FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Midika ho Inona ho Anao Ilay Haratotarihina sy Ireo Hazandrano?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Jona
    • mahatalanjona. Fahatsinjovan-javatra hoe? Eny, izany no teny mifanentana tsara, satria ny ho fiafarana dia ho araka ny hitohizan’ny fahatokiantsika eo anatrehan’Ilay mitarika ilay ezaka fanaratoana mandroso hatrany. (Zefania 2:3). Tsarovy avy amin’ilay fanoharana fa tsy ireo hazandrano tarihin’ilay haratotarihina rehetra akory no hahazo fiafarana tsara. Nilaza i Jesosy fa ireo tsy mendrika, na ratsy fanahy, dia havahana amin’ireo marina. Mba hatao inona? Ao amin’ny Matio 13:50, i Jesosy dia nilazalaza ny amin’ny ho vokany lehibe hihatra amin’ireo hazandrano tsy mendrika, na ratsy fanahy. Hatsipy ao amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo, izay midika ho fandringanana mandrakizay, izy ireo. — Apokalypsy 21:8.

      23. Inona no maha-tena zava-dehibe ilay asa fanaratoana amin’izao andro izao?

      23 Ho an’ireo hazandrano tsara dia tsara voahosotra, ary koa ho an’ireo hazandrano ara-panoharana izay mety hiaina mandrakizay eto an-tany, dia misy hoavy be voninahitra miandry azy ireo. Misy antony tsara àry ny anaovan’ireo anjely izay hanatontosana asa fanaratoana amim-pahombiazana manerana ny tany amin’izao fotoana izao mihitsy. Ary manao ahoana moa ny hazandrano ara-panoharana azo amin’izany! Tsy ho diso ianao raha milaza fa, amin’ny heviny iray, izany dia fahazoana hazandrano amin’ny alalan’ny fahagagana mitovy tsy misy hafa amin’ilay azon’ireo apostoly fony izy ireo nandatsaka ny haratony ho fanarahana ny toromarik’i Jesosy.

      24. Inona no tokony ho tiantsika hatao raha ny amin’ilay fanaratoana ara-panahy?

      24 Moa ve ianao mandray anjara amim-paharisihana araka izay azonao atao amin’io asa fanaratoana ara-panahy famonjena aina io? Na manao ahoana na manao ahoana haben’ny anjara noraisintsika isam-batan’olona hatramin’izao, ny tsirairay avy amintsika dia mandray soa amin’ny fijerena izay tontosaina maneran-tany amin’io asa lehibe fanaratoana sy famonjena aina io izay eo am-panaovana azy ankehitriny. Ny fanaovana izany dia tokony handrisika antsika hanana zotom-po bebe kokoa ihany mba handatsaka ireo harato hahazoana hazandrano mandritra ireo andro eo anoloantsika! — Ampitahao amin’ny Matio 13:23; 1 Tesaloniana 4:1.

      Tsaroanao ve Ireto Hevitra Ireto?

      ◻ Inona no asehon’ireo karazana hazandrano roa ao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay haratotarihina?

      ◻ Amin’ny heviny ahoana ireo fiangonana ao amin’ny fitambaran’ireo firenena lazaina fa kristiana no tafiditra tao amin’ilay asa fanaratoana?

      ◻ Nahoana no zava-dehibe aoka izany ilay fanaratoana mitranga amin’izao androntsika izao?

      ◻ Tokony hitarika ny tsirairay avy amintsika hanao karazana fandinihan-tena inona ilay fanoharana momba ilay haratotarihina?

  • Ny Fanaratoana Olona ao Amin’ireo Rano Maneran-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Jona
    • Ny Fanaratoana Olona ao Amin’ireo Rano Maneran-tany

      “Fa raha mitory ny [vaovao tsara, “NW” ] aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny [vaovao tsara, “NW” ] aho!” — 1 KORINTIANA 9:16.

      1, 2. a) Iza no tena nandresy marina ilay zava-tsarotra anipazana hevitra ao amin’ny 1 Korintiana 9:16, ary nahoana no mamaly toy izany ianao? b) Andraikitra inona no neken’ny Vavolombelon’i Jehovah?

      IZA amin’izao taonjato faha-20 izao no nandresy marina ny zava-tsarotra asehon’ireo tenin’i Paoly voalaza eo ambony? Iza no nandeha an-tapitrisany maro teo amin’izao tontolo izao mba hanarato lehilahy sy vehivavy izay “mahatsapa ny zavatra ilainy ara-panahy”? (Matio 5:3, NW ). Iza no nihaika ny fanaovana azy an-tranomaizina sy ny fahafatesana, ary iza no tena niharan’izany mihitsy tany amin’ny tany maro noho ny fanatanterahana ny baikon’i Kristy ao amin’ny Matio 24:14?

      2 Mamaly ny tantara hoe: ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny herintaona fotsiny, dia Vavolombelona maherin’ny efatra tapitrisa no nandeha isan-trano ‘nanambara ny vaovao tsara’ tamin’ny tany sy faritany 211 ary tamin’ny fiteny maherin’ny 200. Tsy antokona misionera nahazo fampiofanana, voafantina fotsiny ireo. Tsia, ny

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara