“Jehovah, Andriamanitray no hotompoinay”
“Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.” — JOSOA 24:15.
1.Amin’ny ahoana moa ny bokin’i Josoa no mitondra fampaherezana sy fiarovana ho antsika?
NY zava-niseho mahavariana voatantara ao amin’ny bokin’i Josoa dia natao ho “fianarantsika”, mba ho famporisihana sy hiarovana antsika izay “niharan’ny faran’izao tontolo izao [fandehan-javatra, MN ]”. (Romana 15:4; I Korintiana 10:11.) Aharihary ireo toetra ankasitrahan’i Jehovah, toy ny fiaretana, ny finoana sy ny fankatoavana. “Finoana no nampirodana ny màndan’i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana. Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin’ny fihavanana izy.” (Hebreo 11:30, 31). Tokony hamporisika antsika hamboly herim-po sy tanjaka ilaina mba hamitana ny asan’Andriamanitra ho an’izao androntsika izao, ny finoan’i Josoa, ny an-dRahaba sy ny an’ireo olo-nahatoky hafa tamin’ny lasa. — Josoa 10:25; Jaona 4:34.
2. a) Tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’i Josoa ho mpankatò tamin’ny an-tsipiriany madinika indrindra? b) Inona no nitranga teo an-tendrombohitra Ebala sy Gerizima?
2 Taorian’ny fandresena nanapahan-javatra tao Ay, dia nihevitra ireo toromarika voasoratra ao amin’ny Deoteronomia 27:1 ka hatramin’ny 28:68 tamin’ny an-tsipiriany i Josoa. Nanorina alitara vato manontolo teo an-tendrombohitra Ebala izy, ary nitandrina izao didy manaraka izao: “Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao.” Avy eo dia natsangana ny vato hafa ho fahatsiarovana; nofotsina izany ary nosoratana teo ny teny ao amin’ny Lalàna. Taorian’izany dia nozaraina ho antoko roa ireo fokon’ny Isiraely, ny voalohany nijoro teo an-tendrombohitra Gerizima “mba hitso-drano ny olona” ary ny faharoa ‘ho fanozonana ny olona eo an-tendrombohitra Ebala’. Namaky mafy ireo fanozonana ho vokatry ny tsy fankatoavana ny Levita, ary namaly avokoa ny vahoaka hoe: “Amena!”. Novakina avy eo ireo fitahiana noho ny fankatoavana. Nefa loza ho an’ny Isiraely raha tsy ‘tandremany ny hanaraka ny teny rehetra amin’ny lalàna izay voasoratra eo amin’ny boky hatahorany ny anarana malaza sady mahatahotra hoe: Jehovah Andriamanitra’! — Josoa 8:32-35.
3, 4. a) Inona ankehitriny no fianarana mahery azontsika raisina avy amin’ny tantaran’ny Isiraely? b) Nahoana isika no tsy tokony ho sasatra ny mandre zavatra mitovy averimberina? d) Inona no ilaina mba ‘hidirana amin’ny vavahady ety’?
3 Moa va Isiraely nanohy nankatò an’ireo ‘teny rehetra amin’ny lalàna’? Na dia teo aza ny fananarana naverimberin’i Mosesy sy Josoa koa taty aoriana, dia mampalahelo fa tsy nahomby izy. Fianarana mahery ho antsika izany! Na dia eo aza ny fampitandremana matetika, dia misy foana mihevitra fa afaka tsy miraharaha ireo zavatra takin’Andriamanitra sy manao izay tiany, nefa ho tafita velona ihany. Hadalana re izany! Rehefa avy nampahatsiahy zavatra sasany niseho teo amin’ny tantaran’ny Isiraely ny apostoly Paoly, dia nanambara hoe: “Koa izay manao azy ho efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” — I Korintiana 10:12; Mpitoriteny 2:13.
