-
Aza Mitsahatra ny MifampandrosoNy Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Aogositra
-
-
Andriamanitra izay andraikiny’ dia maniry ny hanao izany araka ny nanoritan’i Petera azy, izany hoe “tsy ho mpanjakazaka amin’ireo izay lovan’Andriamanitra”. (1 Petera 5:2, 3, NW ). Eo am-panaovan’izy ireo ny asany feno fitiavana, dia mety hipoitra ny fanontaniana mahakasika raharaha izay mety hisy fahasamihafan’ny safidy. Angamba mety ho fomba eo an-toerana ny mitsangana mba hamaky ny fehintsoratra mandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Ireo fandaharana ho an’ny asa fanompoana sy tsipirian-javatra maro hafa mahakasika ny fanompoana mihitsy dia azo atao araka ny fomba eo amin’ilay faritra. Kanefa, moa ve ho zava-doza raha misy olona manana fomba somary samy hafa kely fotsiny? Ireo mpiandraikitra be fitiavana dia maniry ‘hanao ny zavatra rehetra amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana’. Izany teny izany dia nampiasain’i Paoly mikasika ireo fahaizana mahagaga. Asehon’ny teny manodidina anefa fa ny zavatra nahaliana indrindra an’i Paoly dia ny “hampandroso ny fiangonana”. (1 Korintiana 14:12, 40). Tsy naneho fironana hanorina fitsipika maro be tsy nisy farany izy, toy ny hoe ny fitoviana feno, na fandairan-javatra tanteraka no zava-nokendreny voalohany indrindra. Izao no nosoratany: “Nomen’i Kristy [fahefana] (...) hananganana, fa tsy handravana anareo [izahay]”. — 2 Korintiana 10:8.
23. Inona ireo fomba sasany izay azontsika anahafana ny ohatr’i Paoly teo amin’ny fampandrosoany ny hafa?
23 Tsy isalasalana fa niasa mba hampandroso ny hafa i Paoly tamin’ny teny nanorina sy nampahery. Tsy niaraka tamin’ny antokona sakaiza vitsivitsy monja izy, fa nanao ezaka mihoatra noho ny nantenaina kosa mba hitsidihana rahalahy sy anabavy maro be, na ireo matanjaka ara-panahy izany na ireo nila ny fampandrosoana manokana. Ary nanantitrantitra ny fitiavana izy — fa tsy ny fitsipika — satria “ny fitiavana no mampandroso”. — 1 Korintiana 8:1.
-
-
Ny Fiaraha-miala Voly — Ankafizo Ireo Soa Atolony, Halaviro Ireo Fandrika EntinyNy Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Aogositra
-
-
Ny Fiaraha-miala Voly — Ankafizo Ireo Soa Atolony, Halaviro Ireo Fandrika Entiny
“Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany.” — MPITORITENY 2:24.
1. Amin’ny fomba ahoana avy ny fitarihan’Andriamanitra no manampy ny vahoakany eo amin’ny fialam-boly?
MITONDRA soa maro ho an’ny mpanompony ny fitarihan’i Jehovah. Afaka mahita izany isika eo amin’ny lafin’ny fialam-boly. Ny fitarihany dia manampy ny Kristiana hanalavitra ny fananana fomba fijery tsy voalanjalanja amin’ny tendrony roa mifanalavitra indrindra. Ny mpivavaka sasany, izay manantitrantitra ny tokony haha-sarotiny eo amin’ny fitafiana sy ny fitondrantena, dia mihevitra ho fahotana saiky ny fahafinaretana rehetra. Etsy an-danin’izany, ny ankamaroan’ny olona dia mikatsaka fahafinaretana na dia mifanohitra amin’ny lalàn’i Jehovah sy ny fotopoto-pitsipiny aza izany. — Romana 1:24-27; 13:13, 14; Efesiana 4:17-19.
2. Manome inona mikasika ny fomba fijerin’Andriamanitra ny fialam-boly ireo filazana tany am-boalohany?
2 Ahoana anefa ny amin’ny vahoakan’Andriamanitra? Olona maro izay manomboka mianatra ny Baiboly no gaga mahafantatra fa noforonin’Andriamanitra hanana fahafahana hahita fahafinaretana eo amin’ny fiainana ny olombelona. Ireo ray aman-drenitsika voalohany dia nomeny asa
-