotaony foana akory izany fanapahan-kevitra izany. Ny tsirairay avy taminy kosa dia ‘namantatra ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina’, ary mahatsiaro faniriana ny hanatanteraka izany izy. — Romana 12:2.
Rehefa vita ny lahateny amin’ny batisa izay hatao mandritra ny fivoriambe, ireo mpilatsaka hatao batisa àry dia ho afaka hamaly amim-pahalalana tanteraka sy amin’ny fo rehetra, fanontaniana tsotra roa. Hasehon’izy ireo amin’izany fa takany tsara izay tokony hatao mba hanarahana ny ohatra nomen’i Kristy. Izao ny anankiray amin’ireo fanontaniana ireo:
Mifototra amin’ny soron’i Jesosy Kristy, moa ve ianao nibebaka tamin’ny fahotanao sy nanolo-tena ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony?
Voalaza toy izao ny faharoa:
Takatrao ve fa amin’ny fanolorana ny tenanao ho an’Andriamanitra sy amin’ny fanekena hatao batisa, dia mampahafantatra ny tenanao ho Vavolombelon’i Jehovah ianao ary miaraka amin’ny fandaminan’Andriamanitra izay tarihin’ny fanahy masina?
Amin’ny famaliana hoe eny an’ireo fanontaniana ireo, dia asehon’ireo mpilatsaka hatao batisa fa manana ny toe-po mety mba handraisana ny batisa kristiana izy.
Fihetsika mety
Manontany tena ny sasany indraindray ny amin’ny tokony ho fomba fitafy rehefa atao batisa. Zava-dehibe alohan’ny zavatra rehetra ny hanehoana fahamaotinana amin’ny fifidianana ny akanjo fitondra miroboka hampiasaina amin’io fotoana io. Zava-dehibe tokoa izany fampahatsiahivana izany, indrindra fa satria amin’izao androntsika izao ireo mpanjaitra dia toa miezaka hampisongadina ny fanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy sy hamorona akanjo fitondra milomano miha-anarany fotsiny. Tokony ho fantatra koa fa ny akanjo fitondra milomano sasany dia toa maotina rehefa maina, nefa hita mazava ho tsy toy izany loatra rehefa lena. Marina tokoa fa tsy misy mihitsy olona ho tia ny hiteraka ahiahy na vato fahatafintohinana ho an’ny hafa amin’ny fisehoan-javatra lehibe toy ny batisa. — Filipiana 1:10.
Niseho ho nanao zavatra nihoapampana ny sasany indraindray tamin’ny fanolorana ho an’ireo vao natao batisa, fanomezana lafo vidy na tamin’ny fandaminana fanasambe ho fanomezam-boninahitra azy ireny. Marina fa antom-pifaliana ny batisa, fifaliana azo iaraha-manana. Voatery atao anefa ny fampitandremana. Izao tokoa no ambaran’ny Baiboly: “Tsara ny iafaran’ny raharaha noho ny iandohany. (Mpitoriteny 7:8). Ny batisa dia fanombohan-javatra, fanombohana ny fihazakazahana kristiana izay mety hitarika ho amin’ny famonjena sy ho amin’ny fiainana. Amin’io ambaratonga io, ny kristiana iray dia mbola tsy nahavita taona maro niasana tamim-pahatokiana. Nahoana àry no hitarika an’ireo vao niova hihevi-tena ho zavatra loatra? — Jereo I Timoty 3:6.
Araka ny fitantarana ao amin’ny Baiboly, inona no nitranga rehefa avy natao batisa ny kristiana telo arivo tamin’ny Pentekosta taona 33? “Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.” Nampifantoka ny sainy tamin’ny zavatra ara-panahy ireny vao natao batisa ireny, sady naneho fitiavana mifampiantrano (Asan’ny apostoly 2:41, 42). Amin’ny fotoan’ny batisa àry dia tonga ny fotoan’ny fisaintsainana sy fieritreretana. Mahafaly ny mahita ireo olona miara-mianatra ny Baiboly amintsika, manao io dingana lehibe dia lehibe io. Eny amin’ny toerana anaovana batisa, ny fomba fitafintsika dia tokony hampiseho amin’ireo izay mandinika antsika fa nanao fanapahan-kevitra tena lehibe isika, dia ny hanaiky an’Andriamanitra amin’ny fanekena azy ho Mpanjaka Tompontsika, amin’ny fahatongavana ho Vavolombelony sy amin’ny tsy fetezana ho naman’izao tontolo izao izay mipetraka “eo amin’ilay ratsy”. — I Jaona 5:19; Matio 4:10.
[Teny notsongaina, pejy 30]
Nanomboka tamin’ny jona 1984, dia fivoriambe 808 “Ny fitomboan’ilay Fanjakana” no nalamina maneran-tany. Amin’ny fitambarany, dia olona 5 002 684 no nanatrika izany, ary kristiana vaovao 63 556 no natao batisa tamin’izany.