4 Misy mpanompon’Andriamanitra manakiana ireo fampitandremana omena indraindray, ka lazainy fa sasatra ny mandre zavatra mitovy hatrany foana izy. Kanefa dia izy ireny matetika tokoa no latsaka voalohany ao amin’ny fandrika velarin’i Satana. Ny bokin’i Deoteronomia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra (amin’ny teny hebreo Mishnéh hattôrah, midika hoe “famerimberenana ny Lalàna”) dia voaforon’ny lahateny efatra nataon’i Mosesy indrindra izay nampiseho mazava fa ny Isiraelita dia tokony hankatò ny lalàn’i Jehovah notononina tany aloha. Avo efatra heny ny teny fampitandremana ny Isiraely tamin’ny tsy fankatoavana sy ny “fanozonana” ho vokatr’izany nampiasain’i Mosesy, noho ny tamin’ny firesahana “fitahiana”. Teo an-tendrombohitra Ebala dia nampitandrina ny Isiraelita indray i Josoa fa tokony hankatò izy ireo. Moa ve izany tsy mampiseho antsika hoe hatraiza no tokony hanaovantsika fiezahana mba ‘hidirana amin’ny vavahady èty’? — Matio 7:13, 14, 24-27; 24:21, 22.
5. Nifanehatra tamin’ny fitambaran-kery inona moa ny Isiraely ary tarehin-javatra inona azo ampitahaina amin’izany no misy amin’izao androntsika izao?
5 Teo am-piomanana ny fifanatrehana hanapa-javatra iray. Rava Jeriko, vavahadin’i Kanana, tahaka ny handevonana an’i Babylona Lehibe rehefa hanomboka ny “fahoriana lehibe”. Nianjera Ay. Nefa izao “ny mpanjaka rehetra izay etỳ an-dafin’i Jordana, na ny tany amin’ny tany havoana, na ny tany amin’ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tany amoron’ny Ranomasina Lehibe tandrifin’i Libanona, dia ny Hetitra, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, dia niray hina niangona hiady amin’i Josoa sy ny Isiraely”. (Josoa 9:1, 2.) Mifanandrify amin’izany, hitantsika amin’izao andro izao fa ireo firenena amin’ny tany dia tafangona eo anivon’ny Firenena [mihambo] ho mikambana. Mikatsaka ny fiadanana sy filaminana ho an’ny tenany sy araka ny fepetra takiny izy ireny, nefa dia ‘miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny voahosony’, ilay Josoa Lehibe (Salamo 2:1, 2). Inona àry no ho fiafaran’io fifanatrehana io?
Nanao zavatra tamim-pahendrena izy ireo
6, 7. a) Inona no nahaliana ny Gibeonita ary inona no tetika noraisiny? b) Inona moa ny fanapahan-kevitra noraisin’i Josoa?
6 Toa an-dRahaba talohan’izy ireo, dia nisy tsy Isiraelita hafa nanomboka nihevitra ny fahavelomany. Izany dia ny mponina tao Gibeona, tanàna lehibe iray tany avaratr’i Jebosia na Jerosalema. Nanapa-kevitra izy ireo fa hitady fihavanana sy filaminana araka ireo fepetra irin’i Jehovah satria nandre ny asa lehibe nataon’i Jehovah. Nefa tamin’ny fomba ahoana? Nandefa iraka nitondra vatsy maina sy torotoro, siny hoditra sy lasaka tonta, ary nanao kapa tonta sady nitafy lamba nitampintampina ho any amin’ny tobin’ny Isiraely izy ireo. Nony tonga tany amin’i Josoa ireo lehilahy ireo dia niteny taminy hoe: “Avy any an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany.” Tamin’izay “Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy”. — Josoa 9:3-15.
7 Nefa tsy naharitra ela dia fantatry ny Isiraelita fa ireo lehilahy ireo dia ‘nifanakaiky taminy ihany’. Inona no ho fihetsik’i Josoa noho io hafetsena io? Nanaja ny fianianana nataony taminy izy, ka notapahina ny hevitra fa ‘havela ho velona izy ary ho tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana rehetra’. — Josoa 9:16-27; jereo Deoteronomia 20:10, 11.
