Fianarana 8
Ny Hasarobidin’ny Fiomanana
1-5. Ho an’iza moa no ilaina ny fiomanana ary nahoana?
1 Paoly, apostolin’ny jentilisa, dia nampirisika an’i Titosy, namany teo amin’ny fanompoana, hanohy ‘hampahatsiaro [ireo Kristianina] ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra’. (Tit. 3:1). Nidika izany fa tsy maintsy niomana ara-tsaina sy ara-pitondran-tena izy ireo mba hanao zavatra amin’ny hoavy.
2 Na inona na inona asa teôkratika hotanterahina, dia ilaina ny fiomanana. Mazava ho azy fa raha vao voalohany ianao no mandray anjara amin’ny asa iray dia hila fiomanana bebe kokoa satria vaovao aminao ilay sehatra. Nefa arakaraka ny hitomboan’ny fahalalanao, dia hitanao fa afaka mandray soa avy amin’ny fianarana nataonao tamin’ny lasa sy ny traikefa azonao, ianao. Kanefa, na dia efa nanao raharaha iray imbetsaka aza ianao, dia ilaina foana ny fiomanana.
3 Tsy ireo nahazo anjara lahateny ihany no tokony hanao fiomanana, fa izay rehetra maniry ho tonga mpitory ny vaovao tsara tena ampy fahaizana koa. Marina fa raha mandeha isan-trano hatramin’ny volana na taona maro ianao dia mandany fotoana kely kokoa hiomanana isaky ny hivoaka. Na izany aza anefa, dia hahita vokatra kokoa foana ianao raha miomana. Toy izany koa amin’ny fampianarana Baiboly. Tamin’ny nitarihanao fampianarana voalohany, dia nandany fotoana be dia be hiomanana ianao. Kanefa na dia nianatra toko iray imbetsaka aza ianao, dia hitarika tsara kokoa ilay fampianarana raha mamerina mijery azy amin’ny fanaovana an-tsaina ilay olona ampianarinao. Marina koa izany rehefa miteny eny amin’ny lampihazo ianao. Hanampy be dia be ny traikefa azonao nandritra ny taona maro. Kanefa rehefa ilazana mialoha ianao fa hanao lahateny, dia aza manandrana mihitsy manao izany tsy misy fiomanana.
4 Raha ny amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, dia tena ilaintsika rehetra ny fanomanana. Ny mpianatra tsirairay avy dia manana ny fandaharan’ny sekoly ary mahalala mialoha hoe toko inona ao amin’ny Baiboly na ao amin’ny boky hafa iray no hodinihina amin’ny daty toy izao na izao. Arakaraka ny hiomananao amin’izany no handraisanao soa betsaka kokoa. Mifanohitra amin’izany kosa, raha tsy mety miaiky ny amin’ny ilana ny fiomanana ianao, dia ho very tombontsoa maro izay mety hoentin’ny sekoly ho anao.
5 Ilaina ny fotoana mba hiomanana, nefa dia mendrika ny hanaovana izany foana ny vokatra azo. Tsy hoe manampy antsika hanome valin-teny mampiorina mandritra ny famerenana am-bava fotsiny ny fiomanana fa manampy antsika ihany koa hahatakatra ny fisainan’i Jehovah sy hahay tsara kokoa ny “fiteny madio”, dia ny an’ny fahamarinana. (Zef. 3:9, Darby). Mba hahatonga ny fanomanana mialoha ny sekoly ho fahazarana, dia azonao alamina izany famakiana sy fianarana izany mba hiarahanao manao amin’ny mpianakavinao na miaraka amin’ny namana. Koa satria ireo misoratra anarana rehetra manana fahafahana hanao lahateny, dia ireto misy fanoloran-kevitra vitsivitsy ny amin’ny fomba tsara mety hanomanana azy ireny:
6. Ahoana no tokony hanomanantsika ny vakiteny ho amin’ny sekolin’ny fanompoana?
6 Vakiteny amin’ny feo avo. Indraindray, ny fandaharan’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika dia misy anjara famakian-teny amin’ny feo avo. Mba hanomananao izany anjara izany, dia vakio amim-pitandremana aloha ilay zavatra ianarana. Mifankazara amin’ny fanononana ireo anarana manokana sy ireo teny sarotra. Avy eo dia manaova fanazaran-tena mamaky amin’ny feo avo mandra-pahainao mamaky teny misosa tsara toy ny raha miresaka, tsy miahotrahotra sady manonona marina tsara ireo teny. Farany dia ataovy izay hahazoanao antoka fa ho afaka hanao ny vakiteninao amin’ny fotoana omena ianao.
