-
Nankahala ny Fandikan-dalàna i Kristy — Ary Ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Jolay
-
-
Mahatoky sy malina anefa io kilasy io. Mba hampandrosoana izay ataony, ireo mpivadi-pinoana dia mampisongadina ny fahadisoana, na izay toa fahadisoana vitan’ireo rahalahy izay mitarika. Ny tsy fananantsika ahiahy dia miankina amin’ny fanalavirantsika ny fampielezan-kevitry ny mpivadi-pinoana toy ny hoe poizina izany, ary poizina mihitsy izy io raha ny marina. — Romana 16:17, 18.
20, 21. Ahoana no azo amintinana ireo antony tokony hankahalana ny fandikan-dalàna?
20 Hitantsika fa izao tontolo izao dia feno fandikan-dalàna izay mitovy hevitra amin’ny fahotana. Tsy ampy ny hitiavantsika ny fahamarinana; tsy maintsy mankahala ny fandikan-dalàna koa isika. Ny sasany tamin’ireo voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana dia mety ho nieritreritra fa tia ny fahamarinana, saingy tsy ampy ny fankahalan’izy ireo ny fandikan-dalàna. Hitantsika koa ny antony tokony hankahalantsika ny fandikan-dalàna. Tsy afaka hanana fieritreretana madio sy fanajana ny tenantsika isika raha tsy manao izany. Ankoatra izany, ny fandikan-dalàna dia midika ho fivadihana amin’i Jehovah Andriamanitra. Ary ny fandikan-dalàna dia mahatonga antsika hijinja vokatra mangidy dia mangidy — alahelo be, fahasimbana, ary fahafatesana.
21 Nomarihintsika koa ny fomba ampisehoana ny fankahalantsika ny fandikan-dalàna. Manao izany isika amin’ny tsy fananana fifandraisana mihitsy amin’izay mety ho karazana fanao tsy marina, fahalotoam-pitondrantena, na fivadiham-pinoana. Koa satria irintsika ny handray anjara amin’ny fanamarinana an’i Jehovah sy hampifaly ny fony, dia tsy vitan’ny hoe tsy maintsy tia ny fahamarinana sy mikely aina amin’ny fanompoana azy fotsiny isika, fa tsy maintsy mankahala ny fandikan-dalàna koa, toy ny nataon’ilay Mpitarika sady Mpifehy antsika, dia i Jesosy Kristy.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no ampiasan’ny Soratra Masina ny teny hoe “mankahala”?
◻ Inona avy no antony tsara sasany mahatonga antsika hankahala ny fandikan-dalàna?
◻ Ohatra tsara dia tsara inona avy no ananantsika mikasika ireo izay nankahala ny fandikan-dalàna?
◻ Ahoana no azontsika ampisehoana ny fankahalantsika ny fandikan-dalàna?
-
-
Ario Ireo Nofinofin’izao Tontolo Izao, Katsaho Ireo Zavatra Tena Misin’ilay FanjNy Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Jolay
-
-
Ario Ireo Nofinofin’izao Tontolo Izao, Katsaho Ireo Zavatra Tena Misin’ilay Fanjakana
“Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — MATIO 6:33.
1. Fampitandremana inona no omen’ny Tenin’Andriamanitra mikasika ny fo ara-panoharana, ary inona no iray amin’ireo fomba lehibe amitahany antsika?
“TANDREMO ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” (Ohabolana 4:23). Nahoana no nilain’i Solomona mpanjaka hendry ny nanome io fampitandremana io? Satria ny “fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina”. (Jeremia 17:9). Iray amin’ireo fomba lehibe ahafahan’ny fontsika ara-panoharana mamitaka antsika ny fanaovana izay anaranantsika fo amin’ny nofinofin’izao tontolo izao. Fa inona moa no atao hoe nofinofy? Izany dia zavatra foromporonin’ny saina tsy araka ny zavatra tena misy, nofy antoandro, firiorion’ny saina tsy manan-katao. Rehefa tonga nofinofin’izao tontolo izao ireny nofy antoandro ireny, dia tsy vitan’ny hoe mandany fotoana fotsiny izy ireny fa tena manimba koa. Noho izany, dia tsy maintsy ariantsika tanteraka izy ireny. Raha ny marina, raha mankahala ny fandikan-dalàna sahala amin’ny nataon’i Jesosy isika, dia hitandrina ny fontsika mba tsy hanaram-po amin’ny nofinofin’izao tontolo izao. — Hebreo 1:8, 9, NW.
-