8. Amin’ny lafiny inona avy ny Gibeonita no nampiseho ny “olona betsaka”?
8 Maro be tamin’ireo Netinima nanompo, taona maro taty aoriana, tao amin’ny tempolin’i Jehovah, no azo heverina fa taranak’ireo Gibeonita ireo. Izy ireo dia afaka mampiseho tsara tokoa ny “olona betsaka” avy amin’ny olombelona izay manompo an’Andriamanitra “andro aman-alina eo amin’ny tempoliny” ankehitriny. (Apokalypsy 7:9, 15.) Na dia miaina eo amin’izao tontolo izao azo ampitahaina amin’i Kanana aza izy ireo, dia “tsy naman’izao tontolo izao” raha ny marina. Tamin’ny lasa izy ireo dia nianina tamin’ny “vatsy torotoro” ara-panahy izay natolotry ny fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, sady tsy nahazo “divay” dia ny fifaliana izany. Nony nifandray tamin’ny vahoakan’Andriamanitra izy ireo dia nahita fa manao asa lehibe amin’ny alalan’ny vavolombelony Jehovah. Nanao dia lavitra avy any amin’izao tontolo izaon’i Satana izy ireo mba hanakalo ‘ny lambany’ tonta amin’ny zavatra vaovao izay mampahafantatra azy ireo ho mpanompon’i Jehovah manetry tena, nitafy ny toetra vaovao. — Jaona 14:6; 17:11, 14, 16; Efesiana 4:22-24.
Nampian’ny fandaminana
9. a) Tarehin-javatra nampidi-doza inona no nitranga avy eo? b) Nanao ahoana ny fihetsik’i Josoa ary inona moa no toky azony?
9 Rehefa ren’i Adoni-Zedeka, mpanjakan’i Jerosalema fa nanao fihavanana tamin’ny Isiraely ny Gibeonita dia “raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona, tahaka ny anankiray amin’ny tanàna misy andriana, (...) ary nahery ny lehilahy rehetra teo”. Nanambatra ny miaramilany tamin’ny tafik’ireo mpanjaka efatra hafa izy, ary niaraka mba hamely an’i Gibeona izy ireo. Nanao izao fangatahana izao avy hatrany tamin’i Josoa ireo Gibeonita: “Miakara faingana ho atỳ aminay, ary vonjeo sy ampio izahay.” Teo no ho eo dia namaly i Josoa ary Jehovah dia nanome toky azy hoe: “Aza matahotra azy, fa efa natolotro eo an-tànanao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.” Dia nandeha “nanao lava alina” Josoa sy ireo lehilahy natanjaka sy naheriny ka nanampoka tanteraka ny fahavalo. — Josoa 10:1-9.
10. a) Inona amin’izao fotoana izao no azo ampitahaina amin’ny fanaovana fahirano an’i Gibeona? b) Inona no fahatapahan-kevitry ny Gibeonita amin’izao andro izao?
10 Tahaka ireo mpanjaka dimy ireo, amin’izao fotoana izao koa dia misy filoham-panjakana tezitra mahita ny ankabeazan’ny vahoakany ary ‘olo-mahery’ koa aza, manohana an’ilay Josoa Lehibe sy ny Fanjakany marina eo amin’izao rehetra izao. Mihevitra ireny mpitondra ireny fa tokony hohazonina ny fefy ara-pirenena na dia tsy mitsahatra ny miady sy mifamely aza ireo firenena. Izany no iezahany hanapaka ny fahazoan’ny “olona betsaka” sakafo ara-panahy, handrara ny fivoriana izay izaran’ny mpikambana ao aminy io sakafo io ary hanakana ireny kristiana ireny tsy hiresaka zavatra ara-panahy amin’ny mpiara-belona aminy. Nefa mitoetra ho mahatoky amin’ny Isiraely ara-panahy ny Gibeonita amin’izao andro izao, amin’ny filazana aminy hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay.” — Zakaria 8:23; jereo Asan’ny apostoly 4:19, 20; 5:29.