7-11. Amin’ny fanomanana lahateny mifototra amin’ny lahatsoratra iray, fiheverana inona avy no hanampy antsika hifantina ireo hevitra hampiasaina?
7 Fanaovana lahateny avy amin’ny lahatsoratra iray. Mba hanomanana io karazana lahateny io, dia ilaina aloha ny mamaky amim-pitandremana ilay lahatsoratra nomena. Tsipiho ireo hevi-dehibe na soraty eo amin’ny taratasy kely ny famintinana fohy ireo hevi-dehibe. Rehefa takatrao ireo hevitra fototra, dia tapaho hoe iza avy no hofidinao, satria azo inoana fa ny fotoana omena dia tsy hamela anao hiresaka azy rehetra. Ireto zavatra tafiditra manaraka ireto dia mety hitari-dalana anao amin’ny fifidiananao ireo hevitra hovelabelarina: 1) ny mpihaino sy ny faritra, raha tahiny io faritra io mamela anao hanaporofo tsara kokoa ny fomba hampiharana ireo hevitra aseho; 2) ny foto-kevitrao sy ny fampiharana ilay foto-kevitra.
8 Rehefa mieritreritra an’ireo mpihaino anao ianao, dia ho tianao ny hifantina hevitra izay hahaliana sy hahasoa azy ireo, avy ao amin’ilay lahatsoratra. Raha heverinao fa mety ho sarotra ny fehintsoratra sasantsasany ho an’ny mpihaino anao, dia mifidiana hafa. Manonòna ihany koa andinin-teny vitsivitsy mba hampahazava ny anton’izay lazainao. Ho fiahiana ny mpihaino anao, dia aza manandrana manazava hevitra be loatra, satria raha haingana loatra ny fiteninao, dia hihen-danja ny ilana ny lahateninao. Mety kokoa ny hanazavana tsara hevitra vitsivitsy.
9 Amin’ny ankamaroan’ny lahatenin’ireo mpianatra, dia ilaina ny mifidy faritra hentitra tsara. Azonao atao ny mampiseho ny foto-kevitrao toy ny hoe miresaka amin’ny olona iray hitanao amin’ny fandehanana isan-trano, na mamaly fanontaniana iray napetraka nandritra ny fiverenana mitsidika na nandritra ny fanambarana tsy ara-potoana koa. Ho azonao atao mihitsy aza ny miresaka toy ny hoe manazava zavatra amin’ny iray amin’ireo zanakao ianao. Maro ireo faritra azo ampiasaina. Ny zava-dehibe dia ny hifidianana faritra iray manakaiky ny zavatra tena misy araka izay azo atao. Mieritrereta tsara àry alohan’ny hifidianana ilay faritra ary resaho amin’ny mpitory hafa izany satria mety hanome fanoloran-kevitra tsara dia tsara ho anao izy ireo.
10 Foto-kevitra inona no nofidinao ary fampiharana inona no hataonao amin’io foto-kevitra io? Fanteno mifanaraka amin’izany ireo hevitra ao amin’ilay lahatsoratra. Esory ireo hevitra tsy tena ilaina amin’ilay foto-kevitrao, na amin’ny zava-kendren’ilay lahateny. Amin’ny fitsipika ankapobeny dia tsara kokoa ny mifantoka amin’ny famelabelarana ireo hevitra aseho ao amin’ilay lahatsoratra fa tsy hitady hevitra any an-kafa. Tsy midika anefa izany hoe tsy azonao atao ny mampiditra fanoharana mifanentana tsara na hevitra hafa izay hanampy ireo mpihaino hahatakatra ny hasarobidin’ilay foto-kevitra. Raha azo atao dia aza manadino ny mampiseho hoe amin’ny ahoana ireo hevitra no mihatra amin’ny mpanatrika mba handraisan’izy ireo soa faran’izay betsaka avy amin’izany.