11. Ahoana no fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah eo anoloan’ny tarehin-javatra sarotra?
11 Rehefa mitady ny fanampian’ny fandaminany na ny ‘reniny’ ny anisan’ny “olona betsaka”, dia omena azy avy hatrany malalaka izany. Ny fahamailahan’ny Vavolombelon’i Jehovah hanao zavatra dia hita amin’ny lafiny maro hafa koa: rehefa mandamina haingana ny fanampiana aorian’ny loza araka ny natiora iray izy ireo, na manorina Efitrano Fanjakana haingana na toeran-kafa hivoriana izay ilainy mba hanomezana ny “sakafo”. Tamin’ny jona lasa teo, rehefa nisy fivoriambe iray nalamina tao amin’ny Yankee Stadium any New York, dia tonga tao an-toerana ny tafiky ny mpanao asa an-tsitrapo tamin’ny misasakalina mba hanadio izany, taorian’ny lalao base-ball iray. Tsy mbola nadio toy ny nandritra ny efatra andro nanaraka io ilay kianja. Ao anatin’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ireo loholona manana andraikitra dia manao zavatra haingana mba handaminana ny zava-manahirana lehibe mifandray amin’ny fitoriana ny Vaovao tsara. — Filipiana 1:6, 7.
Miady ho an’ny Isiraely Jehovah
12. Inona ireo fahagagana nataon’i Jehovah tamin’ny fiadiana ho an’ny Isiraelita tonga hamonjy ny Gibeonita (jereo Habakoka 3:1, 2, 11, 12)?
12 Aoka hiverenantsika indray ny amin’i Gibeona. Nampisy fifanjevoana teo amin’ireo fahavalo Jehovah; nanenjika azy ny Isiraely ary namono be dia be tamin’izy ireo. Inona anefa izao no latsaka avy any an-danitra? Havandra vaventy izay nahafaty maro kokoa noho izay novonoin’ny miaramila isiraelita. Tamin’izay dia niresaka tamin’i Jehovah i Josoa. Izao no nolazainy “teo imason’ny Zanak’Isiraely”: “Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gibeona; ary, hianao kosa, ry volana, any an-dohasahan’i Aialona.” Nitranga tokoa ny fahagagana hafa iray nahatalanjona. “Tokony ho indray andro maninjitra”, dia nanazava ny sahan’ady ny masoandro ambara-pahavitan’Andriamanitra ny famaliany tanteraka. Tsy anjarantsika ny miady hevitra ny amin’ny fomba nanaovan’Andriamanitra an’io fahagagana io, toy ny tsy anontaniantsika tena ny amin’ny fomba ‘nanaovany’ ny fanazavana roa lehibe tamin’ny “andro” fahefatry ny famoronany (Genesisy 1:16-19; Salamo 135:5, 6). Mifarana toy izao ilay fitantarana: “Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan’i Jehovah ny feon’olona; fa Jehovah niady ho an’ny Isiraely.” — Josoa 10:10-14.
13. Ahoana moa no namporisihan’i Josoa ny mpitari-tafiny, ary inona no vokatr’izany tamin’ny farany?
13 Ny asa fanadiovana dia niafara tamin’ny famonoana ireo mpanjaka dimy taorian’ny nitenenan’i Josoa tamin’ny mpitari-tafiny hoe: “Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon’i Jehovah amin’ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.” Efa niharihary fa marina izany tamin’ny mpanjaka fito tao Kanana, ary ho toy izany koa no hitranga amin’ny fanonganana fanjakana 24, mampiseho isa feno. Taorian’ny ady naharitra enin-taona àry vao hahita filaminana ilay tany. — Josoa 10:16-25; 12:7-24.
14. Fihetsika sy toky inona no tokony hananantsika raha ny amin’ny Haramagedona?
14 Rehefa akaiky dia akaiky ny ady faran’i Haramagedona isika ankehitriny, dia aoka ho be herim-po sy hatanjaka tahaka an’i Josoa, sy ireo lehilahy maheriny ary ny tobin’ny Isiraely iray manontolo isika. Afaka matoky isika fa sahala amin’ny nampidirany soa aman-tsara ireo Isiraelita an-tapitrisany maromaro tao amin’ny Tany nampanantenaina, Jehovah koa dia afaka manao fahagagana mahatahotra hafa amin’ny fitarihana ireo mpanompony an-tapitrisany maro hamakivaky an’i Haramagedona hatrao amin’ny fandehan-javatra vaovao haoriny. — Apokalypsy 7:1-3, 9, 14; 19:11-21; 21:1-5.
Ny fahatapahan-kevitsika
15. Inona moa ny fanendrena tokony hampoizin’ny “ondry hafa” ho azo ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao nomanin’Andriamanitra?
15 Raha nanakaiky ny faha-90 taonany Josoa dia nifanehatra tamin’ny adidy hafa sarotra iray: hizara ny tany amin’ireo fokon’ny Isiraely. Tsy nilaza akory izany fa ho mora ny fiainan’ny Isiraelita. Toy izany no nangatahan’i Kaleba faritany tany Hebrona izay nonenan’ny Anakita, olona goavana; niriny ny hanohy hanitatra ny taniny amin’ny fandroahana ny fahavalo faran’i Jehovah. Tsy milaza akory izany fa mbola hisy fahavalo olombelona ihany eto an-tany mandritra ny Fanjakan’i Kristy arivo taona fa hisy asa tokony hatao kosa. Ao amin’ny fandehan-javatra vaovao dia tsy tokony hampoizina ny hisian’ny fiainana mora tsy hanaovana na inona na inona. Rehefa ho avy nahazo ny fanendrena azy ireo “ondry hafa” an’ny Tompo dia tsy maintsy hanao asa be dia be ho fanatanterahana ny fikasana lehibe iray hanatsarana ny tany sy hanovana azy ho paradisa. — Josoa 14:6-15; Marka 10:29, 30; Romana 12:11.
16. Inona no asehon’ny “tanàna fandosirana” nalamin’i Jehovah teo amin’ny Isiraely, amin’izao androntsika izao?
16 Nandritra ny fizarana ny faritany dia nanendry tanàna enina an’ny Levita Josoa mba ho “tanàna fandosirana”, telo avy eny an-dafin’ny Jordana. Fandaharan’i Jehovah ho fiarovana an’izay nahafaty olona tsy nahy ka handositra any amin’ny iray amin’ireny tanàna ireny izany. Izany olona izany dia tokony hanaporofo fa nanana fieritreretana madio teo anatrehan’Andriamanitra izy amin’ny fijanonana tao amin’ny anankiray tamin’ireo tanàna ireo mandra-mahafatin’ny mpisoronabe. Sahala amin’izany koa, fa noho ny fifandraisana nety ho notanany taloha tamin’ity izao tontolo izao meloka amin’ny fandatsahan-dra ity, ireo anisan’ny “olona betsaka” dia tokony hitady fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny. Mba hahazoana izany dia miaiky ny fahotany izy ireo, mibebaka, miverina, manolo-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa ao anaty rano. Ilainy avy eo ny mitoetra ao amin’izany toerana izany. Takina amin’ny anisan’ny “olona betsaka” ny hitoerany ao amin’ny “tanàna” mandra-pahafatin’i Jesosy, ara-panoharana, raha ny amin’ny anjara asany amin’ny maha-Mpisoronabe, amin’ny faran’ny Fanjakany arivo taona. — Josoa 20:1-9; Apokalypsy 20:4, 5; I Korintiana 15:22, 25, 26.