11 Rehefa avy nifantina ny foto-kevitrao sy ny faritra ianao, dia mety ho hitanao fa tsy dia ilaina loatra ao amin’ny lahateninao ny fehintsoratra sasany ao amin’ilay lahatsoratra. Tsy voatery handray ny fehintsoratra tsirairay avy ianao. Izao kosa no atao: Miezaha mifantina foto-kevitra sy faritra iray izay hahatonga anao ho afaka hampiasa ampahany araka ny antonony amin’ilay lahatsoratra.
12. Ahoana no ahafahantsika manomana lahateny kely avy amin’ny lisitry ny andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly?
12 Lahateny fohy mifototra amin’ny fifidianana andinin-teny ao amin’ny Baiboly. Indraindray ianao, dia mety hotendrena hanao lahateny fohy mifototra amin’ny lisitry ny andinin-teny izay angamba notsoahina avy tao amin’ilay bokikely hoe Foto-dresaka Ara-baiboly na ny boky Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, raha misy amin’ny fiteninao ireo zavatra vita an-tsoratra ireo. Ny zava-kendrenao dia ny hamelabelatra ireo andinin-teny ireo ho tonga lahateny ara-dalàna iray, na ho fomba fampiseho toy ilay atao eny amin’ny saha fitoriana. Raha maro loatra ireo andinin-teny atolotra amin’ny fotoana omena dia fanteno izay tianao hampiasaina. Aza maka afa-tsy ireo izay azonao hazavaina tsara ao anatin’ny fotoana anananao. Avy eo dia fakafakao tsara ny andinin-teny tsirairay kasainao hovakina. Farito ny antony hampiasanao azy. Omano ilay fomba fampiseho mba hahatonga ny fampidirana ny andinin-teny tsirairay hanintona ny saina ho amin’ilay antony nampiasanao azy. Ny fomba famakinao andinin-teny koa dia tokony hanamafy ilay tapany fototra amin’izy io. Farany, ny fampiharanao azy io dia hampiditra ao an-tsaina ilay hevi-dehibe.
13-15. Fomba inona no hahatonga antsika ho afaka hanomana lahateny iray miorina amin’ny foto-kevitra iray izay ny lohateny ihany no omena antsika?
13 Rehefa ny foto-kevitra ihany no omena. Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana na fotoana hafa dia mety homena hataonao ny lahateny izay ny lohateny fotsiny no ho azonao. Tsy omena loharanon-kevitra manokana ianao mba hampiasaina ho fototry ny fampisehoana ilay lahateny. Amin’izay, dia ho azonao atao ny toy izao: Mieritrereta ary raiso naoty ireo hevitra fototra izay heverinao fa mendrika ny hovelabelarina. Zava-dehibe io dingana voalohany io satria izany no hametra raha tena manana ny maha izy azy ny lahateninao na famerenana hevitr’olon-kafa fotsiny. Mety hisakana anao tsy hanao fikarohana sy vakiteny tsy ilaina koa izany, satria ho efa nametra ny sehatra hanaovanao fikarohana. Ankoatra izany dia ho afaka hilaza hevitra amin’ny fomba fiteninao manokana kokoa ianao fa tsy amin’ny fomba iray tsy mifanentana amin’ny maha ianao anao. Mety hahitan-tsoa koa ny miresaka ny amin’ny foto-kevitrao amin’olona matotra. Ho afaka hanome hevitra tsara anao izy ireny ny amin’ny fomba tsara indrindra hamelabelarana izany.