17. Fiafaran-javatra mahafaly inona no andrasantsika?
17 Notahin’i Jehovah tamin’ny fomba mahatalanjona ny vahoakany, Isiraely. Sarotra ny lalana, maro ny fisedrana, nefa tonga tao amin’ny Tany nampanantenaina ny Isiraelita tamin’ny farany ary nitoetra tao. Tsy maintsy ho feno fankasitrahana an’i Jehovah ny fon’izy ireo. Raha mitoetra ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah isika dia hahatsapa fifaliana toy izany koa rehefa hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao, izay hahitana indrindra ny “tany vaovao”. Izay voamarina tamin’ny andron’i Josoa dia ho toy izany koa ho antsika, dia izao izany: “Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’i Jehovah tamin’ny taranak’Isiraely fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.” (Josoa 21:45). Enga anie ianao hanana fahasambarana ho velona amin’izany!
18. a) Inona no notantarain’i Josoa tamin’ireo loholon’ny Isiraely? b) Inona no tokony ho faniriantsika mifandray amin’ny fandehan-javatra vaovao?
18 Rehefa 110 taona Josoa dia namory ny loholon’ny Isiraely. Notantarainy taminy ny fomba mahagaga nitahian’i Jehovah ny vahoakany nahatoky nanomboka tamin’i Abrahama ka hatramin’ny andron’izy ireo. Jehovah izao dia niteny taminy hoe: “Ary nomeko tany izay tsy nasainareo hianareo sy tanàna izay tsy naorinareo, ka dia nonina tao hianareo; ary mihinana ny avy amin’ny tanimboaloboka sy ny taninoliva izay tsy nanataonareo hianareo.” Naniry ‘hatahotra an’i Jehovah ka hanompo azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana’ tokoa ny Isiraelita rehefa nandray zava-tsoa niavovona toy izany. Rehefa mahatsinjo ny fandehan-javatra vaovao be voninahitra nomanina ho an’ny tany isika rehetra dia tokony hanana faniriana tahaka izany. — Josoa 24:13, 14.
19. a) Fisafidianana inona no natolotr’i Josoa ny olona, ary ahoana no namaliany izany? b) Iza moa no irintsika hotahafina? d) Fisafidianana inona no tokony hataontsika, ary inona no ho fahatapahan-kevitsika?
19 Nanambara mazava tamin’ny vahoaka toy izao Josoa avy eo: “Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo (...); FA RAHA IZAHO SY NY ANKOHONAKO KOSA, DIA HANOMPO AN’I JEHOVAH IZAHAY.” Azon’ny isam-batan’olona, ny mpino amin’ny fianakaviantsika, “ny ankohonan’Andriamanitra” maneran-tany raisina indray ve ireo teny ireo? Eny tokoa (Efesiana 2:19). Tamin’ny andron’i Josoa dia namaly ny vahoaka hoe: “Jehovah Andriamanitray no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay.” (Josoa 24:15, 24). Mampalahelo anefa fa tsy nanao toy izany izy tao anatin’ireo taona nanaraka. Tsy irintsika ny hanahaka ireny Isiraelita ireny, fa hanao toa an’i Josoa sy ny ankohonany, Kaleba, ny Gibeonita sy Rahaba kosa. Eny, ‘HANOMPO AN’I JEHOVAH ISIKA’. Enga anie isika hanompo azy amin-kerim-po, matoky tanteraka fa tsy hisy na inona na inona “hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” — Romana 8:39.
Inona no ampahafantarin’ny bokin’i Josoa antsika
◻ Raha ny amin’ny fandraisana soa avy amin’ny torohevitra averimberina?
◻ Raha ny amin’ny fiheverana ny Gibeonita amin’izao andro izao?
◻ Ny amin’ny fomba hiadian’i Jehovah ao Haramagedona?
◻ Ny amin’ny ilàna handosirana any amin’ny “tanàna fandosirana”?
◻ Raha ny amin’ny fisafidianana izay tokony hotompointsika?