14 Vonona ianao izao ny hanatevina ireo hevitra amin’ny fikarohana ao amin’ny Baiboly sy boky hafa, amin’ny alalan’ny kônkôrdansa sy ny indeksan’ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana. Mba handraisana tombontsoa faran’izay betsaka avy amin’ilay boky hojerena iray, dia tsara aloha ny mijery ny fanondroam-pejy. Avy eo, mba hahitana ireo hevitra hentitra mahaliana anao, dia diniho ny indeksa. Hitsitsy fotoana ianao raha mahay mifantina. Rehefa mamaky teny tokoa ianao dia mety ho liana amin’ny hevitra tsy misy ifandraisana velively amin’ny foto-kevitra dinihinao. Mba hisorohana io fandrika io, dia jereo haingana ireo pejy, amin’ny tsy fandraisana naoty afa-tsy ireo tapany azonao ampiasaina ihany. Matetika ny hany ilainao hatao dia izao: Mariho ny fehezanteny fototra ao amin’ny fehintsoratra tsirairay, ary avy eo dia aza mamaky afa-tsy ireo fehintsoratra toa mifanentana indrindra amin’ny foto-kevitrao ihany.
15 Rehefa avy nanangona ireo hevitrao manokana sy izay notovozinao tao amin’ny loharanom-panazavana hafa ianao dia afaka mifantina ireo hevitra tsara indrindra azonao velabelarina ao anatin’ilay fotoana voafetra. Mba hahafantarana hoe inona avy amin’ireo hevitra be dia be ireo no tokony hofidina, dia manontania tena toy izao: Moa ve misy vidiny azo ampiharina io hevitra io? Mahaliana ve izy io? Mampisongadina ny foto-kevitra ve izy io?
16, 17. Fanoloran-kevitra inona avy no omena mahakasika ny fandraisana naoty?
16 Ny fomba fandraisana naoty. Mandritra ireo fikarohana atao mba hanomanana lahateny iray, dia tena ilaina ny manaraka fomba iray mba handraisana naoty ireo hevitra maro hita. Ny sasany dia nahita fa mety ny mampiasa taratasy kely henjana na tsotra, amin’ny tsy fanoratana eo amin’ny taratasy tsirairay avy afa-tsy hevitra iray lehibe mety hilaina amin’ilay lahateny.
17 Mety ho tena fohy ny fandraisana naoty, izay ilaina fotsiny mba hampahatsiahy anao ilay hevitra. Ny fandraisana naoty fohy dia misy tombony satria mampirisika anao hamorona ireo fehezanteninao fa tsy hamerina tsirairay fehezantenin’olon-kafa. Mariho anefa ny boky nakana ireo hevitra noraisina, mba hahafahanao, raha ilaina izany, hijery ilay pejy na fehintsoratra nahitanao azy. Raiso koa ireo andinin-teny lehibe indrindra izay hotononinao mba hanohananao ny fanambaranao. Ny tombontsoa amin’ny taratasy kely dia satria azo atao ny manampy na manaisotra amin’izany mandritra ny fanomanana ilay lahateny nefa tsy voatery mamerina manoratra ny zava-drehetra.
18. Nahoana isika no tokony haniry ny ho vahoaka voaomana?
18 Vahoaka voaomana. Raha toa ianao nirona ho amin’ny fanaovana tsirambina ny fanomanana ny andraikitrao teôkratika, dia tsara ny hieritreretanao ny maha zava-dehibe ny fiomanana eo amin’ireo maniry hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah. Tadidio, ohatra, fa i Jaona Mpanao Batisa dia nirahina “hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo [“Jehovah”, NW ]”. (Lioka 1:17). Io “firenena voaomana” io dia voaforon’ny Isiraelita izay nanaiky hovolavolain’i Jehovah tamim-pahombiazana mba hahafahana hanatanteraka ny asa tiany hampiandraiketina azy. Toy izany koa no izy amintsika. Raha mandray soa feno amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika isika ary manomana tsara ny lahateny kely tsirairay avy, dia hanaiky hovolavolain’io fandaharam-pampianarana atolotr’i Jehovah io. Ho ampy fahaizana koa isika mba hanompo amim-pahombiazana amin’ny maha minisitr’Andriamanitra.